• Hafa noho ny tamin'ny taona 2009 ny tondrozotra haroson'ny SADC sy ny Vondrona Afrikana mialohan'ny faran'ny herinandro izao, hoy ny MFM. Tokony efa hiomana amin'ny fitondrana hevitra mandritra ny fikaonandoham-pirenena sy ny fiatrehana ny fifidianana ny mpanao politika, hoy ity antoko ity... • Vola maherin'ny 136 871 000 000 Ariary no nogiazan'ny ARAI tamin'ny taona 2025, noho ireo vola ireo azo tamin'ny tsy rariny. Nitatitra ny asa vitany ho an'ny taon-dasa ity sampan-draharaha ity... • Mila hamafisina hatrany ny fisorohana ny valan'aretina MPOX, hoy ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka momba ny ny MPOX, ny Profesora Mamy Randria. Nahitana tranga voamarina miisa 21 indray mantsy ny alarobia teo...

• Tokony ho vita sonia amin'ny sabotsy izao, farafahatarany, ilay tondrozotra hitondrana ny firenena, araka ny toromariky ny SADC sy ny Vondona Afrikana... • Vola maherin'ny 136 871 000 000 Ariary no niogiazan'ny ARAI tamin'ny taona 2025, noho ireo vola ireo azo tamin'ny tsy rariny. Nitatitra ny asa vitany ho an'ny taon-dasa ity sampan-draharaha ity androany... • Tambajotra goavana no ao ambadiky ny fakana an-keriny sy ny famonoana olona manana toe-tena varira eto Madagasikara, hoy ny fikambanana Albinos androany...

♦ Mila fantarina ny momba ny politika fifaninana ara-pahefana eran-tany sy ny fahababoana ny Faritra iarahana (géo-politique) ankehitriny, hoy ny Docteur Hugues Rajaonson, mpahay toe-karena... ♦ Tsy eken'ireo mpampianatra mpikaroka ny fanomezana andraikitra eo anivon'ny ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony ireo tompon'andraikitra teo aloha, izay niombon-kevitra tamin'ny fanapahana karama noho ny fitakiana ny zo sy hasin'ny mpampianatra mpikaroka... ♦ Notapahan'i Mozambika ny lalan'ny Barea vehivavy ao anatin'ny fifanintsanana isam-bondrona amin'ny fiadiana ny tompon-dakan'ny COSAFA...

Isan'ny sehatra miaina ny rivotry ny fanavaozana misy ankehitriny ny diplômasia sy ny toerana, indrindra ny fifandraisan'i Madagasikara amin'ireo firenen-dehibe any ivelany toa an'i Rosia sy i Frantsa. Ny arofenitra fandraisana ataon'ny firenena tsirairay dia afahana mamantatra ny dinika izay nisy sy hisy aorian'ny fihaonana. Ny fahafantarana ny tantara nisy teo amin'ny fifandraisana ara-diplômatika nisy hatramin'izay dia manampy amin'ny fomba fanapahan-kevitra ; irina mba hisongadina ny fanavaozana ny lafiny ara-toekarena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Hosoniavin'ny Filohan'ny Fanavaozana anio ny tondrozotra ho an'ny fanavaozana mialoha ny hanomezana izany an'ny SADC sy ny vondrona Afrikana... ♦ Maika ny lafiny toe-karena hoy Dokotera Hugues Rajaonson, mpahay toe-karena, amin'izao fanavaozana izao... ♦ Notsipahan'ny sendikà ilay fampiakaran-karama 14,5% amin'ny karama farany ambany izay naroson'ny vondron'ny mpampiasa ho an'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina... ♦ Nisy fipoahana maromaro re androany vao maraimbe tao afovoan'i Kiev, taorian'ny fampitandreman'ny manampahefana amin'ny mety hisian'ny fanafihana an'habakabaka ataon'i Russie...

• Hosoniavina rahampitso ny tondrozotra takian'ny SADC sy ny Vondrona Afrikana amin'ny mpitondra malagasy, mialoha ny faran'ny volana febroary. Tsy isan'ny handray anjara amin'ny fikaonan-doham-pirenena, ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Natolotra androany ny tondrozotra sy ny drafitra fampiasam-bola momba ny fiompiana ho an'ny taona 2026 sy 2030. Tamin'ny alalan'ny atrikasa teny amin'ny Carlton Anosy no nanehoana izany... • Tokony hatao laharam-pahamehana, hoy i Dokotera Hugues Rajaonson, mpahay toekarena sady mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo, amin'izao fanavaozana izao. Tajona apetraka ny fitomboan'ny harin-karena mihoatra ny 10 %...

♦ Nanolotra tondro-zotra afahana mamoron'asa mivantana ho an'ny Malagasy 14.500 ny vondron'ny mpandraharaha eto Madagasikara sy ny MEDEF International... ♦ Hatolotra ho dinihina mandritra ny filan-kevitry ny ministra ny tolo-kevitr'ireo diaspôra amin'ny hanalavàna ny fe-potoana hampiasana ny pasipaoro Malagasy... ♦ Olana ara-bola sy ara-poto-drafir'asa ary ny famaroan'ny fampidirana olona am-ponja vonjimaika no mahatonga ny fahafenoan'ny fonja eto Madagasikara hoy ny fikambanana ACAT Madagasikara... ♦ Nandefa fanampiana ho an'ny vahoaka Ukranianina tamin'ny alalan'ny "Aumonerie apostolique" any an-toerana ny Papa Léon-XIV...

Ny mifanohitra amin'ny aina dia fahafatesana ; vao mitsaika ao am-bohoka hatramin'ny fahafatesana dia fotoana hikoloana sy hiarovana ny aina. Ny aina sy ny fitsaihina dia vokatry ny firaisana ara-nofo, mety ho tsy-nahiana fa mety ho tena tao anaty fitiavana tokoa. Ny aina no tena maha olombelona noho izany dia zava-dehibe sy tokony harovana ary hajaina mba hisy ny fitohizan'aina ara-boajanahary, eo koa ny sakafo sy ny fikoloana ny ara-pahasalamana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Andrasana ny akon'ny fihaonana teo amin'ny filohan'ny Fanavaozana ny Kôlônely Michaël Randrianirina sy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron omaly tolak'andro tao amin'ny lapan'i Elysée... ♦ Nalefa nody taorian'ny fanadihadiana nataon'ny mpitandron'ny filaminana azy ny solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Antananarivo-IV, Rafidimanana Désiré... ♦ Vita hatrany amin'ny 90% ny asa fanamafisana ny fefiloha ao amin'ny toho-dranon'i Tongoloina, eny amin'ny Kaominina Ampahitrosy, distrika Antananarivo-Atsimondrano... ♦ Mpitandron'ny filaminana manodidina ny 10.000 no indray nahetsika hamerina ny fandriam-pahalemana ao Mexique...

• Nihaona tamin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron tany Paris ny tolak'andro teo, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely Randrianirina Michaël... • Nitohy tetsy amin'ny CCI Ivato androany, ny fihaonana tafiditra ao anatin'ny dinika ho fanaingana ny toekarena malagasy... • Tafapetraka ao Toamasina ny Centre Opérationnel Mixte, natao handrindra sy hanafainganana ny asa fanarenana any an-toerana, araka ny nambaran'ny Tale Jeneralin'ny BNGRC...

♦ Nampidirina eny amin’ny fonjan’Antanimora avokoa ireo voampanga, niseho fitsàrana ary namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ny voampanga Maminiaina Ravatomanga, mbola karohina ny teratany vahiny iray, taorian’ny fiakaran’ny raharaha teny amin’ny  PAC… ♦ Hiverina hamokatra solintany mavesatra indray ny Madagascar Oil, ao Tsimororo, rehefa nihato nandrindra ny taona maro… ♦ Manao ezaka goavana fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara, ny eo anivon’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa…

♦ Hidinika ao amin'ny Lapan'i Elysé anio tolak'andro ny filoha frantsay sy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara. Fihaonana voalohany eo amin'ny roa tonta, taorian'ny fiovam-pitondrana teto Madagasikara... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika eny amin'ny fonjan'Avaradrano Andriamatoa Vy Vato Rakotovao. Nohainoana teo anivon'ny Fitsaràna teny Anosy, omaly, ity governoran'i Vakinankaratra ity noho ny raharaha hiampangàna azy... ♦ Hampiakarina ny tahan'ny sekoly eto Madagasikara hisitraka fampisakafoana ireo mpianatra ao aminy. Misy ny fandaharan'asa mifototra amin'ny fividianana vokatra eny ifotony...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...