Taratasy voalohany nosoratan'i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 1, 1-4)
Ry zanako malala,
izay efa nisy hatramin'ny voalohany,
sy efa renay, efa hitan'ny masonay, efa nodinihinay,
ary efa notsapain'ny tànanay, dia ny Teny fiainana;
- fa efa naseho ny fiainana, sy efa hitanay, ary vavolombelona izahay,
ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay
izay tao amin'ny Ray sy naseho taminay,
- eny, izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo kosa,
mba hanananareo fikambanana aminay koa;
ary ny fikambananay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesoa-Kristy Zanany.
Ary izahay no manoratra izany aminareo, dia mba ho feno ny fifalianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 96, 1-2. 5-6. 11-12
Mpanjaka ny Tompo: aoka hifaly ny tany;
Aoka hiravoravo ny nosy maro!
Rahona aman'aloka no manodidina azy,
rariny sy hitsiny no iorenan'ny seza fiandrianany.
Miempo hoatry ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan'ny Tompo,
dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
Ny lanitra mitory ny fahamarinany,
ary ny firenena rehetra mibanjina ny voninahiny.
Afafy ho an'ny marina ny fahazavana,
ary ho an'ny mahitsy fo ny fifaliana.
Mifalia amin'ny Tompo ry olo-marina,
ary manomeza voninahitra ny anarany masina.
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 2-8)
Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro,
i Maria Magdalena lasa nihazakazaka
nankany amin'i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa,
ka nanao tamin'ireo hoe:
Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo,
ka tsy fantatray izay nametrahany azy.
Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray
nankany amin'ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy,
saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray,
ka tonga talohan'i Piera tao amin'ny fasana.
Dia niondrika izy,
ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra.
Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy,
dia niditra teo am-pasana
ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany,
tsy niara-nipetraka tamin'ny lamba
fa nivalona nitokana terý.
Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin'ny fasana,
ary nahita ka nino.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 7, 1-5. 8b-11. 16)
Nony efa niorina tsara tao an-tranony i Davida mpanjaka,
sady nomen’ny Tompo fandriam-pahalemana tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy,
dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany:
“Jereo ange!
izaho mitoetra an-trano sedera,
ary ny Fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!”
Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka:
“Andeha ataovy izay rehetra ao am-ponao,
fa momba anao ny Tompo”.
Ny alin’izay ihany,
dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Mandehana lazao amin’ny mpanompoko,
amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Ianao ve no hanao trano hitoerako?
Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao
ho andriana amin’ny vahoakako, amin’i Israely,
ary izay nalehanao, nombako anao avokoa;
ny fahavalonao rehetra,
naringako teo anoloanao.
Ny anaranao hataoko malaza toy ny anaran’ny olo-malaza ambonin’ny tany.
Hanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho,
dia hampiorina azy eo, ka honina ao aminy izy,
ary handry tsy amin’ahiahy,
fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony,
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako.
Hanome anao fialan-janona tony,
ho afaka amin’ny fahavalonao Aho.
Ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao.
Ary ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao sy ny fanjakanao
eo anatrehako mandrakizay,
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29
Ny fitiavanao, ry Tompo,
hohiraiko mandrakizay;
ny fahamarinanao
hambarako amin’ny taona rehetra.
“Vavako no niteny, hoy Ianao:
Voaorina mandrakizay ny fitiavako,
ary ny fahamarinako
voajoro ho toy ny lanitra!”
“Nanaovako fanekena ilay voafidiko;
i Davida mpanompoko, nianianako:
Ajoroko ho mandrakizay ny taranakao,
ny fiketrahanao aoriko ho lalandava!”
Ianao no Raiko, hoy izy miantso Ahy,
Vatolampy famonjena ahy sy Andriamanitro!
Ny fitiavako hotanako aminy mandrakizay,
ho azony antoka tokoa ny fanekeko.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 16, 25-27)
Ry kristianiana havana,
ho an’Ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko,
izay nitoriana an’i Jesoa Kristy
sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay,
(fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany,
araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay,
ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana)
dia ho an’Andriamanitra,
Ilay hany hendry indrindra anie,
ny voninahitra mandrakizay mandrakizay,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Inty aho mpanompovavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 26-38)
Tamin’izany andro izany,
dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely
ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta
ho any amin’ny Virjiny anankiray fofom-badin’ny lehilahy atao hoe Jôsefa,
taranak’i Davida,
ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.
Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe:
“Arahaba, ry ilay feno hasoavana;
ny Tompo ao aminao;
nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao”.
Taitra izy nahare izany,
ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.
Fa hoy ny Anjely taminy:
“Aza matahotra, ry Maria,
fa sitrak’Andriamanitra ianao,
ka hiteraka Zazalahy,
ary Jesoa no hataonao Anarany.
Ho lehibe Izy ka hatao hoe:
Zanaky ny Avo indrindra;
dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy,
ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany”.
Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely:
“Ahoana no hahatongavan’izany,
fa tsy mahalala lahy aho?”
Hoy ny Anjely namaly azy:
“Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao,
ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao;
noho izany dia hatao hoe:
Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Ary indro i Elizabeta rahavavinao
fa efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza,
ary efa mandray enina izy izao
ilay natao hoe momba,
fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao”.
Dia hoy i Maria:
“Inty aho ankizy vavin’ny Tompo,
aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao”.
Dia niala teo aminy ny Anjely.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Manomboka izao dia afaka misafidy ny andro hankalazana ny JMJ isan-Distrika, ny ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana: na ny andron'ny Sampankazo, na ny andron'i Kristy Mpanjaka, araka ny fanentanana nataon'ny Evekan'izy ireo... ♦ Nankalaza ny faha-30 taonany ny Oratorio Ivato, omaly alahady... ♦ Nanentana ny rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angélus, mba hikatsaka ny fahanginana, ary hanafaka ny tena amin'ireo zavatra tsy dia ilaina loatra...
Boky voalohan’i Samoela 1, 24-28
Tamin’izany andro izany,
nony efa notazan’i Annà, reniny, i Samoela,
dia nentiny niakatra niaraka taminy,
sady naka vantotr’ombilahy telo
sy lafarina iray efah ary divay eran’ny siny hoditra izy;
dia nentiny nankao an-tranon’ny Tompo tao Silao izy.
Mbola tanora kely ny zaza.
Dia novonoin’izy ireo ny vantotr’ombilahy iray,
ary nentiny nankao amin’i Helî ny zaza.
Ka hoy i Annà:
“Aza mahafady, tompoko.
Raha velona koa ny ainao, tompoko, dia izaho ilay vehivavy
nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’ny Tompo.
Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko
ary neken’ny Tompo ny fangatahana nataoko taminy.
Koa inty koa aho, mahafoy azy ho an’ny Tompo;
nafoy ho an’ny Tompo izy amin’ny andro hiainany rehetra.”
Dia niankohoka teo anatrehan’ny Tompo izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan'i Samoela 2, 1. 4-5. 6-7. 8
Endrey ny hafaliako manana ny Tompo!
Ny lohako nitanondrika mitraka.
Ka indro aho misoka-bava hiaro tena.
Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.
Ny olo-mahery tapaka tsipîka,
ny osa kanefa miatrana aman-kery.
Ny voky nasainy miasa mikarama,
ny noana kanefa homana tsy miasa.
Ny momba nomeny zanaka amam-para,
kanefa ny maro anaka malazo.
Mamono ary koa mamelona ny Tompo:
mampidina sy mampakatra ny maty,
mampanana sy mandevona ny Tompo,
mampietry Izy fa manandratra avy hatrany.
Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory,
akariny avy eo am-pako ny mahantra,
ka indro nomeny toerana mpanjaka,
tolorany fiketrahana mihaja.
Aleloia. Aleloia.
Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 46-56)
Tamin’izany andro izany,
i Maria nisaotra ny Tompo nanao hoe:
“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko;
ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny.
Fa indro, hatramin’izao,
dia hataon’ny taranaka rehetra hoe: sambatra aho,
satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa.
Ary masina ny Anarany,
sady amin’izay matahotra Azy
hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.
Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy;
dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;
naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy,
fa ny ambany kosa nasandrany;
ary ny noana novokisany soa,
fa ny mpanankarena kosa, dia nampodîny nitondra tanam-polo.
Niahy an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsy hadinony ny famindram-pony
tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay,
araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”
Nitoetra tokony ho telo volana
tao amin’i Elizabeta i Maria
vao nody tany an-tranony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 61, 1-2a. 10-11)
Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
satria voahosotry ny Tompo aho;
nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra,
hamehy ny ferin’ireo torotoro fo;
hampandre amin’ny babo fa afaka, sy ny ao an-tranomaizina
fa alefa hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’ny Tompo.
Ho revon-kafaliana eo amin’ny Tompo aho,
ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko,
satria notafiany fitafiam-pamonjena aho
ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana,
toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany;
toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy,
sy toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy,
no ampanirian’ny Tompo Andriamanitra ny fahamarinana sy ny fiderana,
eo anatrehan’ny firenena rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Lk. 1, 46-48. 49-50. 53-54
Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny aiko:
fa nojereny ity ankizivaviny tsinontsinona,
ka hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho.
Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa,
ilay antsoina hoe “Ny Masina”,
ilay tia an’izay matahotra azy
amin’ny taona mifandimby.
Ireo noana vokisany soa,
ny manana ataony mody maina.
Nanarina an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsaroany ny teniny tamin’ny razantsika.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 5, 16-24)
Ry kristianina havana,
mifalia mandrakariva;
mivavaha lalandava;
ary misaora amin’ny zavatra rehetra,
fa izany no sitra-pon’Andriamanitra,
ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Aza mamono ny Fanahy;
aza manamavo ny faminaniana,
fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara;
fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza.
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie
hanamasina ny tenanareo manontolo,
ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny
ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo
sy ny ainareo ary ny vatanareo.
Tsy mivadika Ilay niantso anareo,
ka Izy ihany koa no hanefa izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 6-8. 19-28)
Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra,
Joany no anarany;
tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy,
mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny.
Tsy izy anefa no Fahazavana
fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy.
Ary izao no nambaran’i Joany
raha naniraka mpisorona sy Levita, avy tany Jerosalema,
hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe:
“Iza moa Ianao?”
Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe:
“Tsy i Kristy aho”.
Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe:
“Iza àry?
i Elia va ianao?”
Fa hoy izy:
“Tsy izy aho”.
Ary hoy ihany izy ireo:
“Ilay mpaminany va ianao?”
Fa hoy ny navaliny:
“Tsia”.
Ka hoy izy ireo taminy:
“Iza àry ianao,
mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay?
Ataonao ho iza ny tenanao?”
Dia hoy izy:
“Izaho no feo miantso any an’efitra hoe:
Ahitsio ny lalan’ny Tompo,
araka izay voalazan’i Izaia mpaminany”.
Ary Farisianina ireo iraka ireo.
Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe:
“Nahoana àry ianao no manao batemy
raha tsy i Kristy, na i Elia, na ilay Mpaminany?”
Ka novalian’i Joany hoe:
“Izaho manao batemy amin’ny rano;
fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo,
dia Ilay avy ao aoriako,
ary tsy mendrika hamaha ny kofehikapany aza aho”.
Tany Betania andafin’i Jordany,
izay nanaovan’i Joany batemy,
no natao izany zavatra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo : amboary ny lalan'ny Tompo ; ahitsiho ny alehany dia hahita ny famonjen'Andriamanitra ny nofo rehetra. Hoy i Izaia hoe : misava lalana any an'efitra ho an'ny Tompo, manorenana arabe any amin'ny tany lavavolo ho an'Andriamanitra, ao ny lohasaha rehetra hasandratra ; izany dia taratry ny fiomanana amin'ny Fiavian'ny Tompo, fa eto izy dia mihendrika sarin-teny. Ny fotoanan'ny Fiavian'ny Tompo dia hanomezan'Andriamanitra ny olon-drehetra ny fankaherezana...
♦ Nankalazaina androany ny fetin’i Masina Maria tsy voakasi-pahotana tamin’ny fototra, nandritra izany no namoahana ny andiany Avotra tao amin’ny Centre d’Autonomisation des Femmes, iandraiketan’ny fikambanan’ny Masera FMA Ampasanimalo… ♦ Nanatanteraka fivoriam-be fanao isan-taona teny amin’ny Episcopat Ambatoroka ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Eokomenisima eto Madagasikara ny 06 sy 07 desambra 2023… ♦ Nitondra ny tenin’ireo tena marefo tsy afaka nanatrika ny COP 28, ny sampana katôlika…
Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 35, 1-10)
Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
ary hamony tahaka ny narisisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr’i Libàna
mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.
Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo,
sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Hatanjaho ny tanana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:
“Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana,
famalian’Andriamanitra,
Tenany no avy, dia hamonjy anareo.”
Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,
halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Fa hisy rano miboiboika any an’efitra,
ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.
Ny tany hay, hanjary ho farihy,
ary ny tany mangentana ho loharano.
Ny lavaka fonenan’ny amboadia
hanjary saham-bolotara aman-jozoro.
Hisy arabe, hisy lalana,
izay hatao hoe ny lalana masina;
ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo;
fa ho azy ireo ihany izy io;
izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.
Ao tsy mba hisy liona,
tsy hisy biby masiaka mandia ao, tsy hisy ho hita ao.
Fa ny voavonjy no hizotra ao
ary ny navotan’ny Tompo no ho tonga ao indray;
ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy,
fa ny sento amam-pijaliana handositra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Akaiky izay mino Azy Tompo
ny vonjy honenan’ny lazany ety amintsika.
Koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amin’ny tany.
Mitsinjo avy eny amin’ny rahon’ny lanitra kosa ny rariny.
Handrotsaka orana anie Izy Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany.
Fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.
Aleloia. Aleloia.
Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay!
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka (Lk 5, 17-26)
Indray andro, raha nampianatra i Jesoa,
dia nipetraka nanodidina Azy teo koa
ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna sasany
avy tamin’ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea
mbamin’i Jerosalema,
ary tao aminy hanasitranany ny marary
ny herin’ny Tompo.
Dia indro nisy olona
nitondra lehilahy malemy anankiray tamin’ny fandriany
ka nitady hampiditra sy hametraka azy teo anatrehany;
fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo
noho ny habetsahan’ny olona,
ka niakatra teo ambonin’ny tafon-trano izy
ary nanesorana ny tafo
dia nampidininy teo afovoan’ny olona
teo anatrehan’i Jesoa ralehilahy mbamin’ny fandriany.
Nony nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa, dia nanao hoe:
“Ralehilahy, voavela ny helokao.”
Tamin’izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina
dia nisaintsaina anakampo nanao hoe:
“Iza moa ity miteny ratsy toy izao ity?
Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery.”
Fa fantatr’i Jesoa ny heviny, ka hoy Izy taminy:
“Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe:
Voavela ny helokao;
sa ny hoe: Mitsangàna ka mandehana?
Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana
hamela heloka ety an-tany ny Zanak’Olona,
dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy:
Mitsangàna, ento ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”
Niaraka tamin’izay
dia nitsangana teo imason’ny olona izy,
ary nitondra ny farafara nandriany
ka lasa nody any an-tranony
nankalaza an’Andriamanitra.
Nitolagaga avokoa izy rehetra
ka sady nankalaza an’Andriamanitra
no raiki-tahotra nanao hoe:
“Nahita zava-mahagaga isika androany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 40, 1-5. 9-11)
Hoy ny Andriamanitrareo:
“Ampionony, ampionony ny vahoakako”.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema,
ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany,
voaonitra ny helony,
voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo,
ny indroa heny valin’ny fahotany.
Injany misy feo miantso hoe:
“Misavà lalana any an’efitra, ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika.
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra;
ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;
ny avo hanjary tany lemaka;
ary ny vato mideza ho lembalemba.
Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo,
ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka
fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny”.
Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao
izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy,
ianao izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Jerosalema;
manandrata feo, fa aza matahotra,
lazao amin’ny tanànan’ny Jodà hoe:
“Indro ny Andriamanitrareo!
Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra, amin’ny heriny;
ny sandriny mampiasa ny fahefana.
Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy,
ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy;
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny
hitondra an’ireny eo an-trotroany,
ary handroaka moramora ny mampinono”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa tsy fiadanana no lazainy?
Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.
Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany;
ny rariny mizotra anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.
Taratasy faharoan’i Masindahy Piera Apôstôly (2 Pi. 3, 8-14)
Ry hava-malala,
izao zavatra iray loha izao no aoka ho fantatrareo:
amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona,
ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany,
fa miandry anareo amim-pandeferana Izy,
mba tsy hisy very na dia iray aza,
fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Ho avy toy ny mpangalatra ny andron’ny Tompo,
ary amin’izany andro izany,
ny lanitra hirimorimo mankarenina,
ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo,
ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.
Koa raha tsy maintsy ho levona àry izao rehetra izao,
ho toy inona no tokony ho fahamasinan’ny fitondran-tena amam-pitiavam-bavakareo,
amin’ny fiandrasana sy fanafainganana ny hiavian’ny andron’ny Tompo,
izay hahamay sy hahalevona ny lanitra,
ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra?
Eny, araka ny fampanantenany,
dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao isika,
izay hanjakan’ny fahamarinana.
Amin’ny fiandrasana izany,
dia ataovy izay tratry ny ainareo,
mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro
ary mihavana tsara,
no hahitan’ny Tompo anareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia, Aleloia.
Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 1-8)
Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra.
Araka izay voasoratra ao amin’i Izaia Mpaminany hoe:
“Indro Aho maniraka ny Anjeliko eo alohanao,
izay hamboatra ny lalanao;
injay misy feo miantso any an’efitra hoe:
Amboary ny lalan’ny Tompo,
ahitsio ny alehany”,
dia niseho tany an’efitra i Joany Batista
nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka.
Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra
sy ny mponina rehetra tao Jerosalema,
ka nataony batemy tamin’ny onin’i Jordany ireo,
rehefa niaiky ny fahotany.
Volon-drameva no nitafian’i Joany,
fehikibo hoditra no nanaovany,
ary valala sy tantely remby no fihinany;
ary izao no notorìny:
“Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho,
ka tsy mendrika hiondrika,
hamaha ny fehikapany akory aho.
Izaho nanao batemy tamin’ny rano,
fa Izy kosa hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin’ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin’i Tolagnaro, noho ny fahatrarany ny fetra-taona, ary notendren’ny Ray masina handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona, Économe ao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Joany Batista, Vohitsoa, Fianarantsoa.
♦ Feno 75 taona omaly ny Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, ary araka ny Làlan'ny Eglizy, dia efa nametraka ny taratasy fametraham-pialany izy... ♦ Soa ara-panahy hamelona antsika no andrandraina amin'ny taon-jobily, hoy ny hafatry ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-85 taonan'ny SASEM, ny sabotsy teo... ♦ Mila miomana sy mandamina ny trano ho amin'ny fahatongavan'ny Mpamonjy isika, hoy ny Papa François, tamin'ny vavaka Angélus...
Ny vatsim-panahy dia fandalinam-pinoana sy hizarana sori-dalana pastoraly. Tsy misy olona mamonjy tena samirery fa miara-dalana. Taona litorjika vaovao indray no atolotry ny Eglizy hiainantsika dia ny "fiavian'ny Tompo". 28 andro no hiomanana amin'ny noely izay fiavian'ny Tompo. Ny Evanjely vakiana amin'ny alahady voalohany amin'ny fiaviana dia milaza ny fotoana hatongavan'i Jesoa eo anivon'ny olona indray, ka ny toetra tokony hananana hiatrehana izany no resahina betsaka ao : miambena izay midika hoe mivonona ara-panahy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco