Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 14, 7-12)

Na velona isika na maty dia ho an’ny Tompo.

Ry kristianina havana,
tsy misy velona ho azy isika rehetra,
na misy maty ho azy,
fa velona isika,
velona ho an’ny Tompo;
maty koa,
maty ho an’ny Tompo.
Koa amin’izany,
na velona na maty isika,
dia ho an’ny Tompo ihany.
Satria i Kristy no maty sy velona indray,
dia ny mba haha-Tompon’ny maty sy ny velona Azy.
Ka ahoana àry itý ianao no mitsara ny rahalahinao;
ahoana àry izato ianao no dia maneso ny rahalahinao?
Nefa samy hiseho eo amin’ny fitsaran’Andriamanitra ihany isika rehetra,
araka ny voasoratra hoe:
Raha velona koa Aho, hoy ny Tompo,
ny lohalika rehetra handohalika amiko,
ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra.
Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 26, 1. 4. 13-14

Matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny tanin’ny velona.

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
sy tozoiko indrindra, ry Tompo:
dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra hiainako:
mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo
sy hibanjina ny toerany Masina!

Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny Tanin’ny velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-10)

Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny poblikanina rehetra sy ny mpanota,
ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe:

“Ilay itý mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy.”

Dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo i Jesoa hoe:

“Iza moa aminareo no manana ondry zato
ka very ny anankiray
no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra,
ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?
Ary rahefa hitany
dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana,
ka nony tonga any an-tranony izy,
dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy
ary manao amin’ireo hoe:

‘Miaraha mifaly amiko,
fa efa hitako ny ondriko very.’

Lazaiko aminareo, fa toy izany koa
hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra
amin’ny mpanota iray mibebaka,
noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo
tsy mila fibebahana.
Sa iza no vehivavy manana dragma folo
ka very ny anankiray
no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano,
ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy?
Ary rahefa hitany dia mamory ny sakaizany
sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe:

‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very.’

Toy izany koa lazaiko aminareo,
fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra
raha misy mpanota iray mibebaka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 13, 8-10)

Ny fitiavana no fahatanterahan’ny didy an-tsakany sy an-davany.

Ry kristianina havana,
aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo,
afa-tsy ny fifankatiavana;
fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
Satria ny hoe:
Aza mijangajanga,
aza mamono olona,
aza mangalatra,
aza miampanga lainga,
aza mitsirirì-javatr’olona,
mbamin’ny didy hafa rehetra,
dia voalaza fohy amin’ny teny hoe:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana,
ka dia ny fitiavana
no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 111, 1-2. 4-5. 9

Ny tsara fanahy mangoraka sy mampisambotra.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahìna.

Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo mangoraka sy antra.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny.

Malala-tanana izy, manome ny mahantra;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 25-33)

Izay tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro.

Tamin’izany andro izany,
nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’i Jesoa,
ka nitodika Izy nanao tamin’ireo hoe:

“Raha misy manatona Ahy
ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny,
ary ny vadiny sy ny zanany,
mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny
ary na dia ny ainy aza,
dia tsy mety ho mpianatro.
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy
dia tsy mety ho mpianatro.
Ka iza tokoa moa aminareo
no te-hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha
hitety izay ho laniny,
na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia,
sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy
ka holatsain’izay rehetra mahita hoe:

‘Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io,
nefa tsy nahavita tsinona.’

Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa,
ka tsy hipetraka aloha hihevitra
na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina
ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia?
Fa raha tsy hahomby izy,
dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray
dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy.
Toy izany koa,
na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany
dia tsy mety ho mpianatro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 12, 5-16a)

Mifampirantsam-batana isika.

Ry kristianina havana,
tena iray ao amin’i Kristy isika,
na dia maro aza;
ka mifampirantsam-batana isika rehetra tsirairay avy.
Ary samy manana ny anjara fanomezany isika
araka ny fahasoavana noraisintsika avy,
ka raha faminaniana izany,
dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana;
raha fandraharahana,
dia aoka ho ao anatin’ny fandraharahana;
itý moa nandray ny fanomezana hampianatra,
aoka izy hampianatra;
itsy kosa ny fanomezana hananatra,
dia aoka izy hananatra;
ny iray mizara,
ka aoka hanao izany amim-pahatsorana;
ny iray kosa mitondra,
ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana,
ary ny hafa koa manao asa fiantrana,
dia aoka hanatanteraka izany an-kafaliana.
Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana;
mankahalà ny ratsy,
ary miraiketa amin’ny tsara.
Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpirahalahy;
mifaninàna hifanaja.
Raha ny amin’ny fahazotoana,
dia aza mitaredretra,
fa mbà mafana fo;
ny Tompo anie no tompoinareo e!
Mifalia amin’ny fanantenana,
mandefera amin’ny fahoriana,
ary mahareta amin’ny fivavahana;
manampia ny olo-masina araka izay ilaina,
ary mazotoa mampiantrano vahiny.
Misaora izay manenjika anareo;
misaora, fa aza manozona.
Miaraha mifaly amin’izay mifaly,
ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.
Miraisa hevitra: aza miavonavona,
fa mifandraisa amin’ny iva toetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 130, 1. 2 sy 3

Tahio am-piadanana ho eo anilanao ny fanahiko, ry Tompo.

Tsy mba miavona ny foko, ô ry Tompo ô,
ka ny masoko mijery, tsy mianjona.
Ireo zavatra vaventy tsy enjehiko;
ireo avo tsy sahaza halaviriko.

Afa-diana ny fanahiko: mamitsaka,
toy ny zaza afa-po an-tratran-dreniny.
Matokia ny Tomponao, ô ry Jakôba ô,
hatrizao sy amin’ny taona tsisy fetrany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 15-24)

Mandehana mankany amin’ny kianja sy ny lalam-ben’ny tanàna, ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko.

Tamin’izany andro izany,
nony avy nandre ny tenin’i Jesoa ny anankiray tamin’izay niara-nihinana taminy,
dia nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Sambatra lahy izay hanana anjara amin’ny fihinanam-be
any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”

Fa hoy Izy taminy:

“Nisy lehilahy anankiray nanao fanasana lehibe
ka nanasa olona maro.
Nony tonga ny fotoana fisakafoana,
dia naniraka ankizilahy iray izy hanainga ny nasaina hoe:

‘Ndeha ianareo,
fa efa vonona ny zavatra rehetra.’

Fa samy niala tsiny izy rehetra.
Hoy ny voalohany taminy:

‘Efa nividy saha aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy;
koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko e.’

Hoy kosa ny faharoa:

‘Efa nividy omby folo aho, ka handeha hitsapa azy;
koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko.’

Ary hoy koa ny anankiray:

‘Vao nampaka-bady aho ka tsy afa-mankany.’

Dia nody ilay ankizilahy ka nilaza izany tamin’ny tompony.
Tezitra tamin’izay ny tompony
ka nanao tamin’ny ankizilahiny hoe:

‘Mandehana faingana mankany amin’ny kianja sy ny lalam-ben’ny tanàna,
ka ento mankatý ny mahantra sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.’

Ary hoy ilay ankizilahy:

‘Tompoko, vita ny nasainao atao,
nefa mbola misy fitoerana ihany.’

Dia hoy ny tompo tamin’ilay ankizilahy:

‘Mandehana mankeny amin’ny lalam-be sy ny fefim-boly,
ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko.’

Fa lazaiko aminareo fa tsy hisy hanandrana ny sakafo
amin’ireo olona nasaina ireo na dia iray aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 11, 29-36)

Nohidian’Andriamanitra tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra, mba samy hamindrany fo avokoa.

Ry kristianina havana,
tsy misy anenenana ny fanomezan-tsoa
sy ny fiantsoan’Andriamanitra.
Fa ianareo fahiny
mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany,
nefa noho ny tsy naneken’ireo sasany amin’i Israely,
dia nahazo famindram-po ankehitriny.
Toy izany koa izy ireny ankehitriny,
tsy manaiky an’Andriamanitra izy,
nefa noho ny famindram-po azonareo,
dia hahazo famindram-po toraka izany koa.
Fa samy nohidian’Andriamanitra
tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra,
mba samy hamindrany fo avokoa.

Endrey,
lalina tsy manam-paharitana
ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra,
tsy azo takarina ny fitsarany,
ary tsy takatry ny saina ny lalany!
Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo,
ary zovy no mpanolo-tsaina Azy?
Sa iza no nanome Azy aloha,
mba hahazoany valin’izany?
Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra.
Eny,
Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 68, 30-31. 33-34. 36-37

Mivavaka aminao aho, ry Tompo.

Fa izaho ilay ory sy mijaly kosa,
dia harovan’ny Vonjinao, ry Andriamanitra:
ka hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra,
ary hankalaza Azy amin-tsaotra.

Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra;
ny babo tsy hainy hamavoina.

Fa Andriamanitra hamonjy an’i Siôna sy hanangana ny tanànan’i Jodà:
ka hisy mponina indray ao, izay hivolon-ko tompony tokoa!
Ny taranaky ny mpanompony no handova;
izay tia ny Anarany no honina ao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 12-14)

Aza ny sakaizanao no antsoina fa ny mahantra sy ny kilemaina.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ilay loholon’ny Farisianina nanasa Azy hoe:

“Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao,
aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao,
na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina,
fandrao asain’ireo koa ianao
ka ho voavaliny izay nataonao taminy.
Fa raha manao fanasana ianao,
ny mahantra,
ny kilemaina,
ny mandringa,
ny jamba,
no asao:
dia ho sambatra ianao,
satria tsy mba manan-kavaly anao ireo;
fa rahefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina
vao hovaliana ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Malakia Mpaminany (Ml. 1, 14b — 2, 2b. 8-10)

Ianareo kosa nivily lalana ary nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna.

Mpanjaka lehibe Aho,
hoy ny Tompon’ny tafika;
ary mahatahotra ny Anarako,
any amin’ny firenena.
Koa ankehitriny, ry mpisorona,
didy mihatra aminareo izao:
Raha tsy henoinareo sy tsy rototra ianareo
ny hanome voninahitra ny Anarako,
hoy ny Tompon’ny tafika,
dia handefa ozona hamely anareo Aho.
Fa ianareo kosa nivily lalana,
nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna,
ary namadika ny fanekena tamin’i Levi,
hoy ny Tompon’ny tafika.
Koa Izaho kosa,
dia efa nahatonga anareo ho faniratsira sy tsinontsinona
eo imason’ny vahoaka rehetra,
satria tsy nitandrina ny lalako ianareo,
sady mizaha tavan’olona amin’ny fampiharana ny lalàna.
Tsy iray ray va isika rehetra?
Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika?
Ka nahoana àry ity isika,
no samy mivadika amin’ny iray ra amintsika avy,
ka mandoto ny fanekena amin’ny razantsika?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 130, 1. 23

Tompo ô, tahirizo ao amin’ny fiadananao ny fanahiko.

Tompo ô, tsy mba miavona ny foko,
tsy miandranàndrana ny masoko:
izaho tsy manenjika zava-baventy
na zavatra ambony tsy sahaza ahy.

Ny fanahiko afa-po ka mamitsaka,
toy ny zaza voky eo am-pofoan-dreniny;
eny, toy ny zaza voky
ny fanahiko ato amiko.

Aoka i Israely hatoky ny Tompo
hatrizao ka ho mandrakizay!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 2, 7b-9. 13)

Tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo, fa ny ainay koa.

Ry kristianina havana,
naleonay nanetry tena teo aminareo,
mova tsy ny reny mitaiza ny zanany.
Fa noho ny fitiavanay anareo,
dia tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo,
fa ny ainay koa aza,
satria efa tonga maminay loatra ianareo.
He tsaroanareo, ry kristianina havana,
ny fikelezana aina amam-pisasaranay,
fa sady niasa andro aman’alina izahay
no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo,
mba tsy hahavaky tratra olona
na dia iray taminareo aza.
Noho izany,
dia tsy tapaka misaotra an’Andriamanitra koa izahay,
satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay,
dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany,
fa noraisinareo, araka ny marina tokoa,
ho tenin’Andriananitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny Tenin’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

Milaza fotsiny izy fa tsy manao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe:

“Efa mipetraka eo amin’ny toeran’i Môizy
ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo,
fa aza maka tahaka ny ataony,
satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Fehezin’izy ireo ny zava-mavesatra sarotra entina,
dia atainginy eo antsoroky ny olona,
nefa izy tsy mety hanetsika izany
na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra,
ka dia filakitera lehibebe kokoa
sy somotraviavin-damba lavalava kokoa
noho ny an’ny olona no entiny.
Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana,
ny fitoerana voalohany amin’ny sinagôga,
ny arahabaina eo an-kianja
ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Fa ianareo kosa,
aza mba mety hantsoina hoe Raby,
fa iray ihany no Mpampianatra anareo,
ary mpiray tam-po avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo;
fa iray ihany no Rainareo,
dia Izay any an-danitra.
Aza mety atao hoe Mpampianatra;
fa iray ihany ny Mpampianatra anareo,
dia i Kristy.
Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;
fa izay hanandra-tena dia haetry
ary izay hanetry tena dia hasandratra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nanainga ireo pretra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Arseveka, Mgr Jean de Dieu Raoelison, mba hikolo ny asa pastôraly sy hanatanteraka izany an-kafaliana... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory ho an'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, ny Sampan-draharaha momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon'ny Fiketrahana Masina, noho ny fahalasanan'i Mgr Antoine Slavatore Scopelliti... ♦ Nanatanteraka famangiana any amin'ny Arsidiôsezy Atsimo Atsinanana, ny mpandrindra fikambanana vondron'ny Tokantrano Kristianina nasiônaly...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 11, 1-2a. 11-12. 25-29)

Raha ny fanariana azy no fampihavanana an’izany zavatra izany, hanao ahoana ny fandraisana azy: Tsy ho fitsanganan-ko velona va?

Ry kristianina havana,
moa dia narian’Andriamanitra va ny olony?
Sanatria izany!
Fa izaho koa dia Israelita, taranak’i Abrahama, sy fokon’i Benjamina,
ka tsy narian’Andriamanitra ny olony,
izay efa fantany rahateo.
Koa hoy izaho:
Moa dia tafintohina,
ka lavo tsy ho tafarina intsony va izy ireo?
Sanatria izany!
Fa ny fahalavoany no nahatonga famonjena ho an’ny jentily,
mba hahavelom-pialonana an’i Israely.
Koa raha ny fahalavoany no tonga herin’izao tontolo izao,
ary ny nihenàny no zary haren’ny jentily,
hanao ahoana re ny hafenoany?
Fa mba tsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry,
dia tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry havana,
izao zava-miafina izao:
nilatsaka amin’ny hajambana ny sasany amin’i Israely,
mandra-piditry ny hafenoan’ny jentily.
Ary amin’izany dia ho voavonjy avokoa i Israely rehetra,
araka ny voasoratra hoe:
Hivoaka avy ao Siôna ny Mpanafaka,
ka hanesotra ny tsy fahamarinana rehetra amin’i Jakôba,
dia ho tanteraka amin’izany ny fanekena nataoko tamin’izy ireo,
rahefa voaesotra ny fahotany.
Raha amin’ny Evanjely,
dia mbola fahavalo izy noho ianareo;
fa raha amin’ny fifidianana kosa,
dia malala izy noho ny razany;
satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa
sy ny fiantsoan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 93, 12-13a. 14-15. 17-18

Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany.

Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo,
sy ampianarinao ny Lalànao,
mba tsy hanahiany
amin’ny andro fahoriana.

Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany,
na handao ny lovany,
ka ny olo-marina hahazo ny rariny,
ny mahitsy fo no handresy lahatra.

Raha tsy ny Tompo no namonjy ahy,
poatoizay ilay toera-mangina no ho fonenako!
Vao Lasa ny teniko hoe: Mibolisatra ny tongotro!
ny hatsaram-ponao, ry Tompo, no avy hananty!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1. 7-11)

Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.

Indray sabata,
raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa
dia nitsikilo Azy izy ireo.
Ary nony hitan’i Jesoa ny hamaizan’ny olona nasaina
naka ny fitoerana voalohany,
dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo Izy nanao hoe:

“Raha asaina amin’ny fampakaram-bady ianao,
aza mipetraka amin’ny fitoerana voalohany,
fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao,
ka ho avy izay nanasa anao sy izy,
hilaza aminao hoe:

‘Omeo an’itý ny fitoeranao’,

ary amin’izay,
dia ho menatra ianao hifindra arý amin’ny fitoerana farany.
Fa raha asaina ianao,
dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka,
ka raha tonga izay nanasa anao,
dia hilaza aminao hoe:

‘Mandrosoa, ry sakaiza etsy alohaloha kokoa’;

amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao.
Fa izay rehetra manandra-tena no haetry,
ary izay manetry tena no hasandratra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 9, 1-5)

Nirìko ny ho voaozona hamonjeko ny rahalahiko.

Ry kristianina havana,
milaza ny marina ao amin’i Kristy aho,
ka tsy mandainga,
ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko,
fa malahelo mafy aho,
ory lalandava ny foko,
satria saiky nirìko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako,
hamonjeko ny rahalahiko izay havako araka ny nofo,
dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka,
sy ny voninahitra sy ny fanekena,
sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana,
ary ny fampanantenana;
azy koa ny Patriarka,
sady avy aminy araka ny nofo i Kristy,
izay ambonin’ny zavatra rehetra,
Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa!
Derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.

Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto;
mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.

Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didiny aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany.
Ny satany manko nafeniny azy.

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1-6)

Raha latsaka amin’ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo, iza aminareo no tsy hanafaka azy na dia sabata aza ny andro?

Indray sabata,
raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa,
dia nitsikilo Azy izy ireo.
Ary indro nisy lehilahy anankiray manirano teo anatrehany.
Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin’ny mpampianatra ny Lalàna sy ny Farisianina hoe:

“Azo atao ve ny manasitrana amin’ny andro sabata?”

Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo.
Dia noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany kosa ralehilahy
ka nositraniny ary nalefany handeha,
izay Izy vao nilaza tamin’izy ireo hoe:

“Raha latsaka amin’ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo,
iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana
na dia sabata aza ny andro?”

Fa tsy nanan-kavaly an’izany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 31b-39)

Tsy misy zava-boaary hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy.

Ry kristianina havana,
raha Andriamanitra no momba antsika,
iza no hahatohitra antsika?
Izy tsy nandala ny tena Zanany,
fa nahafoy Azy ho antsika rehetra,
ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Iza no hiampanga an’izay voafidin’Andriamanitra?
Andriamanitra no manamarina azy ka zovy no hanameloka?
Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona,
sy mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?
Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?
Fahoriana va, sa fahaterena,
sa fanenjehana, sa fahanoanana,
sa fitanjahana, sa loza,
sa sabatra?
Araka ny voasoratra hoe:
Ianao no amonoana anay isan’andro:
mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.
Amin’izany rehetra izany anefa,
dia mihoatra noho ny mpandresy isika,
amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Satria matoky aho
fa na fahafatesana, na fiainana,
na Anjely na ireo fifehezana,
na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy,
na ireo fahefana,
na ny any ambony, na ny any ambany,
na zava-boaary hafa,
dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra
izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 108, 21-22. 26-2 7. 30-31

Vonjeo araka ny hatsaram-ponao aho, ry Tompo.

Fa Ianao, ry Tompo, manasoava noho ny Anaranao!
Manafaha araka ny hasoan’ny hatsaram-ponao:
fa mahantra sy mijaly aho,
ory fo ato anatiko.

Ampio aho, ry Tompo Andriamanitro!
Vonjeo araka ny hatsaram-ponao!
Aoka ho fantany fa ny tananao izao;
fa Ianao, ry Tompo, no nanao an’izao.

Fa izaho hisaotra ny Tompo eran’ny fo, eran’ny vava;
sy hidera Azy eo afovoan’olo-maro:
noho Izy mijoro ankavanan’ny mahantra,
mba hamonjy azy amin’izay manameloka!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 31-35)

Tsy mety raha mpaminany ka dia vonoina any ivelan’i Jerosalema.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina sasany nanatona an’i Jesoa,
ka nanao taminy hoe:

“Mandehana miala eo Ianao,
fa tadiavin’i Herôda hovonoina.”

Dia hoy Izy tamin’ireo:

“Mandehana lazao amin’izany amboadia izany hoe:
Indro mandroaka demony sy manasitrana marary Aho anio sy rahampitso,
fa amin’ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko.
Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako
anio sy rahampitso ary rahafakampitso;
satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema.
Ry Jerosalema, ry Jerosalema,
izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao,
impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao
tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany,
fa tsy nety ianareo!
Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo.
Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo
ambara-pilazanareo hoe:
Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-30)

Fantatsika fa ny zava-drehetra dia entin’Andriamanitra hanasoa izay tia Azy.

Ry kristianina havana,
ny Fanahy no manohana ny fahalementsika,
satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika,
fa ny tenan’izy Fanahy ihany no mangataka
amin’ny fitarainana tsy azo lazaina;
ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy,
sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.
Fantatsika koa
fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy,
dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Satria izay fantany rahateo no notendreny
hitovy endrika amin’ny Zanany koa,
mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Ary izay notendreny no nantsoiny koa;
izay nantsoiny no nohamarininy koa;
izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 12, 4-5. 6

Matoky ny hatsaram-ponao aho, ry Tompo.

Jereo! Valio aho, ry Tompo Andriamanitro!
Hazavao maso, ndrao renoky ny fahafatesana;
ndrao ataom-pahavalo hoe: Resy terý!
na hifalian-drafilahy fa mihontsina!

Matoky ny hatsaram-ponao aho;
mifaly amin’ny famonjenao ny foko.
Eny, mihira aho, ry Tompo,
noho ny soa nataonao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 22-30)

Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, hipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety tanàna sy vohitra maro
ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema.
Ary nisy olona anankiray nanontany Azy hoe:

“Tompoko,
moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?”

Ka hoy Izy tamin’ny olona:

“Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety;
fa lazaiko aminareo
fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.
Satria raha efa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano
no tavela any alatrano ianareo
ka handondòna ny varavarana hanao hoe:

‘Tompoko, vohay izahay’,

dia hovaliany hoe:

‘Tsy fantatro izay niavianareo.’

Ary amin’izay ianareo dia hanao hoe:

‘Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay,
ary nampianatra teny amin’ny kianjanay Ianao.’

Fa hovaliany hoe:

‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo;
mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy.’

Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify
rahefa hitanareo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra
i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra,
fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany.
Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana,
ary avy any Avaratra sy Atsimo,
hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Ary indro hisy farany izay ho voalohany,
ary hisy voalohany ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny safidy no maha tompon'andraikitra. Ny fanabeazana dia fanomanana ny olona ho tompon'andraikitra ; ny fitaizana dia manomana olona ho tompon-toerana amin'ny sehatr'asa izay misy azy. Raha te-hanamafy ny maha-izay sy ny maha-izy dia manàna safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 18-25)

Indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao
dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra
miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
satria izao zava-boaary rehetra izao
dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nahiny,
fa noho Ilay nampanompo azy,
nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalàna amin’ny fanandevozam-pahalovana
ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny,
dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao.
Ary tsy izy ihany,
fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza,
dia misento ao anatintsika ao,
miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika.
Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika.
Ary ny mahita izay antenaina,
dia tsy mba manantena intsony,
fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany?
Fa raha ny tsy hita no antenaintsika,
dia miandry amim-paharetana isika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6

Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay.

Raha nampody ny babo tamin’i Siôna ny Tompo,
dia ohatra nanonofy izahay!
Tonga feno hehy ny vavanay;
feno hira ny lelanay!

Tamin’izay ireo firenena nitakoritsika hoe:
Lalina itý nataon’ny Tompo taminy!
Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay:
ka faly moa izahay!

Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay,
toy ny ranotrambo any Atsimo!
Izay mamafy amin-dranomaso, no mijinja amin-kira.

Eny tokoa, raha mandroso no tomany
manipy ny voa.
Fa nony miverina, velona akora
milanja ny vokatra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 18-21)

Ny voan-tsinapy nambolena tonga hazo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny hoe:

“Ny inona no tahaka ny fanjakan’Andriamanitra,
ary ny inona no hanoharako azy?
Tahaka ny voan-tsinapy izy
izay nalain’ny olona ka namboleny tamin’ny tanimboliny,
dia nitombo ka tonga hazo,
ary nitoeran’ny voromanidina ny rantsany.”

Dia hoy indray Izy:

“Inona no hanoharako ny fanjakan’Andriamanitra?
Tahaka ny lalivay izay nalain’ny vehivavy anankiray izy,
ka nampifangaroiny tamin’ny lafarinina intelon’ny famarana
mba hampibohaka ny koban-dafarinina rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...