♦ Hatolotra hodinihan'ny anteniera mpanao lalàna ny volavolan-dalàna vaovao mifehy ny asa eto Madagasikara. Mbola misy andininy tokony hahitsy nefa ao anatiny hoy ny randrana sendikaly... ♦ Mahaliana ny 52% amin'ny malagasy nanaovan'ny gazety boky pôlitika fanadihadiana ny momba ny pôlitika... ♦ Mamono mpanjono miisa 100 isan-taona ny loza an-dranomasina eto Madagasikara. Ny fiovan'ny toetr'andro tapoka ny an-dranomasina sy ny tsy fahalavorarian'ny fitaovana ampiasaina no isan'ny antony hoy ny mpanjono... ♦ Vahinin'ny filoha rosianina Vladmir Poutine any Rosia ny filoha iraniana Ebrahim Raïssi. Isan'ny horesahan'ny roa tonta ny zava-misy any Gaza...

♦ Hifidy izay ho filoha lefitry ny Faritanin'Antananarivo eo anivon'ny antenimieram-pirenena anio ny solombavambahoaka. Hihaona amin'ny governemanta izy ireo rahampitso... ♦ Notendrena nandritra ny filan-kevitry ny ministra hisahana ny lehiben'ny mari-boninahim-pirenena Andriamatoa Ranjefa Razanakombana Marcel... ♦ Naneho ny heviny momba ny asa fanafihan-dahalo nitranga tao amin'ny Distrika Ankazobe ny solombavambahoaka, ka Rija Rasoava Rakotoarisoa... ♦ Tamim-pamendrehana no nandraisana ny filoha rosianina tany Arabie Saodite sy Emirat Arabo mitambatra omaly. Hentitra dia hentitra ny fiarovana azy...

♦ Hanatanteraka fifidianana izay ho Filoha Lefitry ny Faritanin'Antananarivo, ny Antenimieram-pirenena rahampitso. Hihaona amin'ny Governemanta kosa izy ireo ny zoma izao... ♦ Mila averina amin'ny olona tena Malagasy ny fitantanana ny tany sy ny firenena, ka hiverina ny tany tan-dalàna, hoy ny Fikambanan'ny Tanora ara-drazana. Hiatrika fihaonambe eto Antananarivo, izy ireo, ny 13 sy 14 desambra 2023... ♦ Mahazo vahana tato ho ato ny fakana an-keriny olona hatao takalon'aina, ka angatahana volabe an-tapitrisany, any amin'ny Distrikan'Ankazobe...

♦ Filan-kevitra Ambony ny Mpitsara na ny CSM : Niisa 500 ireo mpitsara vokasiky ny famindran-toerana ny taona 2021-2023... ♦ Fikambanan'ny Ray aman-dRenin'ny Foko Malagasy : Mila faranana tanteraka ny tolona nataon'ireo Malagasy tamin'ny taona 1947, ary mila hapetraka ny tondrozotra vaovao hitantanana ny firenena... ♦ Isan'ny nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny mpilatsaka an-tsitrapo tamin'ny alalan'ny fanatanterahana ny hetsika tagnamaro teny amin'ny  Akany Fitahiantsoa teny Ankorondrano ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Serasera... ♦ Mivahiny any Emirats arabes unis sy any Arabie Saoudite ny filoha rosiana Vladmir Poutine...

♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'i Monseigneur Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin'ny fitantanana pastoraly ny Diôsezin'i Taolagnaro noho ny fahatrarany ny fetra-taona ary notendren'i Papa handimby azy i Mopera Luc Olivier Razafitsimialona, économe ao amin'ny Seminera zokiny Masindahy Joany Batista, vohitsoa Fianarantsoa... ♦ Nahatratra 6,2 miliara ariary ny vola nogiazan'ny sampan-draharaha misahana ny fandrakofana ny harena azo tamin'ny fomba tsy ara-dalàna na ny ARAI... ♦ Haharitra 6 herinandro ny fanamboarana ny lalàna eny Ankadimbahoaka miazo ny fasan'ny Karàna ary Anosizato, nanomboka omaly ny asa fanamboarana, tanterahin'ny Ministeran'ny Asa Vaventy...

♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin'ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin'i Tolagnaro. Notendren'ny Papa handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona... ♦ Amperin'asa nanomboka androany ny paikady hiatrehana ny asa hotanterahana amin'ny taona 2024 hatramin'ny taona 2028, ho an'ny Sampan-draharaha misahana ny fandrakofana ny harena azo tamin'ny fomba tsy ara-dalàna na ny ARAI... ♦ Nanomboka andraony ny fanamboarana ny làlana eny amin'ny fasan'ny karana, ao Antananarivo Renivohitra...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 40, 1-5. 9-11)

Amboary ny lalan’ny Tompo.

Hoy ny Andriamanitrareo:

“Ampionony, ampionony ny vahoakako”.

Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema,
ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany,
voaonitra ny helony,
voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo,
ny indroa heny valin’ny fahotany.
Injany misy feo miantso hoe:

“Misavà lalana any an’efitra, ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika.
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra;
ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;
ny avo hanjary tany lemaka;
ary ny vato mideza ho lembalemba.
Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo,
ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka
fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny”.

Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao
izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy,
ianao izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Jerosalema;
manandrata feo, fa aza matahotra,
lazao amin’ny tanànan’ny Jodà hoe:

“Indro ny Andriamanitrareo!
Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra, amin’ny heriny;
ny sandriny mampiasa ny fahefana.
Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy,
ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy;
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny
hitondra an’ireny eo an-trotroany,
ary handroaka moramora ny mampinono”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa tsy fiadanana no lazainy?
Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.

Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.

Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany;
ny rariny mizotra anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Piera Apôstôly (2 Pi. 3, 8-14)

Manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika.

Ry hava-malala,
izao zavatra iray loha izao no aoka ho fantatrareo:
amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona,
ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany,
fa miandry anareo amim-pandeferana Izy,
mba tsy hisy very na dia iray aza,
fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Ho avy toy ny mpangalatra ny andron’ny Tompo,
ary amin’izany andro izany,
ny lanitra hirimorimo mankarenina,
ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo,
ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.
Koa raha tsy maintsy ho levona àry izao rehetra izao,
ho toy inona no tokony ho fahamasinan’ny fitondran-tena amam-pitiavam-bavakareo,
amin’ny fiandrasana sy fanafainganana ny hiavian’ny andron’ny Tompo,
izay hahamay sy hahalevona ny lanitra,
ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra?
Eny, araka ny fampanantenany,
dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao isika,
izay hanjakan’ny fahamarinana.
Amin’ny fiandrasana izany,
dia ataovy izay tratry ny ainareo,
mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro
ary mihavana tsara,
no hahitan’ny Tompo anareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia, Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 1-8)

Ahitsio ny alehan’ny Tompo.

Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra.
Araka izay voasoratra ao amin’i Izaia Mpaminany hoe:

“Indro Aho maniraka ny Anjeliko eo alohanao,
izay hamboatra ny lalanao;
injay misy feo miantso any an’efitra hoe:
Amboary ny lalan’ny Tompo,
ahitsio ny alehany”,

dia niseho tany an’efitra i Joany Batista
nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka.
Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra
sy ny mponina rehetra tao Jerosalema,
ka nataony batemy tamin’ny onin’i Jordany ireo,
rehefa niaiky ny fahotany.
Volon-drameva no nitafian’i Joany,
fehikibo hoditra no nanaovany,
ary valala sy tantely remby no fihinany;
ary izao no notorìny:

“Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho,
ka tsy mendrika hiondrika,
hamaha ny fehikapany akory aho.
Izaho nanao batemy tamin’ny rano,
fa Izy kosa hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin’ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin’i Tolagnaro, noho ny fahatrarany ny fetra-taona, ary notendren’ny Ray masina handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona, Économe ao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Joany Batista, Vohitsoa, Fianarantsoa.

Ny famporisihana ny lahika hikatroka amin'ny politika dia nisongadina tao amin'ireo hafatra an-taratasy avy amin'ireo Eveka. Ohatra : 26 marsa 1972 "Ny Eglizy sy ny fivoarana eto Madagasikara" izay mandrisika ny lahika hiaro sy hampitombo hatrany ny soa iombonana sy ho fampivoarana ny tanindrazana. 2 desambra 1973 : "Ny Eglizy sy ny raharaham-pirenena" izay manazava ny anjara andraikitry ny Eveka mikasika ny politikam-pirenena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Ny hafatry ny Eveka tamin'ny 27 jolay 1980 dia nanasongadinany ny fanjakan'ny baranahiny vokatry ny tsy fanajana ny zon'olombelona sy ny fitsipahana ny soatoavina ara-panahy. Hoy ny kardinaly : ny antson'Andriamanitra manokana ho an'ny lahika dia ny manabe voa ny Fanjakan'Andriamanitra eo amin'ny fandraharahana ny zavatr'izao tontolo izao ho araka an'Andriamanitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

♦ Ho filohan'ny FFKM indray ho an'ny taona 2024 ho avy io ny Pastora Dr Denis Rakotozafy. Anisan'ny asa miandry ireo mpitarika ny fanohizana ny fikatsaham-bahaolana manoloana ny toe-draharaha pôlitika eto amin'ny firenena... ♦ Voatazon'i Madagasikara ny kalitaon'ny Cacao tsara indrindra eran-tany. Namoaka ny lisitr'ireo firenena mitaàna ny famokarana kalitao tsara indrindra an'io vokatra io ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana izany... ♦ Mitaraina ireo mpiaro ny tontolo iainana fa henjehina mafy izy iero, noho ny fiarovany ny harena voajanahary. Mpisintona lakolosy momba ny fiarovana ny tontolo iainana miisa 3 no norahonana na nogadraina tao anatin'ny taona vitsy izao...

Mba hiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary dia ilaina ny fanaovana jeri-todiky ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy. Ny tontolo iainana no miantoka ny fiainantsika olombelona. Ny tontolo iainana dia harena voajanahary : tany, rano, vato, olombelona, zava-maniry, biby an-tanety sy anaty rano... I Madagasikara dia manana harena voajanahary betsaka ara-tontolo iainana. Fototry ny fiarovana ny tontolo iainana ny fikarohana sy fandalinana natao, mba afahana mamaritra izay tokony hatao dia io ilay atao hoe politikam-pirenena ho fiarovana ny tontolo iainana... 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...