Tamin’izany andro izany, nanatona hihaino an’i Jesoa ny poblikanina sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Ilay itý mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy." Dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo i Jesoa nanao hoe: "Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: ‘Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy.’ Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany. Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy. Rahefa laniny avokoa ny fanany rehetra, dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy. Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray hiandry kisoa tany an-tsaha. Naniry hivoky ny hodi-boan-javatra nohanin’ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. Izay vao nody ny sainy ka hoy izy: ‘Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa itý maty noana atý! Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho.’ Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, namihina ny vozony sy nanoroka azy. Dia hoy itý zanany taminy: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina ho zanakao intsony.’ Fa hoy rainy tamin’ny mpanompony: ‘Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjòy azy, asio peratra ny rantsan-tanany, kiraròy ny tongony, ary ento ny zanak’omby matavy ka vonoy, dia aoka hihinana sy hifaly isika, fa itý zanako itý dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray.’ Dia nifaly izy rehetra. Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahimatoa tamin’izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy, ka niantso ankizilahy anankiray sy nanontany azy izay anton’izany. Dia hoy ilay mpanompo taminy: ‘Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy rainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy.’ Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra, ary nivoaka rainy hampandroso azy. Fa hoy ny navaliny an-drainy: ‘Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako; fa nony tonga kosa io zanakao io izay avy nandany ny fananany tamin’ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak’omby matavy izy.’ Fa hoy rainy taminy: ‘Ianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva ka anao avokoa izay rehetra ananako; fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray.’"
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe: "Mihainoa itý fanoharana hafa itý koa ianareo: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka, namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin’ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy. Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpiasa ny ankizilahiny, handray ny vokatry ny tanim-boalobony fa nosamborin’ireo mpiasa ny ankizilahiny, ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy, fa nataony toraka izany ihany koa. Nony farany, dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy, fa hoy izy: ‘Hanaja ny zanako izy.’ Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe: ‘Itý ny mpandova, andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.’ Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan’ny tanim-boaloboka, ary novonoiny. Koa rahefa tonga ilay tompon’ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa zany mpiasa izany?" Hoy ireo taminy: "Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, ary ny tanim-boalobony dia hahofany amin’ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin’ny fotoany." Dia hoy i Jesoa taminy: "Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro; avy tamin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika? Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hoesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy." Nony nandre ny fanoharana nataony ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina, dia nahalala fa izy ireo no lazainy amin’izany, ka nitady hisambotra Azy; saingy natahotra ny vahoaka izay nanao Azy ho mpaminany izy ireo.
Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny Farisianina nanao hoe: "Nisy mpanankarena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan'andro. Ary nisy koa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandòtra teo am-bavahadiny. Naniry hihinana ny sombin-kanina latsaka tamin'ny latabatr'ilay mpanankarena izy, fa ny alika avy no tonga ka nilelaka ny feriny. Ary maty ilay mahantra ka nentin'ny anjely tany an-tratran'i Abrahama; dia maty koa ilay mpanankarena ka nalevina. Tao amin'ny fitoeran'ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra, ka tazany teny lavitra teny i Abrahama sy i Lazara teo an-tratrany, ka niantso izy nanao hoe: 'Ry kiaky Abrahama ô! mamindrà fo amiko, mba iraho kely re i Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin'itý lelafo itý.' Fa hoy i Abrahama taminy: 'Anaka, tsarovy fa tamin'ny andro niainanao, ianao moa nahita soa ary i Lazara kosa nozoim-pahoriana: koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana. Sady amin'ireto toerantsika ireto, dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika, ka izay te-hiala atý hankany aminareo tsy afaka; ary izay eny kosa tsy afaka miampita atý.' Dia hoy izy: 'Mihanta aminao re aho, ry kiaky, mba iraho kely i Lazara ho any an-tranon-draiko (fa manan-drahalahy dimy aho), mba hilaza aminy ny marina, fandrao tonga amin'itony fitoerana fijaliana itony koa izy ireo.' Fa hoy i Abrahama taminy: 'Manana an'i Môizy sy ny Mpaminany izy ireo, ka aoka hihaino an'ireo izy.' Fa hoy izy: 'Tsia re, ry kiaky Abrahama ô! fa raha anankiray amin'ny maty no mankany aminy, dia hibebaka izy.' Fa hoy i Abrahama taminy: 'Raha tsy mihaino an'i Môizy sy ny Mpaminany izy, dia tsy hino na dia misy mitsangan-ko velona aza.'"
Tamin’izany andro izany, raha niakatra ho any Jerosalema i Jesoa, dia nalainy mangingina ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy ka nilazany hoe: "Indro miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna, ary ireo hanameloka Azy ho faty, ka hanolotra Azy amin’ny jentily mba hoesoiny sy hokapohiny ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana; fa hitsangana indray Izy amin’ny andro fahatelo." Ary tamin’izany nanatona Azy ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy, ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy. Ka hoy i Jesoa taminy: "Inona no irìnao?" Dia hoy izy: "Aoka ireto zanako roa lahy ireto mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, ao amin’ny Fanjakanao." Dia hoy ny famalin’i Jesoa: "Tsy fantatrareo izay angatahinaseo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?" Hoy ireo taminy: "Efanay ihany." Ary hoy Izy taminy: "Raha ny amin’ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy." Ary nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’izy mirahalahy. Fa nasain’i Jesoa hanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe: "Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy azy fatratra. Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo kosa, no aoka ho mpanompo anareo izy, ary izay te-ho lohany aminareo, no aoka ho mpanomponareo: dia tahaka ny Zanak’Olona izany: fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe: "Efa mipetraka eo amin’ny ipetrahan’i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao. Fehezin’izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza. Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny. Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagôga, ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby. Fa ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra. Aza mety hatao hoe mpampianatra; fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia i Kristy. Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo. Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo, aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia havela ianareo. Manomeza, dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa."
Ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra no fomba afahana miala amin' ny fidorohana zava-mahadomelina. (24-02-2021)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an’efitra, ka nitoetra tany efapolo andro dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia, ary ny Anjely nanompo Azy. Ary rahefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe: "Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely".
Tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy. Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpanasa lamba, mahadio lamba toy izany ety an-tany. Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa. Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia". Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. Tamin’izay dia nisy rahona nanarona Azy; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy". Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy. Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia noraràny tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona. Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe: mitsangan-ko velona.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Efa renareo fa voalaza hoe: Ho tia ny namana ianao ary hankahala ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo; mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina. Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo? Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa? Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo. Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrina ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo. Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao, ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray. Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dalana ianareo, fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra, ka hatao an-tranomaizina ianao. Lazaiko marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco