♦ Tovovavy fito no nanonona ny voady voalohany tao amin'ny Fikambanan'ny Masera Fo Madion'i Maria avy ao Diégo-Suarez, tao amin'ny Diôsezin'Antsiranana... ♦ Nanofana ireo ekipa fototra any amin'ny Diôsezin'Ambaja ny Ekipa Nasionaly FIFAKRI... ♦ Noraisin'ny Diosezin'Ambatondrazaka ny 1 aogositra 2021 i Mgr Gabriel Randrianantenaina...
♦ Tontosa ny fitsidihana pastôraly izay notanterahan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, tany amin'ny distrika Ambinanindrano. Tokony handray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay, hoy ny Kardinaly, nanafatrafatra nandritra izao fitsidihana izao... ♦ Hotontosaina ao Analavoka ny fankalazana ny fetin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay hotanterahina ny 6 hatramin'ny 9 aogositra ho avy izao, ho an'ny Diôsezin'Ihosy... ♦ Ny Eglizy, ny fanavaozana ary ny Evanjely, ireo teny telo ireo no fitalahoana hanentanan'ny Ray masina antsika, amin'io vola aogositra ho avy io...
Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesoa ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe: "Tompo, mamindrà fo amin’ny zanako lahy; mararin’ny androbe izy ka mijaly mafy loatra, fa matetika mianjera any anaty afo, ary matetika koa any anaty rano. Nentiko tamin’ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo." Ary namaly i Jesoa nanao hoe: "Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandrapahoviana no handeferako aminareo? Ento atý amiko izy." Dia norahonan’i Jesoa ny demony ka nivoaka, ary sitrana niaraka tamin’izay razazalahy. Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe: "Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?" Hoy i Jesoa taminy: "Noho ny tsy fahampian’ny finoanareo. Fa lazaiko marina aminareo, fa raha manam-pinoana hoatra ny voantsinapy anankiray aza ianareo, ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: ‘Mifindrà erý ianareo’, dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao."
Maro ny loha-hevitra noresahina nandritra ny taom-piasàna 2020- 2021 teo iny. Hofintinina amin'ny hoe : ny fiantraikan'ny fifandraisana , ny fifanakankaizana am-po, eo amin'ny olona hafa sy ny tena manokana. Ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny fifampitokisana no sakafon'ny fo, ka rehefa tsy misy ireo dia tonga any amin'ny faharerahan-tsaina. Ohatra ireo fa maro ireo fomba hampivelarana ny fifankatiavana sy hamahana ny olan'ny mpivady sy ny fianankaviana. Mirary soa, " MBA HO VANONA" isika rehetra.
Tamin’izany andro izany, tonga tany amin’ny faritanin’i Sezarean’i Filipo i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: "Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?" Ary hoy ireo: "Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany." Dia hoy i Jesoa taminy: "Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?" Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: "Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona." Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra." Ary tamin’izay dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin’ny olona, fa Izy no Kristy. Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangan-ko velona rahefa afaka hateloana.
Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny azy mafy hoe: "Sanatria, Tompoko, raha hihatra aminao izany!" Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: "Mialà amiko, ry satana! manafintohina Ahy itý ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna. Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: "Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy"; fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: "Roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika." Ary hoy ny navaliny azy: "Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho." Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: "Tompo ô, vonjeo aho!" Nefa novaliany hoe: "Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa." Ary hoy ravehivavy: "Marina izany, Tompoko, nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany." Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irìnao." Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.
Tamin’izany andro izany, nony avy nampitombo ny mofo i Jesoa, ka nihinana sy voky ny vahoaka, dia nodidian’i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, sy hita hialoha Azy ambarapandravany ny vahoaka; ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo. Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina, fa nanoha rivotra. Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo. Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: "Matoatoa io" sady niantsoantso izy noho ny tahony. Niaraka tamin’izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: "Matokia, fa Izaho ihany, ka aza niatahotra." Namaly i Piera nanao hoe: "Raha Ianao àry, Tompo, asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho." "Avia", hoy Izy. Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa. Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy, dia niantso mafy nanao hoe: "Tompo ô, vonjeo aho!" Niaraka tamin’izay naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: "Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?" Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra. Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: "Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao."
Ary nony tafita ny rano izy ireo, dia tonga tany amin’ny tanin’i Genesareta; ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao, dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra, ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr’akanjony fotsiny ihany, dia sitrana avokoa izay nanendry."
Tamin’izany andro izany, nony nandre ny nahafatesan’i Joany Batista i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samirery any an’efitra fa rahefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy. Rahefa niala tao an-tsambo kely Izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy.
Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: "Tany efitra itý, ary efa hariva ny andro: koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra." Fa hoy i Jesoa taminy: "Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina." Dia hoy ireo taminy: "Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atý aminay." "Ento atý amiko izany", hoy Izy taminy. Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary rahefa novakìny ny mofo, dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo. Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
Tamin’izany andro izany, nony hitan’ny vahoaka fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, dia niondrana tamin’ny sambo izy ireo ka nankany Kafarnaôma hitady an’i Jesoa. Ary rehefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe: "Raby, oviana no tonga teto Ianao?" Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo: ianareo no mitady Ahy dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra tombo-kase". Ary hoy izy ireo taminy: "Inona àry no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?" Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: "Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny". Fa hoy ireo taminy: "Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny". Dia hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny Mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; satria izay Mofo midina avy any an-danitra manome ny fiainana an’izao tontolo izao no Mofon’Andriamanitra". Ary hoy izy ireo taminy: "Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany Mofo izany". Dia hoy i Jesoa taminy: "Izaho no Mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay".
♦ Nankalazaina tao amin'ny Fiangonana Trinite Masina Mangasoavina ny Andro maneran-tany voalohany ho an'ny Raibe sy ny Renibe ary ny Zokiolona, teto Madagasikara... ♦ Notanterahana tao Amboahangibe ny fanamasinana ho pretra, andiany faharoa, ho an'ny diôsezin'Antsiranana... ♦ Notokanana ny 23 jolay 2021 ny "Maison de la culture - Casa di Luigi Piotto"...
♦ Homarihina amin'ny 26 septambra 2021 ny Andron'ny Diôsezy eto Antananarivo. Hotanterahana ny volana jolay sy aogositra ny Ezaka fizakana ny Diôsezy... ♦ Nofy, fahatsiarovana, vavaka : ireo no andry telo hanorenana ny ho avy ho an'ny taranaka, hoy ny Papa François, ao amin'ny hafany ho an'ny zokiolona amin'ny Andro Maneran-tany voalohany ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona, hankalazaina ny 25 jolay izao...
Tamin’izany andro izany, ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa, ka hoy izy tamin’ny mpanompony: "I Joany Batista izay; efa nitsangan-ko velona izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro." Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny. Satria i Joany nilaza taminy hoe: "Tsy mahazo manambady io ianao." Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany. Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda. Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona. Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: "Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista." Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy homena azy ihany izany; ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy. Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny. Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny, vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco