Boky Fahendrena (Fahendrena 7, 22 — 8, 1)
Ao amin’ny Fahendrena dia misy fanahy manan-tsaina,
masina, tokana, maro asa,
tsy miharo vatana, mavitrika, maninteraka,
tsy misy loto, tsy mety diso, tsy mety mijaly,
tia ny tsara, mahira-tsaina, tsy mahalala sampona,
manao soa, tsara fo ho an’ny olombelona,
tsy manam-piovana, matoky, miadana,
mahefa ny zavatra rehetra,
mitandrina ny zavatra rehetra,
maninteraka ny fanahy rehetra,
ny manan-tsaina, ny madio,
ary ny faran’izay maranitra indrindra.
Fa kinga noho ny fihetsehana rehetra ny Fahendrena,
maninteraka sy misisika amin’ny zavatra rehetra izy,
noho ny hadiovany.
Fofon’ain’ny herin’Andriamanitra izy,
zavatra avy amin’ny voninahitry ny Tsitoha irery ihany,
ka tsy azon-java-maloto kely akory ilatsahana.
Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay izy,
fitaratry ny fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina,
ary endriky ny hatsaram-pony.
Tokana izy dia mahefa ny zavatra rehetra;
tsy miova izy, dia manavao ny zavatra rehetra,
mirotsaka amin’ny fanahy izay masina rehetra
amin’ny taona mifandimby,
ka mahatonga azy ho sakaizan’Andriamanitra
sy ho mpaminany.
Fa tsy misy tian’Andriamanitra
afa-tsy izay miara-monina amin’ny fahendrena.
Satria tsara tarehy noho ny masoandro izy,
sy noho ny filantoan’ny kintana.
Raha ampitahaina aminy ny mazava,
mbola ihoarany;
satria ny mazava, dimbiasan’ny alina;
fa ny ratsy kosa tsy mba maharesy ny Fahendrena.
Ny Fahendrena mahatratra amim-pahefana
ny fara vazan-tany hatramin’ny ilany iray
ka hatramin’ny ilany iray hafa,
ary mandamina ny zavatra rehetra amin-kalemem-panahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 89. 90. 91. 130. 135. 175
Mandrakizay ny teninao, ry Tompo:
eny, mateza toy ny lanitra.
Amin’ny taona mifandimby ny fahamarinanao,
tsara fijoro toy ny tany izay naorinao.
Noho ny fitsaranao, dia maharitra mandraka androany
ny zava-drehetra izay samy mpanomponao!
Vavahady mazava ny teninao,
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra!
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao;
ampianaro ahy ny fitsaranao!
Veloma anie ny aiko hiderako Anao!
Ary hitahy ahy anie ny Fitsaranao.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 20-25)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanontanian’ny Farisianina
izay andro hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra,
ka namaly hoe:
“Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan’Andriamanitra,
ary tsy hataon’ny olona hoe:Indro atý na arý izy;
fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.”
Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany:
“Ho avy ny andro hanirianareo hahita
ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’Olona,
fa tsy hahita ianareo.
Hilazan’ny olona ianareo fa hoe:Indro erý, na indro etý;
nefa aza mankany ianareo,
na manaraka izany akory.
Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra
miserana ny faravodilanitra hatramin’ny lafiny iray
ka hatrany amin’ny lafiny hafa,
dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’Olona
amin’ny androny.
Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy
sy holavin’itý taranaka itý.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fahendrena (Fahendrena 6, 1-11)
Mihainoa, ry mpanjaka, ary mamantara;
mihainoa ny fampianarana,
ianareo mitsara hatramin’ny faran’ny tany.
Mampandria sofina,
ianareo mpifehy ny sarambabem-bahoaka...
ianareo mirehareha amin’ny fifehezanareo vahoaka be.
Fantaro fa ny Tompo no nanome anareo ny hery,
ary ny Avo indrindra no nanome anareo ny fahefana,
dia Izy no handinika ny asanareo,
sy hizaha toetra ny hevitrareo.
Noho ianareo izay mpanao raharaha amin’ny fanjakany
tsy mbola nitsara ara-drariny,
na nitandrina ny lalàna,
na nandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra;
dia hiantefa aminareo Izy,
mahatsiravina sy tampoka
fa fitsarana mafy no hatao amin’izay mandidy.
Ny madinika,
avela heloka amim-pamindram-po,
fa ny manam-pahefana kosa
faizina mafy.
Tsy misy olona hihemoran’Ilay Mpanjakan’ny olona rehetra,
ary tsy misy olona ambony hiatoany amin-kenamaso;
fa samy noarìny ny lehibe sy ny kely,
ary samy ahìny na ireto na iretsy.
Nefa ny manam-pahefana hanaovana fitsapana mafy.
Koa dia ianareo no hitenenako, ry mpanjaka,
mba hianaranareo ny fahendrena,
ka tsy ho lavo ianareo.
Izay mitandrina ny lalàna masina, amim-pahamasinana,
hohamarinina;
ary izay mianatra azy hanan-kavaly.
Koa aoka hankamamìnareo ny teniko;
aoka haniry azy ianareo dia hahazo fampianarana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 81, 3-4. 6-7
Omeo rariny ny malahelo sy ny kamboty;
omeo hitsiny ny tsy manana sy ny ory!
Afaho ny malahelo sy ny mahantra
ka esory amin’ny tanan’ny olon-dratsy!
Andriamanitra ianareo, hoy Aho fahiny, sy zanak’Ilay Avo avokoa!
Aoka, fa ho faty toy ny olombelona ihany ianareo,
sy ho lavo tahaka ny nofo rehetra!
Aleloia. Aleloia.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 11-19)
Tamin’izany andro izany
nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa,
dia nanara-tsisina an’i Samaria sy Galilea.
Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy,
dia nifanena tamin’ny boka folo lahy
izay nijanona teny lavidavitra teny.
Dia niantso izy ireo ka nanao hoe:
“Ry Jesoa Mpampianatra ô,
mamindrà fo aminay.”
Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe:
“Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona”;
ka nony nandeha ho any izy ireo
dia sitrana teny am-pandehanana.
Ary ny anankiray tamin’ireny,
rahefa nahita fa sitrana izy,
dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra
tamin’ny feo mahery.
Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy,
dia nisaotra Azy;
ary Samaritanina izy io.
Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe:
“Moa tsy folo lahy va no nadio?
Ka nankaiza àry ny sivy?
Ny vahiny indray itý no hany niverina tamin’izy ireny
mba hankalaza an’Andriamanitra?”
Dia hoy Izy taminy:
“Mitsangana, ary mandehana,
fa ny finoanao no nahavonjy anao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tontosa ny sabotsy 11 nôvambra 2023, ny fanaovam-beloma farany an'i P. Jean Marcellin Ramiandrisoa, pretra Salezianin'i Don Bosco; sy i Sr. Teresa Leonik, Fille de Marie Auxiliatrice, izay samy nodimandry ny 7 nôvambra 2023... ♦ Nanasa ny rehetra hikarakara ny fiainana anaty ny Papa François, nandritra ny vavaka Angélus, ny alahady teo...
♦ Mifantoka amin'ny raharaham-pirenena ny hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, izay navoakan'izy ireo omaly alakamisy 9 nôvambra 2023... ♦ Hotanterahana rahampitso 11 nôvambra amin'ny 11 ora antoandro, ny fanankinana amin'Andriamanitra ny fanahin'i P. Jean Marcellin Ramiandrisoa, Salezianin'i Don Bosco...
Boky Fahendrena (Fahendrena 2, 23 — 3, 9)
Noarìn’Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona,
ary nataony mitovy tarehy amin’ny tenany;
fa ny fialonan’ny demony
no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao,
dia hanandrana izany ry zareo izay azy.
Eo an-tanan’Andriamanitra ny fanahin’ny marina,
ka tsy mahatratra azy ny fijaliana.
Hoatra ny maty izy,
araka ny fiheveran’ny adala azy,
ary hoatra ny loza ny fialany amin’izao fiainana izao,
ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika;
kanjo ao anatin’ny fiadanana izy.
Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason’ny olombelona,
ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty.
Rahefa afaka ny fijaliana maivana foana,
dia handray valisoa lehibe izy:
fa efa nozahan’Andriamanitra toetra izy,
ka hitany ho mendrika Azy.
Notsapainy toy ny volamena atao anaty memy izy,
ka nankasitrahany,
toy ny sorona dorana lavorary.
Amin’ny andro hamalian-tsoa azy,
hamirapiratra izy ireo;
tahaka ny kilalaon’afo hivoivoy haingana amin’ny bozaka.
Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy;
ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo.
Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina;
hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy,
satria ho an’ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 33, 2-3. 16-17. 18-19
Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko;
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Ny mason’ny Tompo amin’ny olo-marina;
ny sofiny amin’ny tolokon’ireo.
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo:
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Aleloia. Aleloia.
Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Iza moa aminareo no manana mpanompo
miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha
no mba hilaza aminy hoe:‘Metia faingana, ary mipetraha hihinana?’
Moa tsy izao aza no holazainy aminy:
‘Amboary ny sakafoko,
ary misikina hampihinana ahy
mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro,
fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro ianao?’Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy,
satria nanao izay nasainy nataony io?
Ataoko fa tsy izany.
Koa tahaka izany koa ianareo:
rahefa vitanareo izay nandidiana anareo,
dia lazao hoe:‘Mpanompo tsy mahasoa izahay,
fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fanombohan’ny Boky Fahendrena (Fahendrena 1, 1-7)
Tiavonareo ny fahamarinana,
ianareo izay mpitsara eto an-tany;
aoka ho araka ny hitsiny no fihevitrareo ny Tompo,
ary amin’ny fo marina no hitadiavanareo Azy;
fa mety ho hitan’izay tsy maka fanahy Azy Izy,
ary miseho amin’izay matoky Azy.
Satria ny hevi-dratsy mampisaraka amin’Andriamanitra,
ary ny fahefany raha misy maka fanahy Azy
miampanga ny adala.
Ny fahendrena
tsy mba miditra amin’ny fanahy misain-dratsy,
ary tsy monina amin’ny vatana andevon’ny fahotana.
Ny Fanahy Masina,
mpanabe ny olona mandositra ny hafetsen-dratsy,
manalavitra ny hevitra tsy misy saina,
ary mihataka Izy raha mandroso ny heloka.
Fa fanahy tia ny olombelona ny fahendrena,
ka tsy avelany ho afa-potsiny
ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra amin’ny teny ratsy ataony.
Satria Andriamanitra dia vavolombelon’ny voany.
Mpamantatra marina ny fony,
ary mandre ny teniny.
Fa manerana an’izao tontolo izao ny Fanahin’ny Tompo,
ary ao aminy avokoa ny zavatra rehetra,
ka reny daholo izay lazain’ny olona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 138, 1-3. 4-6. 7-8. 9-10
Tompo ô! mandinika ahy Ianao,
ka mahafantatra!
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!
Voadinikao aho na mamindra na miato;
ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ny teny tsy mbola eo amin’ny lelako,
dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo!
Voambombanao aho na aloha na aoriana;
ny tananao mipetraka eo amboniko!
Fahalalana mahagaga loatra amiko;
avo loatra, tsy hamboiko takarina.
Aiza no hialako amin’ny fofon’ainao?
Aiza no handosirako tsy ho anoloanao?
Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao;
mitakoko any an-tSeoly, io koa Ianao.
Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho,
mba honina any am-paran’ny ranomasina,
mbola ny tananao no mitondra ahy any,
eny: ny tananao no mitantana!
Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana,
fa loza ho an’izay iaviany!
Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony
ka alentika any anatin’ny ranomasina izy
toy izay manafintohina
na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza.
Koa mitandrema ianareo.
Raha diso taminao ny rahalahinao,
anaro izy,
ka raha mivalo izy,
dia mamelà azy.
Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy,
ka miverina impito koa manao hoe:‘Mifona aho’,
dia mamelà azy.”
Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo:
“Ampitomboy ny finoanay.”
Fa hoy ny Tompo:
“Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo,
dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe:‘Miongota,
ka mifindrà any amin’ny ranomasina’,dia hanaiky anareo izy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Notontosaina omaly 5 nôvambra 2023 ny fanaovam-beloma farany an'i Mgr Antoine Scopelliti... ♦ Mangataka amintsika rehetra mba hivavaka ho azy, amin'ny maha mpiandry ondry azy, ny Papa François, ho an'ity volana nôvambra ity... ♦ Isaky ny alahady voalohany amin'ny volana nôvambra no natokana hivavahana ho an'ireo olona maty teny an-dranomasina, izay karakarain'ny "Apostolat de la Mer" ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...
♦ Andrasana ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga ny nofo mangatsiakan'i Mgr Scopelliti androany alina... ♦ Nitsidika ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa nandritra ny telo andro ny Solontenan'ny Ray masina, Mgr Tomasz Grysa... ♦ Hitsidika an'i Dubaï ny Papa François ny 1 hatramin'ny 3 desambra 2023...
Boky Fahendrena (Fah. 6, 12-16)
Ny Fahendrena dia mamirapiratra,
tsy mety matroka hatsarana;
mora mahita azy ny olona raha tia azy izy,
ary mora mahazo azy raha mitady.
Mitsena an’izay mitady azy izy,
ary miseho aminy voalohany.
Izay mifoha maraina koa hitady azy,
tsy mananosarotra,
fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany.
Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary,
ary ny miari-tory noho ny aminy,
dia ho afaka ahiahy vetivety;
mandeha mivezivezy atsy amin’ary izy
mitady an’izay mendrika azy,
miseho amin’ireny eny an-dalan’izy ireo izy amim-pihavanana,
ary manampy azy amin’ny hevitra kasainy rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 62, 2. 3-4. 5-6. 7-8
Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro!
Vao maraina aho maniry Anao,
mangetaheta Anao ny fanahiko,
matimaty Anao ny nofoko:
toy ny tany maina sy mangentana,
toy ny tany haraka, mila rano!
Tao an-toeranao masina no nahitako Anao;
tao aho nibanjina ny herinao sy ny voninahitrao:
ka ny molotro nidera Anao,
fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina!
Eny, hisaotra aho raha mbola velona;
ny Anaranao hanandratako tanana:
ka ny fanahy ho heni-tsoa,
ny molotra hihoby, ny vava hidera.
Izaho mahatsiahy Anao eo am-pandriana,
tontolo alina mihevitra Anao:
fa notsenainao ny vonjinao aho,
ka mibitaka alofan’ny elatrao.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-18)
Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.
Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo:
Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavian’ny Tompo,
dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;
fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra,
dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo,
ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
raha efa izany,
hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela,
hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka,
dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-14)
Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleioia.
Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)
Tamin’izany andro izany
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjiny folo
izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra,
dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:‘Inty tamy ny mpampakatra,
mandehana mitsena azy ianareo’.Tamin’izay dia niarina ireo virjiny rehetra ireo
ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay,
fa efa ho faty ny jironay’.Hoy ny navalin’ny hendry azy:
‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo,
ka mividiana ho anareo’.Ary raha mbola nandeha nividy izy,
dia tonga ny mpampakatra,
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely,
dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:‘Tompoko, tompoko, vohay izahay’.
Fa hoy ny navaliny azy:
‘Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo’.
Koa miambena ianareo,
fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Notsofin-drano sy noraisina omaly ny andiany Fihavaozana, mpamaky teny sy mpanotrona, ao amin'ny Grand Séminaire Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, Faliarivo Ambanidia... ♦ Nosokafana tao amin'ny Katedraly Fo Madion'i Maria, ny faha-25 taona niorenan'ny Diôsezin'Ambositra... ♦ Tanteraka ao amin'ny fitiva-namana ny fitiavana an'Andriamanitra, io no fampianarana netin'ny Ray masina, François omaly, nandritra ny vavaka Angélus...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 16, 3-9. 16. 22-27)
Ry kristianina havana,
veloma any amin’i Priska sy Akilasy
mpiara-miasa amiko ao amin’i Jesoa Kristy;
nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo,
ka tsy izaho irery no misaotra azy,
fa ny Eglizy rehetra any amin’ny jentily koa,
ary veloma any amin’ny Eglizy rehetra izay ao an-tranony.
Veloma any amin’i Epeneto malalako,
izay santatr’i Asia ho an’i Kristy.
Veloma any amin’i Maria, izay niasa mafy ho anareo.
Veloma any amin’i Andrôniky sy Joniasa havako
sy niara-nifatotra tamiko,
izay sady tsara laza amin’ny Apôstôly
no tao amin’i Kristy talohako aza.
Veloma any amin’i Anfiasa,
malalako ao amin’ny Tompo.
Veloma any amin’i Orbano,
mpiara-miasa amintsika ao amin’i Kristy,
sy i Stakisa malalako.
Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina.
Manao veloma anareo ny Eglizin’i Kristy rehetra.
Izaho Tersiosa,
izay nanoratra itý taratasy itý koa,
manao veloma anareo ao amin’ny Tompo.
Manao veloma anareo i Gaïosa, ilay itoeranay,
mbamin’ny Eglizy rehetra.
Manao veloma anareo i Erasta,
mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna,
sy i Koartosa rahalahy.
Homba anareo rehetra anie
ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Amen.
Ary ho an’ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko,
izay nitoriana an’i Jesoa Kristy
sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay
(fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany,
araka ny didin’ny Andriamanitra mandrakizay,
ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana)
dia ho an’Andriamanitra, ilay hany hendry anie,
ny voninahitra mandrakizay mandrakizay,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 2-3. 4-5. 10-11
Misaotra Anao isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra;
tsy azo takarina ny halehibeny.
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao,
sy mankalaza ny asanao mahery,
manambara ny harevaky ny voninahitrao,
mitantara ny asanao mahagaga.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 9-15)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza,
mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay
raha avy izay haharerahanareo.
Izay mahatoky amin’ny kely dia mahatoky koa amin’ny lehibe,
ary izay tsy marina amin’ny kely,
dia tsy marina koa amin’ny lehibe.
Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo,
iza no hametraka aminareo ny harena marina?
Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo,
iza no hanome anareo izay anareo?
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa,
fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray;
na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray.
Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo.”
Ny Farisianina izay fatra-pitia vola
dia mba nihaino izany rehetra izany koa,
ka dia naneso Azy.
Fa hoy Izy tamin’izy ireo:
“Ianareo no mpanamarin-tena eo imason’ny olona,
nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo,
ary izay ambony eo imason’ny olombelona
dia fahavetavetana eo imason’Andriamanitra kosa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 15, 14-21)
Ry kristianina havana,
izaho aloha, raha ny aminareo, dia matoky aho
fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra ianareo,
sady mahay mifananatra koa.
Nefa nanoratra teny sasany an-kasahiana ho anareo aho,
toy ny mampahatsiaro anareo indray,
noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy
mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny jentily aho,
amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra,
mba ho fanatitra ankasitrahany ny jentily,
rahefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.
Koa mba manana rehareha ao amin’i Kristy Jesoa ihany aho
raha ny momba ny fanompoana an’Andriamanitra.
Satria tsy ho sahiko lazaina
raha tsy zavatra nampanaovin’i Kristy ahy,
mba hampanaiky ny jentily na tamin’ny teny aman’asa,
na tamin’ny herim-pamantarana amam-pahagagana,
na tamin’ny Fanahy Masina;
hany ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin’i Kristy,
dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Iliria;
sady nalaiko ho voninahitra ho ahy
ny tsy nitory ny Evanjely afa-tsy tao amin’izay mbola tsy nanononana an’i Kristy,
mba tsy hanorina amin’izay efa nanorenan’ny sasany,
fa ho araka ny voasoratra hoe:
“Ireo tsy nilazana Azy dia hahita;
ary ireo tsy nandre ny aminy dia hahalala.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4
Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany.
Fa tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny.
Ka dia hitan’ny firenena
ny famonjeny amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay Fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany
izato vonjin’Andriamanitra!
O ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana!
Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 1-8)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray
nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy
fa nandany ny fananany.
Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe:‘Ahoana izany fandrenesako anao izany?
Avoahy kely hoe ny fitandremanao,
fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao.’Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe:
‘Inona re no hataoko,
fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho itý?
Ny miasa tany moa tsy vitako,
ny mangataka indray mahamenatra ahy.
Aoka fa fantatro izay hataoko,
mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony
rahefa esorina amin’ny raharahako aho.’Dia nampanalainy tsirairay
izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony,
ka hoy izy tamin’ny voalohany:‘Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?’
Dia hoy io:
‘Diloilo injaton’ny barika.’
Dia hoy ilay mpitandrina taminy:
‘Raiso ny taratasinao,
ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo.’Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray:
‘Hoatrinona kosa ny trosa aminao?’
Hoy io hoe:
‘Vary injaton’ny famarana.’
Dia hoy ilay mpitandrina:
‘Raiso ny taratasinao,
ka soraty valopolo.’Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina
satria nampiseho hafetsena,
fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao
amin’izy samy izy
noho ny zanaky ny fahazavana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco