♦ Sahirana amin'ny fanatanterahana ny asa, vokatry ny tsy fahampian'ny fitaovana sy ny olona, ny eo anivon'ny Fitsarana Fandravana... ♦ Mitsipaka tanteraka ny fametrahan'ny fitondram-panjakana ny "Droit de sortie", na ny haba manokana alaina amin'ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany, ny FOM, federasiôna ivondronan'ireo fikambanana misehatra amin'ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Hiato mandritra ny telo andro, manomboka ny 3 febroary izao, ny tolotra hampiasana ny fitaovana nomerika eo anivon'ny Jirama...
♦ Notanterahana tamin'ny 7 janoary lasa teo ny fanamasinana diakra roa, sy fanamasinana pretra avy amin'ny Fikamabanan'ny Pretra Misiôneran'ny Fianakaviana Masina. Tao amin'ny Paroasy Ambalavao, any amin'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa no nanatanterahana izany... ♦ Nankalaza ny faha-100 taona niorenany ny Kôlejy Masina Misely Itaosy, izay tantanan'ireo pretra Karma, tamin'ny alatsinainy 23 janaoary 2023, tamin'ny alalan'ny Eokarisitia Masina notarihan'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka Mpanampy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
Sabotsy 4 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)
Zoma 3 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)
Alakamisy 2 febroary 2023 — Ny nanolorana ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)
Alarobia 1 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)
Talata 31 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)
♦ Miverina miakatra indray ny rano, any amin'ny Distrikan'Ambato-Boeny, hatramin'ny maraina teo. Manomboka maty koa ny biby fiompy any an-toerana ankehitriny... ♦ Mbola maro ireo tsy maty voalavo an-kibo amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalana sy ny fanimbana ny tontolo iainana eto Madagasikara, hoy ny Alliance Voahary Gasy... ♦ Miisa 59 hatramin'izao, ireo voafonja heverina fa mbola tsy very zo, ao amin'ny fonjan'i Taolagnaro...
Alatsinainy 30 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)
Alahady 29 janoary 2023 — Alahady Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona A — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 13, 1-8)
Ry kristianina havana,
mahareta amin’ny fitiavana.
Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny,
fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely,
nefa tsy nahahala azy.
Tsarovy izay mifatotra,
aoka ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo;
ary izay ampahoriana koa,
fa mbola ao anatin’ny nofo koa ianareo.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana,
ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady,
fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana;
mionòna amin’izay anananareo, fa tenan’Andriamanitra no nilaza hoe:
“Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
ka sahintsika ny manao amim-pitokiana hoe:
Andriamanitra no vonjiko,
ka tsy hatahotra na inona na inona aho;
inona no azon’ny olona atao amiko?”
Tsarovy ny mpitondra anareo,
izay nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo;
diniho ny niafaran’ny fiainany;
ka alao tahaka ny finoany;
i Jesoa Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 26, 1. 3. 5. 8b-9abd)
Ny Tompo no fanilo sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?
Raha tafika no mitoby hiady amiko,
tsy miraika ny foko;
raha andiany no mirongatra hamely,
matoky hatrany aho.
Amin’ny andro fahoriana aho
afeniny amin’ny efitra fialofany;
takonany ao am-pierena ao an-dainy,
asandrany ambony vatolampy.
Eny, ry Tompo, tadiaviko ny tavanao!
Aza afenina ahy ny tavanao!
Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao!
Ry ilay Mpitahy ô, aza manary!
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)
Tamin’izany andro izany:
Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda ka hoy ny sasany hoe:
“I Joany Batista nitsangan-ko velona izay,
ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy”;
fa ny sasany kosa nanao hoe:
“I Elia izay”,
ary ny hafa indray dia hoe:
“Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany.”
Ary nony nandre izany i Herôda, dia nanao hoe:
“I Joany izay e, dia ilay efa notapahiko ny lohany,
fa efa nitsangan-ko velona izy.”
Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra
sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny
izay nalainy ho vady.
Satria i Joany nanao taminy hoe:
“Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao.”
Koa tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza,
saingy, tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany,
izay hitany fa lehilahy marina sy masina,
ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro,
sy nohenoiny tamin-kafaliana.
Ary tonga ny andro tsara,
dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda
ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tompon’arivo
ary ny loholona tany Galilea.
Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada
ka nahafaly an’i Herôda, sy izay niara-nihinana taminy;
dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy:
“Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao”,
sady nampiany tamim-pianianana hoe:
“Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao,
na dia ny antsasaky ny fanjakako aza.”
Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe:
“Inona no angatahiko?”
Ary hoy reniny:
“Ny lohan’i Joany Batista.”
Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy,
ka nangataka hoe:
“Tiako raha omenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao
ny lohan’i Joany Batista.”
Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany
sy noho ireo olona niara-nihinana taminy,
dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy,
fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray
nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia.
Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina,
ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy
dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa.
Nony nandre izany ny mpianany,
dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mihatra ny filazana loza manambana amin'ny fiakaran'ny rano eny amin'ny lemak'Antananarivo, araka ny fampahafantarana navoakan'ny BNGRC... ♦ Tafajoro ny Vovonana C-Lera, izay manohitra ny tsy rariny sy ny fanaparam-pahefana misy eto amin'ny firenena. Efa niharan'ny antsojay sahady anefa ireo mpikambana, nialoha ny fampahafantarana ny vovonana teny Iavoloha... ♦ Nisitraka vola 334 tapitrisa Dolara avy amin'ny BAD sy 200 tapitrisa Dolara avy amin'ny FIDA i Madagasikara, nandritra ny dian'ny delegasiôna tarihin'ny Filoha Rajoelina Andry any Dakar...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco