• Mankasitraka ny hetsika fampihavanana nosantarin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Filohan'ny mpanohitra eny amin'ny Antenimieram-pirenena, tany Ambovombe Androy, ny ankamaroan'ny mpanao politika... • Hiroso hanamafy ny fihavanana koa ireo foko valo ao Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana. Hetsika hotanterahana ny zoma 21 aogositra 2026... • Mila arindra, hanosika ny fampandrosoana ny fiharian-karena ny firafitry ny hetra eto Madagasikara. Manakana ny orinasa tsy handroso ny hetra misy eto amintsika, hoy ny Profesora Hugues Rajaonson...

• Ho tratra ara-potoana ny fanatanterahana fifidianana amin'ny volana jolay 2027, hoy ny Filohan'ny CENI, Nilaza Rakotonarivo, fa tsy misy olana ara-teknika ny fanatontosana izany amin'io daty io... • Mitohy ny fanadihadiana hahafantarana mazava ny tena zava-niseho marina momba ny raharaha Ambohimalaza, hoy ny Minisitry ny ny Fitsarana. Nihaona tamin'ireo voakasik'iny tranga fanapoizinana iny izy omaly... • Mitaraina indray ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny trano fonenan'ny mpianatra eny Ankatso sy Ambatomaro, noho ireo olana samihafa. Nilaza ny handray fepetra isy ireo, raha tsy misy ny fandraisana andraikitra...

• Amin'ny volana jolay 2027 no hanomboka ny fifidianana eto Madagasikara. Nampahafantatra izany tamin'ny SADC ny Filohan'ny Fanavaozana nandritra ilay fihaonana an-tampony tatsy Afrika Atsimo... • Miroso ny asa fanamboarana fantsona lehibe ambanin'ny arabe, eny Mahamasina, anatin'ny tetikasa PIAA andiany faharoa. Efa mananiky ny 95% an'ny asa no vita ho an'ny dingana voalohany... • Manatanteraka Zaikabe eny amin'ny Akamasoa ny Fanilon'i Madagasikara nanomboka omaly. Mpizaika 400 avy amin'ny Diosezy maro eto Madagasikara no miatrika izany...

• Tontosaina eny amin'ny toby Akamasoa Mahatsara Betsizaraina Ambohimangakely nanomboka androany alatsinainy hatramin'ny zoma 21 aogositra 2026; ny Zaikabe fanaon'ny Fanilon'i Madagasikara isaky ny efa-taona... • Namoaka masomboly vary vaovao nomena ny anarana “X 915” ny eo anivon'ny FOFIFA, entina miatrika ny fiovan'ny toetrandro... • Natomboka ofisialy teny amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina Mahamasina androany, ny fifaninana ara-panatanjahanteana nasionaly ho an'ireo olona manana fahasembanana...

• Fanombohana ny tany Ambovombe, fa raha tena fampihavanana no tanjona, dia tsy tokony hisy ny kajikajy politika amin'ny fihaonana, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina... • Miisa 11 ireo olona voarohirohy tamin'ny fanaovana fanamarinana diplaoma Bakalorea hosoka, teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo... • Niseho masoandro ny faran'ny herinandro teo ny amboara tononkalo nosoratan'i Faniry Hantarinivo...

Mety ho ratsy toerana ihany ny Arofanina raha hanompana ny matoan-dahatsorany ka handrasa ny fanomanana ny taom-pianarana vaovao, anio. Tsy hay anefa ny tsy hiteny sy hamakafaka satria zava-dehibe ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra, izay fotoana iray hany hamaritana ny ho avin’ireo zandry, zanaka.

• Any Afrika Atsimo, hiatrika ny fivoriambe faha-46 an'ny Vondorona Fampandosoana ny Firenena Atsimon'i Afrika na SADC, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Randrianirina Michaël... • Hodinihina any Maurice indray, amin'ity herinandro ity, ny fangatahana fahafahana vonjy maika napetraky ny mpisolovava an'ilay Malagasy mpandraharaha Mamy Ravatomanga... • Nahemotra ho amin'ny daty hafa ny Lalao ASIEF 2026, saingy voatana ny toerana hanatanterahana izany any Manakara, araka ny fampahafantarana navoakan'ny Minisiteran'ny Asa sy ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana...

• Nanatitra ny taratasy manendry azy ho ambasadaoron'i Arabie Saoudite eto Madagasikara, tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha androany, Andriamatoa Ahmad Mohamad Alwo-Haib... • Mitaky ny hisian'ny fifanarahana politika ny RMDM, mialoha ny hirosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena... • Vatsim-pianarana maromaro no zaraina amin'ireo mpianatra Malagasy te handranto fianarana any ivelany, mandritra ny hairanty “International Education Expo”...

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo. Mifampizara traik’efa momba ny fikarohana amin’ny famokarana izy ireo mba afahana manatsara hatrany ny vokatra. Fahombiazana no azo tao anatin’izay 20 taona mahery nijoroan’ny fikambanna izay, indrindra ny fanatsaràna hatrany ny famokarana ny zezika kakana amin’ny alalan’ny fikarohana tsy mitsahatra...

• Manao ranolava ny fanambaran'io Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza, miaro ny andrim-panjakana misy azy ireo. Tsy sakana amin'ny firosoana amin'ny fanavaozana izy ireo, hoy ny depiote voafidy tany Fenoarivo Atsinanana... • Mila hamafisina ny fiarovana amin'ny MPOX amin'izao fotoanan'ny fialan-tsasatra izao, hoy ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka momba ny MPOX, ny Profesora Mamy Randria. Mitombo hatrany ny isan'ny tranga vaovao hita...

• Nodimandry teo amin'ny faha-89 taonany i Mompera Andriatsifa Désiré Anatole na i Baigny Dezy. Namoron-kira maro ho an'ny Eglizy Katolika ary mpikaroka nandritra ny 50 taona tao amin'ny Ekipa Ankalazao ny Tompo... • Nahazo Tale Jeneraly vaovao ny eo anivon'ny CNaPS. Nametrahan'ny fanjakana ny fitokisany hisahana izany andraikitra izany Ramatoa Florent Soatiana Bety Léonne... • Nihintsana teo amin'ny ampahefa-dalan'ny Afrobasket lehilahy latsaky ny 18 taona ny Ankoay Malagasy. Resin'i Sénégal tamin'ny isa 54 noho 40 i Madagasikara omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...