♦ Tontosa ny Ivon'ny fankalazàna ny faha-25 taonan'ny VAHATRA, vovonan'ny ankizy katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Ankizy maherin'ny 9.000 isa no nanatrika izany nandritry ny telo andro... ♦ Hanomboka anio ny fanadinam-panjakàna BEPC amin'ity taona ity manerana ny tanin'i Repoblikan'i Madaagasikara. Mpiadina maherin'ny 320.000 isa voasoratra hiatrika izany... ♦ Nanome toky ny vahoaka omaly ny eo anivon'ny hery fiarovana sy filaminana sy ny Ministry ny Atitany fa efa misy ny fandraisana andraikitra, manoloana ny hala-jaza sy tsy fandriam-pahalemana tato ho ato izay...

Manana anjara raharaha ny mpino tsirairay eo amin'ny fiangonana misy azy, isan'izany ny fitondrana am-bavaka ny olombelona rehetra. Tokony hiezaka ny olona rehetra indrindra ny Kristianina hanao izay hahatonga izao tontolo izao hikatsaka fihavanana mafy orina eran-tany. Antso ho antsika rehetra ilay maniry fihavanana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

♦ Adraisana fepetra ireo olona voaporofo fa naka vola tamin'ireo tanora momba ny resaka fandraisana miaramila ho mpiasam-panjakàna raikitra (rengagement) hoy ny Ministry ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Valo volana aty aorian'ny fampiatoana azy, hiverina hiasa manomboka amin'ny fiandohan'ny herinandro ambony io ireo polisy mandrindra ny fifamoivoizana... ♦ Vonona amin'ny fandraisana ny fanadinam-panjakàna BEPC hanomboka ny alatsinainy 6 jolay izao, ireo ivon-toerana manerana ny nosy, Kandidà maherin'ny 327.000 isa no voasoratra anarana hiatrika ny fanadinana...

Alahady 05 jolay 2026. Alahady faha-14 mandavantaona — A — I Jesoa : Be fitiavana sy malemy fanahy ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Ny harerahana dia mpahazo ny olombelona : ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, izay vokatry ny ahiahy isan'andro, ireo olana maro samihafa. Maro ireo mitsiky ety ivelany fa manana olana lalina anaty, anefa mbola eo Jesoa, efa nilaza fa hanamaivana ireo izay mahavesatr'entana. Tsy mamaly herisetra Andriamanitra fa ny manala ny fototry ny herisetra no ataony. Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po i Jesoa...

♦ Notifirin'ireo mpiambina manokan'ny Filohan'ny Fanavaozana teny amin'ny manodidina ny faritry La-City Ivandry ireo "Drone" miisa roa nanaraka ny fiaran nitondra ny Kôlônely Randrianirina Michaël, omaly zoma hariva... ♦ Miisa 11 ireo tolo-dalàna sy volavolan-dalàna nodinihana sy nolanian'ireo solombavambahoaka nandritry ny fivoriana ara-potoana voalohany, tamin'ity taona ity... ♦ Manambana hanao fitokonam-be manerana ny nosy ireo sendikà eo anivon'ny CNaPs, eo ampiandrasana ny valin'ny fitakiana ataon'izy ireo...

Misy dikany sy lanjany ny fanadinana hatao eo anivon'ny sekoly katôlika satria ny fanabeazana eo anivon'ny Eglizy katôlika no mari-drefy mpandrefesana (Baromètre) ho an'i Afrika, hoy ny eo anivon'ny Firenena Mikambana.... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina. Eny, ho'aho, Ramalagasy! Malagasy be fivoarana! Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana! Tsy hanozona ny Ntaolo n'inona n'inona natao, Saingy MASINA NY SATA IZAY VOAHITSAKITSAKAO.

Ny hafaliana sy fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjo ny olombelona amin'izao fotoana izao dia hafaliana sy fanantenana ary fahoriana sy ahiahin'ny mpanatr'i Kristy. Miainga amin'ny fotom-pampianaran'ny Fiangonana dia mikendry sy te hampiseho ny zava-misy marina eo aminy ny Fiangonana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

Tsy mbola miverina amin’ny teo aloha ny vidin’ny vary akotry akan’ny mpanagom-bokatra azy eny anivon’ny tantsaha ka anaovan’izy ireo antso amin’ny fanjakàna ny hijerena vahaolana amin’ny fahasairan’izy ireo. Tsy mbola niakatra araka ny niheverena aza mantsy ny vidim-bary na teo aza ny fampiharana fepetra isan-karazany. Isan’izany ny fividianan’ny orinasam-panjakana SPM ny tahirim-bary tany amin’ny tantsaha saingy tsy afa-po amin’ny vidim-bary ireo tantsaha mpamokatra...

Matetika eo amin'ny fiaraha-monina dia iniana tsy hita ireo fahasamihafana ara-tsaina eo amin'ny olona. Raha mbola kely ny zaza ka tsikaritra ireny fahasamihafana ireny dia azo atao tsara ny manampy azy ka hahatonga azy ho afaka hiara-miaina amin'ny olon-drehetra. Matetika ireny zaza hafakely ireny no lasa henatra ho an'ny fianakaviana na ahiliky ny fiaraha-monina. Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.

♦ Niakatra ho 300.000Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara. Mbola hisy fiakarana izany amin'ny volana oktobra, araka ny fampahafantarana avy amin'ny Ministeran'ny asa, androany... ♦ Tsy eken'ny Randrana Sendikaly ny fiakaran'ny karama farany ambany, izay ambaran'izy ireo fa soso-kevitry ny mpampiasa. Nanao diabe nihazo an'i Mahazoarivo izy ireo, androany... ♦ Tratran'ny Filohan'ny Fanavaozana ireo fiarabe mpanototra tany amin'ny alina eny amin'ny By-Pass. Tsy afa-bela ny tompon'ireo fiarabe 13 mpitaona tany ireo, noraisina ny fepetra...

♦ Mbola mila hamafisina ny fiaraha-miasan'ny Fanjakàna sy ny Firaisamonim-pirenena hiarovana ny zon'ny ankizy eto Madagasikara. Isan'ny ezaka efa vita amin'ny fiarovana ny ankizy ny fisian'ny lalàna vaovao, izay efa lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Miantso ny Malagasy hanamafy ny sakana ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny MPox ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Napetraka ny haba 20% ho an'ny fanafarana vary ho famporisihana ny mpandraharaha hanangona ny voka-bary eto an-toerana sy handrisihana ny famokarana anatiny hoy Andriamatoa Ranarivelo Lucien, député an'i Tsiroanomandidy...

26 jona 1960 - 26 jona 2026 : 66 taona namerenana ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara ; na misy aza ny tsindry avy any ivelany, hita taratra ny fijoroana sy ny fahasaratom-piaron'ny Malagasy mikasika ny fiandrianam-pireneny. Songadina tsara sy mamelona indray ny fanantenana ny fiaraha-mientana sy ny firaisankina tamin'ny fankalazana ny fetim-pirenena ; ny fitafiana no hita ety ivelany fa na eo aza izany, ny fo miray dia efa vinaky tamin'ny endrika mirana sy fomba fitafy isam-paritra, Malagasy tokoa, tia ny fireneny, tia ny kolontsainy... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...