♦ Mitohy androany ao an-drenivohitra ny fidinana an-dalambe ataon'ny vondron'ny kandidà. Mbola mikasa hiditra eny amin'ny kianjan'i 13 mey izy ireo. Nanolotra soson-kevitra hivoahana amin'izao krizy pôlitika izao ny antoko RTM tarihan'Andriamatoa Randriamampionona Joseph Martin... ♦ Manahy krizy pôlitika lalina, maety hahatapaka ny fanampianarana ny federasiôna ivondronan'ireo tale sy mpampianatra avy amin'ny sekoly tsy miankina manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Mitaky ny hanaovana fakan-kevitra vaovao amin'ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara ny FISEMARE. Maro ny andininy ao amin'ny volavolan-dalàna ankehitriny tsy mifanaraka amin'ny filàn'ny mpiasa...
♦ Niantefan'ny hafatry ny Fivondronambe'ny Evekan'i Madagasikara avokoa, ny mpiray tanindrazana... ♦ Nolanian'ny mpizaika rehetra tamin'ny dinika izay notarihan'ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena sy FFKM teny Tsimbazaza, ny hanemorana ny fifidianana izay ho Filohan'ny Repoblika.... ♦ Tsy misy antony, na inona na inona, tokony hanemorana ny fifidianana, hoy ireo Loholon'i Madagasikara...
♦ Mifantoka amin'ny raharaham-pirenena ny hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, izay navoakan'izy ireo omaly alakamisy 9 nôvambra 2023... ♦ Hotanterahana rahampitso 11 nôvambra amin'ny 11 ora antoandro, ny fanankinana amin'Andriamanitra ny fanahin'i P. Jean Marcellin Ramiandrisoa, Salezianin'i Don Bosco...
Miaro mandrakariva ny vahoaka sy ny ankohonana miantehitra Aminy Andriamanitra ka nahavaky vava ny mpanao Salamo hoe : sambatra ny firenena manana an'ny Tompo ho Andriamaniny, sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany! (Sal 33; 12; sal 44; 15). Fototra niorenan'ny Tantaran'ny vahoaka Hebrio ny nahitàna an'Andriamanitra nanafaka azy noho ny fangejana nataon'ny Ejipsiana ka nanirahany an'i Moizy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Vanim-potoana faha-mpanjaka (nanomboka ny 1020 nifidianana an'i Saoly tamin'ny andron'i Samoela Mpaminany) : ny anjara teoran'ireo Mpaminany izay mampatsiahy mandrakariva ny tsy tokony hivadihana amin'ny fanekem-pihavanana tamin'Andriamanitra ka nanaovan'izy ireo teny fampitandremana ho an'ireo mpanjaka mivadika amin'izany. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Harahanao manontolo amin'izao vaovao izao ny hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Tsy miombon-kevitra ny amin'ny hanemorana ny fifidianana ny avy eo anivon'ny Antenimieran-doholona... ♦ Nodimandry androany maraina, ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena eto amin'ny Faritanin'Antananarivo, Rasolonjatovo Honoré...
♦ Namoaka hafatra manoloana raharaham-pirenena ankehitriny ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Tokony aato ny zotram-pifidianana, ary tokony hifantoka amin'ny fifampidinihana, ka miantso ny fampiatoana ny fampielezan-kevitra sy ny fidinana an-dalambe, ny Vovonana ho an'ny Fifampidinihana sy Fanelanelanana, izay hanatanteraka fampihaonana anio... ♦ Hiverina ny fahafahan'i Madagasikara manondrana volamena sy vato sarobidy any ivelany...
♦ Tsy namaly ny antson'ireo Solombavam-bahoaka miara-dia amin'ny vondron'ny kandidà, ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon'ny Governemanta androany, raha nampiantsoina hitondra fanazavana teny Tsimbazaza... ♦ Handray fepetra hanerena ny fanafoanana ny fifidianana amin'ny 16 novambra 2023, ny vondron'ireo firaisamonim-pirenena, fikambanana sy ny sendikà isan-tsokajiny... ♦ Hiverina amin'izay ny fahafahana manondrana volamena sy vato sarobidy any ivelany. Tafapetraka ary nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany, ny “Guichet unique” hisahana izany, etsy Mamory Ivato...
Trangam-piainana efa zary mahazatra ny fiolonolonana, ny tsy fananana fotoana firy ho an'ny vady aman-janaka ankehitriny vokatry ny fandrosoan'ny teknôlôjia sy ny rotorotom-piainana tsotra izao. Mandringa ny fifandraisan'ny mpianakavy ka teraka ny tsy fifankazahoana, maro ny toerana banga eo amin'ny lafin'ny fitaizana ny ankizy. Noho izany no ilazana fa ilaina ny fanatsarana io fifandraisan'ny mpianakavy io amin'ny fiezahana mifandray amin'ny alalaln'ny fifanantonana mivantana amim-pitsikiana sy amin-tambitamby amim-panehoana fitiavana. Na eo amin'ny raiamandreny sy ny zanaka na ny mpivady na ny zanaka samy zanaka, eny ny fiaraha-monina iray manontolo...
Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...
14 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)
Reharehan'Israely, vahoaka voafidy, ny fananany Andriamanitra tsy lavitra fa mandray anjara lehibe amin'ny fiainan'izy ireo araka ny hita ao amin'ny DT 4,7 : " fa iza tokoa moa ny firenen-dehibe hanana Andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha-akaikintsika an'ny Tompo Andriamanintsika isaky ny iantsoantsika Azy?" Ny tantaram-pamonjena dia nanomboka tamin'i Abrahama Rain'ny mpino. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco