Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe "Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; dony, dia hovohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana. Ary iza aminareo no hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny; na hanome bibilava azy raha hazandrano no angatahiny? Koa raha ianareo na dia ratsy aza mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy? Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ireo vahoaka betsaka nitangorona teo aminy nanao hoe: "Taranaka ratsy itý taranaka itý; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany. Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’itý taranaka itý. Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’itý taranaka itý ny mpanjakavavy avy any atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto. Hiara-mitsangana amin’itý taranaka itý ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy ianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo. Koa mivavaha toy izao ianareo: Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao etý an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen. Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo, dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa; fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo."
Tamin’izany andro izany, nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe : Sezarean’i Filipo i Jesoa, dia nanontany ny mpianany nanao hoe : “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona ?” Ary hoy ireo : “Ny sasany manao hoe : i Joany Batista, ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.” Dia hoy i Jesoa taminy : “Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho ?” Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe : “Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona.” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe : “Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.”
Tsy misy ny fifanakaikaizana am-po eo amin' ny Ray aman-dReny sy ny zanaka ka mitarika amin'ny tsy fifampitokisana izany. (10-02-2021)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nahita poblikanina anankiray atao hoe Levi, nipetraka teo amim-pamonan-ketra, ary hoy Izy taminy : "Manaraha Ahy." Dia nafoiny ny zavatra rehetra, ka nitsangana nanaraka Azy izy. Nanao fanasana lehibe ho Azy tao an-tranony i Levi, ary nisy poblikanina sy olon-kafa betsaka koa niara-nihinana taminy tao. Nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna ka nanao tamin’ny mpianany hoe : "Nahoana no miara-mihinana sy misotro amin’ny poblikanina sy ny mpanota ianareo ?" Fa novalian’i Jesoa hoe : "Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka."
Tamin’izany andro izany, dia nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe. "Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady ?" Ary hoy i Jesoa taminy : "Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra ? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao mifady hanina izy."
Ilaina ny mpanabe mba ampafantatra ny zavatra tsara sy ny ratsy tsy tokony hatao. (03-02-2021)
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe : "Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny ; fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo." Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra : "Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy. Izay te-hamonjy ny ainy dia hahavery azy fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy. Ary inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao aza izy, nefa very ny tenany ka voaheloka izy ?"
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe : "Tandremo sao ataonareo eo imason’ny olona ny asa soa ataonareo mba hahitany azy ; fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo anoloanao tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagôga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany, Fa raha manao fiantrana ianao, aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana, mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao. Ary raha mivavaka ianareo ; aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny Sinagôga sy eny anjoron-dalana, mba hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa efa azony ny valisoany. Fa Ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao ainin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ny ao amin’ny mangingina no hamaly anao. Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina ; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao".
Tamin’izany andro izany, nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely. I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe : "Mitandrema tsara ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda." Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe : "Noho isika tsy manana mofo izay." Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy : "Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo ? Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo ? Donto ny fonareo ? Mana-maso fa tsy mahita va ianareo ? ary manan-tsofina fa tsy mahare ? Ary tsy mahatadidy va ianareo ? Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo ?" Dia hoy ireo taminy hoe : "Roa ambin’ny folo." Dia hoy i Jesoa : "Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo ?" Hoy ireo hoe : "Fito." Dia hoy Izy taminy : "Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco