Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra." Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: "Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?" Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: "Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra." Namaly i Piera ka nanao taminy hoe: "Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao, ka inona àry no ho azonay?" Hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’Olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely. Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny, noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay. Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany."

Indray andro, nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe: "Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? Dia hoy Izy namaly azy: Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy." Dia hoy izy hoe: "Didy inona avy?" Dia hoy i Jesoa: "Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao." Dia hoy ilay tovolahy taminy: "Hatra ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, ka inona no mbola tsy ampy amiko?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Raha tahîny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy." Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo, satria be ny fananany.

♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny Eglizy ny Papa François, amin'ity volana aogositra ity... ♦ Napetraka omaly ny Tonian'ny Fivondronana faha-11 ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Aumônerie militaire ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Notontonsaina ny 7 sy 8 aogositra teo ny fivoriam-be faharoa fanaon'ny FFVA teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo...

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny 06 aosgositra 2021 i Sr Rafaraonisoa Blandine, malagasy voalohany voatendry ho lehiben’ny Fikambanana Masera Filles de Marie auxiliatrice eto Madagasikara- Province "Marie Source de vie". Haharitra enin-taona ny fotoam-piasany.

♦ Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra, hoy i Mompera Innocent Bizimana, Lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco eto Madagasikara, tamin'ny fandraisana ny voady farany nataon'ireo Masera Filles de Marie Auxiliatrice, ny alakamisy 5 aogositra 2021 tao amin'ny EKAR Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely Ivato... ♦ Fahasoavana lehibe no noraisaina tamin'ny Masera Saint Paul de Chartres, hoy i Mgr Alfredo de Nobrega, evekan'i Mananjary, tamin'ny fankalazana ny faha-325 taona niorenan'ny fikambanana, ny 1 aogositra 2021 teo...

Tamin’izany andro izany, nisy zazakely maromaro nentina teo amin’i Jesoa, mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy; fa noraran’ny mpianany mafy ireo. Ka hoy i Jesoa taminy: "Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra." Ary rahefa nametra-tanana tamin’izy ireo Izy, dia nizo-dalana indray.

Tamin’izany andro izany, nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: "Mahazo misao-bady va ny lehilahy na inona na inona antony?" Dia hoy Izy namaly azy ireo: "Tsy novakianareo va fa izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe: ‘Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa?’ Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Ka aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona." Fa hoy ireo taminy: "Ka nahoana àry i Môizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?" Dia hoy Izy taminy: "Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady; fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany. Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manambady hafa, dia mpijangajanga ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mpijangajanga koa." Hoy ny mpianany taminy: "Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ny vadiny, dia aleo tsy manambady." Ary hoy Izy taminy: "Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany. Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonoka nataon’ny olona, ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray."

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa i Piera nanao hoe: "Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin’ny impito va?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Izaho tsy milaza aminao hoe: hatramin’ny impito fa hatramin’ny impitopolo fito. Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony; ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy hoe: "Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra." Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.

Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo itý mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: "Aloavy ny trosako any aminao." Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: "Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra." Nefa tsy nety izy fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany, ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony. Dia nampanalain’ny tompony izy ka nilazany hoe: "Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho ianao nifona tamiko, ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?" Dia tezitra ny tompony ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra.

Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo." Rahefa avy niteny izany i Jesoa dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin’i Jodea, an-dafin’i Jordany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy; ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina. Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin’ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etý ambonin’ny tany, dia ho voavaha any an-danitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin’ny tany, na inona na inona angatahiny dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy: fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha misy manompo Ahy dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy."

Tamin’izany andro izany, raha nitety an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy: "Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’Olona, ary hovonoina Izy, nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo." Dia nalahelo mafy izy ireo.

Nony tonga tany Kafarnaôma izy ireo, dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe: "Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?" Dia hoy i Piera: "Mandoa Izy." Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe: "Ahoana ny hevitrao, ry Simôna? Iza moa no angalan’ny mpanjaka etý an-tany hetra sy hajia, ny zanany sa ny olon-kafa?" Hoy i Piera taminy: "Ny olon-kafa." Dia hoy i Jesoa: "Raha izany àry, dia afaka ny zanany. Kanefa sao manafintohina azy isika, ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao, dia raiso ny hazandrano azonao voalohany ka sokafy ny vavany, fa hahita vola dragma efatra ao ianao, ka alao, dia aloavy ho Ahy sy ho anao."

Tamin’izany andro izany, nimonomonona tamin’i Jesoa ny Jody satria Izy nanao hoe: "Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra". Hoy izy ireo: "Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ka ahoana àry no anaovany hoe: "Nidina avy any an-danitra Aho?" Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Aza mimonomonona ianareo. Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe: ‘Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra’. Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy. Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory: fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay. Izaho no Mofon’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany; tsy toy izany ny Mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao".

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...