• Tombanana hiditra an-tanety rahampitso alina na ny sabotsy maraina, ilay rivodoza Jude. Any amin'ny Distrikan'i Toliara Voalohany sy Faharoa izy no hikasika an'i Madagasikara... • Tsy mbola nisy fehin-kevitra tena nifanarahana tamin'ny fihaonan'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanana Vaovao sy ireo mponin'i Ivato voakasiky ny fanitaran-dalana... • Vao mainka mihasimba ny Lalam-pirenena faharoa, izay lalan-dran'ny toe-karena malagasy amin'izao. Efa potika indray izay efa namboarina kely teo aloha, hoy ny fanazavan'ireo mpampiasa ny RN2...
Ny fiarahan-dalana dia fifanatonan'ny olona na vondron'olona maromaro mba hiombona amina tanjona iray. Ny fiombonana indray dia fototra iray mampisy fahombiazana ao anatin'ny fiarahan-dalana. Ho an'ny fiainan'ny mpivady manokana dia mifanindran-dalana ny fiarahan-dalana sy ny fiombonana, rehefa miditra tanteraka amin'ny fiainan'ny andaniny ny ankilany. Mpiara-miombona antoka mitovy lenta ny mpivady, ary mifameno sy mifampiankina amin'ny ezaka hahatongavana amin'ny tanjona iombonana.
• Nitombo hery ka lasa rivodoza indray i Jude. Tombanana hiditra ao amin'ny Distrikan'i Toliara voalohany sy faharoa, amin'ny tanjaka “Forte Tempête Tropicale” izy rahampitso... • Tsy nifarana tao anatin'ny fivoriambe fankatoavana ny teti-bola, fa mbola nitohy teo ivelan'ny lapa nivoriana ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ireo samy milaza ho mpanohitra ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... • Namoaka fanambarana ny sendikà SECES Sampana Antananarivo, eo anatrehan'ny fifidianana isan-tsokajiny, tanterahana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo...
• Mbola mampisalasala ny fampiharana ny lalana vaovao mifehy ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katolika... • Mijoro manohitra ny fikasan'ny orinasa iray hitrandraka “Terres rares” any amin'ny tangoronosy Ampasindava, Distrikan'Ambanja, ireo vondron'olona ifotony sy ny fiarahamonim-pirenena... • Mpilalao vaovao miisa dimy no nantsoin'ny mpanazatra Corentin Martins, handrafitra ny Ekipam-pirenena Malagasy Barea...
• Mitaky ny fampiatoana ny fitrandrahana “terres rares” kasain'ny orinasa Harena Ressources hatao any Ampasindava, ny vondron'olona ifotony sy ny fiarahamonim-pirenena any Ambanja... • Misalasala amin'ny fampiharana ny lalana vaovao mifehy ny fanabeazana eto Madagasikara, ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katolika eto Madagasikara... • Mpilalao vaovao miisa dimy no nantsoin'ny mpanazatra Corentin Martins, handrafitra ny Barea, hiatrika ny fanintsanana Mondial 2026...
• Tombanana hiditra an'i Madagasikara ny zoma izao, ilay rivodoza Jude. Mbola any Mozambika izy ankehitriny, ka hiverina an-dranomasina anio alina na rahampitso maraina... • Hihemotra amin'ny manaraka ny fandinihana ny SMGD eo anivon'ny Filankevitry ny Tananan'Antananarivo... • Mpandraharaha Malagasy sy vahiny an-jatony no hihaona any Genève, ao anatin'ilay hetsika “Forum Économique International”. Hetsika ara-toekarena momba an'i Madagasikara izy io, handrisihana ireo mpampiasa vola, ho avy eto amintsika...
• Laharana faha-83 i Madagasikara amin'ny fampiharana ny demokrasia, araka ny fanadihadiana nataon'ny Economist Intelligent Unit. Tsy niala lavitra amin'ny naoty 5/10 isika hatramin'izay... • Manahy ny fandrodanana ny tranony ato anatin'ny 48 ora ireo mponin'i Ivato, voakasiky ny fanitaran-dalana. Nanomboka androany ny asa fanotofana lalana mihazo an'i Ivato, hoy izy ireo omaly... • Anio no hivoaka ny lisitra mirakitra ireo mpilalao handrafitra ny Barea, hiatrika ny fifanintsanana Mondial 2026...
Tamin'ny fitsanganan-ko velona no namalian'ny Ray ny vavak'i Jesoa nandritra ny fijaliany ; ny vavaka nataon'i Jesoa dia azontsika alina tahaka noho vavaka nataony izay feno fifandraisana sy fahatokisana lalina ny Ray, ary vavaka ho an'ny olona rehetra. Tiantsika i Jesoa, porofon'izany ny nanolorany ny aina ... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Mitana ny laharana faha-83 amin'ireo firenena miisa 167 nanaovana fanadihadiana ny firenena malagasy, amin'ny fampanjakana ny demokrasia... • Mbola manjaka ny ady tany sy ny fibodoana tany ankehitriny... • Voatana ny datin'ny androany 11 marsa 2025, nanombohana ny asa fanotofana ny lalana mihazo ny tananan'i Ivato...
Eo amin'ny faha-50 taona no manomboka miditra amin'ny digam-piainana maha zokiolona ny olombelona. Misy ireo trangan'aretina izay tsy azo hamaritana velively ny maha zokiolona, satria ny maro amin'izy ireny matetika dia miseho noho ny fomba nitondran'ny tsirairay ny fiainany.
• Nalefan'ny Tendrom-pitsarana Miady amin'ny Kolikoly eny Tsiafahy avokoa, ireo zandary 6 voarohirohy tamin'ilay raharaha “cocaïne” tany Nosy-Be Hell-Ville, raha eny Antanimoro kosa ireo sivily miisa 4... • Ny DREN no hiandraikitra ny fanadinam-panjakana CEPE, amin'ny fandrafetana sy ny fisafidianana ny laza adina avy amin'ny CISCO tsirairay. Mandrindra ny asa manerana ny nosy kosa ny Minisitera foibe...• Mihamaro ireo mpamitaka ara-bola, ary maro ireo mpitaona ara-bola izay misandoka, ka hiompana amin'ny fanabeazana ara-bola manerana ny nosy, ny fanamarihana ny Herinandro Maneran-tany ho an'ny Vola, na ny Global Money Week...
• Sazy an-terivozona mandra-pahafaty no miandry ireo voarohirohy miisa 18 tamin'ny famonoana an'i Rasazy Narindra, Ben'ny Tananan'i Mangataboahangy. Ananan'ny Mpitsara mpanao famotorana porofo manameloka azy, ireo olona ireo, hoy ny Tonia mpampanoa lalana... • Hentitra ny toromarika nomen'ny Lefitry ny Kaomandin'ny FIGN, ho an'ireo zandary mandrafitra ny Vondrona manokana miady amin'ny asan-dahalo andiany faha-37... • Fokontany Ankazotoa Anosimahavelona : Lakana mpampita olona no nivadika. Olona dimy tamin'ireo mpandeha 11 no avotra soa aman-tsara. Tonga nanampy tamin'ny fikarohana ireo olona enina lasan'ny rano ny mpamonjy voina...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco