♦ Mitondra ny akon’ny Sinaodin’ny Eveka, Eglizy miara-dia, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina… ♦ Mitodika bebe kokoa amin’ny olona manana fahasembanana ny vavaka iarahana amin’ny Papa François amin’ity volana ity… ♦ Nosokafana omaly 30 nôvambra tao Dubaï ny COP andiany faha-28...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 63, 16b-17, 19b ; 64, 2b-7)

Inay Ianao mandrovitra ny lanitra, dia midina.

Ianao ry Tompo, no Rainay,
Mpanavotra anay no Anaranao hatrizay ela izay.
Nahoana izahay, ry Tompo ô,
no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao,
ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao?
Miverena,
noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny foko lovanao!
Inay Ianao mandrovitra ny lanitra, dia midina,
dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!
Endrey raha midina Ianao
dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra!
Tsy mbola nisy nandre, tsy nisy maso nahita izay andriamanitra hafa,
manao toy izany, ho an’ny manantena azy,
afa-tsy Ianao.
Ianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana,
izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro Anao.
Fa izao,
tezitra Ianao, ary meloka izahay;
— sady efa ela no toy izany —:
hovonjena va izahay?
Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto;
ary ny fahamarinana rehetra, toy ny akanjo maloto.
Malazo toy ny ravina avokoa izahay,
ary ny helokay mipaoka anay toy ny rivotra.
Tsy nisy olona niantso ny Anaranao,
nifoha mba hifikitra aminao.
Fa nafeninao taminay ny Tavanao,
ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotanay izahay.
Fa ankehitriny, ry Tompo ô, Rainay Ianao;
ary Ianao no Ilay nanefy anay;
tanimanga izahay,
ary Ianao no Ilay nanefy anay;
asan-tananao avokoa izahay rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 79, 2ad sy 3b. 15-16. 18-19

Mesia sy Mpamonjy, tongava faingana aminay. Hitondra ny fiainana, avia, avia re.

Mandrenesa, ry Mpiandry an’i Israely,
ry mpitondra an’i Jôsefa ho toy ny ondry.
Eny, fohazy ny herinao,
tongava hamonjy anay.

Ry Andriamanitry ny tafika ô, miverena,
mitsinjova avy any an-danitra,
jereo ilay foto-boaloboka,
karakarao ilay nambolen’ny tananao.

Ny tananao homba an’ilay olona fiaronao,
ilay zanak’olombelona omenao ny herinao.
Izahay tsy handao Anao intsony;
velomy izahay hiantso ny Anaranao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 3-9)

Miandry ny fisehoan’i Jesoa Kristy isika.

Ry kristianina havana,
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo,
noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy:
fa noho ny firaisanareo aminy,
tonga manan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo,
dia amin’ny teny rehetra sy amin’ny fahalalana rehetra;
ary noho ny niorenan’ny Evanjelin’i Kristy eo aminareo,
dia tsy ho latsa-danja noho ny hafa ianareo
amin’ny fahasoavana rehetra,
hany ka miandry amim-pitokiana ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany,
mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Eny, mahatoky Andriamanitra
izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 33-37)

Miambena, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny tompon-trano.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Mitandrema, miambena, ary mivavaha,
fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana:
tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny,
ka nandao ny tranony,
ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy,
dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina.
Koa miambena àry,
fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’ny tompon-trano,
na ho hariva, na ho misasakalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
fandrao tonga tampoka izy
ka tratrany matory ianareo.
Ary izao lazaiko aminareo izao,
dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 15-27)

Homena ny vahoakan’ny Olo-masin’ny Avo indridra ny fanjakana sy ny fahefana.

Izaho Daniely, nitebiteby ny saiko tao anatiko,
ary nahatsiravina ahy ny fahitan’ny lohako.
Nanatona ilay anankiray tamin’ireo nitsangana teo aho,
dia nanontany azy izay mba marina tokoa ny momba izany rehetra izany,
ka niteny tamiko izy nilaza ny hevitr’izany:

“Ireo biby lehibe ireo, izay efatra no isany,
dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin’ny tany;
nefa ireo Olo-masin’ny Avo indrindra no handray ny fanjakana
sy hahalasa ny fanjakana ho azy mandrakizay alaovalo.”

Tiako ho fantatra marina tamin’izay,
ny amin’ilay biby fahefatra, izay hafa noho izy rehetra,
mahatsiravina indrindra,
vy ny nifiny, varahina ny hohony,
nihinana sy nikepokepoka izy ary nohoseny tamin’ny tongony ny sisa tsy laniny;
sy ny amin’ireo tandroka folo teo an-dohany,
mbamin’ilay tandroka iray hafa nisandratra,
ka nisy telo no nitsingidina teo anoloany,
dia ilay tandroka nana-maso, nanam-bava nilaza zava-dehibe,
ary niseho ho lehibe noho ny namany.
Nijery aho ka indro niady tamin’ireo Olo-masina,
sy naharesy azy ireo ilay tandroka,
mandra-pahatongan’ilay Anti-dahy
izay nanomezana ny fitsarana an’ireo Olo-masin’ny Avo indrindra,
sy nahatongavan’ny fotoana hahazoan’ireo Olo-masina ny fanjakana.

Izao no nolazainy tamiko:

“Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra hisy eto an-tany,
hafa noho ny fanjakana rehetra,
hihinana ny tany rehetra, ary hanosihosy azy, sy hanorotoro azy.
Ireo tandroka folo dia milaza mpanjaka folo hitsangana amin’izany fanjakana izany;
hisy iray koa hitsangana manarakaraka azy ireo;
ho hafa noho ireo talohany, ary hanongana mpanjaka telo.
Hanao teny manohitra ny Avo indrindra izy,
sady hampahory ny Olo-masin’ny Avo indrindra,
sy hamoron-kevitra hanova ny fotoana aman-dalàna,
ary hatolotra ho eo an-tanany ireo olo-masina
mandra-pahatapitry ny fetr’andro iray, sy fetr’andro roa,
ary ny antsasaky ny fetr’andro.
Ary hatao ny fitsarana,
ka hesorina aminy ny fizakana
mba handravana azy sy handevonana azy mandrakizay.
Ary ny fanjakana sy ny fahefana
amam-pahalehibeazan’ny fanjakana etý ambanin’ny lanitra rehetra,
homena ny vahoakan’ny Olo-masin’ny Avo indrindra;
fanjakana mandrakizay ny fanjakany,
ary hanompo azy sy hanoa azy ny fanjakana rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 82 sy 83. 84 sy 85. 86 sy 87

Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay Izy.

Isaory ny Tompo, ry zanak’olombelona;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Aoka i Israely hidera ny Tompo,
aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry mpisoron’ny Tompo;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry mpanompon’ny Tompo;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay!

Isaory ny Tompo, ry fanahy amam-panahin’ny marina;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry Olo-masina sy ianareo manetry tena ao am-po;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 34-36)

Miambena mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tandremo fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana
ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo;
ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!
Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa
ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany.
Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva
mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo,
ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 2-14)

Indro nisy toy ny Zanak’alona teny ambony rahon’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
dia niteny i Daniely ka nanao hoe:

“Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho,
ka indro nibosesika tamin’ny ranomasina lehibe ny rivotra avy amin’ny vazantany efatra:
ary niakatra avy ao amin’ny ranomasina ireto biby efatra lehibe samihafa.
Ny voalohany hoatra ny liona, sady nanana ela-boromahery.
Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany
sy nipaohana azy avy tamin’ny tany sy nampijoroana azy tamin’ny tongony
hoatra ny olona ary nomena fon’olombelona izy.
Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa,
hoatra ny orsa, niainga ny ilatenany,
nisy taolana tehezana telo teny am-bavany, tanelanelan’ny nifiny,
ary izao no nolazaina taminy:

‘Mitsangàna ianao, mihinàna nofo betsaka!’

Manaraka izany, nijery aho, ka indro nisy biby hafa koa,
hoatra ny leôparda, nanana ela-borona efatra teo an-damosiny;
ary nanan-doha efatra izany biby izany,
dia nomena azy ny fanapahana.
Rahefa izany,
nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy biby fahefatra mahatsiravina, mampihoron-koditra,
ary mahery indrindra;
nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka,
ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin’ny tongony;
hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo.
Nodinihiko ireo tandroka,
ka indro nisy tandroka hafa kely nipoitra eo amin’izy ireo,
ary nombotan’io ny telo tamin’ireo tandroka taloha,
ary indro fa nana-maso hoatra ny mason’olona
sy vava nilaza zava-dehibe itý tandroka itý.

Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana,
izay nipetrahan’ny Anti-dahy anankiray;
fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany;
tahaka ny volon’ondry madio ny volon-dohany;
lelafo ny seza fiandrianany;
afo mirehitra ny kodiarany;
ny afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany,
arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany.
Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.
Nijery aho tamin’izay noho ny fireondreon’ny teny mihoa-pampana nolazain’ilay tandroka.
Nijery aho mandra-pamono ilay biby,
sy nandevonana ny tenany natao teo amin’ny lelafo.
Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany;
ary noferana ny halavan’ny andro iainany,
mandra-piavin’ny andro amam-potoana.

Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy toy ny Zanak’Olona
tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra;
nandroso Izy nankeo amin’ilay Anti-dahy,
ka nentina ho eo anatrehany;
dia nomena Azy ny fanapahana,
sy ny voninahitra amam-panjakana,
ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra.
Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Dan. 3, 75. 76. 77. 78. 79. 80. 81

Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay Izy.

Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo,
ry tendrombohitra sy havoana!
Isaory ny Tompo,
ry zavamaniry rehetra eran-tany.

Isaory ny Tompo,
ry loharano!
Isaory ny Tompo,
ry ranomasina sy ony.

Isaory ny Tompo
ry trozona sy izay mihetsika anaty rano!
Isaory ny Tompo,
ry voron’ny lanitra rehetra!

Isaory ny Tompo,
ry biby fiompy sy bibidian’ny tany!
Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)

Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo mpianany nanao hoe:

“Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra:
raha vao hitanareo fa manaroka izy,
dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra.
Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany,
dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo
fa tsy ho lany itý taranaka itý
ambara-pahatongan’izany rehetra izany.
Ho levona ny lanitra sy ny tany,
fa ny teniko tsy mba ho levona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Fantaro hoe : inona no safidinao eo amin'ny fiainana. Ny safidinao no hitondra fiadanam-po, fiadanan-tsaina, fiadanam-panahy. Ny safidy no mampivelatra sy mampisondrotra ary manatsara ny fiainana ho avy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 6, 12-28)

Naniraka ny anjeliny Andriamanitra nanakombona ny vavan’ny liona.

Tamin’izany andro izany,
dia avy nirodorodo ny olona ka nahita an’i Daniely nivavaka
sy niantso an’Andriamanitra Tompony;
dia nanatona ny mpanjaka sy niteny taminy
ny amin’ilay didim-panjakana izy ireo nanao hoe:

“Moa tsy nanoratra lalàna ianao
fa na zovy na zovy mivavaka amin’andriamanitra na amin’olombelona,
afa-tsy aminao irery mandritra ny telopolo andro, ry mpanjaka,
dia hatsipy ao an-davaky ny liona?”

Namaly ny mpanjaka nanao hoe:

“Marina tokoa izany,
araka ny lalàn’ny Meda sy ny Persa izay tsy azo ovàna.”

Dia niteny indray izy ireo,
ka nilaza teo anatrehan’ny mpanjaka hoe:

“I Daniely anankiray amin’ireo babo avy amin’i Jodà anefa, ry mpanjaka,
namotsifotsy anao, sy ny didy nosoratanao;
fa manao ny fivavahany intelo isan’andro.”

Nalahelo mafy ny mpanjaka nony nandre izany;
raikitra tao am-pony ny hanafaka an’i Daniely,
ka mandra-pilentiky ny masoandro izy,
nitady hamonjy azy ihany.
Fa nirodorodo nankao amin’ny mpanjaka ireo olona ireo,
ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe:

“Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô,
fa lalàn’ny Meda sy ny Persa
ny tsy ahazoana manova ny didy aman-dalàna rehetra
efa navoaky ny mpanjaka.”

Tamin’izay ny mpanjaka nanome teny
hitondra an’i Daniely sy hanipy azy ao an-davaky ny liona.
Niteny ny mpanjaka,
ka nanao tamin’i Daniely hoe:

“Ny Andriamanitrao izay tompoinao mandrakariva anie,
no hanafaka anao!”

Dia nalaina ny vato natampina ny vava lavaka,
ka nasian’ny mpanjaka fitomboka tamin’ny fanombohan-kaseny
sy ny fanombohan-kasen’ireo andriantompomenakeliny,
mba tsy hisy hovana ny amin’i Daniely.

Avy eo ny mpanjaka dia nankany an-dapany
tsy nitendry hanina mandritra ny alina,
tsy nampiantso vehivavy ho eo aminy,
ary lasa lavitra azy ny torimaso.
Vao marainakoa ilay nangiran-dratsy iny ny andro
dia niarina ny mpanjaka,
ka nidodododo nankany an-davaky ny liona.
Nony mby teo akaikin’ny lavaka izy,
niantso an’i Daniely tamin’ny feo malahelo,
ary niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniely hoe:

“Ry Daniely mpanompon’Andriamanitra velona ô;
nahavonjy anao tamin’ny liona va
ny Andriamanitrao tompoinao mandrakariva?”

Dia niteny tamin’ny mpanjaka i Daniely:

“Ry mpanjaka ô,
velona mandrakizay anie ianao!
Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny
ka nanakombona ny vavan’ny liona ka tsy naninona tsy naninona ahy akory ireo,
satria hita fa tsy manan-tsiny eo anatrehany aho,
sady tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka o!”

Faly dia faly ny mpanjaka ny amin’i Daniely
ka nasainy nesorina tao an-davaka i Daniely.
Dia nesorina tao an-davaka i Daniely,
ka tsy nisy ratra kely akory hita tao aminy,
satria nino ny Andriamanitra Tompony izy.
Fa nandidy kosa ny mpanjaka,
ka ireo olona nilaza ratsy an’i Daniely
dia nalaina ary natsipy tao an-davaky ny liona izy
mbamin’ny vady aman-janany.
Ka mbola tsy nipaka tamin’ny vodilavaka akory
dia noraisin’ny liona,
ary notapatapahiny ny taolany rehetra.

Tamin’izay i Dariosa mpanjaka
nanoratra ho any amin’ny foko amam-pirenena rehetra
mbamin’ny samihafa fiteny,
izay monina eto ambonin’ny tany nanao hoe:

“Hitombo fiadanana anie ianareo!
Lalàna avoakako ny mba hatahorana sy hangovitan’ny olona
eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Daniely eran’ny fanjakako rehetra,
fa Izy no Andriamanitra velona,
maharitra mandrakizay,
ny fanjakany tsy mba ho rava,
ary ny fifehezany tsy hanam-pahataperana.
Manafaka sy mamonjy Izy
ary manao famantarana amam-pahagagana eny an-danitra
sy etý an-tany.
Izy no nanafaka an’i Daniely tamin’ny hohon’ny liona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 68. 69. 70. 71. 72. 73. 74

Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay Izy.

Ry ando aman’erika:
isaory ny Tompo!
Ry rano sy havandra:
isaory ny Tompo!

Fanala sy zavona:
isaory ny Tompo!
Antoandro sy alina:
isaory ny Tompo!

Mazava sy maizina:
isaory ny Tompo!
Ry raho-mamiratra:
isaory ny Tompo

Ry tany tontolo:
isaory ny Tompo!
Tongava hihoby:
isaory ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 20-28)

Nohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandra-pahafenon’ny andron’ny Jentily.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Rahefa hitanareo voahodidin’ny miaramila i Jerosalema,
dia fantaro amin’izany fa efa antomotra ny fandravana azy,
ka amin’izany,
izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra,
izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany,
ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony,
satria izany andro izany no ho andro famaizana
sy hahatanterahan’izay rehetra voasoratra.
Loza ho an’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany,
fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany,
ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’itý firenena itý:
haringana amin’ny lela sabatra izy,
sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra,
ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema
mandrapahafenon’ny andron’ny Jentily.
Hisy famantarana koa
eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana,
ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena
noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;
ho ankona foana ny olona
noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao,
fa hihozongozona ny herin’ny lanitra.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona
avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.
Raha vao miantomboka izany zavatra izany,
dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo,
fa efa akaiky ny fanavotana anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nomarihina ny 26 nôvambra 2023 ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Radio Fanasina Morondava... ♦ Notokanana omaly ny EKAR Masindahy Jacques Berthieu ao Toamasina... ♦ Nanasa ny rehetra hitondra am-bavaka ny diany any Dubaï ny Papa François...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 5, 1-6. 13-14. 16-17. 23-28)

Nisy rantsan-tanan’olona niseho nanoratra.

Tamin’izany andro izany,
nanao fanasana lehibe i Baltazara mpanjaka,
ho an’ireo tompo-menakeliny arivo lahy:
ary nisotro divay teo anatrehan’ireo arivo lahy izy.
Nentanin’ny divay i Baltazara,
dia nampaka ny kapoaka volamena sy volafotsy nalain’i Nabokôdônôzôra rainy,
teny an-tempoly izay ao Jerosalema,
mba hisotroan’ny mpanjaka aman-tompo-menakely
mbamin’ireo vadiny sy vaditsindranony.
Nony nentina ny kapoaka volamena nalaina teny an-tempolin’ny tranon’Andriamanitra,
izay ao Jerosalema,
dia nisotro tamin’izany ny mpanjaka,
ny tompo-menakely, ny vadiny mbamin’ny vaditsindranony.
Nisotro divay izy ireo ary nankalaza ny andriamaniny volamena sy volafotsy,
varahina sy vy, ary vato aman-kazo.

Tamin’izay,
dia nisy rantsan-tanan’olona niseho nanoratra
tandrifin’ny fanaovan-jiro maro rantsana,
teo amin’ny lalotra sokay amin’ny rindrin’ny lapan’ny mpanjaka,
ary hitan’ny mpanjaka ny tendron’ny tanana nanoratra izany.
Nivaloarika terý ny mpanjaka sady nampitebiteby azy ny eritreriny,
nivahavaha ny famavanin’ny andilany, ary niady ny lohaliny.
Dia nampidirina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniely.
Ka niteny ny mpanjaka nanao tamin’i Daniely hoe:

“Ianao va no ilay Daniely,
isan’ny babo avy any Jodà,
nentin’ny mpanjaka raiko avy any Jodea?
Efa reko ny aminao,
fa hoe ao anatinao ny fanahin’ireo andriamanitra
sady ao aminao koa misy fahazavana amam-pahazavan-tsaina
sy fahendrena mahagaga.
Ary izaho efa nandre ny aminao
fa mahay milaza hevi-javatra,
sy mahavaly fanontaniana sarotra ianao;
koa raha mahavaky io soratra io ianao,
sy mahalaza amiko ny heviny dia hampitafìna jaky,
hasiana rojo volamena ny vozonao,
ary ho mpifehy fahatelo eto amin’ny fanjakako ianao.”

Dia niteny i Daniely,
ka nanao, teo anatrehan’ny mpanjaka, hoe:

“Aoka ho aminao ihany ny fanomezanao
ary omeo ny hafa ny fanatitrao.
Fa ny voasoratra hovakìko amin’ny mpanjaka ihany,
ary ny heviny hampahalalaiko azy koa.
Nitsangan-kanohitra ny Tompon’ny lanitra ianao,
nentina teo anatrehanao ny kapoakan’ny tranony,
ary nisotro divay tamin’izany ianao sy ny tompo-menakelinao
mbamin’ny vadinao sy ny vaditsindranonao,
noderainao ireo andriamanitra volafotsy, volamena, varahina,
vy sy vato aman-kazo izay tsy mahita,
na mahare, na mahalala na inona na inona akory;
fa ilay Andriamanitra tompon’ny fofon’ainao
sy iankinan’ny lalanao indray no tsy nankalazainao!
Dia tamin’izany no nanirahana io tendron-tanana io
avy amin’ny Anarany sy nandaharana izay voasoratra ao.
Ary izao no soratra voalahatra:

‘Mene, Mené, Tekel, ary Parsin!’

Ka izao no hevitr’ireo teny ireo:
Mené (voaisa):
nisain’Andriamanitra ny fanjakanao dia notaperiny.
Tekel (voalanja):
nolanjaina tamin’ny mizàna ianao, ka hita fa maivana.
Parsin (voazara):
hozaraina ny fanjakanao,
ka homena ny Meda sy ny Persa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 62 sy 63. 64 sy 65. 66 sy 67

Derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

Masoandro amam-bolana:
isaory ny Tompo!
Ry kintan’ny lanitra:
isaory ny Tompo!

Ry andro aman’orana:
isaory ny Tompo!
E rivo-mahery:
isaory ny Tompo!

Hain’andro sy afo:
isaory ny Tompo!
Fanala sy hatsiaka:
isaory ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)

Ho halan’ny olona rehetra ianareo; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Hosamborina ianareo, hoenjehina,
hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina,
ary hatolotra ny mpanjaka sy ny manam-pahefana
noho ny Anarako.
Izany no ho tonga aminareo,
dia mba ho vavolombeloko ianareo.
Koa alatsaho ao am-ponareo
ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory;
fa Izaho ihany no hanome vava anareo,
sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively.
Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza,
mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo
dia hanolotra anareo koa,
ka hovonoiny ny maro aminareo,
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako;
nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.
Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 2, 31-45)

Hanangana fanjakana anankiray tsy ho rava mandrakizay Andriamanitra, ary hotorotoroiny ny fanjakana rehetra.

Tamin’izany andro izany,
i Daniely nanao tamin’i Nabokôdônôzôra hoe:

“Nijery ianao, ry mpanjaka ô,
ka indro nisy sariolona lehibe.
Tena makadiry izany sariolona izany,
sady namirapiratra mahagaga;
nijoro teo anatrehanao izy io,
ary mahatsiravina ny fijery azy.
Izany sariolona izany dia volamena tsara ny lohany;
volafotsy ny tratrany aman-tsandriny;
varahina ny kibo amam-peny;
vy ny ranjony,
ary ny tongony kosa vy ny tapany, tanimanga ny tapany.
Mbola mijery eo ianao no indro,
nisy vato niendaka tsy nokasihin-tanana,
namely itý sariolona tamin’ny tongony vy aman-tanimanga,
ka nahatorotoro azy.
Dia indray torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy mbamin’ny volamena,
sady nanary toy ny akofa manidina eo am-pamoloana amin’ny fahavaratra,
ka nopaohin’ny rivotra izany, lasa tsy hita izay nanjavonany;
ary ilay vato namely ny sariolona kosa,
zary tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra.
Izany no nofy;
ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka koa ny heviny.

Ianao, ry mpanjaka ô, mpanjakan’ny mpanjaka,
izay nomen’Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana,
ny fahefana, ny hery amam-boninahitra,
sy notolorany ny zanak’olombelona amam-biby any an-tsaha sy ny voron’ny lanitra,
na aiza na aiza itoerany,
ary nasainy nanjaka tamin’izy rehetra,
dia ianao no loha volamena.
Manarakaraka anao,
hisy fanjakana hafa hitsangana, ho ambany noho ianao;
manaraka izany,
hisy fanjakana fahatelo, ho varahina,
izay hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.
Dia hisy fanjakana fahefatra koa ho mafy toy ny vy;
fa toy ny vy manamongo sy manorotoro ny zavatra rehetra,
toy ny fanorotoron’ny vy ny zavatra rehetra,
no hanamongoany sy hanorotoroany an’ireo rehetra ireo.
Ny nahitanao ny tongotra aman-drantsan-tongony,
ho tanimangan’ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany,
dia satria ho fanjakana mizarazara izy;
hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga.
Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany,
dia ho fanjakana ho mafy ila sy malemy ila izy.
Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga
dia satria ho fifangaroan’ny taranak’olombelona, izy;
nefa toy ny tsy fetezan’ny vy hiharo amin’ny tanimanga
no tsy hifampitambarany.

Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo,
ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray
tsy ho rava mandrakizay ary tsy hafindra amin’ny firenen-kafa ny fifehezany;
ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany,
fa izy kosa haharitra mandrakizay,
araka ny nahitanao ilay vato niendaka, tsy nokasihin-tanana,
tamin’ny tendrombohitra,
ka nahatorotoro ny vy, ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy mbamin’ny volamena!
Ny Andriamanitra lehibe no nampahafantatra ny mpanjaka
izay ho avy rahatrizay;
marina ny nofy, ary tsy misy isalasalana ny heviny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 57. 58. 59. 60. 61

Derao sy ankalazao mandrakizay Izy.

Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan’ny Tompo,
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry anjelin’ny Tompo,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry lanitra,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin’izay rehetra eny ambonin’ny lanitra;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry fahefan’ny Tompo,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)

Tsy havela hisy vato mifanongoa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara
sy fanatitra sarobidy ka nanao hoe:

“Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo,
ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.”

Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe:

“Ry Mpampianatra,
rahoviana no ho tonga izany,
ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?”

Ka hoy i Jesoa hoe:

“Tandremo sao ho voafitaka ianareo,
fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe:

‘Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro’,

fa aza manaraka azy.
Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra:
fa tsy maintsy ho tonga aloha izany,
nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany.”

Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo:

“Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena,
sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana,
hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana
ary mosary amin’ny tany samihafa;
eny an-danitra koa,
dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Tsy maintsy miezaka ho tonga fitiavana isika. Io no hafatra nasongadin’ny Arsevekan’Antananarivo tamin’ireo toetra nasehon’i Mompera Alain Thierry Raharison fahavelony... ♦ Faly amin’ny fanantenana. io no anentanan’ny Papa François ny tanora, amin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tanora amin’ny 26 novambra 2023, fetin’i Kristy Mpanjaka... ♦ Manohitra tanteraka ny fanafihana mahatsiravina nataon’ny Hamas tamin’ny 7 ôktôbra ny ao amin’ny Fiketrahana Masina...

Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 1, 1-6. 8-20)

Tsy nahita tahaka an-dry Daniely sy Ananiasa, ary Misaely sy Azariasa izy ireo.

Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà,
dia tonga i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna
hamely an’i Jerosalema, ka nanao fahirano azy.
Natolotry ny Tompo, ho an-tanany i Jôakima, mpanjakan’i Jodà,
mbamin’ny fanaka sasany tao an-tranon’Andriamanitra,
ka nentiny ireny, ho any amin’ny tany Sennaara,
ao amin’ny tranon’ny andriamaniny,
sady napetrany tao amin’ny firaketan’andriamaniny ny fanaka.

Nanome teny an’i Asfeneza, lehiben’ny eonokany ny mpanjaka,
hitondra ny sasantsasany amin’ny zanak’i Israely
izay isan’ny taranak’andriana, na izay avo razana,
ny zatovo tsy misy kilema, tsara tarehy, manana talenta isan-karazany,
nandia fianarana sy manan-tsaina, ary matanjaka tsara,
hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka,
sady hampianarina taratasy aman-teny Kaldeanina.
Natokan’ny mpanjaka izay anjara ho azy ireo isan’andro,
amin’ny hanin’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony,
mba hitoerany eo anatrehan’ny mpanjaka,
rahefa nobiazina telo taona izy ireo.
Anisan’ireo i Daniely, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa,
avy amin’ny taranak’i Jodà.

Tapa-kevitra tao am-pony i Daniely
fa tsy handoto tena amin’ny hanim-pihinan’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony;
ka nangataka tamin’ny lehiben’ny eonoka izy
mba tsy hanery azy handoto tena.
Ary nataon’Andriamanitra nahita fitia tamin’ny lehiben’ny eonoka i Daniely.
Hoy ny lehiben’ny eonoka tamin’i Daniely:

“Matahotra ny mpanjaka tompoko aho,
fa ny tenany no niandraikitra izay hohaninareo sy hosotroinareo;
ka ahoana moa raha hahita ny tarehinareo mahia
noho ny an’ireo zatovo mitovy taona aminareo?
Hanao izay hanapahan’ny mpanjaka ny lohako ianareo izany.”

Dia hoy i Daniely tamin’ny mpikarakara sakafo
notendren’ny lehiben’ny eonoka hikarakara an’i Daniely, i Ananiasa, i Misaely sy i Azariasa:

“Masìna ianao,
manaova fanandramana hafoloana, aminay mpanomponao,
hanin-kotrana hohanina sy rano hosotroina omena anay.
Ka rahefa afaka izany,
samy hojerenao ny tarehinay sy ny an’ireo zatovo mihinana amin’ny hanin’ny mpanjaka,
dia araka izay ho hitanao no hataonao aminay mpanomponao.”

Nekeny ny hatak’izy ireo,
ka nizaha toetra azy izy hafoloana.
Nony tapitra ny hafoloana,
dia hita fa tsara tarehy sady matavy izy noho ireo zatovo rehetra
nihinana tamin’ny hanin’ny mpanjaka.
Ka dia tsy nentin’ilay mpikarakara sakafo
ny hanina aman-divay tsy maintsy sotroiny,
fa hanin-kotrana no nomeny azy.

Ireo zatovo ireo, dia izy efa-dahy,
samy nomen’Andriamanitra fahalalana amam-pahaizana
momba ny taratasy amam-pahendrena rehetra;
ary i Daniely nahafantatra ny nofy amam-pahitana rehetra.
Nony tonga ny fotoana voatendrin’ny mpanjaka hampidirana azy rehetra,
dia nentin’ny lehiben’ny eonoka ho eo anatrehan’i Nabokôdônôzôra izy ireo.
Niresaka tamin’izy rehetra ny mpanjaka,
ary izy rehetra dia tsy nisy tahaka an’i Daniely, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa,
ka dia noraisina hanao ny fanompoana ny mpanjaka izy ireo.
Tamin’ny zavatra rehetra ilam-pahalalana nanontanian’ny mpanjaka azy ireo,
dia hitany fa nanan-tombo impolo heny
noho ny an’ny mpahay taratasy ama-mpisikidy rehetra,
teo amin’ny fanjakany manontolo,
ny fahambonian’izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56

Mendrika hoderaina sy homem-boninahitra mandrakizay Ianao.

Isaorana indrindra Ianao,
ry Tompo Andriamanitry ny Razana:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana ny Anaranao,
fa masina, be voninahitra:
ka mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana indrindra Ianao,
an-tempoly be voninahitra:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana indrindra Ianao.
Mahatsinjo ny halalin’ny hantsana:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana indrindra Ianao.
Mipetraka ambony Kerobima:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay.

Evanjely

Aleioia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 1-4)

Nahita mpitondratena mahantra nanatitra farantsa kely varahina roa tao Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena
nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra.
Dia nahita mpitondra tena anankiray
nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy,
ka nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io
no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra;
satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany
ho an’Andriamanitra,
fa io kosa,
dia tamin’ny fahantrany indrindra izy
no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 34, 11-12. 15-17)

Ny aminareo, ry ondriko, indro Aho hitsara, hanavaka ny ondry amin’ny ondry hafa.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko sy handinika azy.
Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny,
amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka,
no handinidinihako ny ondriko;
ary hoesoriko izy ireo,
hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona.
Izaho no hiandry ny ondriko,
Izaho no hampandry azy;
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra.
Ny very hotadiaviko;
ny nania, haveriko;
ny naratra, hotsaboiko;
ary ny marary, hohatanjahiko;
fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako;
handrasako ara-drariny izy ireo.
Ary ny aminareo, ry ondriko,
izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Aho hitsara,
hanavaka ny reniondry sy ny reniondry;
hanavaka ny ondralahy sy ny osilahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-2a. 2b-3. 5-6

Sambatra anie aho, ka sambatra manana an’i Iaveh ho Mpiaro.

Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso.

Entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany,
tarihiny amin’ny lala-marina.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko:
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 20-26a. 28)

Atolony an’Andriamanitra Ray ny Fanjakana, mba ho ao amin’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra.

Ry kristianina havana,
efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry;
satria olona iray no niavian’ny fahafatesana,
ka dia Olona iray koa no iavian’ny fitsanganan-ko velona;
ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama
no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy,
fa manaraka ny laharany avy:
i Kristy no santatra,
dia izay an’i Kristy amin’ny andro hiaviany.
Rehefa afaka izany, tonga ny farany,
dia rahatrizay hatolony amin’Andriamanitra sy amin’ny Ray ny Fanjakana,
rehefa levony avokoa ny fifehezana sy ny fahefana ary ny hery rehetra.
Satria tsy maintsy manjaka Izy
ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony.
Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
Koa rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra,
na Izy Zanaka aza dia hanaiky izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra,
mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)

Hipetraka eo ambony seza fiandrianan’ny voninahiny Izy, ary hanavaka azy ireo.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’Olona
otronin’ny Anjely rehetra,
dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra,
ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy:
ny ondry moa hataony eo ankavanany;
ary ny osy kosa eo ankaviany.
Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe:

‘Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko,
handova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo
hatrizay nahariana izao tontolo izao.
Fa noana Aho, nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, notafianareo,
narary Aho, novangianareo;
tany an-tranomaizina Aho, notsidihinareo’.

Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe:

‘Tompo,
oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina,
nangetaheta ka nomenay hosotroina?
Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay,
na tsy nitafy ka notafianay?
Oviana no hitanay narary Ianao
na tany an-tranomaizina ka novangianay?’

Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe:

‘Lazaiko marina aminareo
fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray
amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo,
dia nanao izany tamiko’.

Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray Izy ka hanao hoe:

‘Mialà amiko ianareo, ry voaozona,
mba ho any amin’ny afo mandrakizay,
izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
Fa noana Aho, tsy nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, tsy nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, tsy nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, tsy notafianareo;
narary Aho, sy tany an-tranomaizina tsy novangianareo’.

Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe:

‘Tompo,
oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta,
na nivahiny, na tsy nitafy, na narary,
na tany an-tranomaizina, ka tsy namonjy Anao izahay?’

Fa hovaliany hoe:

‘Lazaiko marina aminareo
fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray
amin’ireto kely indrindra ireto ianareo,
dia tsy nanao izany tamiko koa’.

Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo,
fa ny marina kosa,
ho any amin’ny fiainana mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...