• Nandray ny asany amin'ny maha Filoham-panjakana nanomboka ny maraina teo ny Kolonely Randrianirina Michaël. Izy izay nanome toky fa hanavao ny Lalam-panorenana... • Nampita hafatra ho an'ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina sy ny sehatra iraisam-pirenena ny Filohan'ny HCC Florent Rakotoarisoa. Fitiava-tanindrazana no nahatonga izao zava-misy izao, raha ny nambarany... • Efa manana drafi-pitantanana, paikadim-panarenana ary tetikasam-pampandrosoana ny firenena, ny SECES...

• Hanatanteraka ny fianianany eny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalam-panorenana, na ny HCC eny Ambohidahy, amin'ny maha Filoham-panjakana azy anio, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Nahemotra amin'ny alatsinainy izao indray ny fivoriana handinihan'ny Mpanolotsain'ny Tanana ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Kianjan'ny 13 mey. Nangingina ny teny amin'ny 13 mey omaly... • Mbola manao ranolava ny fanambarana sy fanehoan-kevitra avy amin'ny fikambanana, firaisamonim-pirenena sy sendika...

Ankoatry ny mpanoratra dia marihan'ny konsily fa misy zavatra 5 asongadin'ny boky mandrafitra ny baiboly : Manamafy ny voalaza mahakasika an'i Kristy Tompo, Manazava hatrany ny tena fampianarany, Mitory ny herim-pamonjena avy amin'ny asan'Andriamanitra nataon'i Kristy, Mitantara ny fiatombohan'ny fiangonana sy ny fihitarany, Milaza ny fahataperany be voninahitra... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

• Miverina amin'ny fampiasana ny Lalam-panorenana teo aloha ny fitondrana ankehitriny, tarihin'ny Kolonely Michaël Randrianirina. Namoaka fanambarana momba izany ny Filankevitra ho an'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny hariva teo... • Hambara ampahibemaso ny alatsinainy izao ny vokatry ny fanadihadiana momba ny nahatongavan'ny Praiminisitra teo aloha Christian Ntsay sy Mamy Ravatomananga tatsy Maurice... • Nitory eny amin'ny Fitsarana, ny Depiote Antoine Rajerison, momba ny nanjo azy tao aorian'ilay fisamborana teny Tsiadana. Anisan'ny nanaovany fitoriana ny fanerena azy alaina sary niaraka tamin'ny basy...

♦ Miandry ny fahavitan'ny fihanianana hotanterahana rahampitso ny fanendrena ny Praiministra hoy ny filoham-panjakàna ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Manentana ny olom-pirenena tsy handairan'ny vaovao tsy mari-pototra ny kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena. Miantso ny zandary hanohy ny asa sahaniny koa ny Jeneraly Mamelison Mbinina Nonos... ♦ Nahaton'ny vondrona afrikana tsy ho mpikambana ao amin'io Vondrona io i Madagasikara nanomboka omaly... ♦ 75 no naratra tany Perou vokatry ny fifandonan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana...

Ho fanesorana ny firenena anatin'ny olana misy ankehitriny dia ilay any finiavana, anjara biriky hisian'ny fifanajàna sy fihavanana, fifampihainoana ary fifanampiana. Miainga sy miankina amin'ny tsirairay ny mety hatsara ny fiainam-pirenena, mifototra indrindra amin'ny firaisan-kina. Firaisan-kina mitondra amin'ny fivoarana sy fandrosoana, hiteraka filaminana. Miorina amin'ny safidy ihany koa anefa ny lalam-piainana rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Handray ny asany amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny filoham-panjakàna ny kôlônely Randrianirina Michaël. Hianiana eny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenena rahampitso, izy... ♦ Miantso ny vondrona afrikana, ny SADEC ary ny COI handefa iraka hanadihady ny zava-misy marina eto amin'ny firenena ny filan-kevi-pilaminana sy fandriampahalemana ao amin'ny vondrona afrikana... ♦ Andriamatoa Andrianasoloniaiko Siteny no lany filoha vaovaon'ny Antenimieram-pirenena. Hotanterahana anio ny famindram-pahefana eo aminy sy ny filoha teo aloha Tokely Justin...

Lazain'ny konsily fa na i Masindahy Paoly na soratra hafa nataon'ireo apôstôly ihany no ankatoavina ho anisan'ny tenin'Andrimanitra ao amin'ny Testamenta vaovao. Miisa 27 ny boky ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny asan'ny apôstôly dia tsy iza fa i Masindahy Lioka ihany no nanoratra azy ary tohin'ny Evanjely ; ny taratasin'ny Masindahy Paoly dia miisa 13... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

• Ara-dalana ny fanapahana navoakan'ny HCC, ka tsy maintsy arahana, hoy ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Mickael androany... • Rava ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena notarihan'Andriamatoa Tokely Justin. Niisa 127 ireo Solombavam-bahoaka nanaiky ny fanesorana ity Birao maharitra ity, tamin'ny alalan'ny latsa-bato androany... • Manome fe-potoana hatramin'ny zoma antoandro izao, ho an'ny Tale Jeneralin'ny Madagascar Airlaines, ny mpiasa ao amin'ity orinasa ity mba hanaovan'ity Tale Jeneraly ity fametraham-pialana...

♦ Nangataka tamin'ireo mpitarika ny tolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey mba hampitsaharana ny hetsika amin'izay ny filohan'ny filan-kevitra miaramila Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Nilaza ny handefa iraka hanadiady sy hanelanelana momba ny toe-draharaha pôlitika eto Madagasikara ny SADC, araka ny fanambarana ôfisialy navoakany... ♦ Ahiana hitarika amin'ny fanasaziana an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra fitanterana an'habakabaka iraisam-pirenena ny fikatsoan'ny asa eo anivon'ny "Aviation Civil de Madagascar"...

♦ Hisy anio ny fihaonana eo amin'ny filan-kevitra miaramila sy ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ; hiroso amin'ny fanovana ireo mpikamban'ny birao maharitra ny eny anivon'ny antenimieram-pirenena... ♦ Nandray ny fitantanana ny firenena nanomboka omaly ny Kôlônely Michaël Randrianirina noho ny fahabangan-toeran'ny filoham-pirenena sy ny filohan'ny Antenimieran-doholona araka ny fanapahan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana... ♦ Solombavambahoaka 130 no nampiato tamin'ny asany ny filoha Rajoelina nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana teny amin'ny antenimieram-pirenena, omaly...

Ny evanjely dia vokatry ny toritenin'ny apôstôly mifanentana tanteraka amin'ny olona nanatrika azy ireo ; ohatra ny an'i Masindahy Matio dia nosoratana ho an'ny Jody lasa kristianina tao amin'ny faritr'i Palestine, Masindahy Marka dia nanoratra ho an'ny kristianina ivelan'ny Jody na ilay atao amin'ny teny vahiny hoe Paganochretien. Masindahy Lioka nanoratra ho an'ny Jentily... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...