♦ Foana avokoa ny fampitandremana momba ny fahabetsahan'ny rotsak'orana, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo. Mbola ho mafy anefa ny fitsokan'ny rivotra any amin'ny morontsiraky ny Faritra Atsimo Andrefana... ♦ Tsy ampy antsasa-manilan'ireo infirmiera ara-dalàna eto Madagasikara, no misoratra ao amin'ny Holafitra. Omena roa volana ireo infirmiera rehetra ara-dalàna, hisoratra anarana... ♦ Milaza ho misy mandrahona ny hisambotra, Andriamatoa Rabevahiny Elia, tao aorian'ny fanehoan-kevitra nentiny amin'ny tokony hanafahana ireo olona telo nofonjaina, noho ny raharaha Bas-Mangoky...

♦ “Mpivahin'ny Fanantenana”, io no lohahevitry ny Taon-jobily 2025, eo anivon'ny Eglizy Katôlika maneran-tany. Mitondra fanazavana ny ekipa mpanomana ho an'ny eto Madagasikara... ♦ Hosokafana amin'ny fomba ôfisialy anio ny taom-pambolen-kazo 2023-2024. Ankoatra ny eny Imerintsiatosika, hisy koa ny hetsika isam-paritra... ♦ Manohy ny asany vonjy maika mandra-pisian'ny fifidianana ireo handimby azy, ny Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina Monisipaly, araka ny fanapahan'ny HCC...

♦ Nampahafantarina androany ny fiomanan'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara amin'ny fankalazana ny Taon-jobily 2025, araka ny toromariky ny Papa François... ♦ Manohy ny asany vonjy maika, mandrapaha voafidy izay handimby azy, ireo Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina monisipaly, izay tapitra fe-potoam-piasana ankehitriny. Namoaka izany fanapahana izany ny HCC, androany... ♦ Namoizana ain'olona ny firotsahanan'ny orana tsy an-kiato any amin'ny Faritra Diana. Tombanana mbola hitohy hatramin'ny rahampitso ny rotsak'orana any amin'ny tapany avaratry ny nosy, hoy ny Météo...

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 3, 4-13)

Omeo saina mahiratra ny mpanomponao, hahafahany mitsara ny vahoakanao.

Tamin’izany andro izany:
Nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza.
Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io.
Ary ny Tompo niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina , tany Gabaôna,
ka hoy Andriamanitra taminy:

“Angataho izay tianao homeko anao.”

Dia hoy ny navalin’i Salômôna:

“Efa naneho fitiavana lehibe tamin’i Davida mpanomponao raiko Ianao,
araka ny nandehanany teo anatrehanao,
tamin’ny tsy fivadihana sy fahamarinana, ary fahitsiam-po taminao;
notohizinao izany fitiavana azy lehibe izany,
ka nomenao zanaka lahy izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy,
araka izao hita izao.
Ary ankehitriny, Tompo Andriamanitra ô,
efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao;
izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena.
Ary ny mpanomponao dia eo afovoan’ny vahoakanao, izay nofidinao,
vahoaka be dia be, tsy azo vinavinaina ny habetsahany, tsy tambo isaina,
fa maro be loatra.
Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao hitsarako ny vahoakanao,
hanavahako ny soa sy ny ratsy.
Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoaka maro be izao.”

Nankasitrahan’ny Tompo ny nangatahan’i Salômôna izany zavatra izany taminy.
Ka hoy Andriamanitra taminy:

“Noho ianao nangataka izany zavatra izany,
ka tsy nangataka andro maro ho anao,
sy tsy nangataka harena ho anao,
ary tsy nangataka ny ain’ny fahavalonao ho anao;
fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny;
dia indro, tanterahiko ny teninao fa omeko saina hendry sy mahiratra ianao,
ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao,
ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aorianao.
Omeko anao mbamin’izay tsy nangatahinao koa aza,
dia harena amam-boninahitra hany ka tsy hisy toa anao na iza na iza,
amin’ny mpanjaka mandritra ny andronao rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 9-10. 11-12. 13-14

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny Fitsipikao.

Fomba ahoana no hitanan’ny zatovo ny hadiovan-toetra?
Dia ny fitandremana ny Teninao!
Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho,
koa aza avela handao ny baikonao.

Raketiko ato am-poko ny didinao
mba tsy hanotako aminao.
Hisaorana anie Ianao, ry Tompo!
Ampianaro ahy ny fitsipikao!

Tanisain’ny molotro avokoa ny sata rehetra
voalazan’ny vavanao!
Ny lalan’ny fanambaranao no ifaliako,
mihoatra noho ny harena rehetra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

Tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly,
dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Ary hoy Izy taminy:

“Avia ianareo,
ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina,
ka mialà sasatra kely”:

fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory.
Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo
ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany,
ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra,
sy tonga tany talohany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa
dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy,
satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo,
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Siraka (Eklesiastika 47, 2-13)

Tamin’ny fony tokoa no nankalazan’i Davida ny Tompo sy nitiavany an’Andriamanitra.

Toy ny fanavaka ny sabora amin’ny sorona fisaorana
no nanavahana an’i Davida teo amin’i Israely.
Nilalao tamin’ny liona toy ny zanak’osy izy,
ary tamin’ny orsa, toy ny zanak’ondry kely.
Fony izy mbola tanora,
tsy namono ilay goavam-be va izy, ka nahafa-kenatra ny vahoaka,
nony nanainga tanana mbamin’ny vaton’antsamotadiny izy,
sy nanongana ny reharehan’i Gôliata?
Satria niantso ny Tompo Avo Indrindra izy,
ary ny Tompo nanome hery ny tanany an-kavanana,
hamono mahafaty an’ilay mpiady mahery,
mba hanandratra ny tandroky ny vahoakany.
Ka dia nankalazaina izy, noho ny amin’ireo iray alina;
noderaina izy, noho ny fitahian’ny Tompo;
ary natolotra azy ny satro-boninahitra.
Fa nomontsaniny hatraiza hatraiza ny fahavalo,
nohoseny tamin’ny tongony ny Filistina, ny mpanohitra;
noketrahiny mandraka androany ny herin’ireny.
Tamin’izay rehetra nataony izy nanolotra haja ny Masina, ny Avo Indrindra,
tamin’ny teny fiderana;
tamin’ny fony tokoa nanao hira fankalazana ary tia an’Ilay nanao azy.
Nanendry mpihira eo anoloan’ny ôtely izy
ary nampandre hira mireondreona mahafinaritra tamin’ny feon’ireo.
Nataony manetriketrika ny fety,
ary kanto tapitra ohatra ny fankalazana ny andro lehibe,
amin’ny fotoana ankalazan’ny mpihira ny Anara-masin’ny Tompo
sy hampanakoakoany ny fitoerana masina vao maraina.
Ny Tompo kosa namela ny hadisoany,
nanandratra ny fahefany ho mandrakizay;
ary nataony azo antoka ny hananany taranaka mpanjaka,
sy ny seza fiandrianana be voninahitra eo amin’i Israely.
Nitsangana nanarakaraka azy ny zanaka feno fahendrena anankiray,
tao anatin’ny fandrosoana no nahavelomany noho ny amin-drainy.
Nanjaka tamin’ny androm-piadanana i Salômôna
fa nomen’Andriamanitra fitsaharana amin’ny manodidina rehetra izy,
mba hanorina tempoly ho an’ny Anarany sy hamboatra toerana masina mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 17, 31. 47 sy 50. 51

Hasandratra ilay Andriamanitra Mpamonjy ahy.

Andriamanitra: lavorary ny lalany,
ny Tenin’ny Tompo dia voasedra.
Izy no mpanao soa
an’izay mifefy aminy.

Velona anie ny Tompo, hisaorana ny vatolampiko!
Hasandratra Ilay Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Koa midera Anao eto anivom-pirenena aho,
sy miantsa ny Anaranao, ry Tompo!

Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany;
anehoany hatsaram-po ny Voahosony:
dia i Davida sy ny taranany
hatrany amin’ny mandrakizay!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)

I Joany izay e dia ilay notapahiko ny lohany fa efa nitsangan-ko velona izy.

Tamin’izany andro izany:
Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda ka hoy ny sasany hoe:

“I Joany Batista nitsangan-ko velona izay,
ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy”;

fa ny sasany kosa nanao hoe:

“I Elia izay”,

ary ny hafa indray dia hoe:

“Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany.”

Ary nony nandre izany i Herôda, dia nanao hoe:

“I Joany izay e, dia ilay efa notapahiko ny lohany,
fa efa nitsangan-ko velona izy.”

Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra
sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny
izay nalainy ho vady.
Satria i Joany nanao taminy hoe:

“Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao.”

Koa tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza,
saingy, tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany,
izay hitany fa lehilahy marina sy masina,
ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro,
sy nohenoiny tamin-kafaliana.
Ary tonga ny andro tsara,
dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda
ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tompon’arivo ary ny loholona tany Galilea.
Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada
ka nahafaly an’i Herôda, sy izay niara-nihinana taminy;
dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy:

“Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao”,

sady nampiany tamim-pianianana hoe:

“Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao,
na dia ny antsasaky ny fanjakako aza.”

Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe:

“Inona no angatahiko?”

Ary hoy reniny:

“Ny lohan’i Joany Batista.”

Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe:

“Tiako raha omenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan’i Joany Batista.”

Nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy,
dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy,
fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia.
Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina,
ka nitondra azy tamin’ny lovia,
ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa.
Nony nandre izany ny mpianany,
dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 2, 1-4. 10-12)

Handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho ity, ka mahereza ianao, ry Salômôna, misehoa ho lehilahy.

Nony efa akaiky ny andro hahafatesan’i Davida,
dia nandidy an’i Salômôna zanany izy, nanao hoe:

“Handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho ity,
ka mahereza ianao, misehoa ho lehilahy.
Tandremo ny fanompoana ny Tompo Andriamanitrao,
fa araho ny lalàny, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsipika amam-pandaharany,
araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy,
mba hahomby ianao amin’izay ataonao rehetra sy izay rehetra hoherehinao,
ka dia hotanterahin’ny Tompo ilay teny nilazany ny amiko hoe:

‘Raha mitandrina ny diany ny zanakao,
ka mandeha eo anatrehako amim-pahamarinana amin’ny fony rehetra
dia tsy ho lany taranaka ho eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely ianao.’”

Dia nandry any amin’ny razany i Davida,
ka nalevina tao an-tanànan’i Davida.
Efapolo taona no andro nanjakan’i Davida tamin’i Israely,
ny fito taona nanjakany tany Hebrôna,
ary ny telo amby telopolo taona tao Jerosalema.
Ary i Salômôna nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Davida rainy,
ary niorina tsara ny fanjakany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: 1 Tant. 19, 10. 11ab. 11d-12a. 12bde

Ianao, ry Tompo, no manjaka amin’izao rehetra izao.

Isaorana Ianao, ry Tompo Andriamanitr’i Israely Razanay:
hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay!
Anao, ry Tompo, ny halehibeazana sy hery,
ny hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana.

Anao ny zava-drehetra:
na ny any an-danitra na ny eto an-tany!
Anao, ry Tompo, ny Fanjakana,
sy ny fisandratana ho Lohan’ny zava-drehetra.

Ny harena, ny voninahitra dia avy aminao!
Ianao no manjaka amin’ny zavatra rehetra!
An-tananao ny hery sy ny tanjaka!
Ny tananao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 6-13)

Nanomboka naniraka azy ireo Izy.

Tamin’izany andro izany,
niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa,
ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto.
Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo
na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehin-kibony,
afa-tsy tehina ihany,
fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa.
Ary hoy koa Izy taminy:

“Na aiza na aiza halehanareo,
dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo.
Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo,
dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy.”

Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy,
sy nandroaka demony maro,
ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 24, 2. 9-17)

Indro izaho no nanota, izaho no meloka, fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa?

Tamin’izany andro izany,
hoy i Davida mpanjaka tamin’i Jôaba filohan’ny tafika, izay teo aminy:

“Mandehàna tetezo ny fokon’i Israely rehetra
hatrany Dana ka hatrany Bersabea,
hahafantarako ny isan’ny vahoaka.”

Ary natolotr’i Jôaba ny mpanjaka ny boky nisy ny isam-bahoaka,
ka nisy valo hetsy, ny lehilahy mpiantafika, mahatan-tsabatra, tamin’i Israely,
ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’i Jodà.
Nandre ny fony nitebiteby i Davida nony nanisa ny vahoaka,
ka hoy i Davida tamin’ny Tompo:

“Nahavita fahotana lehibe aho, tamin’ny nataoko!
Koa ankehitriny, Tompo ô,
mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao,
fa efa nanao toy ny adala tokoa aho.”

Nony ampitso, rahefa nifoha i Davida,
dia tonga tamin’i Gada mpaminany, mpahitan’i Davida, ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mandehàna lazao amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Zavatra telo no apetrako eo anoloanao,
ka fidio izay iray hataoko aminao.”

Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara izany taminy, nanao hoe:

“Ho tonga amin’ny taninao va ny mosary fito taona,
sa handositra telo volana eo anoloan’ny fahavalonao izay hanenjika anao va ianao;
sa hasian’ny pesta hateloana ny taninao?
Hevero sy saino ankehitriny, izay valy homeko an’Ilay naniraka ahy.”

Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Gada:

“Latsaka am-panahiana lozantany aho ity!
Indrisy! Aoka re, fa dia aleontsika ho azon’ny tanan’ny Tompo
fa be famindram-po Izy,
toy izay ho azon’ny tanan’olombelona.”

Ary ny Tompo naniraka pesta any amin’i Israely,
hatramin’ny marainan’izay andro izay,
ka hatramin’ilay fotoana voafetra,
ka nahafatesana fito alina ny olona,
hatrany Dana ka hatrany Bersabea.
Mbola naninjitra ny tanany tamin’i Jerosalema ihany ilay Anjely, handringana azy.
Fa nanenenan’ny Tompo ny amin’izany loza izany,
ka hoy Izy tamin’ilay Anjely namono ny vahoaka:

“Aoka izay, fa avonkòny amin’izao ny tananao.”

Teo akaikin’ny famoloan’i Aerônà, Jeboseanina,
no nitoeran’ilay Anjelin’ny Tompo tamin’izay.
Nony nahita ilay Anjely namono ny vahoaka i Davida dia hoy izy tamin’ny Tompo:

“Indro izaho no nanota, izaho no meloka,
fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa?
Ka aoka re izaho sy ny mpianakavin’i Kaky no hasian’ny tananao!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 31, 1-2. 5. 6-7

Miaiky heloka aho, ry Tompo.

Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota.
Eny, sambatra ny olona
tsy itanan’ny Tompo hadisoana
sy tsy misy fitaka eo am-bavany.

Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako.
Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho,
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota.

Koa amin’ny andro fahoriana,
ny mpivavaka rehetra hidera Anao;
raha ho tondraka ny ranobe,
izy tsy mba ho trany.

Ianao no fiereko
miaro amin’ny loza,
izaho hodidininao
hiram-pahafahana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)

Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny ihany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy, ary nanaraka Azy ny mpianany.
Ary rahefa sabata ny andro,
dia nampianatra tao amin’ny sinagôga Izy,
ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe:

“Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany?
Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao,
ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany?
Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria,
rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Jodà sy i Simôna?
Moa tsy atý amintsika va ny anabaviny?”

Dia tafintohina taminy izy ireo.
Fa hoy i Jesoa taminy:

“Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny
sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany.”

Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo,
fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana,
ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo.
Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 18, 9-10. 14b. 24-25a. 30 — 19, 3)

Ry zanako Absalôma, inay anie aho no maty nisolo anao!

Tamin’izany andro izany,
sendra teo anoloan’ny mpanompon’i Davida i Absalôma.
Nitaingina mole i Absalôma
ary nitsofoka tao anatin’ny rantsan’ny terebinta mikirindro ny mole,
dia voasingotry ny terebinta ny lohany,
dia tafahantona teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy,
ary ny mole nitondra azy dia lasa nandroso.
Hitan’ity lehilahy anankiray izany
ka tonga izy nilaza izany tamin’i Jôaba nanao hoe:

“Indro hitako tafahantona amin’ny terebinta atsy i Absalôma.”

Dia nataony an-tanana ny lefona telo,
ka ilay mbola velona tao amin’ny hazo terebinta iny Absalôma
no notsatohany tamin’ny fony.
Nipetraka teo anelanelan’ny vavahady roa i Davida.
Ary niakatra teo ambonin’ny manda ny mpitily,
ka nanopy ny masony, dia nahatazana,
ka indro lehilahy anankiray mihazakazaka,
ka izy irery ihany.
Niantso ny mpitily nampandre ny mpanjaka.
Dia hoy ny mpanjaka:

“Mitanilà kely ary mitoera etsy àry ianao?”

Koa nitanila kely izy dia nitoetra teo.
Dia indro tonga koa ilay Kosita, ka nanao hoe:

“Aoka ny mpanjaka Tompoko hihaino zava-baovao mahafaly,
fa nomen’ny Tompo anao androany ny rariny,
ny amin’izay rehetra nitsangana hikomy aminao.”

Fa hoy ny mpanjaka tamin’ilay Kosita:

“Tsara tsy misy maninona va ny amin’ny zatovo, Absalôma?”

Ary hoy ny navalin’ilay Kosita:

“Hanahaka iny zatovo iny anie ny fahavalon’ny mpanjaka Tompoko,
mbamin’izay rehetra mitsangan-kanisy ratsy anao!”

Tera-kovitra tamin’ny fientanampony ny mpanjaka,
ka lasa niakatra tany an’efitrano ambonin’ny vavahady,
dia nitomany;
sady nandeha izy no nitanisa hoe:

“Ry Absalôma zanako!
Ry zanako ô, ry zanako Absalôma ô!
Inay anie aho no maty nisolo anao!
Ry Absalôma zanako, zanako ô!”

Nisy olona tonga nilaza tamin’i Jôaba hoe:

“Indro fa mitomany migogogogo ny mpanjaka
noho ny amin’ny zanany.”

Niova fisaonana ho an’ny vahoaka rehetra ny fandrenesana tamin’izany andro izany,
satria ren’ny vahoaka rehetra tamin’izany andro izany fa hoe:
Malahelo mafy ny amin’ny zanany ny mpanjaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 85, 1-2. 3-4. 5-6

Itongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio.

Mba henoy sy valio aho, ry Tompo,
fa dia ory sy mahantra re ’ty izaho.
‘Ty sakaizanao mifikitra aminao,
mba arovy sy tsimbino lalandava.

Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
fa Ianao no efa antsoiko isan’andro.
‘Ty fanahiko asandratro aminao,
dia ho dibon-kafaliana re ny foko.

Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo.
He! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy;
’zany antso sy talahoko reneso.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)

Ry zazavavy, hoy aho aminao, mitsangana.

Tamin’izany andro izany,
rahefa niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka tafita indray,
dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.
Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaira,
ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy,
sady nihanta mafy taminy nanao hoe:

“Marary efa ho faty ny zanako vavy,
ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao,
mba ho sitrana sy ho velona izy.”

Dia nandeha niaraka taminy Izy,
ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.
Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin’ny folo taona,
izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin’ny mpanao fanafody maro
sy nandany ny fananany rehetra,
nefa tsy nihatsara velively,
fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza.
Nony nahare ny amin’i Jesoa izy,
dia nisisika tamin’ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony,
fa hoy izy:

“Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko,
dia ho sitrana aho.”

Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny,
ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.
Teo no ho eo ihany dia fantatr’i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin’ny tenany,
ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe:

“Iza no nanendry ny fitafiako?”

Ary hoy ny mpianany taminy:

“Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao
ka Ianao manontany hoe: Iza no nanendry Ahy?”

Dia nijerijery manodidina Azy Izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany.
Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy,
ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy,
dia nilaza ny marina rehetra.
Ary hoy Izy taminy:

“Anaka: ny finoanao no nahavonjy anao;
mandehana amim-piadanana,
ary sitràna amin’ny aretinao.”

Raha mbola niteny i Jesoa,
dia tonga ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga
ka nanao taminy hoe:

“Maty ny zanakao vavy,
ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?”

Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa
dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe:

“Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany.”

Ary tsy nisy navelany nanaraka Azy
afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahin’i Jakôba.
Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo,
dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa.
Ary niditra Izy ka niteny tamin’ny olona hoe:

“Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany?
Tsy maty razazavavy, fa matory.”

Dia nihomehy Azy fatratra ny olona;
fa Izy kosa nandroaka azy rehetra,
dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka azy
niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy,
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe:

“Talita, Komy, izany hoe:
Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.”

Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy
ka namindra fa efa roa ambin’ny folo taona izy,
dia talanjona indrindra ny olona.
Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany,
ary nasainy nomen-kanina razazavavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hiaka-dapa indray, manomboka amin'ny alatsinainy 29 janoary 2024, ny Loholona sy ny Solombavam-bahoaka. Fivoriana tsy ara-potoana hanoloran'ny Governemanta ny fanatanterahana ny pôlitika ankapoben'ny fanjakana... ♦ Manohana an'i Madagasikara hanatsara ny masom-boly apemba sy ny voanjo ary ny bajiry ny Governemanta Amerikana. Faritra miisa enina eto amin'ny nosy no hanatanterahana izany, amin'ny alalan'ny tetikasa Apemba...

♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro i Mgr Luc Oliver Razfitsimialona, hohamasinina ho Eveka ao amin'izany Diôsezy izany amin'ny alahady 28 janoary 2024... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana manaraka amin'ity taona ity, ny antoko MMM. Mametraka fepetra kosa anefa izy ireo momba izany... ♦ Mandry tsy lavo loha tanteraka ny mponina ao amin'ny Distrikan'Ankazobe, ato amin'ny Faritra Analamanga, manoloana ny fanafihan-dahalo mahery vaika...

♦ Olona efatra, izay vehivavy telo sy mpitandrina iray, no mbola eo am-pelatanan'ny dahalo mpaka an-keriny, ao amin'ny Distrikan'Ankazobe... ♦ Nalefa teny Tsiafahy ilay mpamily taxibe nahafaty mpitondra moto teny Mahamasina, tao aorian'ny fiakarany Fampanoavana androany... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana ny antoko MMM, saingy manamafy ireo fepetra takiany, toy ny fanovana ny rafitra mpikarakara ny fifidianana...

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 15, 13-14. 30 ; 16, 5-13a)

Andeha isika handositra fa tsy misy hahafahantsika amin’i Absalôma.

Tamin’izany andro izany,
nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida, nanao hoe:

“Tafaraikitra amin’ny fanarahana an’i Absalôma
ny fon’ny lehilahy amin’i Israely.”

Ka hoy i Davida tamin’ny mpanompony rehetra
tao aminy tany Jerosalema:

“Mitsangàna, andeha isika handositra,
fa tsy misy hahafahantsika amin’i Absalôma.
Andao faingana fandrao dia tampohiny isika,
ka ataony idiran-doza eto,
sady hasiany amin’ny lelan-tsabatra ny tanàna.”

Niakatra ny tendrombohitra Oliva i Davida,
niakatra sy nitomany izy,
sady nisaron-doha ary nandeha tsy nikiraro;
ny vahoaka rehetra nanaraka azy koa nisaron-doha
ary nitomany teny am-piakarana.
Nony tonga tao Bahorîma ny Mpanjaka,
indro nisy lehilahy anankiray,
atao hoe Semeia, zanak’i Gerà,
iray fianakaviana tamin’ny ankohonan’i Saola,
nivoaka avy tao, dia nandroso izy sady nanozona,
ary nitora-bato an’i Davida
mbamin’ny mpanompon’i Davida mpanjaka rehetra;
ary ny vahoaka mbamin’ny lehilahy mahery kosa tamin’izay,
dia teo ankavanany sy ankaviany.
Izao no tenin’i Semeia nanozona azy:

“Mandehana any, mandehana any,
ry ilay mpandatsa-drà, ry olon’i Beliala!
Indro natsingerin’ny Tompo aminao ny ran’ny tamingan’i Saola rehetra
izay nosoloinao toerana mba ho mpanjaka;
natolony ho eo an-tanan’i Absalôma zanakao ny fanjakana
ka indro fa idiran-doza ianao izao,
satria lehilahy mpandatsa-drà ianao.”

Ka hoy i Abisaia zanak’i Sarvià tamin’ny mpanjaka:

“Ahoana no anozonan’ilay alika maty io ny mpanjaka tompoko?
Avelao kely aho handeha hanapaka ny lohan’io!”

Fa hoy ny navalin’ny mpanjaka:

“Tsy manan-draharaha aminareo aho, ry zanak’i Sarvià!
Aoka hanozona izy,
satria raha ny Tompo no nanao taminy hoe:
Ozòny i Davida:
zovy moa no hanao aminy hoe:
ahoana no anaovanao izany?”

Ary hoy i Davida tamin’i Abisaia
sy ny mpanompony rehetra:

“He, ny zanako naloaky ny kiboko aza itý
mitady ny aiko;
ka mainka io zana-Benjamina io!
Avelao izy hanozona,
fa didin’ny Tompo taminy izany.
Angamba hijery ny fahoriako ny Tompoko
ka soa no hataon’ny Tompo amiko
ho valin’izao ozona androany izao.”

Ary i Davida sy ny olony nanohy ny diany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 3, 2-3. 4-5. 6-7

Mitsangàna, ry Tompo! Vonjeo aho, ry Andriamanitro!

Tompo ô! drey itý hamaroan’ny rafiko
sy ireo mitsangan-kanohitra ahy,
sy ireo mikendry ny aiko:
fa vonjen’Andriamanitra hono aho!

Kanjo, Ianao, ry Tompo no mpanao soa ahy,
voninahitro, mpanatràka ny lohako!
Izaho niantso ka niantso ny Tompo:
Izy nanoina tany am-Bohiny masina!

Izaho mandry, dia matory, dia mifoha:
fa ny Tompo manohana ahy!
Tsy atahorako izay vahoaka alinalina
manemitra ahy hatraiza hatraiza!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)

Mivoaha amin’itý lehilahy itý, ry fanahy maloto.

Tamin’izany andro izany,
nony tafita ny ranomasina i Jesoa sy ny mpianany
dia tonga tao amin’ny tanin’i Geraseny;
ka vao niala tao an-tsambo kely Izy,
dia inty nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona Azy.
Tany am-pasana izy io no nitoetra,
ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony
na dia tamin’ny gadra aza,
fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany,
nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany,
ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy
no mirenireny na andro na alina,
sady minananana no mandrà-tena amin’ny vato.
Fa nony nahatazan-davitra an’i Jesoa izy
dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany,
ary niantso tamin’ny feo mahery hoe:

“Moa mifaninona izaho sy Ianao,
ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra?
Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho,
aza dia mampijaly ahy”,

satria i Jesoa efa nanao taminy hoe:

“Mivoaha amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.”

Ary nanontany azy Izy nanao hoe:

“Iza no anaranao?”

Dia novaliany hoe:

“Lejiona no anarako,
fa betsaka izahay.”

Ary nifona dia nifona taminy izy
mba tsy horoahiny hiala amin’izany tany izany.
Ary eo akaikin’ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana,
ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe:

“Alefaso izahay ho any amin’ny kisoa mba hiditra ao aminy.”

Dia nekeny.
Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin’ny kisoa,
ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina
ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo,
ka maty tao amin’ny ranomasina.
Dia nandositra ny mpiandry azy
ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha;
ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany.
Nankany amin’i Jesoa izy ireo,
ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona)
nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina,
ka raiki-tahotra tery.
Nony nolazain’izay nahita tamin’izy ireo
izay nahazo ilay azon’ny demony sy ny kisoa,
dia nihanta tamin’i Jesoa izy ireo, mba hiala amin’ny taniny.
Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy,
dia niangavy taminy ilay azon’ny demony mba hanaraka Azy;
fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy:

“Andeha ihany mody any an-tranonao
any amin’ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao
sy ny namindrany fo taminao.”

Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly
ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy,
ary gaga ny olona rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...