Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe: "Raha Izaho ihany no manambara ny tenako, tsy marina ny fanambaràko; fa misy hafa izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambaràny Ahy. Naniraka tany amin’i Joany ianareo, ary nanambara ny marina izy. Tsy dia ny fanambaràna avy amin’olona anefa no iankinako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany. I Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavàny. Fa manana fanambaràna manoatra an’i Joany Aho, satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa no manambara fa iraky ny Ray Aho. Ary ny Ray izay naniraka Ahy dia Izy indrindra no nanambara Ahy. Ianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana, na nahita ny tarehiny, sady tsy manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny. Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ataonareo fa ao no anananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara Ahy; nefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hanananareo ny fiainana. Izany akory tsy dia fitadiavako voninahitra amin’olombelona; fa fantatro ianareo, fa tsy manana ny fitiavana an’Andriamanitra ao aminareo. Avy Aho amin’ny anaran’ny Raiko, nefa tsy noraisinareo; raha misy hafa avy amin’ny anaran’ny tenany anefa, dia horaisinareo ihany izy. Hataonareo ahoana kosa moa no fino? Koa aminareo samy ianareo no ilanareo ny voninahitrareo, fa ny voninahitra amin’Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona! Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ny Ray; ao no hiampanga anareo, dia i Môizy, izay itokianareo. Fa raha mba nino an’i Môizy ianareo, dia hino Ahy koa; satria nanoratra nanambara Ahy izy. Ary raha tsy mino izay nosoratany koa ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?"
Tamin’izany andro izany, nanenjika an’i Jesoa ny Jody satria nanasitrana tamin’ny andro sabata Izy. Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa." Izay indray vao mainka nitady hamono Azy ny Jody, satria sady tsy nitandrina ny sabata Izy no nilaza fa Rainy Andriamanitra, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra. Dia notohizin’i Jesoa indray ny teniny, ka hoy Izy tamin’izy ireo: "Lazaiko marina aminareo: Tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy ny Zanaka, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; ary izay rehetra ataon’ny Ray dia ataon’ny Zanaka koa. Fa tia ny Zanaka ny Ray, ka maneho aminy izay rehetra ataon’ny tenany, ary mbola haneho aminy asa lehibe noho izao aza Izy, mba ho gaga ianareo. Fa toy ny ananganan’ny Ray sy amelomany ny maty no ameloman’ny Zanaka izay tiany koa. Ary ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no nomeny ny fitsarana rehetra, mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. Lazaiko marina dia marina aminareo: Avy sady efa tonga sahady ankehitriny aza ny andro handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka izay handre dia ho velona. Fa toy ny ananan’ny Ray ny fiainana ao anatiny, no nanomezany ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa. Ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’Olona. Aza gaga amin’izany, fa avy ny andro handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, dia hivoaka izy, ka izay nanao soa dia ho any amin’ny fitsanganam-piainana, fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin’ny fitsanganam-pahamelohana. Raha Izaho ihany, tsy mahazo manao na inona na inona; fa araka izay reko no itsarako, ka marina ny fitsarako, satria tsy mitady ny sitra-poko Aho, fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy."
Tamin’izany andro izany, niakatra tany Jerosalema i Jesoa fa nisy andro fety tamin’ny Jody tamin’izay. Ary any Jerosalema ao akaikin’ny vavahadin’ny ondry, dia misy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin’ny teny hebrio, izay misy trano heva dimy. Nisy marary maro nandry tamin’ireo trano ireo. Ary nisy lehilahy anankiray narary hatramin’ny valo amby telopolo taona teo. Nony nahita azy nivalandotra i Jesoa, sady fantany fa efa ela no naharariany, dia hoy Izy taminy: "Te-ho sitrana va ianao?" Ary hoy ny navalin’ny marary: "Tompoko, tsy mba manana olona handroboka ahy amin’ny dobo aho rahefa mihetsiketsika ny rano; ka nony mba mandeha aho, dia ny hafa, no tafidina alohako." Hoy i Jesoa taminy: "Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana." Niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy, ka nentiny ny fandriany dia lasa izy nandeha. Ary sabata ny andro tamin’izay. Ka hoy ny Jody tamin’ny vao sitrana: "Sabata ny andro ka tsy mahazo mitondra ny fandrianao Ianao." Fa hoy ny navaliny azy: "Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana." Dia hoy ireo nanontany azy: "Iza moa izany lehilahy nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana, izany?" Tsy nahalala Azy anefa ilay vao sitrana, fa ny vahoaka moa betsaka, i Jesoa koa niala teo. Taorian’izany dia hitan’i Jesoa tao an-tempoly ralehilahy ka hoy Izy taminy: "Indro fa sitrana ianao, ka aza manota intsony sao dia ratsy noho ny teo indray ny manjò anao." Dia lasa ralehilahy nilaza tamin’ny Jody fa i Jesoa no nahasitrana azy. Koa nanenjika an’i Jesoa ny Jody satria nanao izany tamin’ny andro sabata Izy.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany Samaria, ka nankany Galilea. Fa araka ny efa voalazany dia tsy misy mpaminany hajaina amin’ny taniny. Ary nony tonga tany Galilea Izy, dia noraisin’ny Galileanina, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ny andro fety, fa tany koa izy ireo tamin’ny fety. Dia nankany Kanà any Galilea indray Izy, tany amin’ilay nanovàny ny rano ho divay. Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray nanan-janaka lahy narary tany Kafarnaôma, ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea i Jesoa, dia nanatona Azy izy ka nangataka Azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty. Fa hoy i Jesoa taminy: "Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba mety mino!" Ka hoy ilay manamboninahitra taminy: "Andeha re, Tompoko, dieny mbola tsy maty ny zanako!" Dia hoy i Jesoa taminy: "Modia, fa velona ny zanakao." Ary nino ny teny nolazain’i Jesoa taminy izy ka lasa nody. Nony nandeha izy, dia notsenain’ny ankiziny ka nilazany fa velona ny zanany. Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany, ka hoy ireo taminy: "Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny tazo taminy." Dia fantatry ny rainy, fa tamin’izany ora izany indrindra no nilazan’i Jesoa taminy hoe: "Velona ny zanakao", ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra. Izany no fahagagana faharoa nataon’i Jesoa, rahefa tonga tany Galilea avy tany Jodea Izy.
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe: "Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay". Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy tsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana. Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany; fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ireo sasany natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany: "Nisy roa lahy niakatra nivavaka tany an-tempoly. Farisianina ny iray, ary poblikanina ny anankiray. Nitsangana ilay farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe: ‘Andriamanitra ô! misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikanina itsy akory aza; mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.’ Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: ‘Andriamanitra ô! mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.’ Lazaiko aminareo fa itý no nidina efa nohamarinina tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra."
Tamin’izany andro izany, nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an’i Jesoa sy nanontany Azy hoe: "Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?" Ary i Jesoa namaly azy hoe: "Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia itý: Mihainoa, ry Israely: Ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra, sy amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra. Izany no didy voalohany. Ary itý no faharoa mitovy aminy koa: Tiavo ny namanao, tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo." Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy: "Tsara izany, ry Mpampianatra. Marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy, ka ny tia Azy amin’ny fo rehetra, sy amin’ny fanahy rehetra, ary amin’ny hery rehetra, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra." Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: "Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao." Ary hatramin’izay, dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa, nandroaka demony ary moana izany demony izany. Nony voaroaka ny demony dia niteny ilay moana, ka gaga ny vahoaka; fa ny sasany tamin’izay teo nanao hoe: "I Belzeboba lehiben’ny demony no androahany ny demony." Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy. Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe: "Rava izay fanjakana miady an-trano; mianjera mifanongoa ny trano; ka raha miady an-trano àry i Satana, ahoana no haharetan’ny fanjakany? satria lazainareo fa i Belzeboba no androahako ny demony. Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony, amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy? Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo. Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra. Raha lehilahy matanjaka sy ary fiadiana tsara no miambina ny tranony, dia voaaro ny fananany rehetra; fa raha tonga kosa ny mahery noho izy ka mandresy azy, dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany no hizara izay nobaboiny. Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna na ny Mpaminany, tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia "i" iray na tendron-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra. Koa amin’izany, izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra."
Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa i Piera, ka nanao hoe: "Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin’ny impito va?" Dia hoy i Jesoa taminy : "Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito. Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony; ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy nanao hoe: ‘Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.’ Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy. Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo itý mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: ‘Aloavy ny trosako any aminao.’ Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: ‘Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.’ Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany, ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony. Dia nampanalain’ny tompony izy, ka nilazany hoe: ‘Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho ianao nifona tamiko; ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?" Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra. Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo."
Tamin’izany andro izany, raha tonga tany Nazareta i Jesoa, dia niteny tamin’ny vahoaka tao amin’ny sinagôga nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro no mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà tany amin’ny tany Sidôna ihany; ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza fa i Naamàna Sirianina ihany." Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy dia lasa.
Akaiky ny Pakan’ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa. Ary hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromahailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao, ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly; nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra, ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala: "Esory eto ireto, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko". Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe: Ny fitiavako ny tranonao no maharîtra ny aiko. Fa niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe: "Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?" Dia namaly i Jesoa nanao hoe: "Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana". Ka hoy ny Jody: "Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e". Ny vatany anefa no Tempoly nolazainy. Ary nony tafatsangan-ko velona Izy dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo. Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka, dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony; nefa tsy natoky azy ireo i Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy, sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy, fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco