♦ Mbola tsy manary toky amin'ny fitarainana samihafa hitany, amin'izao fiatrehana fifidianana Solombavam-bahoaka izao, ny Vovonana Firaisankina, ka nampahafantatra sy nametraka fitarainana teny amin'ny CENI... ♦ Tsy misy fiovana fa mijanona ho roa volana in-dimy ny faharetan'ny taom-pianarana 2024-2025, araka ny tetiandro izay nampahafantarin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo vehivavy voan'ny homamiadana eo amin'ny nono sy ny vozon'ny tranonjaza maneran-tany. Mahatratra 43.000 isan-taona izany ho an'i Madagasikara, raha ny tatitra farany avy amin'ny OMS...
♦ Tsy ilaina intsony ny fahatongavan'ireo iraky ny SADC eto Madagasikara, hoy ny eo anivon'ny ARFM. Misokatra amin'ny fifampiresahana amin'ireo ankolafin-kery eto amin'ny firenana ireo iraka ireo, nanomboka androany... ♦ Manaporofo ny tsy fahaleovan-tenan'ny CENI sy ny HCC ny fahanginan'ireo andrim-panjakana ireo, amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao, hoy ny VHT... ♦ Tsy miova fa mizara ho roa volana in-dimy ihany ny taom-pianarana vaovao 2024-2025. Namoaka ireo tetiandro mirakitra izany, mbamin'ny datin'ny fanadinam-panjakana iandraiketany ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany...
♦ Miantso ny mpifidy hahay hanapa-kevitra amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao ny kandidàn'ny Firaisan-kina laharana fahatelo ato amin'ny distrikan'Ambohidratrimo. Misy ny tsindry atao amin'ny sefo fokontany sy ny mpiasam-panjakàna hoy izy ireo... ♦ Tombanana hiasa mialohan'ny faran'ny taona ny fitanterana an-tariby na ny "télépherique" zotra volomboasary miainga eo Anosy hatrany Ambatobe... ♦ Nifarana teo amin'ny dingana savaranonando ny fandraisan'anjaran'i Laura Rasoanaivo amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany ho an'ny Judo atao any Abu Dhabi any Emirat Arabo Mitambatra... ♦ Hifidy izay ho filoham-pirenena amin'ny 28 jona izao ny vahoaka iraniana...
Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024, zo sy adidy ny mifidy. Raha olom-pirenena manana kara-panondro ianao dia mandehana manatanteraka ny adidy sy andraikitra amin'ny fampandehanana ny firenentsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tsy tokony hisy fiatraikany amin'ny safidim-bahoaka ny fidinana ifotony sy ny fitokanana zava-bita ataon'ny Filoham-pirenena hoy Andriamatoa Régis Ramamonjisoa mpamakafaka pôlitika. Aleo hoy izy hifidy ankalalahana ny vahoaka malagasy amin'ny 29 mey ho avy izao... ♦ Nikorisa voalohany tao an-drenivohitra nanomboka omaly ny fitaterana amin'ny alalan'ny tariby miantona na ny "télépherique". Azo antoka ny fitandroana ny ain'ny mpandeha hoy ny sekreteram-panjakàna Gérard Andriamanohisoa... ♦ Manohy ny fanofanana an'ireo olom-pirenena hifehy ny fananan-tany ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany (SIF). Anjaran'ny tanora sy ny vehivavy avy amin'ny fikambanana samihafa no misitraka izany...
♦ Nahomby ny andrana ara-teknika natao androany maraina tamin'ireo cabines telo amin'ilay fitaterana an-tariby, tamin'ny zotra mampitohy ny Gara Anosy sy Soarano... ♦ Antony iray mahatonga ny fiovan'ny toetrandro ny entona mangeja hafanana, ateraky ny fitaterana an-tanan-dehibe sy ny fitaterana manerana ny nosy... ♦ Tanora sy vehivavy miisa 40 avy amin'ny fikambanana tsy miankina samihafa no miatrika fiofanana mahakasika ny lalàna mifehy ny fananan-tany...
♦ Naaton'ny ministeran'ny kolontsaina sy ny serasera ny fahafahan'ny Radio Fivoarana ao amin'ny Distrikan'Arivonimamo Faritra Itasy miasa... ♦ Mbola mampiasa ny fomba fanjonoana nentim-paharazana ny 80% amin'ny mpanjono eto Madagasikara, olana ho an'ity sehatr'asa ity ny tsy fisoratan'ireo mpanjono nentim-paharazana ara-panjakàna... ♦ Mangataka ny fanamafisana ny fampiharana ny lalàna sy ny famaizana an'ireo olona tratra manondrana antsokosoko ny zava-manan'aina ny COJEAA na ny Collectif des Organisations de Société Civile des Jeunes Engagées Atsimo Andrefana... ♦ Napetraka ho andro tsy fiasana fa hanomezam-boninahitra farany ny filoha Iraniana Ibrahim Raïssi ny anio Alarobia...
♦ Hitory ireo fandikan-dalàna ataon'ny filoha manao fampielezan-kevitra ankolaka ho an'ireo kandidam-panjakàna amin'ny fitetezam-paritra ataony eny anivon'ny CENI sy ny HCC ny vovonana Firaisan-kina... ♦ Ny fifidianana filoham-pirenena irery ihany no voalazan'ny lalàna fa tokony hiato rehefa misy kandidà mpifaninana maty, miakatra lasa kandidà kosa ny lisitra faharoa mirotsaka ho fidiana manolo ny toeran'ilay kandidà loha-lisitra maty amina fifidianana solombavambahoaka... ♦ Miaina anaty fahantrana avokoa ny 91% amin'ny mponina any Atsimo-Andrefana, Androy ary Anôsy, tokony mandray andraikitra ny fitondrana hoy ny fikambanana maro ao Toliara...
♦ Miantso ny Malagasy hiaro ny demôkrasia sy ny tany tan-dalàna ny Vovonana Firainsankina. Mandika ny lalàna mifehy ny fifidianana ny Filoham-pirenena, hoy izy ireo, amin'ireo fitetezam-paritra sy fitokanana ataony... ♦ Miandrandra fandriamphalemana maharitra ao amin'ny Distrikan'Ankazobe ny mponina, manoloana ny vokatra sy ny ezaka ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ny fampandrian-tany ataony... ♦ Mihamihena tsikelikely ny tantely, tsy eto amintsika ihany fa eran-tany. Manainga ny rehetra hiaro azy ireny ny mpisehatra. Nivoitra izany androany nandritra ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an'ny Tantely...
♦ Nampitsahatra ny fampielezan-keviny ireo kandidà roa mpifaninana amin'i Mamy Meryson Claver amin'ny distrikan'i Morondava, taorian'ny fahafatesany tampoka omaly maraina... ♦ Kandidà roa no nitsoaka an-daharana any amin'ny distrikan'i Manakara. Milaza ny tsy hanohy intsony ny fampielezan-keviny izy ireo, fa hanohana kandidà hafa... ♦ Nandiso ny vaovao miparitaka ny orinasa JIRAMA androany maraina fa tsy nametra-pialàna ny tale jeneraly vaovao, Rhon Weiss. Manohy ny asa nanendrena azy izy hoy ny fanambaràna... ♦ Mangataka ny hamoahana didy fisamborana ny Praiministra israeliana, Benjamin Netanyahou ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny fitsaràna iraisam-pirenena...
♦ Nodimandry tampoka omaly maraina ny kandidàn'ny vovonana Firaisan-kina any amin'ny Distrikan'i Morondava. Andrasana ny fanapahan-kevitra horaisin'ny CENI sy ny HCC noho izao voina izao... ♦ Hanao hetsika famotorana mitety vohitra ny mpanao famotorana eo anivon'ny fisaràna noho ny raharaha fakàna an-keriny any amin'ny distrikan'Anjozorobe. Mobla mitohy ny fanadihadiana hoy ny tonia mpampanoa lalàna... ♦ Somary nangingina raha mitaha ny amin'ny alatsinain'ny Paka ny fialan-tsasatry ny alatsinainin'ny Pantekôty omaly. Nahasarika mpitsangatsangana na izany aza ireo toeram-pialam-boly indrindra ny tao an-drenivohitra...
♦ Manaitra ny olom-pirenena hanapaka ny rafi-panjanahana an'i Madagasikara ny Antenimieran'ny ray aman-dreny ara-drazana. Kihon-dalana amin'izany ny fifidianana solombavambahoaka hoy ny fanambaran'izay ireo omaly... ♦ Niakatra fampanoavana teny amin'ny PAC 67ha omaly ny ben'ny tanànan'Antsiranana. Nitolo-batana teny amin'ny Brigady misahana ny heloka bevava teny Anosy mialohan'izay, noho ny raharaha hanenjehina azy... ♦ Ben'ny tanàna telo, sy mpitandro filaminana maromaro no nosamborina, voarohirohy noho ny raharaha fakàna an-keriny sy asan-dahalo any amin'ny distrikan'Anjozorobe... ♦ Namoaka didim-panjakàna mampiantso ireo vonona hanatevina ny tafika ny filoha okraniana, hiatriehana ady...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco