I Masindahy Timothée sy Tite no tsaroana ny 26 janoary. I Masindahy Timothée dia teraka tao Lystre, Jiosy nandray ny finoana kristianina ny reniny fa ny rainy dia Grika mpanompo sampy. I Tite indray dia avy amin'ny fianakaviana andriana sy mpanjaka tao Crète.
Ny fibebahan'i Masindahy Paoly no ankalazaina ny 25 janoary. I Masindahy Paoly dia Jody avy amin'ny fokon'i Benjamina. Teraka tao Tarse (Cilicie), nifanerasera tamin'ny Grika ary niaina tao anatin'ny fanjakana romana. Tsy nianatra afa-tsy haisoratra izy tao amin'ny sekoly tao Tarse. Avy eo nankany Jerosalema nandranto fianarana tao amin'ny sekolin'i Gamaliel.
I Masindahy François de Sales no tsaroan'ny Fiangonana rehefa 24 janoary toa izao. Teraka ny 21 aogositra 1567 tao Savoie avarat'i Annecy i François de Sales. Miaramila tao amin'ny tafika mpiaro an'i François Voalohany mpanjakan'i France ny rainy ary i Françoise Sionnaz no reniny.
I Masimbavy Émérentienne na Émérance no tsaroan'ny Fiangonana rehefa 23 janoary. Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Émérentienne, andevo izy, zanak'ilay mpitaiza an'i Masimbavy Agnès. Nibebaka ho kristianina izy noho ny fahitany fiainan'i Agnès izay noraisiny ho toy ny rahavaviny mihitsy. Olona irey ihany moa no nampinono azy mirahavavy ireto.
I Laura Vicuña, Olontsambatra no tsaroana ny 22 janoary. Teraka tao Santiago (Chili) ny 05 aprily 1891 i Laura Carmen Vicuña. Miaramila ny rainy, mpanjaitra kosa ny reniny Mercedes Pino no anarany. Vao teraka kely i Laura dia tsy maintsy nifindra monina tany Temuco izy mianakavy.
Nafahan'ireo mpaka an-keriny, tamin'ny sabotsy 18 janoary teo, ny iray tamin'ireo seminarista efa-dahy nalain'izy ireo tao amin'ny seminera zokiny ao Kaduna any avaratr'i Nigéria.
I Masimbavy Agnès de Rome no tsaroana rehefa 21 janoary. Teraka ny taona 290 tao Roma i Masimbavy Agnès. Teo amin'ny faha-12 taonany izy no nandà ny fangatahana azy ho vady nataon'ny zanaky ny Péfet tao Roma. Tamin'io fangatahana io mantsy dia nambaran'i Agnès fa efa manana fofombady izy, ary ambony kokoa noho ity zanaky ny Préfet ity.
I Masindahy Fabien sy i Masindahy Sébastien no tsaroana ny 20 janoary. I Masindahy Sébastien dia teraka tao Narbonne tamin'ny taonjato fahatelo ary anisan'ny niady mafy niaro ny Fiangonana Katôlika Romana. I Fabien kosa dia evekan'i Roma.
Ankalazain'ny Fiangonana ny 19 janoary i Masindahy Maris. Olomanan-kaja avy any Perse i Masindahy Maris, niaina tamin'ny taonjato fahatelo izy. Nibebaka ho kristianina izy ary nanaraka azy koa ny ankohonany dia tsy iza izany fa i Marthe vadiny sy ny zanany roalahy dia i Audifax sy i Abacum.
I Masimbavy Prisca no tsaroana ny 18 janoary. Niaina tamin'ny taonjato voalohany i Prisca, zanak'andriana izy io. Teo amin'ny faha-13 taonany izy no nenjehina fa hoe kristianina. Ny Amperora Claudius no nanjaka tamin'izany ary nanenjika ny fivavahana kristianina.
Manentana ny kristianina rehetra ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin'ny alahady 12 janoary 2020, mba hifarimbona amin'ny fampivoarana ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny Seminera zandriny Ambohipo, amin'ny mandritra ny fiomanana ny fankalazana faha-zato taona.
Nanatanteraka hetsika ho famalifaliana ny ankizy tsaboina ao amin'ny hôpitamin'ny ankizy "Bambino Gesù", ny zoma 17 janoary, ny "dicastère" misahana ny fampivoarana ny mahaolona manontolo sy io hôpitaly iandraiketan'ny Fiketrahana Masina io.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco