Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 12-17)

Fanahim-pananganan-janaka no noraisinareo, ka iantsoantsika hoe Abà! Ray!

Ry kristianina havana,
tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.
Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty;
fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo,
dia ho velona ianareo;
satria izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra
dia zanak’Andriamanitra.
Ary izany tokoa,
satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo,
ka hatahotra indray ianareo,
fa Fanahim-pananganan-janaka,
ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray!
Ary ny tenan’io Fanahy io ihany
no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika
fa zanak’Andriamanitra isika.
Ary raha zanaka dia mpandova,
eny, sady mpandova an’Andriamanitra
no mpiray lova amin’i Kristy,
raha miara-mijaly aminy anefa isika,
mba hiara-komem-boninahitra aminy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 67, 2 sy 4. 6-7ab. 20-21

Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika.

Vao mitsangana Andriamanitra, dia mihahaka ny fahavalony;
mandositra eo anoloany ny mpankahala.
Ny olo-marina kosa, manoloana an’Andriamanitra,
mifaly, miravo sy mirobiroby.

Izy Ilay Rain’ny kamboty, mpanome rariny ny mpananotena,
Andriamanitra ao amin’ny toerany masina,
mampitoetra an-trano ny tokan-tena,
mamoaka ny babo voagadra.

Isaorana ny Tompo isan’andro isan’andro:
ilay Andriamanitra Mpamonjy nitrotro antsika,
Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika;
Tompo mahala amin’ny fahafatesana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 10-17)

Itý zanakavavin’i Abrahama itý ve tsy tokony hovahana ny fatorany amin’ny andro Sabata?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nampianatra tao amin’ny sinagôga anankiray indray Sabata,
ka nisy vehivavy anankiray teo azon’ny demony
hatramin’ny valo ambin’ny folo taona,
ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy.
Nony nahita azy i Jesoa dia niantso azy
ka nanao taminy hoe:

“Ravehivavy, afaka ny aretinao.”

Dia nametrahany tanana izy,
ka nitraka niaraka tamin’izay,
sy nankalaza an’Andriamanitra.
Fa sosotra ny lehiben’ny sinagôga
noho i Jesoa nanasitrana tamin’ny andro Sabata,
ka niloa-bava tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Henemana no andro azo iasana
ka tongava hositranina amin’ireo ianareo,
fa aza amin’ny andro Sabata.”

Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy:

“Ry mpihatsaravelatsihy,
moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany
hiala amin’ny tranony avy ianareo,
ka mitondra azy hisotro rano
na dia Sabata aza ny andro?
Ary itý zanakavavin’i Abrahama
izay efa nafatotr’i Satana hatramin’ny valo ambin’ny folo taona itý ve
tsy tokony hovahana amin’izany fatorana izany
amin’ny andro Sabata?”

Tamin’izy niteny izany,
izay rehetra nanohitra Azy dia nangaihay foana,
fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly
noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany eo anilany teo amin'ny faha-84 taonany i Mgr Antoine Salvatore Scopelliti, Eveka misotro ronono an'i Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misiônera mpitondra hafatra isika, hoy i Mgr Zygmunt Robasckiewicz, Evekan'i Mahajanga, tamin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny Misiona... ♦ Notanterahana tao Toamasina ny zaikaben'ny Vondrom-bavaky ny Apôstôlin'ny Famindrampon'Andriamanitra ho an'ny Arsidiôsezy Atsinanana...

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 22, 21-27)

Raha manao izay mampalahelo ny mpitondra tena sy ny madinika ianareo, dia hirehitra aminareo ny fahatezerako.

Izao no nolazain’ny Tompo:

“Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy
fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianao.
Aza manao izay mampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty;
fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao,
dia hitaraina amiko izy,
ka hohenoiko ny fitarainany;
hirehitra ny hatezerako ka haringako amin’ny sabatra ianareo;
ary ny vadinareo ho mpitondra tena,
ny zanakareo ho kamboty.
Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao,
amin’ny mahantra eo aminao,
aza mitsangan-ko mpanàna vola aminy,
aza maka zana-bola aminy.
Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao
dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro,
fa iny no hany firakofany,
iny no fitafiany anaronany ny vatany,
ka inona àry no hoentiny mandry?
Raha mitaraina amiko izy,
hohenoiko ny fitarainany,
fa antra olona Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 17, 2-3a. 3bd-4. 47-51ab

Tiako Ianao, ry Tompo fa heriko.

Mamiko Ianao, ry Tompo fa heriko,
Tompo Vatolampiko, toera-mafy ho ahy,
Andriamanitra Mpanafaka,
haram-bato fialofana.

Ampinga, famonjena mahery,
fiarovana-avo ho ahy.
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny rafiko aho!

Veloma ny Tompo!
Hisaorana ny Vatolampiko!
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany,
anehoany fitiavana ilay Nohosorany.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 5d-10)

Efa niala tamin’ny sampy ianareo, mba hanompo an’Andriamanitra sy hiandry ny Zanany.

Ry kristianina havana,
fantatrareo izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo.
Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be
sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina,
dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo,
ka tonga fakàn-tahaka ho an’ny mpino rehetra
any Masedônia sy Akaia kosa indray.
Ary tsy tany Masedônia sy Akaia ihany
no tongan’ny akon’ny tenin’Andriamanitra avy tany aminareo,
fa niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra,
ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay,
ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho aty aminareo,
sy ny nialanareo tamin’ny sampy,
mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra
izay natsangany ho velona,
dia i Jesoa izay nanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)

Tiavo ny Tompo Andriamanitrao ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’ny Farisianina
fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina,
dia nivory izy rehetra;
ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin’izy ireo
nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo,
sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo.
Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
ary ny faharoa,
izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ao amin’izany didy roa izany
ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Manentana ny kristianina hifanome tanana hampiroborobo ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny Tale nasiônalin’ny OPM (Œuvres Pontificales Missionnaires), P. Rakotoarisoa Jean Claude amin’izao fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Misiona, izay marihana ny alahady 22 oktobra izao… ♦ Mila manana fo mirehidrehitra sy hafanam-po amin’ny asa fiantrana tahaka ny nataon’i Masindahy Charles de Foucauld isika, hoy ny Papa François, ny alarobia lasa teo… ♦ Nampirisika ny mpino rehetra mba tsy hiandany afa-tsy amin’ny fiadanana ny Papa François manoloana ny savorovoro misy ao Proche-Orient…

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Roma (Rom. 8, 1-11)

Ny Fanahin’izay nanangan-ko velona an’i Jesoa no mitoetra ao aminareo.

Ry kristianina havana,
tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa,
sady tsy mandeha ara-nofo;
fa ny lalàn’ny Fanahin’aina no nanafaka ahy
tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana,
tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa.
Satria izay tsy vitan’ny Lalàna
noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo,
dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany
tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana,
ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,
mba ho tanteraka ny fahamarinan’ny Lalàna ao amintsika,
izay tsy mandeha ara-nofo fa ara-panahy.
Fa izay ara-nofo dia mankafý ny zavatry ny nofo
ary izay ara-panahy dia mankafý ny zava-panahy.
Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana,
fa ny fitiavan’ny fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.
Satria ny fitiavan’ny nofo dia mifandrafy amin’Andriamanitra,
fa tsy manaiky ny Lalàn’Andriamanitra izy,
sady tsy hainy aza izany.
Koa izay ao amin’ny nofo
dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra.

Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo,
fa ao amin’ny fanahy,
raha mitoetra ao aminareo koa ny Fanahin’Andriamanitra.
Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy,
dia tsy Azy izy;
fa raha ao anatinareo i Kristy,
na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana,
dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.
Ary raha ny Fanahin’izay nanangan-ko velona an’i Jesoa
no mitoetra ao anatinareo,
dia izay nanangana an’i Kristy koa no hamelona ny vatanareo mety maty,
noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6

Izany no taranaka mikatsaka ny tavanao, ry Tompo.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa,
dia izao rehetra izao, ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
napetrany tsara eo ambonin’ny ony.

Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina?
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.

Dia izy no hany hotsofina rano,
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 1-9)

Raha tsy mibebaka ianareo dia ho very tahaka azy koa ianareo rehetra.

Tamin’izany andro izany,
nisy olona sasany tonga nilaza tamin’i Jesoa
ny nanjò ireo Galileanina
fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany.
Ary novaliany hoe:

“Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny
dia mpanota noho ny Galileanina rehetra
matoa nozoin-doza toy izany?
Tsia, hoy Aho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo,
dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.
Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin’ny folo
maty nianjeran’ny tilikambon’i Silôe
no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema?
Tsia, hoy Aho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo,
dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra”.

Dia nanao itý fanoharana itý Izy:

“Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy
nambolena tamin’ny tanim-boalobony,
ka nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita.
Dia hoy izy tamin’ny mpiasa ny tanim-boalobony:

‘Indro efa telo taona izay
no tonga mitady voa amin’itý aviavy itý aho,
nefa tsy mahita;
koa kapao io,
fa nahoana no manimba ny tany foana eo?’

Ary hoy ny mpiasa namaly azy:

‘Aoka re ho eo ihany izy amin’itý taona itý, tompoko,
dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika;
angamba hamoa izy,
fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy’.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 7, 18-25a)

Iza re no hanafaka ahy amin’itý vatam-pahafatesana itý?

Ry kristianina havana,
fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara,
izany hoe tsy ato amin’ny nofoko;
ny fikasana fotsiny no ato amiko,
fa tsy ny manatanteraka ny tsara,
satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko,
fa ny ratsy izay tsy tiako;
ka rahefa tsy ny tiako no ataoko,
dia tsy izaho intsony no manao izany,
fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko.

Ka toa misy lalàna toy izao ato amiko:
nony te-hanao ny tsara aho,
dia ny ratsy no indro misosoka.
Satria amin’ny olona ao anaty aho,
dia mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra ihany,
fa ny lalàna hitako amin’ny rantsam-batako
sy manohitra ny lalàn’ny saina no manandevo ahy
amin’ny lalàn’ny fahotana izay ao amin’ny rantsam-batako.
Indrisy! olo-mahantra aho;
iza re no hanafaka ahy amin’itý vatam-pahafatesana itý?
Hisaorana anie Andriamanitra,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 66-68. 76-77. 93-94

Ampianaro ahy, Tompo, ny fitsipikao.

Ampianaro ahy ny fahaizan-tsoa sy ny fahalalana:
fa izaho matoky ny baikonao!
Soa Ianao, ry Tompo, sady mpanisy soa:
ampianaro ahy ny fitsipikao!

Hampionona ahy anie ny hatsaram-ponao:
araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.
Ny indrafonao anie haninteraka sy hamelona ahy:
satria ny Lalànao no firavoako!

Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny lahatrao,
izay amelombelomanao ahy!
Vonjeo aho fa Anao,
sady mikatsaka ny lahatrao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)

Fantatrareo ny toetry ny lanitra sy ny tany. Ahoana àry no tsy ahafantaranareo ny toetr’izao andro diavintsika izao!

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Raha vao mahita rahona avy any andrefana ianareo, dia manao hoe:

‘Ho avy ny orana’,

ka avy tokoa izy;
ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo:

‘Hafana ny andro’,

ka tonga tokoa izany.

Ry mpihatsaravelatsihy,
hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany,
ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao?
Nahoana koa no tsy amantaran’ny tenanareo izay marina?
Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao
hanatrika ny mpitsara,
dia ataovy izay hahafahanao aminy
raha mbola eny an-dalana ianareo,
fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao
ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra,
ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina.
Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao
ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 6, 19-23)

Ankehitriny afaka tamin’ny fahotana ianareo ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
miteny araka ny fanaon’ny olona aho,
noho ny fahalemen’ny nofonareo:
tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana
sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana,
no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny
hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
Fa nony mpanompon’ny ota ianareo,
dia olon-ko azy tamin’ny fahamarinana.
Inona àry no vokatra azonareo tamin’izay?
Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny,
fa fahafatesana no iafarany.
Ary ankehitriny kosa,
rahefa afaka tamin’ny fahotana ianareo,
ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra,
dia ny fahamasinana no vokatra azonareo
ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota,
ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa
no fanomezan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny.

Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina.

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony
mahomby avokoa.

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina fantatry ny Tompo,
ny lalan’ny mpanota kosa mamery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 49-53)

Tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa fampisarahana aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tonga hanipy afo etý ambonin’ny tany Aho,
ka akory itý faniriako mba hirehetan’izany sahady!
Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho,
ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany!
Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana etý an-tany Aho?
Tsia, hoy Izaho aminareo,
fa fampisarahana aza.
Satria hatramin’izao raha olona dimy an-trano iray,
dia hanao an-daniny,
ka hifanohitra ny telo amin’ny roa,
ary ny roa amin’ny telo;
ny ray amin’ny zanany lahy,
ary ny zanakalahy amin’ny rainy;
ny reny amin’ny zanany vavy,
ary ny zanakavavy amin’ny reniny;
ny rafozam-bavy amin’ny vinantony vavy,
ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Amin'ny fiainana dia atao fomba fanao ny manao jery todika ny zavatra nisy sy nolalovana mba entina hanatsarana ny ho avy. Tsara ny hametrahana ny fanontaniana amin'ny tena : aiza ho aiza ny fiainanao eo anatrehan'ny safidy noraisinao?. Ny fanaovana an'io safidy io araka ny tokony ho izy dia hahatsara ny fiainanao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 6, 12-18)

Atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray.

Ry kristianina havana,
aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty
amin’ny fanarahana ny filan-dratsiny
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana
hataony fiasana fanaovan-dratsy
fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo,
izay maty no velona indray,
sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana,
satria ianareo tsy ambanin’ny Lalàna,
fa ambanin’ny fahasoavana.
Ahoana àry: hanota va isika,
satria tsy ao ambanin’ny Lalàna,
fa ao ambanin’ny fahasoavana?
Sanatria izany!
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena
ho mpanompo mba hanaiky azy,
dia mpanompon’izay ekenareo ianareo,
na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany,
na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana?
Ary isaorana Andriamanitra,
fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo,
dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;
ary rahefa afaka tamin’ny fahotana ianareo,
dia tonga mpanompon’ny fahamarinana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 123, 1-3. 4-6. 7-8

Ny fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo.

Raha tsy ny Tompo no nomba antsika, lazao re, ry Israely!
raha tsy ny Tompo no nomba antsika, tamin’ilay niantsampazan’ireny,
dia ho nateliny velona isika,
fa nirehitra loatra ny havinirany.

Ho nadifotry ny rano isika;
ho nosaforan’ny riaka ny fanahintsika!
Eny, ny fanahintsika ho nosaforan’ny rano misamboaravoara!
Isaorana ny Tompo tsy nahafoy horotehin’ny vangin’ireny!

Toy ny fody afa-pandrika harato isika:
rovitra ny harato ka afaka isika!
Ny Fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo,
Ilay nanao ny Lanitra sy ny tany!

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 39-48)

Izay nomena be no hitakiana be.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:

“Fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano
ny ora hiavian’ny mpangalatra,
dia hiambina izy,
fa tsy hamela ny tranony hotamìna.
Koa mivonòna koa ianareo,
fa ho avy amin’izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak’Olona.”

Dia hoy i Piera taminy:

“Tompoko,
ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany,
sa ho an’ny olona rehetra koa?”

Ary hoy ny Tompo:

“Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry
izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony
mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana?
Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony
manao tahaka izany raha avy izy.
Lazaiko marina aminareo fa hotendreny
ho mpitandrina ny fananany rehetra izy.
Fa raha izany mpanompo izany kosa,
manao anakampo hoe:

‘Ela vao ho avy ny tompoko’,

ka amin’izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy,
sady mihinana sy misotro ka mamo,
dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny
sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany,
ka hataony rotiky ny kapoka izy,
ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy.
Izay mpanompo nahalala ny sitrapon’ny tompony ihany
nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitrapony,
no hokapohina imbetsaka;
fa izay tsy nahalala kosa,
na nanao zavatra mendri-pamaizana aza,
dia hokapohina kelikely ihany.
Izay nomena be no hitakiana be,
ary izay nanankinana be no hadinina be koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 12. 15b. 17-19. 20b-21)

Raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olon-drehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray no ahaveloman’ny rehetra.

Ry kristianina havana,
tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray,
no nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra.
Fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra,
mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray,
dia i Jesoa Kristy,
no nandraisan’ny olona rehetra an-kabetsahana
ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.
Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza
nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io,
mainka fa ny nataon’ny anankiray,
dia i Jesoa Kristy,
no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana
amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.
Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra
noho ny fahadisoana iray
no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana
ho an’ny olona rehetra kosa
noho ny fahamarinana iray.
Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota
noho ny tsy nanekan’ny olona iray
no nahatongavan’ny maro ho marina kosa
noho ny naneken’ny olona iray.
Nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra
no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra
mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty
no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana
hahavelona mandrakizay kosa,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17

Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitra no mamiko.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao mantsy ny sofiko.
Tsia, tsy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana:
ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!

Ny manao ny sitrakao,
ry Andriamanitro no mamiko!
Eny, ato anatin’ny foko
ny lalànao!

Torìko ao am-Piangonam-be
ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo
tsy akomboko ny molotro.

Fa hifaly sy hiravo aminao kosa
izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe:
Lehibe ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)

Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka ho voaetra ny andilanareo,
ary ho voarehitra ny jironareo.
Manaova toy ny olona miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony
avy any amin’ny fampakaram-bady,
mba hamoha azy miaraka amin’izay
raha vantany vao tonga sy mandondòna izy.
Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina
raha tonga izy;
lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony
ka hampipetraka azy hihinana,
ary ho avy hampihinana azy.
Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy,
na tonga amin’ny fiambenana fahatelo
ka mahatratra azy manao toy izany,
dia sambatra ireo mpanompo ireo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 4, 20-25)

Ary tsy ho azy ihany no nanoratana, fa notanana ho fahamarinana izany, fa ho antsika koa.

Ry kristianina havana,
tsy nasian’i Abrahama fisalasalana na ahiahy kely akory
ny teny napetrak’Andriamanitra taminy,
fa nampaherezin’ny finoana izy,
ka nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fitokiana mafy Azy
ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy;
koa notanana ho fahamarinany izany.
Ary tsy ho azy ihany no nanoratana
fa notanana ho fahamarinana izany;
fa ho antsika izay hitanana izany koa,
dia isika izay mino an’Ilay nanangana ho velona
an’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay natolotra noho ny fahadisoantsika,
ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Lk. 1, 69-70a. 70b-71. 72-74a. 74b-75

Isaorana ny Tompo Andriamanitr’i Israely noho Izy namangy sy nanavotra ny olony.

Nanolotra antsika herim-pamonjena Izy,
avy amin’ny fianakaviana iray;
dia ny an’i Davida mpanompo tiany.
Fa izany tokoa no efa nolazainy.

Fa teniny nentin’ny mpaminany,
dia ireo olo-masiny fahagola.
Ny vonjiny hanala amin’ny fahavalo,
hanafaka antsika amin’ny mpankahala.

Noho Izy nandala ny Razantsika,
dia indro tsaroany ny fanekeny.
Fa teny nomeny an’i Abrahama
ny hanafaka antsika amin’ny fahavalo.

Amin’izay isika afa-manompo Azy,
tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy;
fa entin’ny fo tia sy mahatoky
ho eo anatrehany lalandava.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 13-21)

Ho an’iza àry izay novorìnao?

Tamin’izany andro izany,
nisy anankiray tao amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Ry Mpampianatra,
mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Ralehilahy ô,
iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?”

Ary hoy Izy tamin’ny olona:

“Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo,
fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany.”

Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Izy ka nanao hoe:

“Nanan-tany nahavokatra be itý lehilahy mpanan-karena anankiray,
ka velona eritreritra toy izao:

‘Inona re no hataoko,
fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho itý?
Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy:
horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho,
dia hangoniko ao daholo
rahefa mety ho vokatro sy fananako rehetra,
ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe:
Ry fanahiko,
manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao
ka mialà sasatra,
mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be.’

Fa hoy kosa Andriamanitra taminy:

‘Ry adala,
anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao,
ka ho an’iza àry izay novorinao?’

Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany,
fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 45, 1. 4-6)

Notantanako tamin’ny tanany havanana i Sirosy mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany.

Izao no lazain’ny Tompo amin’i Sirosy
ilay voahosony izay notantanany tamin’ny tanany havanana,
mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany,
sy hamaha ny fehikibon’ireo mpanjaka,
ary hamoha ny varavarana eo anoloany,
mba tsy ho voasakana tsy hiditra amin’ireny izy:

“I Jakôba mpanompoko sy i Israely voafidiko
no niantsoako anao tamin’ny anaranao;
sy nanendreko anao,
fony mbola tsy nahalala Ahy ianao.
Izaho no Tompo ary tsy misy hafa koa;
tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Nampisikina anao Aho,
fony ianao tsy mbola nahalala Ahy,
mba hahafantaran’ny olona,
hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany,
fa tsy misy na inona na inona afa-tsy Izaho!
Izaho no Tompo ary tsy misy hafa”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 95, 1 sy 3. 4-5. 7-8. 9-10ad

Omeo ny Tompo ny voninahitra sy ny hery.

Ihirao hira vao ny Tompo,
ihirao ny Tompo, ry tany tontolo.
Ambarao ny firenena ny voninahiny,
ny asany mahagaga lazao ny vahoaka.

Fa lehibe ny Tompo, mendri-dera fatratra,
Izy no mahatahotra fa tsy ny sampy.
Ny andriamanitr’ireo firenena: tsinontsinona,
ny Tompo kosa nanao ny lanitra.

Omeo ny Tompo, rey fokom-pirenena,
omeo Azy ny voninahitra sy ny hery;
eny, omeo ny Tompo
ny voninahitry ny Anarany.

Iankohofy ny Tompo amim-panamiana masina.
Mangovita eo anoloany, ry Tany tontolo,
ilazao ny firenena: “Manjaka ny Tompo!
ny vahoaka, tsarainy araka ny hitsiny!”

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 1-5b)

Tsaroana ny asan’ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fanantenanareo.

Izaho Paoly sy i Silvano ary i Timôte,
mamangy ny Eglizy any Tesalônika,
izay ao amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana.
Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva
noho ny aminareo rehetra izahay,
sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,
ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika
ny asan’ny finoanareo,
sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo
ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika,
fa fantatray, ry kristianina havana, malalan’Andriamanitra,
fa olom-boafidy ianareo,
satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo
dia tsy tamin’ny teny ihany,
fa tamin’ny hery koa,
sy tamin’ny Fanahy Masina,
ary tamin’ny fampiaikena tanteraka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 15-21)

Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
niray tetika ny Farisianina hamandrika an’i Jesoa amin’ny teniny.
Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin’ny Herôdianina
ho any aminy izy ireo nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
fantatray fa marina Ianao,
ary mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina,
ka tsy mampaninona Anao ny olona;
satria tsy mizaha tavan’olona Ianao.
Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin’ity:
mety va ny mandoa hetra ho an’i Sezara sa tsia?”

Fa i Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe:

“Ry mpihatsaravelatsihy,
nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Asehoy ahy ny farantsa kely fandoa amin’ny hetra”.

Dia nanasehoany denie iray Izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Sarin’iza, sy anaran’iza ity?”

Hoy ireo hoe:

“An’i Sezara”.

Ka hoy Izy:

“Raha izany àry,
dia aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara,
ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...