♦ Heloka manimba sy manohitra ny maha-olona ny ady, hoy ny Papa François, teo am-pamaranana ny vavaka Angélus… ♦ Any Etazonia, hotanterahina ny 18 sy ny 19 janoary ho avy izao ny alim-bavaka nasionaly ho an’ny fiarovana ny aina… ♦ Mila mpitantana ny fiantsoan’Andriamanitra, hoy ny Arsevekan’Antananarivo tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Seminera Zandriny teny Ambohipo… ♦ Ny tenin’Andriamanitra sy ny fampianaram-pinoana no torina hoy i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Evekan’ny Diôsezin’Antsirabe, tamin’ireo Diakra 25 vao nohamasinina…

♦ Tsy mahavaly ny hetahetam-bahoaka ny Governemanta nijoro omaly hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Tsy mba nisy olom-boafidy tena mahita ny hetahetam-bahoaka ao anatin'ny akory,hoy izy ireo... ♦ Lalana maro eto Madagasikara no tsy misy fikojakojàna amin'izao fotoam-pahavaratra izao, ka vao mainka mihsimba. Mahavita tsara ny fanamboarana azy ireny anefa ny vola anatin'ny Fond Routier, hoy ny Depiote Rastany... ♦ Nivily lalana ka tsy ahiana handalo an-tanety eto Madagasikara ilay rivo-doza Belal ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Ho betsaka ny rotsak'orana amin'ny ilany avaratra sy avaratra andrefan'ny nosy anio sy rahampitso noho ity rivo-doza ity...

♦ Voatendry omaly ireo ministra handrafitra ny Governemanta voavao amin'izao fe-potoam-pitondràna faharoan'ny filoha Andry Rajoelina izao. MInistra teo aloha 13 no tafaverina, 10 olom-baovao... ♦ Sekreteram-panjakàna maromaro eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika no hatsangana hoy ny filoham-pirenena omaly teny amin'ny Lapan'i Iavoloha. Hanatevina ireo ministra eo anivon'ny Governemanta izy ireo... ♦ Tontosa omaly ny fankalazàn'ny Diôsezin'Antananarivo ny fetin'ny Fianakaviana Masina, izay mpiaro ny Seminera Zandriny Ambohipo, sady nentina nanohana azy... ♦ Feno 100 andro omaly ny niverenan'ny adin'i Israel sy ny Hamas Palestiniana...

♦Hampahafahatarina eny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha rahampitso amin'ny 5 ora hariva ireo ministra voafantina tamin'ireo kandidà miisa 467... ♦ Tsy mifanaraka amin'ny pedagôjia ny famitàna ny fandaharam-pianarana mialoha ny fialan-tsasatry ny Paka ka tsy eken'ny vovonan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara... ♦ Nahitàna fiakarany 2000 Ariary isaky ny kilao ny vidin'ny hena eny an-tsena ankehitriny... ♦ Hosokafana anio any Côte d'Ivoire ny lalao baolina kitra hiadiana ny amboaran'i Afrika Can 2024...

Alahady faharoa tsotra mandavan-taona : samy nantsoin'Andriamanitra tsirairay isika. Ny hafatry ny vakin-teny telo : Miantso antsika ho mpiara-miasa aminy Andriamanitra. Hoy Md Augustin : Andriamanitra ilay nahary antsika, tsy nisy antsika, dia tsy afaka mamonjy antsika raha tsy misy antsika. Izay manaiky an-tsitrapo sy am-pitiavana honina ao amin'ny Tompo dia aheno ny feony miantso azy ary sy ho ampitomboiny ao amin'ny fahasoavany. Isika olombelona rehetra no antsoina ho amin'ny fahamasinana... 

♦ Mila mahay maka lesona ny filoha Andry Rajoelina hoy ny mpamakafaka pôlitika Soalihy Moussa, mba hahafahany mamita am-pitoniana ny fe-potoam-piasany faharoa... ♦ Efa nahatratra 18 ireo tranga fanolanana zaza latsaky ny 15 taona nandalo teny anivon'ny fampanoavana eny amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo hatramin'ny fiandohan'ny taona 2024... ♦ Voamarina fa alika mpirenireny no nanaikitra ireo omby tany Brickaville tamin'ity herinandro ity hoy ny tale jeneralin'ny fiompiana... ♦ Nandray fepetra ny any Colombie manoloana ireo gadra tafatsoaka any Equateur...

♦ Niarahaba ireo manamboninahitry ny foloalindahy Malagasy izay nanamarika ny 12 janoary ; andron'ny manamboninahitra ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Manohana ny tantsaha hisitraka ny zony amin'ny fananan-tany any amin'ny faritra iasany ny fandaharan'asa DEFIS, eo ambany fiahian'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana... ♦ Lehilahy roa no niakatra fampanoavana androany, ary nalefa eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy noho ny fanolanana zaza latsaky ny 15 taona... ♦ Miantso sy manentana ny mponina any Equateur ny fivondronamben'ny Eveka any an-toerana mba hahay hiray hina sy hampanjaka ny fandriam-pahalemana...

♦ Mbola eo am-pamolavolana ireo tetiandrom-pifidianana sy ny fomba enti-manatanteraka izany ny CENI ankehitriny. Mbola tsy nisy araka izany ny tetiandro navoakany... ♦ Ny 51,95% amin'ireo voafonja manerana ny nosy no misitraka ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny filohan'ny repoblika raha ny antontanisa vonjy maika voaray... ♦ Distrika telo amin'ireo Distrika efatra ao Amoron'i Mania no mbola ahitàna "Peste". Olona iray no ahiana ho matin'ity valanaretina ity ao Ambositra... ♦ Tafajoro ny governemanta vaovao tarihin'ny praiministra Gabriel Attal any Frantsa. Misy amin'ireo ministra teo aloha no tafaverina mandrafitra izany...

♦ Efa eny am-pelatanan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny tolo-kevitra amin'ny anaran'ireo ministra hotendrena ao anatin'ny Governemanta vaovao. Andrasana ny famoahana ôfisialy ireo mpikambana handrafitra izany...  ♦ Miandrandra fihaonana amin'ny vondron'ireo mpampiasa ny FISEMARE manoloana ny fampiakarana ny karama ho an'ny sehatra tsy miankina... ♦ Miisa 280 reo boky novokarin'ny faribolana Sandratra tao anatin'ny 35 taona nijoroany... ♦ Nihoatra ny 200% ny tahan'ny fisondrotry ny vidim-piainana tany Argentine tamin'iny taona 2023 iny...

♦ Nanolotra ireo tolo-keviny any amin'ny filoham-pirenena momba ireo ministra hotendrena anaty Governemanta vaovao ny Praiministra androany, raha ny efa voafaritra. Haneho ny heviny eto momba izay fanendrena ministra izay ireo mpanao politika... ♦ Namoaka naoty ny eo anivon'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka manoloana ny fihanak'ilay areti-maso "conjonctivite". Efa ahitàna io trangan'aretina io ihany koa eto Antananarivo amin'izao raha ny tatitra azo... ♦ Tsy maintsy hisy ny fisondrotan-karama ho an'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina amin'ity taona ity, hoy ny FISEMARE. Handefa taratasy any amin'ny vondron'ny mpampiasa izy ireo, hisian'ny fihaonana handinihana izany amin'ity volana ity...

♦ Mitaky ny hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny mpanolon-tsaina ny RMDM. Tapitra omaly ny fe-potoan-kiasany... ♦ Manampy an'i Madagasikara noho ny fandalovan'ny rivo-doza Alvaro farany teo i Etazonia. Fanampiana 4,7 taonina no natolotry ny amerikana... ♦ Mbola misy telo herinandro vao vita ny asa fanamboarana ny lalana Ankadimbahoaka mandalo ny Fasan'ny Karana hatreny Anosizato ao Antananarivo renivohitra. Nijery ny fizotry ny asa ny ekipan'ny ministeran'ny asa vaventy... ♦ Hitory an'i Israely any amin'ny Fitsaràna Iraisam-pirenena i Afrika Atsimo. Ambaran'ny ao Pretoria renivohitra ho hetsika fandringanan'olona no ataon'ny Israeliana any amin'ny faritr'i Gaza ankehitriny...

Ny safidy dia mampivoatra ny maha olona. Mampivoatra ny maha-izay avy amin'ilay atao hoe "développement personnel" na fampivoarana sy fanatsarana ny maha-izay eo amin'ny sehatra izay misy dia isan'ny tena ilaina indrindra amin'ny sehatry ny asa, mikendry ny hampitombo sy hanatsara ny vokatra azo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...