• Hanohana ireo tanora manana tetikasa, na ireo vao hiantsehatra amin'ny fandraharahana, na ireo efa manana orinasa madinika sy salantsalany, ka maniry ny hanitatra ny asa ataony, amin'ny alalan'ny Fandaharanasa Nasionaly Fandroso, ny fitondrana Fanavaozana... • Laharam-pahamehana ho an'ny firenena ny fanaovana ny fifidianana Filoham-pirenena amin'ny fomba madio sy eken'ny rehetra, hoy ny antoko FY-M... • Mahafolaka ny kalitao takiana amin'ny fanodinana ny ronono ho lasa fromazy ny orinasa madinika malagasy. Nivoitra izany androany, nandritra ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny foaran'ny fromazy, atao eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina...
Andriamanitra dia fitiavana, ny fitiavana no fototry ny fiainan'ny olombelona. Tandindonin-doza ny ho avin'ny rehetra noho ny fiovan'ny rafi-piaraha-monina vokatry ny rivotra entin'ny tambazotran-tserasera izay manimba ny fifandraisana sy ny maha-olona (saina, fo, vatana, fanahy). Ny fanajana sy ny fifanajana no fefy hiarovana ny fiaraha-monina, izay miainga amin'ny fitiavana. Ndeha hosanatriavina ny hoe KARAVASI (KARAna - VAzaha - SInoa) no hany hampandroso ny firenentsika fa mba izay soa nomen-janahary an'i Madagasikara. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Ho enjana ny sazy miandry ireo tratra manao halatr'olona sy vono olona hoy ny Praiministra Rajaonarison Mamitiana... ♦ Ahiana ho mifandray amin'ireo raharaha fakana ankeriny sy famonoana olona varira, ny halatr'olona sy vono olona misy amin'izao hoy ny fikambanana Albinos Madagasikara... ♦ Efa misokatra ny fisoratana anarana handraisana mpianatra ho pôlisy izay hifarana ny 11 septambra 2026 ho avy izao... ♦ Mihatra any Perou mandritry ny 60 andro nanomboka tamin'ny alatsinainy teo, ny fepetra ho an'ny Fanjakàna anaty hamehana vokatr'ilay horohorontany nisy tany an-toerana...
Amin'ny zanak'olombelona dia tsy misy ny fahombiazana raha tsy miasa, anefa ny fialan-tsasatra ihany koa dia mety mitondra fahombiazana. Ny atao hoe "fialan-tsasatra" dia matetika ho an'ny mpianatra anefa fiatoana kely aorian'ny asa natao na hetsika vita, fanaovana zavatra vaovao; ny fahombiazana dia firosoana amin'ny tsara kokoa, indrindra mitondra soa ho an'izay manao ny hetsika. Mitondra fahombiazana ny fialan-tsasatra raha toa ka niainga tamin'ny faharesen-dahatra, ka nahazo fahalalana vaovao, raha nampisongadina ny soatoavina sy ny fomba amam-panao taloha... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Hiverina hiasa ny OTME (Office de Transmissions Militaires de l'Etats) ary hisyt ny fananganana Task-Force hiadiana amin'ny halatr'olona amin'izao araka ny tapaka tamin'ny filan-kevitry ny Ministra omaly... ♦ Fitsaràna tokana no tokony hitsara ny olona rehetra eto amin'ny firenena hatramin'ireo tompon'andraiki-panjakàna ambony hoy ny Praiministra Rajaonarison Mamitiana nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-65 taona ny Fitsaràna Tampony... ♦ Olana ara-teknika no nahatonga ny tsy fahafahan'ny ENELEC namokatra herinaratra araka ny filan'ireo tanàn-dehibe hoy ny fanazavana nentin'ny orinasa...
• Vonona hanohana ny famaliana ny hetahetam-bahoana amin'ny fanavaozana ny Fitsarana eto Madagasikara ny fitondrana, hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison... • Hamafisina ny fihavanana eo amin'ireo foko valo ao Farafangana. Hapetraka ny 21 aogositra 2026 ny tsangambato momba izany... • Nisedra olana ara-teknika lehibe ireo tobim-pamokarana sasany tantanan'ny ENELEC ka nahatonga ny tsy fahafahana mamokatra herinaratra araka ny filan'ireo tanan-dehibe nahitana izany. Izay no fanambarana nataon'izy ireo taorian'ny fampitandremana avy amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika omaly...
♦ Tsy misy tombontsoan'ny Malagasy mihitsy ny fifanarahana amin'ireo orinasa tsy miankina mpamatsy herinaratra, raha dinihina amin'ny zava-misy any Antsiranana hoy ny vaomiera mpanadihadin'ny Antenimieram-pirenena momba ny raharaha JIRAMA... ♦ Misy olona misandoka ny anaran'ny fadintseranana Malagasy ka milaza fa manao lavanty fiarakodia any anaty tambazotra serasera FB, hoy ny tale jeneralin'ny fadintseranana, omaly... ♦ Manamafy ny fitakiana ny fandravàna ny rafitra CENI ny filohan'ny antoko MTS, Rolland Ratsiraka... ♦ Taorian'ny horohorontany tamin'ny 24 jona, tany Guaira Venezuela dia mbola nahitana fatin'olona 70 isa, omaly...
Ny hoe "Rasavôlagna" dia misy heviny roa ka ny voalohany dia midika "veloma" ary ny faharoa kosa dia mifanandrify amin'ny lahabolana, azo takarina amin'ny hoe "lahateny". Ny lehilahy matetika no manao ny "Rasavôlagna" kanefa tsy voatery ho izay arakaraka ny zava-misy. Ny fitondrana teny ao anatin'ny Rasavôlagna dia tsy iadivana, ny fehezan-teny, nataon'ny mpandray fitenana averin'ny mpamaly isaky ny handray fitenana dia fanehoana fa mahay mifampihaino ny roa tonta ary mifanaja. Ny toaka ifampizarana amin'ny fotoana hisian'ny fomba sy ny Rasavôlana fanolorana dia toaka vokatry ny tany...
♦ Tsy maintsy vahan'ny orinasa ENELEC ao anatin'ny herinandro ny olan'ny famatsiana herinaratra any Toamasina, Mahajanga ary Antsiranana. Handray fanapahan-kevitra ny fitondrana hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, raha tsy tanteraka izany... ♦ Tokony ho foanana na ahitsy ny fifanarahana mahakasika ny famatsiana herinaratra ho an'Antsiranana izay ataon'ireo orinasa tsy miankina. Misy fanambakàna sy ahitàna endrika kolikoly hoy ny Antenimieram-pirenena... ♦ Hentitra ny fisavana ireo mpiadina nandritra ny fanombohana ny fanadinana bakalôrea omaly...
• Tsy maintsy vahan'ny orinasa ENELEC ao anatin'ny herinandro ny olan'ny famatsiana herinaratra any Toamasina, Mahajanga ary Antsiranana. Handray fanapahan-kevitra ny fitondrana, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, raha tsy tanteraka izany... • Tokony hofoanana na ahitsy ny fifanarahana mahakasika ny famatsiana herinaratra ho an'Antsiranana, izay ataon'ireo orinasa tsy miankina. Misy fanambakana sy ahitana endrika kolikoly ary misy tsy mazava izany, hoy ny Vaomiera mpanadihady avy amin'ny Antenimieram-pirenena... • Hentitra ny fisavana ireo mpiadina nandritra ny fanombohana ny fanadinana Bakalorea androany. Nilamina ny fozotran'ny fanadinana manerana ny nosy...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
♦ Nilamina ny tapak'andro maraina ho an'ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea hoy ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Ministry ny Fampianarana Teknika raha nitsidika ny foibem-panadinana teny amin'ny Lycée Rabearivelo sy Lycée Technique Mahamasina... ♦ Hanokatra ny varavarany hampahafantatra ny asany ho an'ny daholobe ny Fitsaràna Tampony manomboka rahampitso talata 21 jolay ary tsy hifarana raha tsy amin'ny zoma 24 jolay, izao... ♦ Efa vita tatitra any amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny olona voasaringotra tao ambadik'ilay raharaha fanotorana tany teny amin'i By-Pass, hoy ny MInisitry ny Fanajariana ny tany...
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco