Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 43, 16-21)
Izao no lazain’ny Tompo,
izay nanao lalana eny amin’ny ranomasina, sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery,
izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika ama-mpiady mahery, hiantafika,
— indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra;
voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. —
Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony!
Fa indro Aho hanao zava-mahagaga vaovao;
efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo?
Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tsaha karankaina.
Hanome voninahitra Ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin’ny amboadia sy ny ôstritsa,
satria nanisy rano tany an’efitra Aho, sy ony eny amin’ny tany karankaina,
hampisotroana ny vahoakako, ny olom-boafidiko,
ny vahoaka noforoniko mba ho Ahy, ka hitory ny fiderana Ahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6
Raha ny Tompo nampody an’i Siôna izay babo,
dia toa nofinofy ny anay;
vakin’ny hehy izahay,
nanakoako ny hiranay!
Ireo firenena kosa nitakoritsika:
“Lalina ity nataon’ny Tompo taminy!”
Lalina tokoa ny nataony taminay
koa akory ity hafalianay!
Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay;
avereno faingana toy ny ranotrambo.
Izay mamafy amin-dranomaso
no mijinja amin-kira.
Eny tokoa, raha mandroso no tomany
am-panipazana ny voa;
fa nony miverina, manakora sy mihoby
no milanja ny vokatra!
Taratasiri’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 3, 8-14)
Ry kristianina havana:
ataoko fatiantoka tokoa ny zavatra rehetra
raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko;
fa ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra,
ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fakofako foana ny zavatra rehetra,
mba ho hita ao aminy aho,
tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, na ilay avy amin’ny lalàna,
fa amin’ilay avy amin’ny finoana an’i Kristy
dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana;
mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany ho velona,
ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesany,
sy hahatratra ny fitsanganan-ko velona, raha azoko atao.
Tsy dia hoe efa nahatratra sahady aho tsy akory, na hoe efa lavorary;
fa miezaka aho mba hahatratra izay nahatratraran’i Kristy Jesoa ahy.
Eny, ry kristianina havana,
tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko,
dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako,
mihazakazaka hanatratra ny marika aho,
mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny,
ao amin’i Kristy Jesoa.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 1-11)
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia nankany an-tendrombohitra Oliva,
fa nony maraina koa vao niverina tany an-Tempoly Izy,
ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy.
Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalana sy ny Farisianina,
ka narosony teo afovoany.
Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
“Ry Mpampianatra, azo nijangajanga ity vehivavy ity.
Ary i Môizy ao amin’ny lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany,
fa Ianao kosa mba ahoana, hoy Ianao?”
Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany Azy.
Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany.
Ry zareo amin’izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany Azy ihany,
ka nitraka Izy dia nanao taminy hoe:
“Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”.
Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany.
Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay,
ny zokinjokiny no lohalalana,
ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany.
Izay vao nitraka i Jesoa, ka nanao taminy hoe:
“Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo?
Moa tsy nisy nanameloka anao va?”
Novaliany hoe:
“Tsy nisy, Tompoko”.
Dia hoy i Jesoa:
“Izaho koa tsy hanameloka anao.
Mandehana, ka aza manota intsony”.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
• Vaky androany vao maraim-be ny fefilohan'i Sisaony eny Ambohidava, Kaominina Ampitatafika. Mety ho anton'izany ny fiakaran'ny rano mihoatra ny fetra farany eny amin'ity renirano ity, nanomboka omaly... • Hanao antso tolo-bidy ho an'ireo mpisehatra vonona ho “Comptoir de l'Or” ny Minisiteran'ny Harena ankibon'ny tany sy ny Banky Foiben'i Madagasikara... • Nihaona tamin'ny Minisitra mpiahy ny solontenan'ireo mpiasan'ny fahasalamana. Noresahana ny famahana ireo olana nahatonga hetsika fikasana hampiato ny asa eny amin'ny hopitaly, ny herinandro teo...
‘Ndao mba hiresaka baolina indray isika anio! Tsy dia ilay baolina dakana ambony kianja iny loatra fa ilay ekipam-pirenentsika no tian’ny Arofanina hisarihana ny saintsika eto, dia ny Barea izany. Ny Barea, ilay ekipa mahavita mampitovy hevitra ny Malagasy rehetra, anatin’ny fisamatsamahana entin’ny rivotra sosialy sy politika ankehitriny.
• Miato ny fampianarana eny amin'ny Disitrika Atsimondrano anio alatsinainy. Anton'izany ny fiakaran'ny rano, izay namoahana filazana loza miloko mena, nanomboka omaly... • Nipoapoaka ny baomba mandatsa-dranomaso tao Toliara omaly. Nisy ny naratra tamin'ny fidirana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana, nanaparitaka ireo andian'olona manohitra ny Base Tuléar... • Fahazoan-dalana maromaro, hitrandraka harena ankibon'ny tany, no nofoanana. Nisy koa anefa ny famoahana fahazoan-dalana hitrandraka sy hikaroka. Manazava izany ny Minisitra tompon'andraikitra...
• Manahy ny hidiran'ny mpandraharaha tsy miankina hanana petra-bola eo anivon'ny orinasa Jirama, ny Sendikan'ny SMARM. Manosika azy ireo ho amin'izany fanahiana izany izay tapaky ny Filankevitry ny Minisitra tany Mahajanga... • Tsy tanteraka ny hetsiky ny Paramed eto Antananarivo, nanehoana fiombonam-po amin'ireo namany maty sy nisedra olana teo am-panatanterahana ny asany. Voasakana tsy hiditra ny Hopitaly HJRA izy ireo androany... • Tsy mbola ampy hitsarana ny mpanazatra Corentin Martins ny lalaon'ny Barea omaly, hoy i Maître Titi Rasoanaivo. Nambarany anefa fa nisy fiovana kosa ny ekipam-pirenena...
Rehefa ao anaty tsy fahasalamana dia vao mainka toa mavesatra sy sarotra kokoa noho ny andavanandro ireo olana efa tandra vadin-koditra amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Manoloana izany indrindra anefa no tsy maintsy hanamafisana ny finoana sy ny fanantenana, ary iainana ny faharetana. Ireo finoana, fanantenana sy faharetana ireo no entin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Fahasalamana, hankaherezana ireo rehetra misehatra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana : dia ny marary, ny mpitsabo, ny mpikarakara ary ny havan’ny marary, mandritra ny fankalazana ny Jobilin'ny Marary...
29 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)
28 marsa 2025 — Zoma, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
27 marsa 2025 — Alakamisy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy— Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)
26 marsa 2025 — Alarobia, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
25 marsa 2025 — Ny nilazana fa haka nofo ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 26-38)
24 marsa 2025 — Alatsinainy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy— Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 24-30)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco