---Miverimberina matetika ny teny hoe fiandrianam-pirenena rehefa misy ny tolom-bahoaka mitaky fiovana teto amin’ny firenena. Tena misy ve izay fiandrianana marina izay ? Satria toa mbola ny firenena vahiny, indrindra i La Frantsa mpanjanaka antsika fahiny sy ny Vondrona iraisam-pirenena samihafa ihany mantsy no mbola nibaiko ankolaka ny fitantanana ny firenena hatramin’izay ka hatramin’izao. Mbola izy ireo no mifehy ny toe-karena eto Madagasikara. Andrasana indray ny fanapahan-kevitry ny Vondrona iraisam-pirenena taorian’ny fanovan-drafitra nisy teto Madagasikara ny 14 Oktobra teo iny. Ny Vondrona Afrikana moa iny efa nanala an’i Madagasikara tao amin’ity Vondrona ity iny.
♦ Tsy marina ny vaovao niely tamin'ny tambazotra serasera fa misy ny didy fampisamborana iraisam-pirenena ho an'ilay mpandraharaha Mamy Ravatomanga, raha ny nambaran'ny PAC tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly... ♦ Tontosa ny sabotsy teo teny amin'ny kianjan'ny 13 mey Analakely ny lanonana nisaorana ny vahoakan'Antananarivo sy i Madagasikara manontolo, noho ny fahavitan'ny tolom-bahoaka... ♦ Manamboninahitra miaramila entitra manana fahitsiana sy fahamarinana no tokony ho tendrena ho praiministra hoy ny jeneraly Jean Alfred... ♦ Tsy voahaja sahady ny fampitsaharana ny ady eo amin'ny Hamas sy ny tafika Israeliana...
Ny Teôlôjia dia sampam-pianarana manokana momba ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny Misterin'ny Finoana. Ny Teôlôjia ihany koa dia fianarana momba ny Fanahy Masina, Masina Maria, Jesoa Kristy ary ny Sakramenta, kanefa hoy tsy maintsy ny Soratra Masina mandrakariva no ifotoran'ireny fampianarana maro ireny, satria izy no aina mamelona ny Teôlôjia Masina... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Nanolo-kevitra amin'ny famolavolana Sata Manokana mifehy izao fitondrana tetezamita izao miainga amin'ny lalam-panorenena misy ankehitriny ny filoha nasiônalin'ny antoko Matsilo, Jeannot Randrianaivoarivony... ♦ Tokony hiainga eny amin'ny Fokontany hatrany amin'ny filohan'ny repoblika ny fanovan-drafitra hapetraka eto Madagasikara hoy ny Vondron'ny Fikambanan'ny mpianatra avy amin'ny anjerimanontolo... ♦ Nikorontana tanteraka ny fifamoivoizana tamin'ny lalam-pirenena faharoa tao an-tampon-tanànan'i Moramanga omaly. Nitokona mitaky ny hiasan'izy ireo ao amin'ny faritry ny kaominina Ambohibary ny tompon'ny Bajaj sy ny mpitondra Bajaj...
lahady faha-29 mandavantaona — D — Mahareta hanana ny soa. Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Aoka ho lavorary ny olon’Andriamanitra ary ho vonona amin’ny asa soa rehetra. Ny evanjely eto dia miresaka toro-hevitra momba ny fivavahana, manazava ny saina manoloana ny fanontaniana saro-balina. Be fitiavana Andriamanitra ary mihaino mandrakarivana ny fitarainan'ny olona Izy. Tena ankasitrahan'Andriamanitra ny mivavaka ho an'ny hafa...
♦ Laharam-pahamehan'ny filoham-panjakàna ny Kôlônely Randrianirina Mickaël ny hamaha ireo olana sosialy nidinan'ny vahoaka an-dalambe farany teo. Hampihatra ny pôlitika fitsitsiana koa ny fitondrana. Tontosa omaly teny Ambohidahy ny lanom-pitsaràna nanaovany fianianana... ♦ Tsy hita ny tombontsoa azon'i Madagasikara tao amin'ny vondrona afrikana hoy ny Jeneraly Lylison ka tokony handini-tena izy ireo mialohan'ny handraisany fepetra... ♦ Ho sarotra ny miandry an'i Madagasikara manoloana ny fanapahan-kevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Vaindohan-draharahan'ny fitondrana ankehitriny ny miantso fikaonan-doham-pirenena hamahana ny olana samihafa...
Ny fitiavan-tanindrazana sy ny finoana dia mira zotra ho fampandrosoana ny firenena, indrindra ho fandravana ny lainga, sy ny tsy fahamarinana, kolikoly. 14 oktobra 1958 no nanambaràna tamin'ny fomba ôfisialy fa afaka i Madagasikara, saingy hatramin'izao anefa dia mbola eo ambany ziogan'ireo firenena matanjaka vahiny ny Malagasy. 14 oktobra 2025 no nijoro ireo Miaramila hanavotra ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Hajain'ny Eglizy fatratra ny Soratra Masina noho izy Tenin'Andrimanitra. Efa hatrany am-piandohana mihitsy dia efa najain'ny Fiangonana fatratra ny Soratra Masina ary mbola mitohy mandraka ankehitriny izany fanajàna izany, indrindra indrindra amin'ny Litorjia Masina. Tsy nisaraka na oviana na oviana tamin'ny lovam-pampianarana ny Soratra Masina... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny hanatonan'ny mpino kristiana amin'ny fomba malalaka ny Tenin'Andriamanitra no tanjon'ny Fiangonana ka fomba hahatongavana amin'izany ny Teny. Tany am-piandohana dia dikan-teny roa lehibe no nankatoavin'ny Fiangonana dia eo aloha ny avy amin'ny Grika tranainy, nataon'izy 70 lahy ka zary niantsoana azy hoe dika-teny Septanta, ary avy amin'ny Latinina "Volgata"... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Nandray ny asa maha Filoham-panjakana azy, nanomboka androany 17 oktobra 2025, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Tontosa teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana androany, ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nadraisana ny fianianany amin'izany maha Filoha azy izany... • Nametra-pialana ny Governoran'ny Faritra Matsiatra Ambony, Lova Paupil Razfindrafito. Fametraham-pialana noho ny fiovan'ny fahefana sy ny rafitra vaovao, araka ny nambarany... • Nivoaka tamin'ny fahanginany ary nanao fanambarana ho an'ny vahoakan'Antananarivo Renivohitra androany, ny Ben'ny Tanana Harilala Ramanantsioa. Fanamby napetrany, hoy izy, ny fanadiovana sy ny fandaminana mba hisy fiantraikany mivantana ho an'ny mponina ny asa atao...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Niabo ny vokatra azo tamin’ilay tetik’asa niarahan’ny Réseau SOA sy ny tambazotra iraisam-pirenena hoan’ny Fanofanana Ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra na ny RI-FAR nanatanteraka. Tetik’asa nandritra ny roa taona nanomboka ny volana septambra 2023 ary nifarana ny volana septambra lasa teo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco