Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 9, 1-22)

Tompo ô, inona no tianao hataoko?

Tamin’izay i Saoly,
dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo,
ka nanatona ny lehiben’ny mpisorona izy,
nangataka taratasy taminy ho an’ny sinagogan’i Damasy
mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema
izay rehetra hitany manaraka izany lalana izany,
na lahy na vavy.
Raha mbola teny an-dalana izy ka efa mby akaikin’i Damasy
dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra
nanjelajelatra nanodidina azy.
Dia lavo tamin’ny tany izy,
ary nandre feo nanao taminy hoe:

“Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?”

Ka hoy izy:

“Iza moa Ianao, Tompoko?”

Ary hoy ny Tompo:

“Izaho no i Jesoa izay enjehinao;
sasa-poana ianao mitroatra manohitra ny fanindronana.”

Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe:

“Tompo ô, inona no tianao hataoko?”

Ary hoy ny Tompo taminy:

“Mitsangàna, midira ao an-tanàna,
ary ao no holazaina aminao
izay tsy maintsy hataonao.”

Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy,
fa nandre ny feo,
nefa tsy nahita olona na iza na iza.
Nony niarina avy hatreo i Saoly,
dia nanokatra ny masony,
fa tsy nahita na inona na inona;
ka olona no nitantana azy hankao Damasy.
Ary hateloana izy no tsy nahita,
sady tsy nihinana na nisotro.

Tao Damasy fahizay
dia nisy mpianatra anankiray atao hoe Anania,
nilazan’ny Tompo tamin’ny tsindrimandry hoe:

“Ry Anania.”

Dia hoy izy:

“Inty aho, Tompoko.”

Ary hoy ny Tompo taminy:

“Mitsangàna,
ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Mahitsy;
tadiavo ao an-tranon’i Jodà,
fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsy,
efa mivavaka izy izao.

(Tamin’izay koa i Saoly dia nahita lehilahy anankiray
tamin’ny tsindrimandry atao hoe Anania
izay niditra sy nametra-tanana taminy
mba hampahiratra azy).

Ary i Anania namaly hoe:

“Tompoko, reko tamin’ny olona maro
fa loza loatra no nafitsok’io lehilahy io
tamin’ny olonao masina tao Jerosalema,
ary aty indray izy izao nahazo fahefana
tamin’ny lehiben’ny mpisorona
koa mba hamatotra izay rehetra miantso ny Anaranao.”

Fa hoy ny Tompo taminy:

“Mandehana,
fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho Ahy,
hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily
sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely;
ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany
noho ny Anarako.”

Dia nandeha i Anania,
ka nony tonga tao an-trano,
dia nametra-tanana taminy nanao hoe:

“Ry Saoly rahalahy,
i Jesoa Tompo izay niseho taminao
teo amin’ny lalana nalehanao,
dia naniraka ahy mba hahiratra indray ianao
sy ho feno ny Fanahy Masina.”

Niaraka tamin’izay,
nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano
niala teo amin’ny masony, ka nahiratra indray izy.
Dia nitsangana izy ka natao batemy;
ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray.
Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra
tao Damasy i Saoly,
ary nitory teo amin’ny sinagôga
niaraka tamin’izay izy,
ka nilaza fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra.
Talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe:

“Tsy ity va ilay nanenjika izay niantso izany Anarana izany tany Jerosalema,
sy tonga aty mba hitondra azy am-patorana
ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona?”

Vao mainka nihanahery anefa i Saoly
sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasy,
naneho marimarina tamin’izy ireo
fa i Jesoa no Kristy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 22, 3-16)

Mitsangàna, raiso ny Batemy, ary mialà amin’ny fahotana, amin’ny fiantsoana ny Anaran’i Jesoa.

Tamin’izany andro izany:
Hoy i Paoly tamin’ny vahoaka tao Jerosalema:

“Izaho dia lehilahy Jody teraka tany Tarsy any Silisia,
fa teto amin’ity tanàna ity no nahabe ahy,
teo ambanin’ny saokan’i Gamaliely,
nampianarina tsara ny Lalàn’ny razantsika aho,
ary nazoto ery ho an’Andriamanitra
tahaka anareo rehetra izao.
Nanenjika sy namono izay nanaraka izany fampianarana izany aza aho;
ary namatotra azy na lahy na vavy,
sy nampandatsaka azy an-tranomaizina.
Ny lehiben’ny mpisorona sy ny Loholona rehetra no vavolombeloko;
fa nandray taratasy tamin’izy ireo ho an’ny rahalahy aho,
dia nankany Damasa hamatotra sy hitondra
izay hita tao ho aty Jerosalema mba hampijaliana.
Kanjo nony nandeha aho ka mby teo akaikin’i Damasa,
tamin’ilay mitatao vovonana iny ny andro,
dia nisy fahazavana lehibe
tonga tampoka avy any an-danitra nanodidina ahy.
Lavo tamin’ny tany terý aho,
sady nandre feo nanao tamiko hoe:

‘Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?’

Dia namaly aho nanao hoe:

‘Iza moa Ianao, Tompoko?’

Ary hoy izy tamiko:

‘Izaho no Jesoa avy any Nazareta izay enjehinao.’

Ry zareo niaraka tamiko izany,
nahita ny fahazavana ihany,
fa tsy nandre ny feon’izay niteny tamiko.
Ary hoy izaho:

‘Inona no hataoko, Tompoko?’

Ka hoy ny Tompo tamiko:

‘Mitsangàna, ary mankanesa any Damasa,
fa any no holazaina aminao
ny zavatra rehetra tsy maintsy hataonao.’

Tsy nahita anefa aho
azon’ny famirapiratan’izany fahazavana izany,
ka notantanan’izay niaraka tamiko aho,
vao tonga tany Damasa.

Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Anania
izay nanaraka ny Lalàna,
sy tsara laza tamin’ny Jody rehetra nonina tao.
Tonga nanatona ahy izy
ary nitsangana teo anilako nanao hoe:

‘Ry Saoly rahalahy, mahiràta.’

Niaraka tamin’izay, dia nahita azy aho.
Ary hoy izy:

‘Ny Andriamanitry ny razantsika
efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony,
sy hahita ilay Marina, ary hihaino ny teny aloaky ny vavany.
Fa ianao no ho vavolombelony
hanambara amin’ny olona rehetra izay efa hitanao sy renao.
Ary ankehitriny, inona no andrasana?
Mitsangàna, raiso ny batemy,
ary mialà amin’ny fahotana,
amin’ny fiantsoana ny anaran’i Jesoa.’”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 116, 1. 2)

Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Derao ny Tompo,
ry firenen- drehetra!
Ankalazao Izy,
ry foko rehetra!

Fa aminay tsy mba lefy
ny hatsaram-pony,
ary mandrakizay
ny fahamarinany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-18)

Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.

Tamin’izany andro izany,
niseho tamin’izy iraika ambin’ny folo lahy i Jesoa
ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao,
mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.
Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy;
fa izay tsy hino dia hohelohina.
Ary izao no famantarana homba izay mino:
Handroaka demony amin’ny Anarako izy,
hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy,
handray menarana izy,
ary na misotro zava-mahafaty aza izy
dia tsy hampaninona azy izany;
hametra-tanana amin’ny marary izy,
dia ho sitrana ireny.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Namaky lay amin'ny fidirana an-tsehatra eo amin'ny pôlitika ny antoko Malagasy Miara-Miainga ary nilaza fa hanohy hatrany ny ady amin'ny fametrahana ny tany tan-dalàna... ♦ Fanapahan-kevitra pôlitika no azo andikàna ny fametrahana PDS raha hisy izany hoy ny administrateur Civil Nicolas Rabenandrasana... ♦ Vinavinaina tsy hihoatra ny 10% ny tahan'ny fisodrotry ny vidim-piainana amin'ity taona ity, ny INSTAT... ♦ Niala an-daharana ka nilaza ny hanohana an'ingahy Donald Trump ny governoran'i Floride...

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 7, 4-17)

Hatsangako ny taranakao manaraka anao ary hamafisiko ny fanjakany.

Tamin’izany andro izany
tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mandehana lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Ianao ve no hanao ny trano hitoerako?
Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho,
hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta
ka mandrak’androany,
fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao.
Ary nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’ny zanak’i Israely rehetra,
moa mba nilaza teny indraim-bava aho tamin’ireo mpifehy an’i Israely,
izay nasaiko hamahana an’i Israely vahoakako, nanaovako hoe:
Nahoana ianareo no tsy manao trano sedera ho ahy?
Koa ankehitriny lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao
ho andriana amin’ny vahoakako amin’i Israely,
ary izay nalehanao nombako anao avokoa;
ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao,
ny anaranao nataoko nalaza toy ny anaran’ny olo-malaza ambonin’ny tany.
Nanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely aho
dia nampiorina azy eo,
ka efa monina ao aminy izy, ary handry tsy amin’ahiahy,
fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako.
Nanome anao fialan-janona tamin’ny fahavalonao rehetra aho;
ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao.
Rahefa tapitra ny andronao, ka mandry amin’ny razanao ianao;
dia hatsangako ny taranakao manaraka anao, izay haloaky ny kibonao,
ary hamafisiko ny fanjakany.
Izay no hanorina trano ho an’ny anarako,
ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany:
Ho toy ny ray ho azy Aho, ary izy dia ho toy ny zanaka ho Ahy.
Raha manao ratsy izy,
dia hofaiziko amin’ny rotsankazon’olombelona.
Ny famindram-poko anefa tsy mba hiala aminy,
toy ny nanesorako izany tamin’i Saola, izay nalako teo anoloanao.
Fa ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao, sy ny fanjakanao eo anatrehanao mandrakizay
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.”

Nambaran’i Natàna tamin’i Davida avokoa
izany teny sy fahitana rehetra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 4-5. 27-28. 29-30

Hotanako aminy mandrakizay ny Hatsaram-ponao.

Nanao fanekena tamin’ilay voafidiko Aho;
nianiana tamin’i Davida mpanompoko.
Ajoroko ho mandrakizay hoy Aho ny taranakao;
aoriko ho lalandava ny Fiketrahanao.

Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao.
Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy.
Izaho kosa hanao azy ho lahimatoako,
sy ho avo indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany.

Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko,
ho azony antoka ny fanekeko.
Hapetrako eo am-piketrahany ny taranany,
ho toy ny lanitra ny fitoeram-piandrianany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 1-20)

Niainga hamafy ny mpamafy.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nampianatra teo amoron-dranomasina
ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy,
Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina,
ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.
Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy
ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe:

“Mihainoa:
Indro niainga hamafy ny mpamafy, ka nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana
dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy.
Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo,
ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina,
fa nony niposaka ny masoandro,
sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsapaka ka maina.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara,
dia naniry sy nitombo, ary namoa,
ka ny sasany avo telopolo heny,
ny sasany avo enim-polo heny,
ny sasany avo zato heny.”

Ary hoy Izy:

“Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.”

Nony efa nitokana Izy,
dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy
mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy.
Ary hoy Izy taminy:

“Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra,
fa amindry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia natao amin’ny fanoharana
mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra,
fandrao hibebaka izy ka havela ny helony.”

Dia hoy Izy:

“Tsy azonareo va izany fanoharana izany?
Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra?
Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny;
fa raha vao nahare izy,
dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony.
Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato
no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana;
nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela;
fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ireto mandray ny voa ao anatin’ny tsilo
no izay mihaino ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao
sy ny fitaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa,
dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy.
Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka
no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa,
ny sasany avo telopolo heny,
ny sasany enim-polo heny,
ary ny sasany zato heny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 6, 12b-15. 17-19)

Tamin’ny hobin-kafaliana sy feon’anjomara no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny fiaran’i Israely.

Tamin’izany andro izany:
Niainga nandeha i Davida ka nampiakatra ny fiaran’Andriamanitra
avy any an-tranon’i Obededôma ho any an-tanànan’i Davida
nombam-panotrona maro niravoravo.
Nony namindra inenina ny mpitondra ny fiaran’ny Tompo,
dia nisy ombalahy iray sy zanak’omby matavy izay natolotra ho sorona.
Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’ny Tompo,
ary nisikina efôda rongony madinika.
Tamin’ny hobin-kafaliana sy ny feon’anjomara
no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny fiaran’ny Tompo.
Nony tafiditra ny fiaran’ny Tompo
ka efa voapetraka tamin’ny fitoerany tao afovoan’ny lay
nasain’i Davida natsangana ho azy,
dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan’ny Tompo i Davida.
Ary rehefa tapitra naterin’i Davida ny sorona dorana sy sorom-pivavahana
dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’ny Tompon’ny tafika izy.
Dia samy nomeny mofo mamy iray sy hena iray didy
ary ampembam-boaloboka iray avy ny vahoaka rehetra,
ny olona marobe rehetra amin’i Israely na lahy na vavy.
Ary samy nody tany an-tranony daholo ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 7. 8. 9. 10

Mpanjakan’ny voninahitra iza moa izany?

‘Nareo vavahady: atrakao ny tatao;
‘nareo varararana re, misondrota!
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza àry moa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompo mahery, ny Tompo tsitoha,
ny Tompon’ny tafika mahery an’ady.

‘Nareo vavahady atrakao ny tatao;
‘nareo varavarana re, misondrota.
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady,
ny Tompo no hany Mpanjaka malaza!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aieloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)

Izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra no rahalahiko, anabaviko ary reniko.

Tamin’izany andro izany,
tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny,
nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy.
Fa nisy olona maro nanodidina Azy,
dia nilazana Izy natao hoe:

“Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao, mitady Anao.”

Fa novaliany hoe:

“Iza moa no reniko sy rahalahiko?”

Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe:

“Ireo no reniko sy rahalahiko;
fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra,
dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Miisa 86 ireo tokan-trano marefo ao Feferamanga-Arivonomamo kendrena hisitraka ilay tetik'asa "Ankohonana Miarina" hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Mitaky ny hamoahana ny préfet an'i Mahajanga any am-ponja ny sendika SYNAD, araka ny tinapak'ireo administrateur civil izay nivory ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nodimandry kosa Rakotomalala Henri na i Riribe izay fantatra tamin'ny fanoherana sy ny fitarihana ny federasiôn'ny Federasiôn'ny gadra pôlitika... ♦ Samy mbola mitàna ny heviny ny Israeliana sy Hamas Palestiana monoloana ny raharaha ao Gaza...

♦ Taratry ny fitantanana an'i Madagasikara ny zav-misy eto amin'ny tanànan'Antananarivo amin'izao hoy ny vovonana Mamita... ♦ Nanomboka ny asa fanadiovana ireo lakan-drano sy fanesorana tsikafona ao amin'ny boriborin-tany voalohany sy fahaefatra ao Antananarivo-renivohitra tanterahan'ny BNGRC...  ♦ Manomboka maro ireo olona manantona ny toeram-pitsaboana tsy miankina eto Antananarivo mitsabo ilay aretina maso "conjonctivite bactérienne"... ♦ Miaramila miisa 90.000 no hahetsiky ny OTAN amin'ilay fanazaran-tena ara-miaramila tanterahina manomboka amin'io herinandro ambony io...

Alahady fahatelo tsotra taona-B : Ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna fa ny toetra ratsy azo ovàna ; akaiky ny Fanjakàn'Andriamanitra, minoa ny Evanjely. Alahady fahatelo amin'ny volana Janoary dia natokan'i Papa Ray Masina ho amin'ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra, fotoana natao handiniana ny anjara toeran'ny Soratra Masina eo amin'ny fiainantsika. Ny tsy fahalalana ny Soratra Masina dia tsy fahalalana an'Andriamanitra. Nanohy ny fitoriana ny Evanjely efa nataon'i Joany ihany koa i Jesoa, miantso amin'ny fibebahana. Namela ny maha-izy azy, ireo mpianatr'i Jesoa nantsoiny hanaraka azy ary nihofo araka izay nampianarin'i Tompo... 

♦ Miara-misalahy amin'ny fanesorana ireo fako ao Antananarivo ny ministeran'ny rano sy ny Faritra Analamanga, mahatratra 2.000 m2 isan'andro ny fako hesorina ao an-drenivohitra... ♦ 25% amin'ny mponina eto Madagasikara tsy manana soram-piankohonana ary tsy afaka misitraka ireo zo mifandraika amin'izany... ♦ Manohana ireo orinasa misehatra amin'ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena ny governemanta Malagasy amin'ny alalan'ny tetik'asa Pôle intégré de croissance na ny PIC andiany faharoa... ♦ Palestiniana miisa 80 indray no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny zera baomba mahery vaika nataon'ny tafika Israeliana tao Bande de Gaza...

♦ Manohana ireo orinasa misehatra amin'ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena ny Governemanta Malagasy, amin'ny alalan'ny fandaharan'asa MBF Agribusiness ao amin'ny tetikasa PIC 3... ♦ Manome tanana amin'ny fanesorana ny fakon'Antananarivo ny Minisiteran'ny Rano sy ny Governemanta iray manontolo, ary ny Faritra Analamanga. Mahatratra 2000 m3 isan'andro ny fako ao Antananarivo Renivohitra... ♦ Ny 25%-n'ny mponina eto Madagasikara dia tsy manana sora-piankohonana, ary tsy afaka misitraka ireo zo mifandraika amin'izany, araka ny tarehimarika navoakan'ny Banky Iraisam-pirenena...

♦ Notendren’i Mgr Georges Varkey, Evekan’i Port-Berger, ho Vikera Jeneraly, i P. Ravelomalaza Jacques Pierre Adolphe, Curé ao amin’ny Paroasy Masimbavy Terezin’i Jesoa Zazakely… ♦ Ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianaram-pinoana no torio, hoy i Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, Evekan’ny Diôsezin’Antsirabe, tamin’ireo Diakra miisa 25 nohamasinina ny alahady 14 janoary 2024… ♦ Ny tena fitiavana marina dia mahafoy ny tenany ho an’ny hafa… ♦ Any Etazonia, notanterahina ny 18 nifoha 19 janoary ny alim-bavaka nasionaly ho an’ny fiarovana ny aina…

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 5, 1-7. 10)

Ianao no hamahana an’i Israely oloko.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Hebrôna amin’i Davida
ny fokon’i Israely rehetra ka nanao hoe:

“Indreto izahay fa taolanao sy nofonao ihany izahay.
Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza,
dia tsy iza fa ianao no mitondra an’i Israely nivoaka sy niditra.
Ary ny Tompo nilaza taminao nanao hoe:

Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andrian’i Israely.

Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Isarely;
ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo tany,
teo anatrehan’ny Tompo, i Davida mpanjaka;
ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.
Telopolo taona i Davida fony tonga mpanjaka,
ary efapolo taona no andro nanjakany.
Tao Hebrôna izy nanjaka tamin’i Jodà fito taona sy enim-bolana,
ary tao Jerosalema nanjaka tamin’i Jodà sy i Israely rehetra telo amby telopolo taona.
Niainga ny mpanjaka sy ny olony, ho any Jerosalema,
hiady amin’ny Jeboseanina, tompon-tany.
Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe:

“Tsy ho tafiditra atý ianao,
fa ny jamba sy ny mandringa hahasakana anao.”

Izany hoe: tsy ho tafiditra any na oviana na oviana i Davida.
Kanjo afak’i Davida ny toerana mimanda tao Siôna;
ny tanànan’i Davida izany.
Nandroso nihambony hatrany hatrany i Davida,
ary nomba azy ny Tompo Andriamanitry ny tafika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 20. 21-22. 25-26

Ny Fahamarinana sy ny hatsaram-poko hanjohy azy.

Indray andro, niteny tamin-tsindrimandry Ianao,
nanao tamin’ny voafidinao hoe:
Nanandratra olo-mahery iray Aho;
nanambony olom-boafidy tamin’ny vahoaka.

I Davida mpanompoko no sitrako:
ka nohosorako ilo masina.
Ny tanako homba azy;
ny sandriko hankahery.

Ny Fahamarinana sy Hatsaram-poko hanjohy azy;
ny Anarako hanandratra ny tandrony!
Hapetrako eo amin’ny ranomasina ny tanany anila,
ary eo amin’ny ony lehibe ny tanany anila!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 22-30)

Ho rava ny herin’i Satana.

Tamin’izany andro izany,
ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe:

“Efa azon’i Belzeboba Izy,
ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony.”

Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe:

“Hataon’i Satàna ahoana no fandroaka an’i Satana?
Raha misy fanjakana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fanjakana izany;
ary raha misy fianakaviana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fianakaviana izany:
koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna,
ka miady an-trano,
dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.
Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery sy mandroba ny entany,
raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony.
Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany
ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra,
sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra;
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina
no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana,
fa manam-pahotana mandrakizay.
Satria hoy izy ireo hoe: manana fanahy maloto Izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nahavelom-bolo ireo andrianjahonoany matihanina eo anivon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy, ny safidin'ny mpitondra ka nanome fitokisana ny Minisitra Rasata Rafaravavitafika. Izy no andrianjahonoany matihanina fahefatra nomena andraikitra tao amin'io minisitera io... ♦ Ho betsaka ny rotsak'oraka any amin'ny faritra afovoany atsinanana anio, ary hanomboka amin'ny alahady izany ho an'ny Faritra Diana... ♦ Mitady hahazo vahana ny fanolanana zaza tsy ampy taona, any amin'ny Faritra Vatovavy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...