Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 4, 1-5)
Ry kristianina havana, aoka hataon’ny olona ho mpandraharahan’i Kristy izahay,
sy mpitandrina ny misterin’Andriamanitra.
Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra.
Raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy na hotsarainareo aho, na hotsarain’ny andron’ny olona;
fa na izaho aza tsy mitsara tena.
Satria tsy hitako izay tsiniko nefa tsy mahamarina ahy izany,
fa ny Tompo no mpitsara ahy.
Noho izany, aza mitsara alohan’ny fotoana, dia mandra-pahatongan’ny Tompo;
fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina,
ka hampiseho ny hevitry ny fo,
ary amin’izay vao samy hahazo izay dera tandrifin’azy tsirairay avy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 36, 3-4. 5-6. 27-28. 39-40
Miantehera amin’ny Tompo, manaova ny tsara;
monena amin’ny tany; miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Ankino amin’ny Tompo ny lalanao;
miantehera aminy: fa Izy no hanao;
ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana;
ny fahamarinanao ho mitataovovonana.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara,
raha tahiny te-haharitra mandrakizay.
Fa ny Tompo dia tia ny rariny,
ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo;
fa Izy no màndany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy,
manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 33-39)
Tamin’izany andro izany,
ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna dia nanontany an’i Jesoa nanao hoe:
“Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava,
fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?”
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon’ny mpampakatra,
raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra?
Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo.”
Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe:
“Tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ny tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao,
fa raha izany, ny vaovao moa rovitra, ny tonta koa tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao.
Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta koa,
fa raha izany dia ho simban’ny divay vaovao ny siny hoditra ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina;
fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao, dia samy haharitra izy roroa.
Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy ka hangataka ny vaovao,
satria hoy izy hoe: ‘Ny tranainy no tsaratsara kokoa.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kô 3, 18-23)
Ry kristianina havana, aza misy mamita-tena;
fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao,
dia aoka ho adala izy mba ho hendry.
Satria ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra,
araka ny voasoratra hoe:
“Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy”;
ary koa hoe:
“Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry, ary fantany fa zava-poana izany.”
Koa aza misy manao olona ho reharehany, fa anareo ny zavatra rehetra,
na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao,
na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny na ny zavatra ho avy:
anareo avokoa izany rehetra izany;
ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6
Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa;
dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
napetrany tsara eo ambonin’ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amin’ny Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina?
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano;
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny endrik’Ilay Andriamanitra Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)
Tamin’izany andro izany, raha teo amoron’ny farihin’i Genezareta i Jesoa,
dia nifanesika nankeo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra.
Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy
(fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato),
dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna
ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany,
vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.
Rahefa nitsahatra niteny Izy, dia nanao tamin’i Simôna hoe:
“Mandrosoa eny amin’ny lalina,
dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.”
Fa hoy ny navalin’i Simôna Azy:
“Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay,
fa tsy nahazo na inona na inona;
nefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.”
Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be
ka nisy rovitra ny haratony.
Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo
mba ho avy hanampy azy:
dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo.
Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa
ka nanao hoe:
“Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho.”
Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy,
noho ny habetsahan’ny hazandrano azony;
ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany, zanak’i Zebede izay iray raharaha tamin’i Simôna.
Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna:
“Aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao.”
Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo
ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho evekan’Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran’ny Seminera Zokiny, fandalinana filôzôfia - Masindahy François de Sales ao Toamasina.
♦ Mangataka ny hanemorana ny fanatanterahana ireo asa lehibe tsy laharam-pahamehana kanefa mandany ny volam-bahoaka, ny antoko MMM... ♦ Nihemotra, ka any amin'ny faran'ny volana septambra indray vao ho tafaverina eto Madagasikara, ireo sokatra sy varika nisy nanondrana tany ivelany, ka tratra tao Thailande... ♦ Nodimandry androany maraina i Rampal ao amin'ny Tarika Rebika, ary hotanterahana anio ny fandevenana an'i Simon Randria...
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 3, 1-9)
Ry kristianina havana, tsy nahazo niteny taminareo toy ny amin’ny olona ara-panahy aho,
fa toy ny amin’ny olona ara-batana sy mbola zaza ao amin’i Kristy.
Ronono no nomeko hosotroinareo, fa tsy ventin-kanina mahery,
satria tsy mbola nahazaka izany ianareo,
sady tsy mbola mahazaka hatra ankehitriny aza noho ianareo mbola ara-batana.
Fa fialonana amam-pifandirana no hita ao aminareo,
ka moa tsy ara-batana sy araka ny fanaon’olombelona va izany?
Raha ny iray hanao hoe:
“Izaho an’i Paoly”,
ny iray kosa hanao hoe:
“Izaho an’i Apôlô”,
moa tsy olombelona ihany va ianareo amin’izany?
Fa inona àry i Apôlô, ary inona koa i Paoly?
Mpandraharaha nahatonga anareo ho mpino fotsiny ireo, samy araka izay nomen’ny Tompo azy avy.
Izaho moa namboly, i Apôlô nanondraka;
fa Andriamanitra ihany no nampaniry.
Samy tsinontsinora na izay namboly na izay nanondraka;
fa Andriamanitra izay mampaniry ihany no izy.
Sahala ihany ny mamboly sy ny manondraka;
ary samy hovalian’Andriamanitra araka ny fisasarany avy.
Fa izahay moa mpiara-miasa amin’Andriamanitra,
ary ianareo kosa sahan’Andriamanitra sy trano arafiny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 12-13. 14-15. 20-21
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidìny ho lovany!
Any an-danitra ny Tompo mitazana:
hitany avokoa ny zanak’olombelona.
Any amin’ny toerana onenany Izy mitsinjo
ny mponina rehetra amin’ny tany:
Izy Ilay namolavola ny fony tsy an-kanavaka,
Ilay mahafantatra ny asany rehetra!
Ny fanahinay manantena ny Tompo:
Mpitahy anay Izy sy Ampinganay!
Izy no ifalian’ny fonay;
ny Anarany Masina no ifefenay!
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 38-44)
Tamin’izany andro izany, nony nitsangana niala tao amin’ny sinagôga i Jesoa,
dia niditra tao an-tranon’i Simôna.
Sendra azon’ny tazo mahery ny rafozambavin’i Simôna tamin’izay,
ka niangavian’ny olona Izy hahasitrana azy.
Niondrika teo amin’ny marary Izy nandidy ny tazo, dia niala ny tazo,
ka nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.
Nony maty ny masoandro,
izay nanana marary na inona na inona aretiny dia samy nitondra ny azy teo aminy,
ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy dia nahasitrana azy.
Nisy demony nivoaka tamin’ny olona maro koa niantso hoe:
“Ianao no Zanak’Andriamanitra”;
fa norahonany tsy hiteny izy ireo noho izy nahalala Azy ho i Kristy.
Raha vao naraina ny andro,
dia lasa nankany amin’ny toerana mangingina anankiray Izy.
Vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy,
ka nony tonga tao aminy dia nitady hihazona Azy tsy hisaraka aminy intsony;
fa hoy Izy taminy:
“Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho,
fa izany no nanirahana Ahy.”
Dia nitory teny tao amin’ny sinagôgan’i Galilea manontolo Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 2, 10b-16)
Ry kristianina havana, mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy,
na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.
Iza ary no hahalala izay ao am-pon’ny olona,
afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany?
Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra
afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany.
Ary isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao,
fa ny Fanahy avy amin’Andriamanitra,
mba hahalalantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany.
Tsy mba amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olombelona no ilazanay an’izany,
fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy,
satria zavatra ara-panahy izany, ka lazainay amin’ny teny ara-panahy koa.
Tsy azon’ny olona ara-batana anefa ny zavatra avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra;
ataony ho fahadalana izany, fa tsy hainy fantarina velively,
satria amin’ny Fanahy no hany amantarana izany.
Fa ny olona ara-panahy no mitsara ny zavatra rehetra,
sady tsy azon’olona tsaraina.
Satria zovy àry no mahafantatra izay hevitry ny Tompo, ka ho afa-mampianatra azy?
Fa isika manana ny hevitr’i Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 8-9. 10-11. 12-13ab, 13de-14
Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo;
mambomba ny asany rehetra ny fangorahany!
Tompo ô! midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery,
sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao;
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao!
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo manohana izay rehetra lavo,
sy mampitraka izay mitanondrika.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 31-37)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nidina tany Kafarnaôma tanànan’i Galilea,
ka nampianatra ny olona tamin’ny sabata,
ary gaga ny olona tamin’ny fampianarany,
satria niteny toy ny manam-pahefana Izy.
Tao amin’ny sinagôga dia nisy lehilahy azon’ny demony maloto,
ka niantso mafy nanao hoe:
“Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô?
Tonga handringana anay va Ianao?
Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.”
Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe:
“Mangina ary mialà amin’io lehilahy io.”
Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy,
nefa tsy nandratra azy akory.
Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe:
“Teny manao ahoana re izany?
fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy,
dia miala ireny.”
Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mbola tsy isan'ireo Solombavam-bahoaka mandray anjara amin'ny asany eny amin'ny Antenimieram-pirenena, ny Solombavam-bahoakan'i Vangaindrano noho ny famonjana azy. Asan'ny Fitsarana izany, raha ny nambaran'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Tsy mitovy hevitra amin'ny famaritana ny atao hoe mpampaneno lakolosy ny Transparency International Initiative Madagascar sy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona... ♦ Misedra olana vokatry ny fihenan'ny rano any Andekaleka ny famatsiana herinaratra amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo. Manjaka ny fahatapahan-jiro mifandimby...
Rehefa nitalaho tamin'Andriamanitra Elia nanao hoe : "Mihainoa ahy ry Tompo ô, mihanoa ahy" mba hieken'ity vahoaka ity fa Ianao no Tompo Andriamanitra ary Ianao ihany no mampiverina ny fon'izy ireo indray. Nirotsaka ny afo ary nandoro ny sorona mbamin'ny kitay sy ny vato mbamin'ny tany ary ritra ilay rano nanodidina. Ny afo dia famantarana ny endriky ny herin'ny fanadiovan'Andriamanitra. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.
♦ Aleo halalaka amin'ny fotoana hananganany ny Governemanta, ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Tokely Justin... ♦ Miara-miasa amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, ny Diôsezin'Antsiranana sy ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Nanatrika ny fanambarana ôfisialy momba izany ny Minisitra Max Fontaine Andonirina sy ny Arsevekan'Antsiranana Mgr Benjamin Marc Ramaroson... ♦ Firenena isan'ny manana tanjaka ara-toekarena eran'izao tontolo izao i Chine. Manohana ny asa fampandrosoana an'i Madagasikara izy ireo...
♦ Mety ho mbola tsy amin'ity herinandro ity no hitsangana ny Governemanta vaovao. Ho any Harare, Zimbabwe indray ny Filoham-pirenena malagasy amin'ny faran'ny herinandro izao... ♦ Nentina nitsapana ny hevitry ny mpiasa ilay vaovao niparitaka momba ny fiakaran'ny IRSA ho 25%, hoy ny Randrana Sendikaly. Nambaran'ity sendikà ity fa mety hihatra amin'ny taona 2025 io fampiakarana io... ♦ Mihamafy ny fahatapahan'ny herinaratra eto Antananarivo. Misy fahasimbana ny fitaovana amin'ny zotra roa mpitatitra herinaratra miainga avy any Andekaleka ka mahatonga izany, hoy ny avy amin'ny JIRAMA...
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 2, 1-5)
Ry kristianina havana, fony aho tonga tany aminareo, dia tsy mba tamin-teny ambony,
na tamim-pahendrena no nitoriako ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo.
Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa afa-tsy i Jesoa Kristy aho tany aminareo,
indrindra fa Izy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Ary tamim-pahalemena sy tahotra ary hovitra be no nanatonako anareo;
sady tsy mba tamin’ny tenim-pahendrena mampiaiky volana no nampianarako sy nitoriako teny taminareo,
fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy Masina sy ny herin’Andriamanitra azy ho marina,
mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’olombelona,
fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 97-98. 99-100. 101-102
Drey izato fitiavako ny lalànao!
Izy no fibitsiko tontolo andro!
Ny baikonao mahahendry ahy noho ny fahavaloko,
sady ahy mandrakizay!
Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho:
satria ny Fanambarànao no fisaintsaiko!
Manam-pahalalana mihoatra ny zokiolona aho:
satria ny lahatrao no fandiniko!
Aviliko tsy hankamin’ny lalan-dratsy ny tongotro,
mba hitandremako ny teninao!
Tsy mba miala amin’ny satanao aho;
eny, Ianao tokoa no nampianatra ahy!
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy,
ary niditra tao amin’ny Sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata,
ary nitsangana hanao ny famakian-teny.
Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany,
ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:
“Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy
sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,
hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba,
hanafaka izay nampahorìna ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo
sy ny andron’ny famaliana.”
Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy,
ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga.
Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe:
“Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.”
Ary nankalaza Azy izy rehetra,
sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy ireo:
“Tsy ny zanak’i Jôsefa va ity?”
Ary hoy kosa i Jesoa taminy:
“Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe:
‘Dokotera, sitrano aloha ny tenanao.
Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma
mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa.’”
Dia notohiziny hoe:
“Lazaiko marina aminareo
fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.
Ary lazaiko marina aminareo koa
fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia,
raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra,
nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza,
fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà any amin’ny tany Sidôna ihany;
ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany,
nefa tsy nisy sitrana na iray aza,
fa i Naamàna Sirianina ihany.”
Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany,
ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna,
sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany
mba hazerany any an-tevana;
fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy, dia lasa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Deterônômy (Det. 4, 1-2. 6-8)
Tamin’izany andro izany, i Môizy niteny tamin’ny vahoaka Israely nanao hoe:
“Ankehitriny, ry Israely,
henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona ianareo,
ka hiditra sy hanana ny tany nomen’ny Tompo Andriamanitry ny razanareo anareo.
Aza manampy izay andidiako anareo, na manala amin’ izany akory,
fa tandremo ny didin’ny Tompo Andriamanitrareo, izay andidiako anareo.
Koa tandremo sy tanteraho izany,
fa izany no saina amam-pahendrena ho anareo eo imason’ny firenena
izay handre izany lalàna rehetra izany, ka ho vaky hoe:
‘Vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!’
Fa iza tokoa moa no firenen-dehibe hanana andriamanitra akaiky azy,
tahaka ny maha-akaikintsika ny Tompo Andriamanitsika isaky ny iantsoantsika Azy?
Ary zovy no firenen-dehibe manan-didy amam-pitsipika marina,
toy izao lalàna ataoko eo anoloanareo anio izao?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 14, 2-3a. 3bd-4ab. 4d-5
Dia izay mahitsy famindra
sy mitandro ny rariny:
ny fony misaina ny marina;
ny lelany tsy ekeny handainga.
Fady azy ny manisy ratsy
sy ny maneso ny miara-monina.
Ny olo-meloka tsy hasohasoany;
ny matahotra ny Tompo no hajainy.
Ny teny nomeny tsy ivadihany,
na voasingotra aza ny tenany.
Tsy mba maka zana-bola izy
na mandray tamby hahameloka ny marina.
Izay manao izany
tsy hihontsona mandrakizay.
Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 1, 17-18. 21b-22. 27)
Ry kristianina hava-malala, raiso amim-pahalemem-panahy ny fanomezan-tsoa rehetra
sy ny fahasoavana tanteraka rehetra avy any ambony,
ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana,
izay tsy manam-piovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana.
Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy,
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
Ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo,
izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa,
fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny.
Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray:
ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany;
ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-8a. 14-15. 21-23)
Tamin’izany andro izany,
dia niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema,
ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio,
izany hoe tsy voasasa.
Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany,
fa mitana ny fanaon-drazany izy;
ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa.
Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana,
dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana.
Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe:
“Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana,
fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa?”
Ary hoy ny navaliny azy ireo:
“Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe:
‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa manalavitra Ahy ny fony;
koa foana ny ivavahan’ireo amiko
satria didin’olombelona no ataony fampianarana’.
Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo”.
Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe:
“Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy,
fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy,
satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy:
dia ny fakàm-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona,
ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy,
ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy,
ny fiavonavonana, ny fahadalana;
izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco