Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Sir. 15, 15-20)

Tsy nisy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana.

Raha sitra-ponao dia hitandrina ny didy ianao;
miankina amin’ny sitraky ny fonao, ny tsy mivadika.
Nataony eo anoloanao ny afo sy ny rano,
azonao atsotra amin’izay tianao ny tananao.
Eo anoloan’ny olombelona ny fiainana sy ny fahafatesana,
ka izay fidìny dia homena azy.
Fa lehibe ny fahendren’ny Tompo;
sady mahery Izy no mahefa, ary mahita ny zavatra rehetra.
Ny masony dia eo amin’izay matahotra Azy,
ary fantany avokoa ny asan’ny olombelona.
Tsy misy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana,
tsy misy olona nomeny lalana hanota.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 118, 1. 2. 4-5. 17-18. 33-34)

Sambatra izay mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo.

Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny Fanambaràny,
sy mitady azy amin’ny fony tontolo!

Ianao ihany no namoaka ny Lahatrao
mba hotandremana fatratra.
Enga anie ho marin-toetra ny lalako
amin’ny fitandremana ny Fitsipikao!

Asio soa ity izaho mpanomponao:
ka ho velona sy hitandrina ny Teninao!
Alao tampina ny masoko hibanjina
ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao!

Tompo ô, toroy ny lalan’ny Fitsipikao aho,
mba hitandremako azy hatramin’ny farany.
Omeo fahalalana aho hitandremako ny Lalànao,
sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 2, 6-10)

Notendren’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao, hampahazo ny voninahitra antsika, ny Fahendreny.

Ry kristianina havana,
mitory fahendrena amin’izay efa lavorary ihany izahay;
nefa tsy mba ny fahendren’izao tontolo izao izany,
na an’ny mpanjakan’izao tontolo izao, izay olona efa ho levona;
fa fahendren’Andriamanitra no torìnay,
dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina,
izay voatendrin’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao
hampahazo voninahitra antsika;
ary tsy nisy nahatakatra izany ny mpanjakan’izao tontolo izao
(satria raha nahalala izy,
dia tsy ho namantsika ny Tompon’ny voninahitra tamin’ny Hazofijaliana);
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe:

Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina,
na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively
no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.
Tamintsika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny;
satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy,
na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao.
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-37)

Raha izany no nolazaina tamin’ny Ntaolo, izao kosa no lazaiko aminareo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia iray
na tendrin-tsoratra iray akory aza,
mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany,
izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Lazaiko aminareo,
fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna
sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny Fitsarana.

Ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna;
ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny namanao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny namanao
vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra,
ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.

Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mijangajanga.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao,
dia esory izy ka ario lavitra anao,
fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very,
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao,
dia tapaho ka ario lavitra anao,
fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very,
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary koa efa voalaza hoe:

Na iza na iza hisaotra ny vadiny,
dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany,
dia mampijangajanga azy;
ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.

Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.

Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy;
na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy;
na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy;
na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty
na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao.
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-22a. 27-28. 33-34a. 37)

Raha izany no nolazaina tamin’ny Ntaolo, izao kosa no lazaiko aminareo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Lazaiko aminareo,
fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna
sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo.

Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny Fitsarana.

Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mijangajanga.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.

Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.

Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Niara-nientana namboly hazo tao Antanimietry, Fokontany Ambohimanatrika, Kaominina ambanivohitra Mahitsy, atao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo ny 03 febroary 2023 teo ny vovonam-pikambanana Filamatra Soa Iombonana na ny "FISOI". Vovonana misehatra amin'ny asa fampandrosoana ny eny ambanivohitra...

♦ Mametraka fanamby hampiakatra ny tahan'ny fandoavan-ketra ho 15% ny foibem-pitantanana ankapoben'ny hetra hatramin'ny taona 2025. Mahavelombolo ny hetra niditra tamin'ny taona 2022 hoy ny tale jeneraliny... ♦ Hanampy ny tanora mpandraharaha hiditra amin'ny sehatry ny ara-dalàna ny Sendikàn'ny Indostria Malagasy. Napetraka ny Ivon-toeram-pitantanana ankatoavina. Fiara-miasan'ny SIM sy ny PNUD... ♦ Niravona ny disadisa nateraky ny fahaverezan'ny finday avo lenta teny amin'ny Lycée Andohalo. Efa notsoahin'ilay ray aman-drenin'ny mpianatra very finday ny fitoriana tany amin'ny mpitandro filaminana. Heverina hianatra ny mpianatra rahampitso taorian'ny fampihatoana 48 ora...

♦ Tsara ny tahan'ny fampidiran-ketra tamin'ny taon-dasa teo. Nahatratra 3680 miliara Ariary mahery ny vola niditra tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, raha araka ny tatitry ny Foibem-pitantanana Ankapoben'ny Hetra... ♦ Manambana hitokona ny Randrana Sendikaly, noho ny fidinan'ny karama farany ambany amin'ny sehatra tsy miankina... ♦ Miato hatrmin'ny rahampitso ny fampianarana eny amin'ny Lisea Andohalo, noho ilay savorovoro nateraky ny fahaverezan'ny fiday lafo vidin'ny mpianatra iray. Niakatra filankevi-pifehezana teo anivon'ny sekoly, ny raharaha androany...

♦ Notsenaina tao Andriba, vavahadin'ny Diôsezin'i Mahajanga, tamin'ny tapany maraina teo i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Eveka vaovao ho an'ny Mahajanga... ♦ Tsy tokony hipetraka ny ady hevitra momba ny hisiana na tsy hisian'ny fifidianana amin'ity taona ity hoy ny Sampana Fanaraha-maso ny fifidianana SAFIDY... ♦ Miahiahy ny amin'ny fomba fiasan'ny CENI ao anatin'izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Namafisin'ny mpitondra tenin'ny Antoko Me Rakotomalala Rija fa efa nanaitra amin'ny tokony hanaovana audit ny logiciel ampiasain'ny CENI izy ireo saingy mijanona ho antso an'efitra izany hatramin'izao...

Ny firaisan-kina manova zavatra maro eo amin'ny fiainana. Ny sehatra rehetra misy fifandraisana, fifaneraserana dia ilàna firaisan-kina satria izany no fototry ny fandrosoan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Nahatsiaro ireo 49 mianadahy lavo noho ny tolona ho an'ny fahafahana sy ny fijoroana ho an'ny fitiavan-tanindrazana, tamin'ny 7 febroary 2009, ny fitondram-panjakana notarihan'ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Mandrahona ny hiverina hitokona sy hanamafy ny hetsika fitakiana indray ny sendikan'ny Mpirakidraharaha... ♦ Namaky bantsilana ny fomba tsy ara-drariny sy tsy ara-dalana nahazoan'ny olona tany 9 hektara eny amin'ny Kaominina Alasora, Distrikan'Antananarivo Avaradrano, androany, ny Transparency International Initiative Madagascar sy ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany...

♦ Nahatsiaro ireo 49 mianadahy lavo noho ny tolona ho an'ny fahafahana sy ny fijoroana ho an'ny fitiavan-tanindrazana, tamin'ny 7 febroary 2009, ny fitondram-panjakana notarihan'ny Filohan'ny Repoblika, omaly... ♦ Mandrahona ny hiverina hitokona sy hanamafy ny hetsika fitakiana indray ny sendikan'ny Mpirakidraharaha-pitsararana... ♦ Namaky bantsilana ny fomba tsy ara-drariny sy tsy ara-dalana nahazoan'ny olona tany 9 hektara eny amin'ny Kaominina Alasora, Distrikan'Antananarivo Avaradrano, omaly, ny Transparency International Initiative Madagascar sy ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany... 

Ny fandaminana ny fandaharam-potoanan'ny ankizy dia miankina amin'ny taonany sy ny filàny. Manomboka eo amin'ny fahadimy taonany farafahatarany no hanabeazana ny ankizy kanefa hajaina ny filàny mba hampivelatra azy ara-tsaina. Ireo filàna fototra tsy azo hiodivirana dia ny torimaso sy ny sakafo, lalao sy fanantanjahantena... Ilain'ny ankizy ny fivoahana ivelan'ny trano mba ahafahany mandinika sy misintona lesona eny amin'ny fiaraha-monina sy mankafia ny tontolo iainana. Atao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny ankizy ny fiarahana manao zavatra amin'ny lehibe : miresaka, milalao, mikirakira fitaovana, mamaky boky. Tokony tandremana ny fisafidianana olona hiandraikitra ny zanaka mandritra ny tontolo andro...

♦ Feno 14 taona katroka anio ilay fitifirana olona tamin'ny 7 febroary 2009. Tsy fantatra ny tena marina momba ity raharaha ity hatramin'izao, tsy misy na fanadihadiana na fitsarana... ♦ Misy fanodikodinam-bola 360 tapitrisa Ariary eo anivon'ny Paositra Malagasy. Maromaro ireo mpiasa vaorohirohy amin'izany, ka anisan'izany ny Tale Jeneraly, hoy ny gazety iray mpiseho isan'andro... ♦ Hotapahana rahampitso ny vahaolana hamahana ny olana sedrain'ireo mpamokatra sy mpandraharaha amin'ny lavanila eto Madagasikara...

♦ Tsy mitsahatra ny mitady vahaolana sy mikatsaka ny tombontsoa ho an'ireo tantsaha sy mpandraharaha ny fitondram-panjakana, manoloana ny olana amin'ny mbola fisian'ny lavanila maro, no ireo tsy lafo... ♦ Mbola misy ampiasaina hatrany amin'ny 40 taona, ireo harena an-kibon'ny tany, izay akora fototra ilain'ny orinasa Cementis hamokarana simenitra any Ibity... ♦ Notoloran'ny orinasa Telma vola 136 tapitrisa Ariary androany, ireo mpilalao sy ny Staff technique an'ny Barea...

♦ Nanomboka tamin'ny volana janoary teo ny fisoratana anarana ho an'ireo ankizy rehetra izay hiatrika ny Fihaonamben'ny Ankizy, andiany faha-3, hotanterahana eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny 27 hatramin'ny 30 jolay 2023... ♦ Ny 18 sy 19 febroary 2023 no hotanterahana, ny fihaonamben'ny Filankevitra amin'ny Fitondrana ny Vahoak'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana tamin'ny fivahinianana iraisam-pinoana tao amin'ny Mausolée John-Garang, Soudan Atsimo, ny Fitsidihana Apôstôlika faha-40, nataon'ny Papa François...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...