• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
• 10% amin'ireo vaomiera mpanisa ny mpifidy eny ifotony ihany no mba ahitana solontenan'ny antoko politika sy ny firaisamonim-pirenena... • Zaza 5 taona manana toe-tena varira indray no nisy naka an-keriny alina, tao amin'ny Fokontany Bemarivo Atsinanana, Kaominina Maevatanana Faharoa... • Vitsy ny mpampianatra FRAM karamain'ny ray aman-drenin'ny mpianatra horaisina ho mpiasam-panjakana amin'ity taona ity...
• Mbola mijanona ho serasera politika fotsiny ny filazana ny amin'ny hanatanterahana fifidianana amin'ny volana jolay 2027, hoy ny KMF/Cnoe Fanabeazana Olompirenena... • Hotanterahina anio eny Ankatso ny fivoriana handinihina ny famerana ny naoty hahafahana Bakalorea ho an'ny Faritra Analamanga, Bongolava. Efa nivoaka omaly kosa ny voka-panadinana ho an'i Toamasina... • Hisy ny fihaonana mivantana eo amin'ny Sendikà SECES sy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa anio...
• Azo atao tsara ny miroso amin'ny fifidianana amin'ny volana jolay 2027. Mbola miankina amin-javatra maro anefa izany, hoy ny KMF/Cnoe androany, manoloana ny nivoahan'ny datim-pifidianana... • Tsy maintsy hotsentsenana amin'ny fanafarana ny filana vary eto amintsika, ho fiomanana amin'ny maitso ahitra. Hisy fepetra anefa izany, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana... • Voafonja efatra no tafatsoaka teo am-panaovana “camp pénal”, tany Andaloasy Antsiranana. Nikomy sy nanafika tamin'ny fitaovana maranitra izy ireo, ka naharatra ny Lehiben'ny Camp pénal...
Hamerina ny lanjan’ny kafé teto Madagasikara toa ny nisy mialohan’ny taona 90 indray ny Fanjakàna Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fahaleovantena ara-tsakafo miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana sy ny any ivelany. Tanjona ny hananan’ny kafé malagasy ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra amin’ny alalan’ny fampitomboana ny vola miditra amin’izy ireo.
Vonona hampiroborobo ny toekarena ao aminy amin’ny alalan’ny fizahan-tany ara-tontolo iainana noho ireo harena voajanahary ao aminy ny VOI ao amin’ny nosy Sakatia Nosy Be. Nitsidika ny sehatr’asan’ny Vondron’Olona Ifotony tao Anja sy Tsaranoro samy ao amin’ny distrik’Ambalavao faritra Matsiatra Ambony izy ireo mba hitondra traik’efa hoan’ny VOI any DIANA ankohatra ny ao Sakatia...
• Mandalo eto Madagasikara ny delegasion'ny Antenimieram-pirenena Frantsay. Noraisin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Randrianirina Michaël, izy ireo omaly... • Hisy fikorontanana ny famatsian-drano amin'ny faritra maro eto Antananarivo, manomboka ny alatsinainy 24 aogositra 2026. Fanatsarana ny famatsiana no antony araka ny fanazavan'ny orinasa JIRAMA... • Mampiranty ny vokany eny amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka indray, hatramin'ny alahady izao, ny tantsaha mpamokatra. Nanokatra ny Rodorodon'ny Tantsaha tamin'ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo, Ramindo Gaetan...
• Nahazo Eveka Mpanampy ny Arsidiosezin'i Toamasina. Notendren'ny Papa Léon XIV hisahana izany andraikitra izany i Mompera Mariusz Kasperski, teratany Polonais ary 63 taona izy ankehitriny... • Mitaky ny handravana ny Antenimieram-pirenena ny antoko Kintana sy ny vovonana RMDM. Fitiavan-tenan'ny Solombavam-bahoaka, hoy Andriamatoa Christian Tabera, ny nananganana ny vondrona VFM... • Hanao hetsika manakaiky ny vahoaka ny Hopitaly Miaramila eny Soavinandriana na ny CENHOSOA, hanamarihana ny faha-135 taona nijoroany. Nomarihina omaly ny fanokafana ny fankalazana...
• Nosokafana androany tamin'ny fomba ofisialy ny faha-135 taonan'ny Hopitaly Miaramila eny Soavinandriana. Hopitaly voalohany teto Madagasikara izay ny Mpanjaka Ranavalona III no nitokana azy ny 13 aogositra 1891... • Efa tafajoro daholo ny Vaomieran'ny Fandriam-pahalemana any amin'ny Fokontany rehetra miisa 326 ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo. Nanolotro fitaovaona ho azy ireo, ho an'ny Fokontany lavitra androany, ny Faritra Analamanga... • Nanatitra fitoriana teny amin'ny HCC, hitakina ny handravana ny Antenimieram-pirenena, ny antoko Kintana sy ny avy amin'ny vondrona RMDM...
Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.
• Vata mpanova herinaratra miisa 36 no hosoloina sy hatsaraina mba hiakatra ny tanjany, ho an'ny famatsiana jiro ato amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo... • Miisa efatra ireo kandida nirotsaka hofidina ho filoha vaovao hitantana ny ASIEF. Hotanterahina rahampitso alakamisy 20 aogositra 2026, ny fifidianana... • Misy ny lamina napetraka tsy maintsy arahina amin'ny fampiasana ny reniranon'i Belo Tsiribihina, hisorohana ny loza mety hitranga, mandritra ny fankalazana ny fetin'ny Fitampo 2026, hoy ny avy amin'ny APMF...
• Vonona hanampy an'i Madagasikara hiverina anatin'ny rafitra ara-dalana, mizotra mankany amin'ny fifidianana, ny vondrona SADC, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika... • Mitentina 20 tapitrisa Ariary ireo entana lany daty, tsy manaraka ny fenitra, saron'ny mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninanana, tany amin'ny Distrikan'i Tsaratanana sy Fenoarivo Antsinanana... • Nanome fe-potoana 48 ora ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, handray sy hifampidinika aminy, ny vondron'ireo sendika nanao sonia fifanarahana teo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco