• Nokasaina hodorana ny fonjan'i Tsiafahy, ahafahan'ny Kolonely Patrick mitsoaka. Namoaka porofo ny fisian'izany tamin'ny horonan-tsary ny Minisiteran'ny Fitsarana androany... • Niova hevitra ny fanjakana momba ny toby fiantsonana Fasan'ny Karana. Tsy maintsy mifindra eny Amoronakona avokoa ireo fiara mpitatitra rehetra miasa eny an-toerana, hoy ny Minisitry ny Ftaterana androany... • Nampiato ny hetsika fanairana androany, ireo mpiasan'ny Aviation Civile de Madagascar nanao fihetsiketsehana, manohitra ny fanenjehana azy ireo eny amin'ny Bianco...
♦ Hitohy anio alakamisy 10 septambra ny raharaham-pitsarana fangatahana fahafahana vonjimaika ao amin'ny fitsarana Bail And Remand Court an'ilay mpandraharaha Ravatomanga Mamy, atsy Maurice... ♦ Nahitam-bokany ny andro voalohany tamin'ny fandatsahana orana artifisialy tany Andekaleka hampiakarana ny tahan'ny famokarana herinaratra ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo nataon'ny Orinasa JIRAMA... ♦ Mihenjan-droa ny tady eo amin'ny tale jeneralin'ny Aviation Civile de Madagasikara sy ireo mpiasa, niroso tamin'ny fitokonana fanairana arak'izany ny sendikan'ny mpiasa...
Tsy afaka miaina tsy misy fitiavana ny olombelona ary raha tsy misy ny fitiavana dia misy ho azy ny olana. Ny fitiavana no endrik'Andriamanitra mampitovy ny olombelona amin'ilay Nahary. Ny fo sy ny saina miaraka no tonga ho fanahy, izay maha-olona. Ny onjan'ny firaisan-tsaina dia misy ao amin'ny olona, efa hatramin'ny fotoana niforonany tao am-bohoka ; eo amin'ny 1,5 metatra eo ny elanelana afahana miaina sy mampita ny onjan'ny firaisan-tsaina, izay mampisy ny fifampatokisana sy ny fifanajana ary ny fifankatiavana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
♦ Anatin'ny dian'ny Kôlônely Randrianirina Michaël any Paris ny firesahana ny tetik'asa Volobe sy ny fiatrehana ny fifidianana, mandritry ny fihaonany amin'ny filoha Frantsay sy ireo tompon'andraikitra avy amin'ny vondrona Eoropeanina... ♦ Foana manomboka amin'ity taom-pianarana vaovao ity ny sokajy A1, A2 sy ny Sokajy C sy D ho an'ireo hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea, mihatra arak'izany ny sokajy L sy S ary ny O.S.E hoy ny Ministera... ♦ Tafakatra 4 irao olona namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin'ny tonelina Ambohidahy ny talata tolak'andro teo, niampy vehivavy roa ireo tsy nahatohitra ny ratra nahazo azy...
• Mandray anjara amin'ny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena, mikasika ny habakabaka atao any Paris nanomboka androany, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Hihatra amin'ity taom-pianarana 2026-2027 ity ny sokajy L sy S ary OSE. Foana araka izany ny sokajy A1, A2, C ary D, araka ny fampahafantarana ofisialy nomen'ny minisitera tompon'andraikitra... • Harindra sy hatsaraina ny fampiharana ny paikadim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy 2024-2030. Tanjona ny tsy hisian'ny kolikoly, na olona marefo voailika intsony, amin'ny fisitrahana ireo fandaharan'asa fiahiana ara-tsosialy...
♦ Nafindran'ny A.R.A.I tao amin'ny kaonty fitanana an'ny Fanjakàna ny volan'ny orinasa INJET noho ny fanatanterahana ny didim-pitsaràna navoakan'ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly (PAC) ny 19 aogositra 2026 teo... ♦ Fepetra vonjimaika noraisina hampiakarana ny famokarana herinaratra eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo ny fandatsahana orana artifisialy sy fanafarana fitaovana avy any ivelany hanamboarana ny fahasimbana ao amin'ny TAC1 ao Ambohimanambola... ♦ Mivadika ho herisetra sy fandratrana olona ny raharaha ady tany teo amin'ny mpitandrina iray sy ireo Fokonolona ao amin'ny Kaominina Ambatomanjaka...
Eo amin'ny vanim-potoanan'ny fahatanorana no tena manano sarotra ny dingana, eo amin'ny fitohizanaina sy ny fanajana ny aina. Dingana tsy maintsy lalovana anefa ny fahatanorana, izany hoe ireo 17 hatramin'ny 25 taona, koa ilaina ny fahaizana miaina izany mba ho handram-piainana entina miatrika ny fiainan-tokantrano. Raha hitandro ny aina isika dia ny fikolokolina ny vatana no voalohany, ohatra ny momba ny sakafo, mba hasalamana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Nihazo avy hatrany ny sekoly ambony fandalinana ny filôzôfia any Fianarantsoa hanohy ny fiofanana maha-relijiozy izy 8 mirahalahy nahavita ny fanononana ny voady voalohany niditra ho mpikambana ao amin'ny fikambanana Salezian'i Don Bosco... ♦ Tsy tapaka hisatra no tsy nahitana olana ara-teknika ary salama tsara ilay mpamily nanao lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona 2 sy nandratra olona miisa 7 teny amin'ny tonelina Ambohidahy hoy ny mpanao fanadihadiana savaranonando... ♦ Ny nomerika sy ny saina voatran'olombelona fanohitra ho an'ny fampivoarana ny fizahan-tany, lohahevitry ny ando manerantany hatao any Mahajanga...
• Miisa valo ireo tovolahy nanonona ny Voady Voalohany androany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... • Nisy ny maty, ao ireo mbola manaraka fitsaboana naratra ary efa nisy ireo nody, taorina'ilay lozam-pifamoivoizana teny Ambohidahy, ny tolakandro teo... • Niakatra ho adiny telo ny fahatapahan-jiro nifandimby, ankoatra ireo olana hafa izay mitarika ny tsy fisitrahana herinaratra avy amin'ny Jirama...
♦ Mivelatra amin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny raharaham-pirenena ilay dinika tanterahina eny Iavoloha fa tsy nijanona tamin'ny resaka fifidianana fotsiny. Ho tapitra anio izany dinika izany, raha tsy misy ny fiovàna... ♦ Manomboka miarin-doha ankehitriny ny orinasam-panjakàna Fanalamanga. Efa mandeha avokoa ireo milina maty teo aloha. Mikasa ny hanondrana vokatra voahodina ny orinasa, atsy ho atsy... ♦ Karohina indray ankehitriny i Eddy Bois de Rose. Namoahan'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana filazàna fikarohana noho ny raharaha fanondrànana sokatra ity mpandraharaha malagasy ity...
♦ Manaitra ny filohan'ny Fanavaozana ka nandefa taratasy faharoa any aminy ny vondrona firaisamonim-pirenena OSCEC. Tandindomin-doza ny firenena manoloana ny fahapotehan'ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary, hoy izy ireo... ♦ Samy efa mihetsiketsika avokoa ireo antoko pôlitika samihafa miatrika ny raharaham-pirenena, eo ny momba ny fifidianana, ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Mbola miaina fahatapahan-jiro lavareny foana ny mpampiasa herinaratry ny JIRAMA eto Antananarivo. Tsy tomombana ny milina famokarana, na ny mandeha solika, na ny azo avy amin'ny fikorianan'ny rano...
Manampy ny olona hankalaza ny litorjia sy ny Sakramenta ny fahalalana ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika. Satria mahalala ireo tenim-pinoana ilay olona dia mahafantatra izay ankalazaina ao amin'ny litorjia ka sady tsy hiteniteny foana no tsy hanaotao foana. Mahay mankalaza Sakramenta, ohatra ny hoe ny Mariazy dia sakramenta ifanoloran'ny mpivady... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny maha-olona ", iarahana amin'i Mgr Mamiarisoa Modeste.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco