Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 1, 26-31)
Ry kristianina havana, jereo ange izato ianareo voaantso e:
tsy firy no hendry araka ny nofo, tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana,
fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry;
izay ataon’izao tontolo izao ho malemy
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao, dia ny atao ho tsy misy aza,
no nofidin’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy,
mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo,
dia ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana
ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe:
Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 12-13. 18-19. 20-21
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany!
Any an-danitra ny Tompo mitazana:
hitany avokoa ny zanak’olombelona.
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena.
Ny fanahinay manantena ny Tompo.
Mpitahy anay Izy sy Ampinganay!
Izy no ifalian’ny fonay;
ny Anarany masina no ifefenay!
Aleloia. Aleloia.
Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny
ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray;
samy araka ny fahaizany avy dia lasa nandeha izy.
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa.
Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;
fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa,
nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.
Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa
ka nanao hoe:
‘Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho.’
Dia hoy ny tompony taminy:
‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’
Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe:
‘Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho.’
Dia hoy ny tompony taminy:
‘Tsara izany, ry mpanompo tsara, sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’
Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe:
‘Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao,
fa mijinja amin’izay tsy namafazanao, ary manangona amin’izay tsy nanahafanao,
ka natahotra aho, dia lasa naleviko tany anaty tany ny talentanao;
koa indro averiko aminao ny anao.’
Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe:
‘Ry mpanompo ratsy sady kamo,
fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho, ary manangona amin’izay tsy nanahafako;
koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako,
ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy omban-janany.
Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo ilay manana talenta folo;
fa izay manana no homena, ka hanam-be izy,
fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza.
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Andriamatoa Razakamanantsoa Gaby Nestor no tale jeneralin'ny Bianco voavao, izy no handimby an'Andriamatoa Laza Erick Donnat Andrianiriana nahavita fe-potoam-piasana 5 taona tsy azo havaozina... ♦ Andro faharoa amin'ny FIER MADA ny anio. Nanomboka omaly hatramin'ny alahady izao eny amin'ny Maki Andohatapenaka ity Tsenabe iraisam-pirenena momba ny toe-karena ambanivohitra andiany faha-25 ity... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny tetik'asa AVOTSE. Ny hampihenana sy hanalefahana ny voka-dratsy ateraky y loza voajanahary toy ny hain-tany any amin'ny faritra atsimon'ny nosy no tanjona... ♦ Mihatra ao Koursk ny amehana amin'ny tany miady...
Raha tena mivavaka amin'ny fo hoy ny Papa François dia lasa mahay mijery ny zava-misy amin'ny mason'Andriamanitra. Ny vavaka dia tsy fampandriana eritreritra, tsy natao ho famahana olana. Ny vavaka dia manampy sy mamporisika antsika handray ny andraikitra manandrify antsika. Ny Salamo dia vavaka ho an'ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra amin'ny fotoana rehetra... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
♦ Hampihena sy hanalefaka ny voka-dratsy ateraky ny loza voajanahary, toy ny haintany any amin'ny faritra atsimon'ny nosy, ny tetik'asa Avotse... ♦ Mihamahazo vahana tato ho ato ny herisetra sy ny fanararaotana ara-nofo, ary ny fanapariahana sary mamoafady mianjady amin'ny ankizy amin'ny alalan'ny Internet... ♦ Nanomboka androany ary haharitra dimy andro, eny amin'ny MAKI Andohatapenaka, ny FIERMADA, tsenabe mahakasika ny toekarena ambanivohitra eto Madagasikara...
♦ Hifarana anio ny fe-potoana 48 ora nomen'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa hamahana ny olan'ny mpianatra eny amin'ny polytechnique Vontovorona... ♦ Hiroso amin'ny fanamboarana ireo làlana tena ratsy ao Antsapanana miazo an'i Moramanga sy Brickaville miazo an'i Toamasina ny ministeran'ny asa vaventy... ♦ I Madagasikara no handray ny fivorian'ireo firenena mpikambana anatin'ilay fifanarahana Naérobie aty andrefan'ny fari-dranomasimbe Indiana na ny COP 11, ny 20 hatramin'ny 22 aogositra ho avy izao etsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Nofidian-dRamatoa Kamala Harris ho mpiara-mihazakazaka sy mpiray lisitra aminy amin'ny fiatrehana ny fifidianana filoha any Etazonia i Tim Walz...
♦ Novelabelarina nandritra ny andro fahaenina amin'ny fihaonambe maneran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny Saleziana tanterahana ao Roma renivohitr'i Italie ny momba ny asa fanaovan-gazety kirakiraina amin'ny alalan'ny "Mobile Journalism"... ♦ Tsy manara-dalàna ary mandika ny lalam-panorenana ny programan'asa ho fanatanterahana ny PGE izay hatolotry ny praiministra eny anivon'ny antenimiera raha tsy faritana sy tapahina eo anivon'ny filan-kevitry ny governemanta hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Avotry ny mpitandro filaminana ireo folo lahy nisy naka an-keriny tao amin'ny kaominina Ambohibary Vohilena, Disitrikan'Anjozorobe...
Misy ireo manao vavaka mba hahazoana doka na dera fotsiny, izany he mivavaka mba hitady voninahitra ho an'ny tenany. Misy ireo mandeha mivavaka mba hampidera haingo sy lamaody fotsiny mba ho hitan'ny olona fa tsara endrika sy mendrika eo anivon'ny fiaraha-morina. I Jesoa dia manitsy an'io fomba fivavahantsika io ka milaza hoe : raha mivavaka ianareo, aza mba manao tahaka ny mpiatsaravelatsihy... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
♦ Novelabelarina nandritra ny andro fahenina amin'ny Fihaonambe Maneran-tany momba ny Fifandraisan'ny mpiara-belona, ho an'ny Salezianina, tanterahana ao Roma, ny momba ny fanaovan-gazety kirakiraina amin'ny alalan'ny finday na “Mobile journalism”... ♦ Avotry ny mpitandro ny filaminana ireo folo lahy nisy naka an-keriny tao amin'ny Kaominina Ambohibary Vohilena, Distrikan'Anjozorobe. Nijery ny zava-misy tany an-toerana ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Foloalindahy... ♦ Miditra an-tsehatra manohana ny fanatsarana ny lalam-pihariana kafe, ny fandaharan'asa PIC...
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 1, 17-25)
Ry kristianina havana,
tsy ny hanao batemy no nanirahan’i Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely.
Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa, fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy.
Fa hadalana ny fampianarana ny amin’ny Hazofijaliana ho an’izay very,
ary herin’Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy, satria voasoratra hoe:
Hofoanako ny fahendren’ny hendry; ary holaviko ny fahaizan’ny mahay.
Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr’izao tontolo izao?
Tsy nahariharin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao?
Fa noho ny fahendren’Andriamanitra,
dia tsy nahalala an’Andriamanitra ny fahendren’izao tontolo izao,
ka dia ny hadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjena izay mino.
Fa ny Jody mila famantarana, ny Jentily mitady fahendrena,
ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily;
fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa
amin’izay voaantso, na Jody na Jentily.
Fa izay toa fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona,
ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny herin’ny olombelona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 1-2. 4-5. 10ab sy 11
Hobio ny Tompo, ry olo-marina:
dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy!
Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo!
Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany;
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Aleloia. Aleloia.
Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:
‘Inty tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’
Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:
‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.’
Hoy ny navalin’ny hendry azy:
‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.’
Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:
‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’
Fa hoy ny navaliny azy:
‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’
Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer 1, 17-19)
Tamin’izany andro izany,
dia tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Misikìna, mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao.
Aza mangovitra eo anatrehany fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany ianao.
Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda,
andry vy ary manda varahina, eo anatrehan’ny tany rehetra,
eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà, sy ny mpifehy eo aminy,
eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany.
Hiady aminao izy nefa tsy hahefa na inona na inona aminao,
satria momba anao Aho, hamonjy anao Aho”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal 70, 1-2. 3-4a. 5-6ab. 15ab sy 17
Ianao no ifefeko ry Tompo!
Tsy ho azon-kenatra aho, ry Ilay mandrakizay!
Afaho noho ny fahamarinanao;
itongilano sofina ka vonjeo!
Aoka Ianao ho vatolampy fialofako,
ho trano mafy mahavonjy!
Eny, Ianao no haram-bato
sy toera-mafy ho ahy, Andriamanitra ô!
Fa Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra,
fanantenako hatra ny fahakeliko!
Hatrany am-bohoka, Ianao no heriko;
hatrany an-kibon’ineny, Ianao no Mpiaro ahy.
Ny fiderana Anao tovonako hatrany;
ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinana sy vonjinao.
Andriamanitra ô! mbola kely aho no nampianarinao,
ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk 6, 17-29)
Tamin’izany andro izany,
i Herôda dia naniraka hisambotra sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny
izay nalainy ho vady.
Satria i Joany nanao taminy hoe:
“Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao”.
Ka tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza,
saingy tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany,
izay hitany fa lehilahy marina sy masina
ka narovany sady narahany hevitra tamin’ny zavatra maro,
sy nohenoiny tamin-kafaliana.
Ary tonga ny andro tsara,
dia ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda
ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny
sy ny tompon’arivo ary ny loholona tany Galilea.
Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada
ka nahafaly an’i Herôda sy izay niara-nihinana taminy;
dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy:
“Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao”.
Sady nampiany tamim-pianianana hoe:
“Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao,
na dia ny antsasaky ny fanjakako aza”.
Dia nivoaka razazavavy,
ka nanontany an-dreniny hoe:
“Inona no hangatahiko?”
Ary hoy reniny:
“Ny lohan’i Joany Batista”.
Dia nidododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy,
ka nangataka hoe:
“Tiako raha homenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao
ny lohan’i Joany Batista”.
Nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianana sy noho ireo olona niara-nihinana taminy
dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy,
fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray
nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia.
Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina,
ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy,
dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa.
Nony nandre izany ny mpianany,
dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.
— Izany àry ny tenin’Tompo.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (2 Tes. 3, 6-10. 16-18)
Ry kristianina havana,
mandidy anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay,
mba hisaraka amin’ny rahalahy rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay,
fa manao fitondran-tena tsy marina.
Efa fantatrareo izay tokony hataonareo mba hakan-tahaka anay,
fa tsy mba nanao izay tsy marina teo aminareo izahay.
Tsy mba nihina-mofon’olona maimaim-poana izahay, fa niasa andro aman’alina,
ka sasatra sy trotraka erý,
mba tsy hahavaky tratra na dia ny iray akory taminareo aza;
tsy noho izahay tsy manam-pahefana anefa,
fa noho izahay te-hanolo-tena ho fakan-tahaka ho anareo.
Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe:
Raha misy tsy mety miasa, dia aoka koa izy tsy hihinana.
Ny Tompon’ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo mandrakariva amin’ny zavatra rehetra.
Homba anareo rehetra anie ny Tompo.
Ity no veloma soratan’ny tanako, izaho Paoly.
Toy izao no soratro, ka ataovy famantarana ny taratasiko rehetra.
Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 121, 1-2. 4-5
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo
sy mizotra amin’ny lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika.
Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 27-32)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe:
“Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara,
fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra.
Toy izany koa, ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason’ny olona,
nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana.
Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa manamboatra ny fasan’ny mpaminany ianareo
sady manisy haingony ny tsangam-baton’ny olo-marina ka manao hoe:
‘Raha izahay no mba tamin’ny andron’ny razanay,
dia tsy ho niray tetika taminy, handatsaka ny ran’ny mpaminany izahay.’
Koa amin’izany ny tenanareo ihany no mitsangan-ko vavolombelona
fa zanak’izay namono ny mpaminany ianareo.
Fenoy àry ny famaran’ny razanareo!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (2 Tes. 2, 1-3a. 14-17)
Ry kristianina havana,
ny amin’ny hahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy,
dia mihanta aminareo izahay mba tsy hety hozongozonin-tsaina mora foana ianareo,
na ho azo ampitahorina foana, na amin’ny fanahy izany, na amin’ny teny,
na amin’ny taratasy hamboina ho avy aminay,
mova tsy ny efa antomotra iny ny andron’ny Tompo.
Aza mety hofitahin’ny olona velively.
Ny Evanjelinay no niantsoan’Andriamanitra anareo,
mba hahazoanareo ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Koa tomoera tsara, ry kristianina havana;
ary tano ny fampianarana noraisinareo, na ny tamin’ny teny am-bava, na ny tamin’ny taratasinay.
Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Andriamanitra Raintsika,
izay efa tia antsika, ka nanome antsika fanalàna alahelo mandrakizay,
sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana,
no hanafaka alahelo ny fonareo sy hankahery anareo amin’ny asa tsara aman-teny soa rehetra!
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 95, 10. 11-12. 13
Ilazao ny firenena:
Manjaka ny Tompo!
Izao tontolo izao mafy orina, tsy hihontsona.
Ny vahoaka tsarainy araka ny hitsiny.
Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany,
hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy,
hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy,
hanakora avokoa ny hazo any an’ala.
Mba hitsena ny Tompo:
fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny.
Aleloia. Aleloia.
Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 23-26)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe:
“Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo;
nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo,
dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana.
Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.
Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo!
Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo,
nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana.
Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia
mba ho madio koa ny vohony.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco