Ny volana jona dia volana manasaka ny taona ; iray volana hanajàna ny Fo Masin'i Jesoa ; Volana JONA dia iray volana ho an'ny ankizy ; Volana hanaovana ny fanadinana famindrana kilasy ; Volana hanombohan'ny fanadinam-panjakàna ; Volana hanandratana ny teny Malagasy izany hoe iray volan'ny teny Malagasy ; Volana misy andro iray momba ny MOZIKA sy ny KOLONTSAINA ; Volana hankalazana ny niverenan'ny fahaleovantena ho an'ny Firenena Malagasy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Tsy tokony hihoatra ny herinandro ny fivoahan'ny valim-panadinana CEPE saingy miankina amin'ny fari-piadidim-pampianarana tsirairay anefa izany hoy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Namaly ny tsikera mahazo ireo solombavambahoaka ho mpananga-tanana fotsiny fa tsy mandinika ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna ny filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nohafahan'ny Fitsaràna ireo mpitsabo miisa enina, raha voasazy 18 volana an-tranomaizina sy handoa onitra 6.000.000 Ariary ilay mpampily ny fiara nitarika ny loza nahafaty ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabenirina...
Matetika hita any amin'ny faritra na firenena tsy mandroso ara-toekarena loatra ny fisian'ny tany midadasika be tsy ampiasain'olona kanefa dia tokony ampiasaina hampitomboana harena. Mazàna dia olona vitsy mpikarama na mpanofa sombin-tany no mikarakara azy eo. Ireo miasa tena mifototra eny an-kianja anefa tsy mahazo karama ara-drariny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Nizotra tamim-pilaminana ny fanatanterahana ny fanadinana CEPE manerana ny nosy androany. Nisafidy ny tao amin'ny EPP Andoharanofotsy, CISCO Antananarivo Atsimondrano, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny fanadinana... • Mila faritana mazava tsara ny tanjona kendrena amin'ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny antoko Fy-M. Mila atao mazava koa ny anjara andraikitry ny Minisiteran'ny Fanavaozana sy ny FFKM, hoy izy ireo, fa tsy hatsipy any amin'ny Fiangonana ny baolina rehefa misy ny olana... • Nafahan'ny Fitsarana ireo mpitsbo miisa enina, raha toa ka voasazy 18 volana an-tranomaizina sy handoa onitra 6 tapitrisa Ariary, ilay mpamily ny fiara nitarika ny loza, ka nahafaty ny Solombavam-bahoka Jean Jacques Rabenirina...
♦ Taranja 4 no vitan'ireo mpiadina ny fanadinana CEPE ho an'iny tapany maraina iny. Nizotra am-pilaminana izany tamin'ny ankapobeny nanerana ny nosy... ♦ Tsy tokony hihoatry ny volana Ôktobra ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena hoy ny SFDM. Nambaran'ny avy amin'ity antoko ity fa misy fifandroritana pôlitika ao, matoa tsy manomboka foana ny fakàn-kevitra... ♦ Novàna ny ampahany amin'ireo hetra alain'ny Fanjakàna anatin'ny volavolan-dalàna fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2026. Nohazavaina teny amin'ny Antenimieram-pirenena ny votoatin'izany, omaly...
Ny volana "Jona" dia iray volan'ny Teny Malagasy ; ho an'ny taona 2026 dia nanomana fifaninanana ny Foibe momba ny Teny an'ny Akademia Malagasy miaraka amin'ny Akademia Malagasy, mikasika ny "fanabeazam-boho ny teny. Tsy vitsy ankehitriny ireo voambolana ampiasaintsika Malagasy andavanandro, na izy ireny voambolana amin'ny teny vahiny na teny ampiasaina saingy tsy mbola miaty ; tanjon'ity fifaninanana ity ny mba hanabeazam-boho ny Teny Malagasy...
♦ Hiatrika ny fanadinana CEPE anio ireo ankizy amin'ny kilasy T-5, amin'ny ambaratonga fototra. Mpiadina maherin'ny 583.000 isa no voasoratra anarana amin'izany... ♦ Mbola hisy ny fandatsahan'orana any Andekaleka hampiakarana ny famokarana herinaratra hiatrehana ny main-tany. Hihena alavitra noho ny tamin'ny taon-dasa ny delestazy ho an'Antananarivo hoy ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA... ♦ Olomboafidy iray mitaky ny hanafahana olona any am-ponja noho ny raharaha omby very any amin'ny distrikan'i Mandoto... ♦ Nampanantena ny filoha Amerikana fa hisokatra tanteraka amin'ny zoma ny helodranon'i Ormuz...
Manampy amin'ny fivelaran'ny maha-olona hoy ny Eglizy ny fananan-javatra manokana ary ahazoany mampiasa ny andraikitra ao amin'ny tany ama-monina. Manan-jo ny olona hanana fananana manokana satria miantoka ny fizakan-tenany sy ny ankohonany izany, anefa tokony ho amin'ny antonony sy anaty fandanjalanjàna izany... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Hihena lavitra noho ny tamin'ny herintaona ny delestazy ho an'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo amin'ity taona ity. Mbola hotohizin'ny JIRAMA ny fandatsahana orana any Andekaleka, mba hmpitomboana ny famokarana herinaratra amin'izao fidirana amin'ny main-tany izao... • Miahiahy ireo antoko politika eto Madagasikara, ny amin'ny hoe hisy ihany ve ny fikaonandoham-pirenena amin'ity taona ity, sa tsia... • Nidina an-dalambe, nilanja sora-baventy nanakan-dalana teo amin'ny toerana manakaiky ny orinasa iasany, ny mpiasan'ny WKM etsy Andranomena androany...
♦ Hihamafy ny fiatraikan'ny haintany eto Madagasikara amin'ity taona ity : Efa mihomana sahady amin'ny fiatrehana ny mety tsy ho fahampian'ny famokarana herinaratra mandritra izany ny fitondram-panjakàna... ♦ Miisa 583.463 ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakàna CEPE ho an'ny rahampitso talata 16 jona manerana ny nosy... ♦ Tsy eken'ny fikambanan-dRelijiozy Capucin ny fametrahana eo amin'ny tanin'izy ireo ilay tsangam-bato fahatsiarovana ireo tanora namoy ny ainy nandritra ilay fety teny Ambohimalaza... ♦ Nahatsiaro sy naneho fiombonampo tamin'ireo lasibatry ny horohorontany tamin'ny 8jona, tany Philippines ny Papa Léon-XIV...
♦ Manomboka anio 15 jona hatramin'ny 20 jolay ny fahafahana manendry ireo mpikambana ao amin'ny vaomiera mpanao ny fanisana ny mpifidy eny ifotony (CNRE)... ♦ Miandry ny fandravonana ny angon-kevitra rehetra avy amin'ny Faritra ny firosoana amin'ny fifidianana izay ho mpikamban'ny birao ho an'ny holafitry ny mpanao gazety araka ny tapaka nandritra ny fivoriambe ho an'ny teto Analamanga ny faran'ny herinandro teo... ♦ Fisavana trano tetsy Tsarasaotra : Tambazotra mpisoloky anaty Internet ilay nosavaina, nanana fahazoan-dàlana hanao ny fisavana ireo mpitandron'ny filaminana tonga teny an-toerana...
Misy adidy mavesatra tokony ho tsapan'ny mpampiasa na tompon'ny renivola na olon-tsotra na vondron'olona na fanjakàna dia : voalohany dia mitsinjo izay ilaina hananana fiainana mendrika, faharoa dia mitsinjo ny vodiandro ho merika ka mandanjalanja tsara ho fitsinjovana izay ilain'ny taranaka ho avy, fahatelo dia ny fitsinjovana manokana ireo faritany na firenena osa kokoa ara-toekarena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco