♦ Manentana ny kristianina rehetra mba hifarimbona amin'ny voin-kava-mahatratra ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Notokanana tamin'ny 23 janoary 2022 ny fiangonana vaovao ao Ankatafana, Diôsezin'i Mananjary... ♦ Manentana ny kristianina rehetra hanahaka ny majy amin'ny fanarahan-dia an'i Jesoa ny Papa François, tamin'ny famaranana ny herinandrom-bavaky ny fiombonan'ny kristianina maneran-tany...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niara-nidina tamin’izy roa ambin’ny folo lahy ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amorontsiraka. Tamin’izay, dia niatrana nijery an’ireo mpianany Izy, ka nanao hoe: "Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny Fanjakan’Andriamanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo! Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo. Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo noho ny amin’ny Zanak’Olona. Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny Mpaminany. Fa mila loza kosa ianareo mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo. Mila loza ianareo izay voky ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo. Mila loza ianareo raha ataon’ny olona tsara laza, fa tahaka izany no nataon’ny razany, tamin’ny mpaminany sandoka."
♦ Tokony ho hita taratra amin'ny fiainan'ny mpamaky sy mpitory teny ny tenin'Andriamanitra, hoy i Mgr Fabien Raharilamboniaina, Evekan'i Morondava, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Katedraly Andohalo, ny alahady 23 janoary 2022 ny fanamarihana ny Herinandro hivavahana ho an'ny Firaisan'ny Kristianina... ♦ Mifantoka amin'ny fahaizana mifampihaino ny hafatra ho an'ny Andro eran-tany faha-56 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona...
♦ Nomarihana tamin'ny alahady 9 janoary 2022, ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Masera Saint Joseph d'Aosta, any Vohilava, Mananjary... ♦ Mitaky toe-panahy vonona ny hisokatra, mahay mihaino sy mifanakalo hevitra, ny fandraisana anjara amin'ny Sinaody... ♦ Niarahaba sy nirary soa ny Papa François ny diplaomaty miisa 183 ho Masoivoho vahiny any amin'ny Fiketrahana Masina...
Ny fahavanonana sy ny hoe maha-olomp-pirenena dia tsy afaka misaraka. Mifameno ireo, tsy ho tomombana ny maha-olom-pirenena raha tsy ao ny fahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Nanatanteraka ny fitsidihana Pastoraly voalohany ho an’ny taona 2022 tao amin’ny Diosezin’Ambanja i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevakan’Antsiranana, Admnistrateur apostolique ao Ambanja... ♦ Tsy mamela antsika ho irery fa miombona amintsika mpanota te hibebaka i Jesoa, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniana, Evekan’i Morondava, nandritra ny fanamasinana ho diakra ireo frera karma telo, nandritra ny fankalazana ny Batemin’ny Tompo omaly... ♦ Ny vavaka no mampiaina ny fiainantsika, hoy ny Papa François, tamin’ny fampianarany nialoha ny vavaka Angélus omaly, alahady nankalazana ny Batemin’ny Tompo...
♦ Natomboka ny 5 janoary teo ny dinik'asa fanomanana ny JMJ andiany faha-10, izay hotanterahana any amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Manentana ny mpino rehetra maneran-tany ny Papa François, amin'ity volana janoary ity, hivavaka ho fanoherana ny fanavakavahana sy ny fanenjehana ara-pivavahana... ♦ Nirary soa mba hisian'ny fiadanana ka hamirapirataran'i Kristy eo anivon'ny fianakaviana sy ny ankohonam-piainana ao amin'ny Eglizy Tatsinanana, mankalaza ny Noely andorany, ny Papa François...
Ny olom-banona dia izay manisy hasina ny fifandraisana eo amin'ny maha samy olombelona, ary ao anatin'izany ny fanajana ny soatoavina. Ny maha olom-pirenena kosa dia ny fanatanterahana ny zo omen'ny lalana rehefa feno valo ambin'ny folo taona...
♦ Nirary soa ho an'ny vahoaka Malagasy noho ny taona vaovao ny Filohan'ny FFKM, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, ny Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ary ny Kardinaly Tsarahazana Désiré... ♦ Nofoanana ary hahemotra amin'ny andro mahamety azy ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Naneho ny fankasitrahany ny Filohan'ny Repoblika Italianina, Sergio Mattarella, ny Papa François tamin'ny famaranana ny vavaka Angelus ny 1 janoary 2022...
Ny fomba fanehoam-pitiavana eo amin'ny olona roa, eo amin'ny mpifankatia, mpianaka, mpinamana dia mifototra koa amin'ny fifanajàna. Mampiavaka antsika malagasy ny fandrindrana ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fifanajàna, eo koa ny fifandraisana amin'ny zavaboahary. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Mirary soa ho an'ny vahoaka Malagasy rehetra ny Filohan ny FFKM, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo, mba hanjaka eto amin'ny firenena ny marina, amin'izao taona vaovao 2022 izao.
♦ Ny fandraisana fanapahan-kevitra, araka ny fomba fanao amin'ny sinaody, dia miankina amin'ny fandalinana sy ny fahaiza-mamantatra izay ambaran'ny Fanahy Masina amin'ny Fiangonana manontolo... ♦ Mitaky finiavana sy fahavononana hiova, sy handray fanabeazana ary hanaraka fiofanana mitohy ny fiarahan-dia...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco