Ny talenta matetika tsy tsikaritry ny olona anefa isan'ireo afahana mampivoatra ny fiainana. Ny talenta dia fahaizana voajanahary. Ny olona rehetra dia manana talenta avokoa, miainga avy amin'ny vavahadin-tsaina dimy. Ny fomba hamantarana ny talenta, dia ireo olona kinga mahay sy mahazo vokatra tsara ary mahazo fifaliana amin'ny hetsika nataony. Ilaina ny fikolokoloana ny talenta mba hazoana vokatra tsara kokoa, ary maro ireo manao ho fototr'asa ny talentany. Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Nankatoavin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny fametraham-pialan'ny minisitry ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Andriamampiadana Mahefa... ♦ Sora-bola natokana hikarakarana fifidianana miisa roa no voafaritra anatin'ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana 2027, efa tafapetraka eny amin'ny Antenieram-pirenena io volavolan-dalàna io... ♦ Sazy anterivozina mandra-pahafaty no azon'ny reniben'i Raissa, 10 taona an-tranomaizina ny an'ilay zazalahy anadahiny. Didy nandritry ny fiakaran'izy ireo teny amin'ny Fitsaràna, omaly talata, raharaha nahafaty an'i Raissa ny 10 mey 2025...

• Manodidina ny 199 miliara Ariary ny vola natokana hiasan'ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana, anatin'ny volavolan-tetibola 2027. Tafapetraka ara-potoana eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalana mifehy izany… • Hitondra ny olana mahakasika ny fambolena “orge” eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, ny Depiote Rajerison Antoine… • Handray ny ampahany amin'ny fanazaran-tena omen'ny Tafika Amerikanina aty amin'ny faritra Ranomasimbe Indiania i Madagasikara, ny volana marsa 2027…

♦ Vonona ny FFKM amin'ny fikarakaràna ny dinika eny ifotony, taorian'izay fotoana nanomanana izay. Nambaran'ny mpikarakara teny Iavoloha fa tsy maintsy vita ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Mbola tsy hanidy sisin-tany amin'ireo firenena ahitàna ny EBOLA aloha ny eto Madagasikara. Mihatra kosa ny fihibohana ho an'ireo mpandeha niainga avy amin'ireo firenena sasany misy ity valan'aretina ity... ♦ Hisy orinasa hitrandraka BAUXITE any Manantenina, Distrika Taolagnaro. Efa nivoaka ny taratasy ara-panjakana rehetra momba izany sy ny didim-pitondrana fankatoavana teo anivon'ny filan-kevitry ny minisitra...

Ara-tantara ny “Andriana” dia olona avy any ivelany ka na, olona tsy te ho resy an'ady izy ireny nitsoaka, na olona tsy nahavita nanefa trosa, na olona tsy haloa hetra. Ny “Andriana” dia olona manana fahendrena, fahamendrehana, manaiky sy mankatoa ny vahoaka ary manana fahaiza-miaina. Ny fanjakana andriana dia fanjakana arindra ka ny zoky no mandimby fanjakana mialoha ny zandry, etsy ankilany dia ny ray aman-dreniny no manendry izay hitondra ny fanjakana, ohatra ny tamin'ny andron'Andriamanelo izay nitondra mialoha satria zokiny...

♦ Tazonina eny Fiadanana noho ny raharaha hanenjehana azy Ramatoa Raissa Razaivola. Tsy ara-dalàna intsony ny mbola hitazonana azy eny an-toerana hoy ny mpisolovava azy... ♦ Mitaky ny hiverenany hivarotra manamorona ny farihin'i Behoririka ireo mpivarotra nesorina teny an-toerana, aorian'ny fahavitan'ny asa fanajariana. Milaza ny tsy hanaiky hifindra tsena hafa izy ireo... ♦ Mbola anaram-barotra fotsiny ny nanovàna ny Madagascar Airlines ho Air Madagascar, hoy Andriamatoa Alain Rabetrano. Nambarany fa mbola misy ireo dingana tsy voahaja amin'izany, manjavozavo ihany koa ny fitantanana...

• Feno 18 andro androany ny nitazonana an'i Raïssa Razaivola eny amin'ny Zandary, Sampana Fikarohana heloka bevava… • Mbola misy amin'ireo mpivarotra nesorina eny Behoririka no mangataka ny hijanona eny an-toerana mandram-pahatapitry ny volana desambra… • Hanomboka ny 10 hatramin'ny 14 nôvambra 2026, ny ivon'ny fankalazana ny faha-160 taonan'ny Gazety Malagasy…

• Volana nôvambra, fotoana anentanan'ny Eglizy ny fahatsiarovana sy ny fitondrana am-bavaka ireo efa nodimandry… • Tonga eto Madagasikara tamin'ny sabotsy 31 ôktôbra 2026, ny Lehiben'ny Fikambanana Ordre des Carmes Déchaux maneran-tany… • Antso iombonana ny fahamasinana fa tsy tombony ho an'ny olona tsirairay manokana, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…

♦ Tsy ampy hisahanana ny fanaraha-maso ny sisin-tany eny amin'ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo ny mpiasan'ny fadintseranana eto Madagasikara hoy ny Sendika SIDM ivondronan'ny Inspecteurs eo anivon'ny fadintseranana... ♦ Nifantoka indrindra tamin'ny fanadiovana ny tontolon'ny fifidianana sy ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ny adi-hevitra tamin'ny fikaonandoham-paritry ny Antoko Malagasy Miara-Miainga ho an'ny Faritra Analanjirofo... ♦ Kabary tsara lahatra sy fiatsarambelatsihy no betsaka fa tsy mbola vonona hiady amin'ny kolikoly isika eto Madagasikara hoy ny FIVATO...

♦ Mahatratra 3 tapitrisa Dôlara ankehitriny ny tombom-barotry ny kaompaniam-pitanterana Malagasy Air Madagascar, efa manomboka miarindoha ankehitriny ity orinasam-panjakana ity ankehitriny... ♦ Nanome toky ny vadin'ny Filohan'ny Fanavaozana, Elisa Randrianirina, fa hanohy hatrany ny asa fanasoavana ny mpiara-belona, amin'ny alalan'ny fikambanana FANJIRY. Anjaran'ny mponina teny Avaradrano no nisitraka asa sôsialy sy fanampiana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Tsy hamaha olana eto amin'ny Firenena velively fa fitadiavana seza fotsiny ny an'ireo antoko politika, mitaky ny hisian'ny dinika hametrahana fifanarahana politika...

♦Tsy misy antenaina intsony ny hanenjehana ara-pitsaràna ireo mpitondra ambony teo aloha, hoy ny Pastera Edouard Tsarahame. Nambarany fa efa tsy eto intsony izy ireo, vao eken'ny HCC ny fahafahana manenjika ... ♦ Hamafisina ny sakana tsy hidiran'ny aretina Ebola eto Madagasikara. Handraisana fepetra ireo olona miditra eto Madagasikara avy any amin'ireo firenena misy ny mararin'ny valan'aretina manomboka izao... ♦ Laharana faha-37 i Madagasikara tamin'ilay fiadiana ny tompon-daka eran-tany eo amin'ny baolina kitra ho an'ny latsaky ny 15 taona zazalahy natao tany Azerbaidjan ; fandresena 8 tamin'ny lalao 10 no azon'ny Barea...

♦ .Nihaona tamin'Andriamatoa Vladmir Poutine tao amin'ny Kremelin ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara. Nosokajian'i Rosia ho mpiara-miombon'antoka manan-danja amin'ny fananganana lamina eran-tany i Madagasikara.. ♦ .Mikaroka ireo raharaha vaventy amin'ny fanaovana kolikoly eto Madagasikara ny Bianco ankehitriny. Nambaran'ny Tale jeneraly omaly fa havoaka ny tatitry ny fanadihadiana momba izany.. ♦ Namoaka fanambaràna momba ny ady amin'ny aretina lefakozatra eto Madagasikara ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 novambra 2026

• Mahaiza miaina amim-pilaminana ary samia manao tsara ny asany. Io no hafatra nanentanan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny mpino rehetra, taorian'ny Fivoriambe izay notanterahin'izy ireo teto Antananarivo… • Nifarana omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, izay notanterahana tany amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra 1126 no niatrika izany… • Làlana iray itomboana ny aretina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...