Tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy. Tonga nanjelajelatra sady fotsy hoatry ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany etý an-tany. Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa. Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra atý; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia." Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: "Itý no Zanako malalako indrindra, henoy Izy." Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy. Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona ho velona. Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady mifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe mitsangan-ko velona. Ary nanontany Azy izy ireo nanao hoe: "Ahoana àry no ilazan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?" Dia hoy i Jesoa hoe: "Tsy maintsy ho avy aloha i Elia sy hanavao ny zavatra rehetra; fa ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’Olona fa tokony hijaly mafy Izy sy hotevatevaina izaitsizy? Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia, sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka ny nanoratana azy."
Tamin’izany andro izany, nantsoin’i Jesoa ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe: "Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy. Inona ny soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Sa inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny fanahiny? Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin’itý taranaka mpijangajanga sy mpanota itý, dia ho menatra azy koa ny Zanak’Olona rahefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy Izy otronin’ny Anjely masina." Dia hoy koa Izy: "Lazaiko marina aminareo fa ny sasany aminareo eto dia tsy hanandra-pahafatesana raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny voninahitra."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo, ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: "Ataon’ny olona ho iza moa Aho?" Ary ireo namaly Azy, nanao hoe: "I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany." Hoy Izy tamin’izy ireo: "Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?" Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: "Ianao no i Kristy." Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza. Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: "Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona."
Tamin’izany andro izany, tonga tany Betsaida i Jesoa sy ny mpianany, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy. Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra. Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: "Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin’ny hazo." Dia nametrahany tanana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra. Ary nasain’Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe: "Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin’ny olona ao an-tanàna."
Navoakan'ny ekipa mpandrindra nasionaly tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny fivorian'ny Filankevitra Maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny alatsinainy 7 febroary 2022, ny hira mirakitra ny vavaky ny Sinaodin'ny Eveka ho tanterahana ny taona 2023. Ny Antokom-pihira Katedraly Mahajanga (APKM) no namorona sy nandrindra ny feon-kira ary mihira azy. Raki-tsary notontosain'ny RDB Live. Ny raki-peo sy ny raki-tsary ary ny tonony dia azo alaina ao amin'ny tranonkalan'ny Radio Don Bosco (https://rdb.mg/sintondavitra.html)
♦ Notanterahana ny 12 sy 13 febroary 2022 ny fivoriam-be voalohany fanaon'ny Filankevitra momba ny Fitantanana ny Vahoakan'Andriamanitra (FFVA) eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Fanavaozana foto-drafitra sy fizarana mari-pahatsiarovana ho an'ireo tokantrano kristianina, no nanamarihana ny faha-95 taonan'ny EKAR Notre-Dame de Lourdes, Toamasina... ♦ Nankalaza ny faha-91 taonany tamin'ny 12 febroary 2022 ny Radio Vatican...
Fanazavana an-tsary maneho ny dingana fiomanana rehetra ain’ny Sinaody. Navoakan’ny foibe misahana ny Sianody ny Tahirin-kevitra Fiomanana sy ny Soridalana mba ho fitaovana ampiasaina eny anivon’ny Eglizy tsirairay amin’ny fanatanterahana ny dingan’ny Sinaody eo anivon’ny diosezy.
♦ Sorona Masina sy fizarana ny Sakramentan'ny marary ary famangiana marary no nanamarihana ny Andro Eran-tany ho an'ny marary androany, tao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Miantso voin-kava-mahatratra, noho ny takaitran'ny rivodoza Batsirai, amin'ireo katôlika rehetra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Hivahiny any Malta ny Papa François, ny 2 sy 3 aprily 2022...
♦ Nandefa hafatra ho fiombonam-po amin'ireo traboina noho ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai, ny Fivondronamben'ny Eveka... ♦ Mankasitraka ny herim-po ananan'ireo vehivavy relijiozy sy manokan-tena ny Papa François... ♦ Nanatanteraka zaikabe rezionaly ny Garde d'Honneur Fo Masin'i Jesoa ao Toamasina...
♦ Notanterahana ny sabotsy 29 janoary teo ny atrik'asa fanomanana ny JMJ Mada-10, hotanterahana any Antsirabe... ♦ Ny 28 hatramin'ny 30 janoary 2022 ny Antenimieran'ny Vovonan'ny Diosezy Katolikan'ny Tanora tao Ambanja... ♦ Notsofin-drano sy napetraka tamin'ny 29 janoary teo ny vatofototry ny Centre Communautaire, ao amin'ny Paroasy Notre-Dame du Rosaire Feterezana Mandritsara, Diôsezin'i Port-Bergé...
Natolotr'i P. Angèl Artime Fernandez, Lehiben'ny Fikambanana salezianina maneran-tany, amin'ity horonan-tsary ity ny teny fanentanana ho an'ny taona 2022, nampitondrainy ny lohateny hoe : "Ataovy am-pitiavana ny zavatra rehetra, ialao ny an-tery". Hevi-dehibe, izay ifandraisan'i Masindahy François de Sales sy i Don Bosco no hazavainy amin'izany : ialao ny an-tery, Andriamanitra ao amin'ny fon'olombelona, ny fiainana ao amin'Andriamanitra, ny halemem-panahy sy toetra maha-te ho tia eo amin'ny fifandraisna, ny Fitiavana tsy misy fepetra sy tsy misy fetra, ny maha zava-dehibe ny fitantanana am-panahy, am-pitiavana ny zavatra rehetra.
Aoka iaina ny maha olom-pirenena isika manomboka amin'ny faha-18 taona, ka handray anjara amin'ny fifanampiana manoloana ny zav-misy eto amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco