Rehefa nandao ny mpiandry ondry ny Anjely ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo mpiandry ondry nanao hoe : "Andeha isika ho any Betilehema hizaha izany zavatra vao tonga nampahafantarin'ny Tompo antsika izany". Dia nankany haingana izy, ka nahita an'i Maria sy i Josefa ary ny Zazakely mandry amin'ny fihinanam-bilona; ary rehefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany. Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin'izay nolazain'ny mpiandry ondry taminy; fa i Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy.

Tamin’izany andro izany, dia namoaka didy i Sezara Aogosta hampanoratra ny anaran’ny vahoakany amin’ny tany rehetra: dia fony i Sirinosy no govemoran’i Siria no natao izany fanoratana voalohany izany. Dia samy nankany amin’ny tanàna niaviany avy izy rehetra, mba hosoratana.

Ary i Jôsefa koa niakatra avy tany Galilea avy tao an-tanàna Nazareta hankany Jodea ho ao an-tanànan’i Davida atao hoe Betilehema, fa taranaka sy fianakavian’i Davida izy, mba hosoratana izy sy i Maria vadiny izay bevohoka. Fa raha tao izy, dia tonga ny fotoana hiterahan’i Maria, ary niteraka ny Zanany lahy matoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranombahiny.

Ary tamin’izany tany izany nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina. Ary nisy Anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitr’Andriamanitra nanelatrelatra manodidina azy ireo ka natahotra dia natahotra izy. Fa hoy ny Anjely taminy: "Aza matahotra ianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an’ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo: fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo: dia hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao amin’ny fihinanam-bilona, ianareo". Ary niaraka tamin’izay, nisy antokon’ny tafika any an-danitra tonga teo amin’ilay Anjely, ka nidera an’Andriamanitra, nanao hoe: "Voninahitra anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana anie ho an’ny olona ety ambonin’ny tany, fa nanehoany ny hatsaram-pony".

Tamin'izany nadro izany, feno ny Fanahy Masina i Zakaria rain'i Joany, ka naminany hoe : "Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr'i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny olony, ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika tao amin'ny fokon'i Davida mpanompony, araka ny nolazainy tamin'ny vavan'ny mpaminany masina hatramin'ny andro tany aloha, mba hamonjy antsika amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tanan'izay rehetra mankahala antsika. He izany nanaovany famindram-po tamin'ny razantsika sy nahatsiarovany ny fanekeny masina, dia ilay fianianana nataony tamin'i Abrahama razantsika hanome antsika fahafahana amin'ny tanan'ny fahavalontsika, mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra, amim-pahamasinana sy fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika. Ary ianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe : mpaminanin'ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo ianao hanamboatra ny halehany, mba hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony. Noho ny halehiben'ny famindram-pon'ny Andriamanitsika nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony, mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin'ny maizina sy amin'ny aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana."

Adidin'ny diosezy tsirairay ny manome ny toromarika amin'ny fomba fiasa sy mandrindra ny atrikasa rehetra any amin'ny fiangonana mba hahafahan'ny sokajin'olona rehetra mandray anjara amin'ny fanomanana ny sinaodin'ny eveka: fanendrena ny mpandrindra, fampandraisana anjara ny olona rehetra,ny fanentanana ny olona hihaona hiantso ny Fanahy masina eo am-pamaliana ny fanontaniana, ny fanangonana ny valim-panontaniana, ny daty hamerenana azy. Fanazavana entin'i P. Faliarilala Thierry Pascal, Ekipa nasionaly  mpandrindra ny sinaody

♦ Hiainga eto Antananarivo, ho any Antsirabe amin'ny alatsinainy 20 desambra 2021 ny Lakroa JMJ Mada... ♦ Notokanana omaly ny Fiangonana Notre-Dame de Lourdes, Miaramasoandro Antsirabe... ♦ Nanentana ny mpino handray anjara amin'ny soa iombonana, mandritra ny vanim-potoanan'ny Fiaviana ny Papa François...

Efa maro ny lohahevitra noresahina mahakasika ny fanehoam-pitiavana. Ny vatana mifanakaiky dia isan'ny fanehoam-pitiavana hafa koa, izay mamoaka onjan'ny firaisan-tsaina sy onjan'ny fifampitokisana. Ity fomba fanehoana fitiavana ity dia azon'ny rehetra atao na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka.  Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta dia tera-dahy izy. Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy. Nony afaka havaloana, dia tonga izy hamora ny zaza, ary Zakaria, araka ny anaran-drainy no ndeha hataony anarany. Fa niteny reniny nanao hoe: "Tsia, tsy izany, fa hatao hoe: Joany izy." Fa hoy izy ireo taminy: "Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao manana izany anarana izany." Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo nanontany izay tiany hatao anarany. Dia nangataka fàfana izy, ary nanoratra hoe: "Joany no anarany"; ka gaga daholo ny rehetra. Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany, ary nivaha ny lelany, dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra. Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina, ary niely hatraiza hatraiza tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea izany zava-mahatalanjona izany. Ary izay rehetra nahare dia nandatsaka izany tao am-pony ka nanao hoe: "Ho inona re itý zaza itý?" Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, i Maria nisaotra ny Tompo nanao hoe: "Mankalaza ny Tompo ny fanahiko; ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin’izao, dia hataon’ny taranaka rehetra hoe: sambatra aho, satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny Anarany, sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony. Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy; dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony; naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy, fa ny ambany kosa nasandrany; ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanankarena kosa, dia nampodîny nitondra tanam-polo. Niahy an’i Israely mpanompony Izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”

Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria vao nody tany an-tranony.

Tamin’izany andro izany, niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta. Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: "Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao; ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy!"

Toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy te-hanala baraka azy dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: "Ry Jôsefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe: Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany." Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: "Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra." Ary rahefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa, dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy ka nampakatra ny vadiny.

Filazana ny Razan’i Jesoa Kristy, Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama. I Abrahama niteraka an’i Isaaka, i Isaaka niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy; i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara; i Faresa niteraka an’i Esrôna, i Esrôna niteraka an’i Arama; i Arama niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba niteraka an’i Naasôna; i Naasôna niteraka an’i Salmôna; i Salmôna niteraka an’i Boôza tamin’i Rahaba; i Boôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rôta; i Obeda niteraka an’i Jese, i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka.

I Davida mpanjaka niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria; i Salômôna niteraka an’i Rôbôama; i Rôbôama niteraka an’i Abiasa; i Abiasa niteraka an’i Asà, i Asà niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata niteraka an’i Jôrama, i Jôrama niteraka an’i Oziasa; i Oziasa niteraka an’i Jôatama; i Jôatama niteraka an’i Akaza; i Akaza niteraka an’i Ezekiasa; i Ezekiasa niteraka an’i Manase, i Manase niteraka an’i Amôna; i Amôna niteraka an’i Jôsiasa; i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna.

Ary rahefa nifindra tany Babilôna, i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela; i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela; i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda, i Abioda niteraka an’i Eliakima; i Eliakima niteraka an’i Azôra, i Azôra niteraka an’i Sadôka; i Sadôka niteraka an’i Akima; i Akima niteraka an’i Elioda; i Elioda niteraka an’i Eleazara; i Eleazara niteraka an’i Matana, i Matana niteraka an’i Jakôba; ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy.

Koa ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilôna, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin’i Kristy, dia taranaka efatra ambin’ny folo.

Nony lasa ny irak’i Joany, dia nambaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka ny aminy ka hoy Izy: "Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra? Volotara hozongozonin’ny rivotra va? Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana, dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany. Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Aho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza. Fa Izy no ilay voasoratra hoe: Indro Aho maniraka ny anjeliko eo anoloanao mba hamboatra lalana eo alohanao. Koa lazaiko aminareo fa amin’izay natera-behivavy tsy misy mpaminany lehibe noho i Joany Batista, nefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, no lehibe noho izy. Ary ny vahoaka rehetra izay nandre azy mbamin’ny poblikanina na dia nanamarina an’Andriamanitra, tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany; fa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna kosa nanatsinontsinona ny fikasan’Andriamanitra ny aminy tamin’ny nandavany ny batemin’i Joany."

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...