♦ Manova paik'ady indray ny dahalo ao amin'ny Distrika Ankazobe amin'ny fanafihana ataony. Manentana ny vahoaka sy ny mpitondra eny ifotony ho mailo, hoy ny solombavambahoaka Rija Rasoava Rakotoarisoa... ♦ Maherin'ny 200 ireo voafonja afaka nivoaka ny fonjan'Antanimora omaly nahazo ny fanalefan-tsazy avy amin'ny filohan'ny Repoblika... ♦ Nanokatra ny taona 2024 omaly ny RMDM. Vonona hiady amin'ny tsy rariny sy ny tsy fanajàna ny lalàna izy ireo. Mitohy ny tolona hoy ny mpitondra teniny Pasitera Edouard Tsarahame... ♦ Nanambara ny Praiministra israeliana fa tsy hihazona maharitra an'i Gaza eo am-pelantanany izy ireo. Ny hamongorana ny Hamas no tanjon'izy ireo...
♦ Havaozina sy hatsaraina ny paikady fanabeazana entina miatrika ny fifidianana eny anivon'ny Kaominina sy ny fifidianana solombavambahoaka ataon'ny SAFIDY. Misy ny atrik'asa ataon'izy ireo nanomboka androany any Antsirabe... ♦ Nahitam-bokany ny fampandrian-tany ataon'ny mpitandro ny filaminana any amin'ny Distrika Ankazobe, tsara ary tokony ho tohizana izany hoy ny vahoaka. Na izany aza tsy mbola milamina tanteraka ny any an-toerana... ♦ Miisa 909 ireo voafonja voakasiky ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny filohan'ny Repoblika, ho an'ny fonja eny Antanimora. Nahatratra 263 ireo voafonja nahazo fahafahana hatramin'ny androany hariva ka efa nivoaka ny fonja...
♦ Mpikamban'ny governemanta Ntsay Christian : Ho fantatra ny faran'ny herinandro izao ny lisitry ny anaran'ireo ministra nahafeno ny fepetra... ♦ Nahatrarana vary simba 35 gony hafa indray tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, vary saika halefa tany Taolagnaro... ♦ Fako manodidina ny 500 taonina isan'andro eo no hesorin'ny mpiasa eo anivon'ny SMA ao Antananarivo-renivohitra, tsy maharaka ny fitaovana entina manala ireo fako... ♦ Misavorovoro tanteraka ankehitriny ny any Equateur taorian'ny fandosiran'i Adolfo Matias lehiben'ny fikambanan-jiolahy tao amin'ny fonja nitazomana azy ny alahady lasa teo...
♦ Hankalazaina miaraka ny 10 mey 2024 izao ny faha-5 taonan'ny fitsidihana apôstôlika nataon'i Papa François teto Madagasikara sy ny faha-35 taona ny fitsidihana apôstôlika nataon'ny Olomasina Jean Paul-II, teto amintsika ny taona 1989... ♦ Efa tonga any Mahajanga ny fanafody sy kojakoja ilaina andraisana an-tanana ireo voan'ilay areti-maso mirongatra any amin'ny Faritra Boeny... ♦ Efa nisokatra nanomboka ny volana novambra 2023 ny fizahan-tany ambanivohitra amin'ny lalam-pirenena faha-7 sahanin'ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy na ny FE.KRI.TA.MA... ♦ Mandalo fotoan-tsarotra ny Eglizy any Nicaragua noho ny olan'ny fahafahana ara-pivavahana misy any amin'ity firenena ity...
♦ Hankalazaina miaraka ny 10 mey 2024 izao ny faha-5 taonan'ny fitsidihana apôstôlika nataon'i Papa François teto Madagasikara sy ny faha-35 taona ny fitsidihana apôstôlika nataon'ny Olomasina Jean Paul-II, teto amintsika ny taona 1989... ♦ Efa mandray ny fepetra rehetra tsy hiparitahan'ny areti-maso any amin'ny Faritra hafa ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, efa misy ny fisorahana natao tsy ho an'ny any Mahajanga ihany fa amin'ireo distrika maro manerana an'i Madagasikara... ♦ Efa nisokatra nanomboka ny volana novambra 2023 ny fizahan-tany ambanivohitra amin'ny lalam-pirenena faha-7 sahanin'ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy na ny FE.KRI.TA.MA...
♦ Nankalazaina ny Alahadin’ny Epifania ny andron’ny Ankizy maneran-tany... ♦ Nanasa ny kristianina rehetra mba samy hahatsiaro ny fotoana nanaovana Batemy azy ireo ny Papa François... ♦ Mivavaka hoan’ireo traboina nohon’ny tondra-drano any RDC ny Papa François...
♦ Tapitra rahampitso ny fe-potoam-pitondràn'ny Ben'ny Tanàna sy ny mpanolon-tsaina manerana an'i Madagasikara. Mety ho ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana anefa no hotanterahina voalohany amin'ity taona ity... ♦ Efa tafakatra 200 hatramin'izao ireo antontan-taratasy voaray ho safidiana ho ministra. Tsy tokony ho endrika ivelany fotsiny ireo mpikamban'ny governemanta hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Gérard Ramamimampionona... ♦ Maty notifirin'ny dahalo ny Ben'ny Tanàna an'ny kaominina Andranomiely any amin'ny Distrika Ankazobe. Efa tena mihantsy ady amin'ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka mihitsy ireo olon-dratsy any Ankazobe ireo amin'izao...
♦ Olona 10 no maty vokatry ny oram-be nikija tany amin'ny Distrikan'i Ikongo. Nandravarava trano io oram-be io, ary ahiana mbola hitombo ny fahavoazana hoy ny tatitry ny Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana... ♦ Mety hisy faritra andro ratsy hiforona ao amin'ny ranomasimbe Indiana amin'ny faran'ny herinandro. Hitohy hatrany ny oram-baratra manerana ny nosy, ankoatra ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo andrefana, hoy ny Météo... ♦ Vary simba 3 kaontenera indray no tratra tany Toamasina omaly. Nogiazana avy hatrany ireo vary ireo, rehefa nokasaina hodiovina, toy ny tany Mahajanga, raha ny fampitam-baovaon'ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana...
♦ Tafakatra F10 ireo olona maty vokatry ny orambe nikija tany amin'ny Distrikan'Ikongo omaly alahady araka ny tatitry ny solombavambahoaka Razafitsiandraofa Jean Brunelle, androany... ♦ Tratran'ny zandary tany Toamasina androany ny vary simba 3 kaontenera izay saika ho diovina any Mahajanga... ♦ Niverina an-tsekoly nanomboka androany ny mpianatra rehefa avy niatrika fialan-tsasatra... ♦ Maherin'ny 160 hatramin'izao ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny horohoron-tany nitranga tany Japon ny fiandohan'ity taona ity...
♦ Andalam-pandinihana ankehitriny ny fanovàna ny fehezan-dalàna famaizana momba ny fanolanana. Mitarika izany ny Ministeran'ny Fitsaràna... ♦ Mila hamafisina ny fitandroana ny filaminana amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy raha tiana ho tratra ny fanamby napetraka amin'ny fizahan-tany eto Madagasikara. Efa miarindoha tsikelikely mantsy ity sehatra ity taorian'ny fandalovan'ny Covid... ♦ Nitohy tao amin'ny distrikan'i Marovoay, Faritra Boeny ny fizaràna hanam-pamokarana ataon'ny Mnisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ho an'ny tantsaha, tohana atao amin'ny alalan'ny tetik'asa PURPA... ♦ Hivahiny any Arabie Saoudite sy Israel anio hariva ny lehiben'ny diplômasia amerikana Antony Bliken, mikasika ny ady "israely-palestina"...
♦ Mila fihaonan'ireo mpisehatra rehetra voakasika ny fampiakarana ny saran-dalàna, isan'izany ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa hoy ny filohan'ny PMH, Andry Vola Razafindralambo... ♦ Hiatrika ny tapany fahatelo amin'ny taom-pianarana indray ny mpianatra rehetra manerana ny nosy manomboka androany. Misedra olana amin'ny fanarahana ny fianarana nefa ireo mpianatra any amin'ny toerana lavitra andriana amin'ny fotoam-pahavaratra toa izao... ♦ Mila paik'ady matotra ny fananganana firenena matanjaka sy vanona hoy ny filohan'ny antoko TIM, Marc Ravalomanana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Telo volana omaly ny ady eo amin'ny Hamas Palestiniana sy ny tafika Israeliana...
♦ Nitondra ny heviny ny Fivondrondam-ben’ny Eveka eto Madagasikara manoloana ilay fanambarana nataon’i Papa François mikasika ilay taratasy "Fiducia Supplicans"... ♦ Ady tsy misy fiafarana hoan’ny Kristianina ny fiarovana ny finoana, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience Générale, ny 03 Janoary 2024... ♦ Nankahery ireo misionera miasa any ambanivohitry LaFrantsa, mba hanohy ny asan’izy ireo hatrany, ny Papa François... ♦ Mila manorina ny tetezan’ny fiadanana isika, hoy ny Papa François, tao amin’ny gazetibokin’ireo Frera Fransiskanina, ny alakamisy 04 Janoary 2024...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco