Vakiteny voalohany

Bokin’i Jônasy Mpaminany (Jônasy 3, 1-5. 10)

Niala tamin’ny lalan-dratsiny ny olona tao Niniva.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tamin’i Jônasy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mitsangàna ianao mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe,
hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao”.

Dia nitsangana i Jônasy, ka nankany Niniva,
araka ny tenin’ny Tompo.
Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra,
fa lalan-kateloana.
Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy,
ka nitory izy nanao hoe:

“Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!”

Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva,
ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa,
hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.
Nahita ny nataon’izy ireo,
sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra,
ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra,
ka dia tsy notanterahiny indray izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 24. 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9

Ny lalanao, ry Tompo, ampianaro ahy.
na hoe: Ny teninao, Tompo ô, no faniloko; ny lalanao, ô ry Ray ô, no tianay haleha.

Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy;
ny soritrao ampianaro ahy.
Ny fahamarinanao itarihana ahy,
Ianao no Andriamanitra Vonjiko.

Tsarovy ny indrafonao sy ny fitiavanao
izay efa hatramin’ny fahagola.
Noho ny fitiavanao, ry Tompo,
hadinoy ny otako fahazaza.

Tsara sy mahitsy ny Tompo;
ny mpanota toroany lalana,
ny ory entiny amin’ny marina,
ary ampisehoany ny lalany.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 7, 29-31)

Mandalo ny endrik’izao tontolo izao.

Ry kristianina havana,
izao no hevitro:
fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao,
aoka ny manambady ho toy ny tsy manana;
ny mitomany ho toy ny tsy mitomany;
ny mifaly ho toy ny tsy mifaly;
ny mividy ho toy ny tsy manana;
ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra;
fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; minoa ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 14-20)

Mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.

Tamin’izany andro izany,
rehefa natao an-tranomaizina i Joany,
dia nankany Galilea i Jesoa
nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ka nanao hoe:

“Tonga ny fotoana,
ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra;
mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”.

Nony nandalo teny amoron’ny ranomasin’i Galilea Izy,
dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina,
fa mpanarato izy ireo.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo”.

Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy.
Nony nandeha kelikely Izy,
dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny,
izay teo an-tsambokely koa nanamboatra ny haratony.
Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy,
ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambokeliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany,
fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hifanatrika manoloana ny Fitsarana ao Fianarantsoa amin'ny 8 febroary 2024, ireo mpitsabo nandray an-tanana ireo zazavavy kely roa nanaovana fizaham-pahasalamana noho ny resaka fanolanana. Anton'izany ny valin'ny fizahana tsy mitovy... ♦ Hiverina hiakatra Fitsarana indray i Mbola Rajaonah, ny 20 febroary 2024, izany hoe enina andro ao aorian'ny hahavitany ny sazy an-tranomaizina dimy taona nomen'ny PAC... ♦ Efa ahitana ny aretimaso “conjonctivite”, ny sekoly sasany ao an-drenivohitra ankehitriny. Efa mandray fepetra ny fikambanan'ireo sekoly tsy miankina...

♦ Niakatra fampanoavana tampoka teny Anosy androany, Andriamatoa Mbola Rajaonah. Naverina eny am-ponja izy, miandry ny fitsarana azy amin'ny 20 febroary 2024, raha tokony efa hivoaka ny fonja mialoha io daty io... ♦ Efa ahitana trangan'ilay aretimaso “conjonctivite”, ny sekoly sasany ao an-drenivohitra amin'izao. Miverina amin'ny fampiharana ny fepetra fisorohana ara-pahasalamana, ireo sekoly tsy miankina, nanomboka androany... ♦ Miato ny fampianarana any amin'ny DREN Diana, noho ny faharatsian'ny toetry ny andro. Mamely mafy any an-toerana ny orambe sy ny tafiotra, efa ho roa andro izao...

♦ Nidiny ifotony nanara-maso ny vidim-bary eny an-tsena ny eo anivon'ny ministeran'ny indostria sy ny varotra. Marin-toerana ny vidim-bary ao Antananarivo renivohitra sy ny manodidina... ♦ Nesorina tamin'ny toerany nandritra ny filan-kevitry ny Ministra ny governoran'ny Faritra Atsimo Atsinanana, Melaky ary Analanjirofo... ♦ Nitsidika tampoka teny amin'ny fitsaràna ambaratonga voalohany ny ministry ny Fitsaràna. Ilaina hoy ny Ministra ny fametrahana fepetra hanatsaràna ny asa ankapoben'ny mpiasa... ♦ Tonga tany Ejipta omaly ny fanampiana maha olona ho an'ireo mponina any Gaza sy ny fanafody ho an'ny takalon'aina Israeliana...

Rehefa tsara ny safidy ataonao, tsy maintsy tsara ny fiainanao. Fahasoavana lehibe sy fahatsaram-piainana ny vokatry ny safidy tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Hanatsara ny lanjan'ny vola malagasy sy hampiroborobo ny toekarena ny vinan'ny Filoha, hanodina ny volamena sy ny lavanila, hoy ny Tale Jeneralin'ny INSTAT... ♦ Mari-toerana ny vidim-bary teny amin'ny tsena ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, ny faramparan'ny taona 2023 hatramin'izao fiandohan'ny taona 2024 izao... ♦ Nitsidika tampoka teny amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany teny Anosy, ny Minisitra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nanao tombana sy nijery ireo sehatra mety hanatsarana ny fomba fiasa ny tenany...

♦ Mbola misy ireo olona tsy navotsotr'ireo olon-dratsy mpaka an-keriny any amin'ny Distrikan'i Belo-Sur-Tsiribihina. Miaina anaty fitaintainana hatrany ny fianakavin'izy ireo... ♦ Tokony hizotra am-pilaminana ny fifampiresahan'ny fitondram-panjakàna sy ireo vondrona mpaninjara solika, manoloana ny fifehezana ny vidin-tsolika hoy ny Ministry ny Angovo sy ny Akoron'Afo... ♦ Foana ny lalao saika handraisan'ny Ankoay anjara anio sy ny zoma izao noho ny fialan-daharan'ny ekipa Tanzaniana. Hiatrika ny dingana manaraka avy hatrany ny Ankoay afaka iray volana... ♦ Niharan'ny fisamborana ny olona miisa 22 any Belgique izay voarohirohy amin'ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina ka pôlisy ny miisa 3 tamin'ireo...

♦ Nandefa taratasy fankaherezana sy fiombonana ho an'ireo Evekan'ny Nosy Maurice sy ny Nosy La Réunion ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara manoloana ny takaitra navelan'ny rivo-doza Belal... ♦ Hotohizana ireo tetikasa entina hanatsarana ny famatsiana angovo eto Madagasikara hoy ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'Afo Olivier Jean Baptiste... ♦ Nilaza ho niharan'ny fandrahonana ataon'ireo tsy manara-dalàna amin'ny fanotorana tany ao an-drenivohitra ny Ministra teo aloha Pierre Houlder... ♦ Lany ho filohan'i Comores tamin'ny fifidianana fihodinana voalohany amin'ny taham-pandraisan'anjara an'ny mpifidy 16,30% i Azali Assoumami...

♦ Nanoratra taratasy ho an'ny Evekan'ny Nosy Maurice sy La Réunion ny Evekan'i Morondava, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina. Taratasy mankahery azy ireo sy maneho fiombonana noho ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Belal... ♦ Mahaleo tena amin'ny fandraisana andraikitra sy fanapahan-kevitra manomboka izao ny Zandarimariam-pirenena. Hiova ny paikady hiatrehana ny tsy fandriam-pahalemana, hoy ny Minisitra delege, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry...

♦ Hiara-hiasa hametraka paik'ady hamerenana ny fandriam-pahalemana izay mampikaikaika ny vohoaka ny mpitandron'ny filaminana hoy ny ministry ny fiarovam-pirenena... ♦ Distrikan' i Mandritsara : Ahiana hitoka-monina noho ny fahasimban'ny lalam-pirenena faha-32... ♦ Mety hisy faritra andro ratsy hiforona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana amin'ity faran'ny herinandro ity... ♦ Mananontanona ny Nosy Maurice indray ankehitriny ilay rivo-doza Balal rehefa avy nandravarava izay nolalovany tao amin'ny Nosy La Réunion...

♦ Tsy misy lalàna manery ny tsy maintsy nanaovan'ny ministra tsirairay fihanianana fa safidy manokan'ny filoha Andry Rajoelina no nampanao izany... ♦ Tsy azo lazaina ho fahabangan-toerana ny fahataperan'ny fe-potoam-piasan'ny Ben'ny Tanàna amin'izao, tsy tokony ho azo ampiasaina araka izany ny fametrahana ny filohan'ny delegasiônina manokana hoy ny mpahay lalàna...  ♦ Distrika Belo-Tsiribihina : nikatona nanomboka omaly mandritra ny fotoana tsy voafetra ny sekoly rehetra any an-toerana noho ny resaka fakana ankeriny mpianatra... ♦ Nanao antso amin'ny hanaovana hetsika fitadiavam-bola ho fanampiana ireo lasibatry ny ady ao Ukraine ny vondrona iraisam-pirenena...

♦ Fombafomba vaovao natao tao aorian'ny fanendrena ireo mpikambana vaovao mandrafitra Governemanta, ny fanaovana fianianana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...