23 nôvambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 41-44)

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Makabeo (1 Makab. 2, 15-29)

Hanaraka ny faneken’ny razanay izahay.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tao Môdìna handahatra fanaovan-tsorona ireo manam-boninahitry ny mpanjaka,
nomena raharaha hanery ny olona hivadika.
Israelita maro be no nomba azy ireo;
ary i Matatiasa sy ireo zanany dia nivory ihany koa.
Niteny tamin’i Matatiasa ireo irak’i Antiôkosa, ka hoy izy taminy:

“Ianao eto an-tanàna no lohany indrindra voahaja sy mahamena-maso
mihoatra noho ny sisa rehetra ary maro zanaka aman-drahalahy.
Koa ianao no aoka hanatona voalohany,
hanatanteraka ny didin’ny mpanjaka toraky ny efa nataon’ny firenena rehetra,
sy ny lehilahy amin’i Jodà,
mbamin’ireo tafajanona any Jerosalema,
dia ho anisan’ny sakaizan’ny mpanjaka avokoa ianao sy ny ankohonanao,
samy hahazo firavaka volamena amam-bolafotsy
sy fanomezana maro ianao mbamin’ireo zanakao.”

Ary i Matatiasa namaly niteny tamim-peo avo nanao hoe:

“Na dia hanaiky an’i Antiôkosa avokoa aza
ny firenena rehetra anatin’ny fanjakany,
ka samy hahafoy ny fombam-pivavahan’ny razany,
sy hanaraka an-tsitrapo ny didiny,
izaho sy ireo zanako aman-drahalahiko kosa hanaraka ny faneken’ny razanay.
Sanatria anay ny hanary ny lalàn’Andriamanitra amam-pitsipiny!
Tsy hanaiky ny didin’ny mpanjaka izahay,
ka hiala amin’ny fombam-pivavahana,
na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.”

Vao tapitra izay teniny izay,
dia nisy Jody anankiray nandroso teo imason’ny olona rehetra teo hanao sorona,
araka ny didin’ny mpanjaka,
teo amin’ny ôtely natsangana tao Môdìna.
Nony nahita izany i Matatiasa, dia tezitra sady niontana ny fony;
navelany hisondrotra araka ny lalàna ny hatezerany,
ka niantoraka namono an-dralehilahy teo amin’ny ôtely izy.
Novonoiny niaraka tamin’izay koa ilay manamboninahitry ny mpanjaka,
nanery hanao sorona, sady nazerany ny ôtely.

Toy izany no nirehetan’ny zotom-pony hiaro ny lalàna,
toy ny nataon’i Finea izay namono an’i Zambrì, zanak’i Salôma.
Dia nandeha eran’ny tanàna i Matatiasa, niantso tamim-peo avo hoe:

“Izay rehetra manam-pahazotoana hiaro ny lalàna sy mitana ny fanekena,
samia mivoaka sy manaraka ahy avokoa.”

Izay izy mbamin’ireo zanany,
dia nandositra nankany an-tendrombohitra;
nilaozany izay rehetra nananany tao an-tanàna.
Nisy Jody maro be koa,
izay nikatsaka ny fahamarinana sy ny lalàna
ka nidina tamin’izay ho any an’efitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 49, 1-2. 5-6. 14-15

Izay mahitsy famindra hohetsahin’Andriamanitra amin’ny vonjiny.

Ny Tompo Andriamanitra lehibe
manaika ny tany tontolo:
dia izay iposahan’ny andro
ka hatrany amin’izay ilentehany.
Indro Andriamanitra mamiratra
ao Siôna fanaperan-tsoa!

Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko
izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona.
Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra.
Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara.

Ny saotra atao fanatitra ho an’Andriamanitra;
ny voadinao, tovina ho an’ny Avo indrindra.
Dia antsoy Aho amin’ny andro fahoriana,
fa hanafaka sy hampipetraka amin’ny fanasana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 41-44)

Raha mba nahalala izay hampiadana anao manko ianao.

Tamin’izany andro izany,
nony mby akaiky an’i Jerosalema i Jesoa
dia nitomany azy nanao hoe:

“Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao,
na dia amin’itý andro nomena anao itý ihany aza!
Fa takona ny masonao izany ankehitriny.
Ka ho avy aminao ny andro
hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao;
hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza,
ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao
ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao,
satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Zava-dehibe ny fianakaviana ho an'ny fiaraha-monina : ankohonana voajanahary. Ny fianakaviana dia ankohonana mampiombona olona àry ny fiaraha-monin'olombelona voalohany. Manana anjara toerana lehibe amin'izany ny kristiana hoy ny konsily : tsy maintsy araraotin'ny kristiana ny fotoana ankehitriny, noho izany tokony hiasa mafy izy hanandratra ny hasin'ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Tompon'antoka ara-piaraha-monina ny fianakaviana. Hita taratra izany amin'ny fanehoany ny firaisan-kina sy ny fahaizany mizara, tsy ao anatin'ny fianakaviana fotsiny, fa eo amin'ny sehatra isan-karazany. Mba hahatratrarana ny soatoavin'ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia mitaona ny rehetra ny Eglizy manao hoe : aoka ny fitiavana sy ny hevitra iombonana ary ny fahamasinana no hanakambana ny mpivady. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

♦ Mandeha ny resaka fa kasaina hahongana ny filohan'ny Antenimieram-pirenena. Tsy mitombina izany vaovao izany hoy ny depiote Lanto Rakotomanga, anisan'ireo mpikamban'ny Birao maharitra nivory teny Tsimbazaza omaly... ♦ Litchis hatrany amin'ny 18.000 taonina no haondrantsika any ivelany amin'ity taona ity. Efa tonga ao seranan-tsabon'i Toamasina ny sambo lehibe roa hitondra ireo vokatra ireo, raha ny nambaran'ny tompon'andraikitra... ♦ Nanitsy ny tale jeneralin'ny fandraharahana ny fonja fa tsy maty tany am-ponja ny mpanakanto Ninie Donia. Efa nihoatra ny fe-potoana tokony ho izy, hoy izy no nitsaboana azy tany amin'ny hôpitaly...

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika noho ny tsy fahaizana manaja ny safidin'ny hafa. Ny fanajana safidy dia mitondra filaminana sy fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Ny sabotsy izao no hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika ny CENI, raha tsy misy ny fiovàna. Hitondra fanazavana eto ny mpanolon-tsaina eo anivon'ny Vaomiera mahaleon-tena misahana ny fifidianana ity... ♦ Hiverina hampiato ny fampianarana eny amin'ny Anjerimanontolo indray ireo mpampianatra eny Ankatso. Fanaovana tsinontsinona ireo mpampianatra hoy izy ireo ny fanapahana karama ataon'ny Fitondràna amin'izao... ♦ Nipoaka ny basy teny Andohanimandroseza-Ambohipo sy ny manodidina omaly antoandro. Jiolahy 5 lahy no maty, vokatry ny fifampitifirana teo amin'izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana...

♦ Hotanterahana amin'ny sabotsy izao, ny famoahan'ny CENI ny voka-pifidianana vonjy maika, izay natao tamin'ny 16 nôvambra 2023... ♦ Nanakoako ny feom-basy teny Andohanimandroseza sy ny manodidina. Olona 5 no lavon'ny mpitandro ny filaminana... ♦ Miisa telo ireo mpampianatra tapaka karama ka nanapa-jevitra ny hampiato ny fampianarana indray ny vondron'ireo mpampianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo...

Tsy maintsy miaro ny hasin'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny Eglizy sy ny olon-drehetra, ny fiaraha-monina sy ny Fanjakàna ary ny Fikambanam-be iraisam-pirenena. Lazain'ny Eglizy fa ny fianakaviana no fototra iorenan'ny fokonolona ; ao ny taranaka mifandimby no mifanampy hahazo fahendrena bebe kokoa sy hampirindra ny zon'ny olona amin'ny zavatra ilaina eo amin'ny fiainana ara-tsosialy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

♦ Manohy ny famoahana ny voka-pifidianana isam-paritany hatrany ny CENI araka ny hita amin'ny pejiny amin'ny Facebook. Tsy nisy intsony hatramin'izao ny famoahana ny voka-pifidianana faobe mampiseho ny antontan'isa manerana ny nosy... ♦ HItory any amin'ny OIT ny Randrana Sendikaly noho ny fanapahana ny karaman'ireo mpitarika sendikà eny amin'ny Anjerimanontolo. Manitsaka ny fifanarahana iraisam-pirenena ny Fitondrana vonjimaika amin'izao hoy izy ireo... ♦ Misy aretin-koditra hafahafa mahazo ny voafonja any amin'ny Fonjaben'i Fianarantsoa amin'izao. Sahirana amin'ny fitsaboana sy tsy hiparitahan'io aretina io ny fiadidiana ny Fonja any an-toerana ka niantso vonjy tamin'ireo malala tanana...

Ny mpianatra amin'ny ambaratonga voalohany no tena ahitana tahotra. Ny 20 nôvambra dia andro iraisam-pirenena hitakiana ny zon'ny ankizy. Ny tahotra dia isan'ny sakana tsy mampivelatra ny mpianatra sy tsy handroso. Ny tahotra dia efa raikitra sy monina ao anatin'ny olona iray. Ny ankizy 2-6 taona, 6-11 taona dia tsy mbola anatin'ny fahamatorana, hany ka izay manaitra azy dia miteraka tahotra ho azy ireny. Mila manao ezaka ny ray aman-dreny sy ny mpanabe mba hanampy ny ankizy hiala amin'ny tahotra, eny amin'ny ambatonga voalohany, mialohan'ny hirosoana any amin'ny fiainan'ny adolantsento. Ny mpampianatra no mamoha ny tahotra ao amin'ny mpianatra ankoatra ireo mpiara-mianatra aminy...

♦ Nibata fandresena voalohany ny Barean'i Madagasikara alina, anatin'ny fifanintsanana amin'ny Mondial 2026. Lavon'ny ekipam-pirenena malagasy mazava tamin'ny isa 00 noho ny 03, i Tchad... ♦ Hanohy ny tolona efa nataony nialohan'ny fifidianana teo ny vondron'ireo kandidà, araka ny nambaran'izy ireo omaly. Hivadika tolom-bahoaka ny hetsika, izay hiarahana amin'ireo mpanao pôlitika... ♦ Diso ny vaovao niparitaka momba ny fisian'ny manamboninahitra zandary sy miaramila nosamborina, noho ny fiahiahiana fanonganam-panjakàna hoy ny seraseran'ny zandarimariam-pirenena... ♦ Notafihan'ny tafika israeliana ny hôpitaly iray any amin'ny tapany avaratry ny Bande de Gaza ; marary 12 isa no namoy ny ainy...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...