Fiantombohan’ny taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (2 Tes 1, 1-5. 11b-12)
I Paoly sy i Silvano ary i Timôte mamangy ny Eglizy any Tesalônika
izay tafaray ao amin’ny Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo:
Homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay
noho ny aminareo, ry kristianina havana,
fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra;
ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.
Tonga reharehanay any amin’ny Eglizin’Andriamanitra ianareo,
noho ny faharetanareo sy tsy fivadihanareo,
na dia ao anatin’ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjò anareo aza.
Famantarana ny hamasinan’ny fitsaran’Andriamanitra izany,
dia mba hatao mendrika ny fanjakan’Andriamanitra izay antony iaretanareo ianareo,
ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan’ny finoanareo,
ka hankalazaina ao aminareo ny Anaran’i Jesoa Tompo,
sy ianareo koa ao aminy, araka ny fahasoavan’ny Andriamanitsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 9, 1-2a. 2b-3. 4-5
Ihirao hira vao ny Tompo!
Ihirao ny Tompo, ry tany tontolo!
Hatramin’ny ranomasina
ka hatramin’ny ranomasina.
Torio ny Famonjeny mahafaly!
Ambarao amin’ny firenena ny voninahiny!
ny vahoaka rehetra,
ny Asany mahagaga!
Fa lehibe ny Tompo sy mendri-dera fatratra,
mahatahotra noho ny andriamanitra rehetra!
Ny andriamanitr’ireo vahoaka tsinontsinona avokoa.
Ny Tompo kosa nanao ny lanitra.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 13-22)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe:
“Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy
fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra;
ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza;
ka nony mahazo ianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo.
Loza ho anareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe:
Raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny tempoly, dia voafehy izy.
Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena?
Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny ôtely, tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy.
Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra?
Koa amin’izany izay mianiana amin’ny ôtely,
dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny;
izay rehetra mianiana amin’ny tempoly,
dia mianiana aminy sy amin’Ilay mitoetra ao anatiny;
ary izay mianiana amin’ny lanitra,
dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, sy amin’izay mipetraka eo amboniny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jôsoe (Jôs. 24, 1-2a. 15-16 sy 18b)
Tamin’izany andro izany, novorìn’i Jôsoe tao Sikema ny fokon’i Israely rehetra;
nantsoiny avokoa ny loholon’i Israely, ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny;
ka niseho teo anatrehan’ny Tompo izy ireo;
dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra:
“Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:
Raha tsy sitrakareo ny hanompo ny Tompo
dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina,
na ny Andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony,
na ny andriamanitry ny Amôreanina izay onenanareo ny taniny.
Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo”.
Dia namaly ny vahoaka, ka nanao hoe:
“Lavitra anay izay handao ny Tompo ka hanompo andriamani-kafa.
Fa ny Tompo Andriamanitra no nampiakatra antsika mbamin’ny razantsika
avy tany amin’ny tany Ejipta, amin’ny trano fanandevozana
ary nanao ireo fahagagana lehibe teo imasontsika,
ary niaro antsika tamin’ny lalana nalehantsika sy tamin’ny firenena rehetra nandalovantsika.
Izahay koa hanompo ny Tompo, fa Andriamanitsika Izy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 33, 2-3. 12-13. 16 sy 23
Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Avia, rey anaka, henoy Aho:
ny tahotra ny Tompo no hampianariko anareo.
Iza ianareo no te ho velona
sady maniry fiainan-tsambatra?
Ny Tompo mijery ny olo-marina am-pitiavana
sy fatra-pihaino ny tolokony.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo,
tsy mba hisy sazy ho an’izay mifefy aminy.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 5, 21-32)
Ry kristianina havana, mahaiza mifanoa amim-pahatahorana an’i Kristy.
Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo;
fa ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy no lohan’ny Eglizy
izay vatany sy manana Azy ho Mpamonjy.
Koa tahaka ny aneken’ny Eglizy an’i Kristy
no tsy maintsy aneken’ny vehivavy ny vadiny koa amin’ny zavatra rehetra.
Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy,
sy nahafoizany tena ho azy, mba hanamasina azy
rehefa nodioviny tamin’ny fanasana amin’ny Rano sy ny Teny izy,
ka hanolotra azy ho an’ny Tenany ho Eglizy be voninahitra,
tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany,
fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro.
Toy izany koa no tsy maintsy itiavan’ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany;
koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
Ny olona tsy misy mankahala ny nofony, fa mamelona sy miahy azy,
toy ny ataon’i Kristy amin’ny Eglizy,
satria rantsam-batany, avy amin’ny nofo aman-taolany isika.
Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny,
dia ho nofo iray ihany izy roroa.
Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’Izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-70)
Tamin’izany andro izany,
dia betsaka tamin’ny mpianatr’i Jesoa, raha nandre ny Teniny, no nanao hoe:
“Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?”
Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany,
ka hoy Izy taminy:
“Manafintohina anareo va izany?
Hanao ahoana ianareo raha mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha?
Ny Fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr’inona akory;
ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana.
Nefa misy tsy mino aminareo”.
Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika Azy.
Ary hoy Izy:
“Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona Ahy
raha tsy nomen’ny Ray azy izany”.
Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra,
ka tsy niaraka taminy intsony.
Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy:
“Ianareo koa va mba te hiala?”
Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe:
“Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay?
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay;
ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany (Apôk. 21, 9b-14)
Izaho Joany dia nahita Anjely iray tonga nilaza tamiko nanao hoe:
“Avia fa hasehoko anao ny Vehivavy ampakarina ho vadin’ny Zanak’ondry.”
Dia nentiny am-panahy tany amin’itý tendrombohitra sady lehibe no avo aho,
ka nasehony ahy ny tanàna masina,
dia i Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitra.
Namirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra izy,
ary voazavan’ny kintana toy ny vato saro-bidy,
dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly.
Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin’ny folo ny vavahadiny;
nisy anjely roa ambin’ny folo tamin’ireo vavahady ireo,
ary nisy anarana voasoratra koa,
dia ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny zanak’i Israely.
Vavahady telo no eo atsinanana,
vavahady telo no eo avaratra,
vavahady telo no eo atsimo,
vavahady telo no eo andrefana.
Misy vato fanorenana roa ambin’ny folo ny mandan’ny tanàna;
ary misy anarana roa ambin’ny folo amin’ireo,
dia ny anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 144, 10-11. 12-13ab. 17-18
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra.
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery,
sy ny voninahitra sy harevaky ny Fanjakanao.
Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao,
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao.
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
Ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy:
dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana.
Aleloia. Aleloia.
Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 45-51)
Tamin’izany andro izany,
nifanena tamin’i Natanaely i Filipo dia nanao taminy hoe:
“Efa hitanay Ilay voalazan’i Môizy tao amin’ny Lalàna,
sy nambaran’ny Mpaminany,
dia i Jesoa zanak’i Jôsefa avy any Nazareta.”
Ka hoy i Natanaely taminy:
“Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta?”
Dia hoy i Filipo taminy:
“Avia, ary zahao.”
Nony nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa
dia nilaza azy hoe:
“Io no tena Israelita tokoa,
izay tsy misy fitaka.”
Ka hoy i Natanaely taminy:
“Ahoana no nahalalanao ahy?”
Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao,
dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao.”
Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe:
“Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra,
Ianao no Mpanjakan’i Israely.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Mino ianao,
satria nilazàko fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao;
mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.”
Dia hoy koa Izy:
“Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra
sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin’ny Zanak’olona ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 37, 1-14)
Tamin’izany andro izany,
tonga tamiko ny tenin’ny Tompo ka nentin’ny Tompo nivoaka am-panahy aho,
dia napetrany teo amin’ny lemaka feno taolana.
Nentiny nandeha teo akaikin’ireo manodidina azy aho.
Be dia be izy ireo teo an-tampon’ity tany lemaka, sady maina dia maina.
Ary hoy Izy tamiko:
“Ry zanak’olona, mbola ho velona va ireo taolana ireo?”
Ka hoy ny navaliko Azy:
“Ry Tompo Andriamanitra ô, Ianao no mahalala!”
Dia hoy Izy tamiko:
“Aminanio ireo taolana ireo, ka ataovy aminy hoe:
Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’ny Tompo!
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra amin’ireto taolana ireto:
Indro hampiditra fanahy ao aminareo Aho, dia ho velona ianareo.
Hasiako hozatra eo aminareo,
hampaniriako nofo eo aminareo,
hovelarako hoditra eo amboninareo,
ary hasiako fanahy ao aminareo, dia ho velona ianareo,
ka ho fantatrareo fa Tompo Aho.”
Dia naminany araka ny teny azoko aho;
ka nony naminany, dia nisy feo re, dia injany zavatra mitatatata;
dia nifanatona ireo taolana.
Nojereko ka indro fa nisy hozatra ama-nofo naniry teo ambonin’ireo
ary nisy hoditra nivelatra teo ambonin’ireo;
saingy tsy mbola nisy fanahy tao aminy.
Ary hoy Izy tamiko:
“Maminania amin’ny fanahy;
maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’ny fanahy hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Avia, ry fanahy avy any amin’ny vazan-tany efatra;
ka tsotsofy ireto olona voavono ireto, ary aoka ho velona izy.”
Dia naminany araka ny nandidiany ahy aho,
ka niditra tamin’ireo ny fanahy, dia velona izy,
sady nitsangana tamin’ny tongony:
tafika lehibe, tena lehibe indrindra.
Hoy ny Tompo tamiko:
“Ry zanak’olona, ireo taolana ireo, dia ny taranak’i Israely rehetra.
Indreo izy ireo manao hoe:
Maina ny taolanay; levona ny fanantenanay, very izahay!
Koa maminania, ary lazao aminy hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Aho hanokatra ny fasanareo,
hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo, ry vahoakako ô,
ary hitondra anareo ho eo amin’ny tanin’i Israely.
Ary dia ho fantatrareo fa Tompo Aho,
rahefa voasokatro ny fasanareo, ary tafakatra avy ao am-pasanareo ianareo, ry vahoakako.
Hataoko ao anatinareo ny fanahiko, dia ho velona ianareo,
sady homeko fitsaharana eo amin’ny taninareo
ka dia ho fantatrareo fa Izaho Tompo dia milaza sy manatanteraka koa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 106, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9
Mandredòna izany ianareo navotan’ny Tompo,
izay teo an-tanan’ny mpampahory
nangoniny avy amin’ny vazan-tany:
atsimo sy avaratra, atsinanana sy andrefana!
Tafasia tany an’efitra aman-tany foana izy ireo,
tsy nahita lalana mihazo tanàna hiatoana;
tratry ny hanoanana sy hetaheta,
nandre harerahana tao anatiny.
Dia nitaraina tamin’ny Tompo fa nijaly:
ka nafahany tamin’ny fahoriany,
nampizoriny tamin’ny lala-mahitsy,
hahatongavana an-tanàna hiatoana.
Aoka izy hisaotra ny Tompo noho ny hatsaram-pony,
sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona;
fa ny fanahy mangetaheta hetsahiny,
ny fanahy mosarena vokisany soa!
Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)
Tamin’izany andro izany,
ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina,
dia nivory izy rehetra;
ary ny anankiray izay mpahay lalàna tamin’izy ireo nanontany Azy
mba haka fanahy Azy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
inona no didy lehibe indrindra amin’ny lalàna?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy amin’ny fanahinao rehetra, ary amin’ny sainao rehetra.
Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ao amin’izany didy roa izany ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nampiantsoana hivory maika ireo Antenimiera mpanao lalàna amin'ny zoma sy amin'ny alatsinainy izao. Nisy ny filan-kevitry ny ministra manokana notarihan'ny filoha, nanapahana izany omaly... ♦ Nanao tatitra ny tale jeneralin'ny Bianco, omaly. Ireo ministera fototra misahana ny fiainam-bahoaka amin'ny ankapobeny no tena voakasiky ny fanaovana ny kolikoly eto Madagasikara hoy izy... ♦ Nihatsara ny tahan'ny fampinonoan-dreny teto Madagasikara, raha ny tatitry ny Unicef. Niakatra ho 54% izany, saingy mbola ambany ny any amin'ny tapany atsimon'ny nosy... ♦ Nampitondra faisana izay nolalovany tany Floride-Etats-Unis ilay rivo-doza Debby ; olona 4 no namoy ny ainy...
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 36, 23-28)
Izao no lazain’ny Tompo:
“Hamasiniko ny Anarako lehibe izay voaala baràka,
eny amin’ny firenena nanalanareo baràka azy,
dia ho fantatry ny firenena fa Tompo Andriamanitra Aho
— Teny marin’ny Tompo Andriamanitra —,
rahefa manamasin-tena ao aminareo, eo imasony Aho.
Halaiko avy any amin’ny firenena ianareo,
hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka hampodìko eo amin’ny taninareo.
Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio;
ny fahalotoanareo rehetra mbamin’ny fahavetavetanareo rehetra,
hataoko afaka aminareo.
Homeko fo vaovao ianareo, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo;
hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato,
ary hataoko manaraka ny fitsipiko ianareo,
ka hitandrina ny didiko, sy hanaraka izany.
Honina eo amin’ny tany nomeko ny razanareo ianareo,
dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 50, 12-13. 14-15. 18-19
Fo madio vaovao no angatahiko
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko,
dia tolory fanahy tena mendrika.
Ny mpanota hotoroako lalana,
aminao no tsy maintsy hiverenany.
Ny fanahy torotoro, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotro.
Tsy hodianao tsy hita, Andriamanitro,
ny fanahy torotoro sy trotraka.
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny lehiben’ny mpanora-dalàna sy ny loholona indray nanao ity fanoharana ity hoe:
“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:
Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy,
ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava aty amin’ny fampakaram-bady ianareo.
Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany, ny iray nankany amin’ny varony;
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy nandoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:
Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana,
ary asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.
Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.
Ary niditra ny mpanjaka nizaha ny mpihinana,
ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady,
dia hoy izy taminy:
Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto,
nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?
Fa sina ilay olona;
ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony:
Afatory ny tongotra aman-tanany,
ka ario any amin’ny maizina any ivelany io,
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidìna.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 34, 1-11)
Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Ry zanak’olona, maminania ny amin’ny mpiandry an’i Israely.
Maminania ka lazao aminy, dia amin’ireo mpiandry ireo hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Loza ho an’ny mpiandry an’i Israely,
fa ny tenany ihany no nofahanan’izy ireo!
Moa tsy ny ondry va no tokony hofahanan’ny mpiandry?
Nohaninareo ny taviny, notafianareo ny volony, novonoinareo ny matavy;
tsy namahana ny ondry ianareo:
tsy nanatanjaka ny malemy, tsy nitsabo ny marary, tsy namehy ny naratra,
tsy namerina ny nania, tsy nitady ny very,
fa nitondra azy an-kalozàna sy an-kasiahana!
Ka niely izy fa tsy nisy mpiandry;
zary rembin’izao biby an-tsaha rehetra izao, dia tafaely.
Mirenireny eny an-tendrombohitra rehetra eny ny ondriko,
sy eny an-kavoana milangalanga rehetra eny;
tafaely any amin’ny tany rehetra ny ondriko,
nefa tsy ahìn’ny olona akory, na mba nisy lasa nitady azy.”
Koa mihainoa ny tenin’ny Tompo ianareo, ry mpiandry ondry:
“Velona Aho”
— Teny marin’ny Tompo Andriamanitra: —
“Noho ny ondriko navela hobaboina,
noho ny ondriko zary remby ho an’ny bibidia rehetra fa tsy nisy mpiandry,
sy noho ny mpiandriko tsy niahy ny ondriko,
fa ny tenany ihany no fahanan’ireo mpiandry ireo,
ary ny ondriko tsy mba nofahanany;
noho izany dia mihainoa ny tenin’ny Tompo ianareo ry mpiandry ondry.”
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
“Indro ho avy any amin’ny mpiandry ondry Aho;
hotadiaviko ao amin’ny tanany ny ondriko,
ary tsy hisy ondry havelako handrasany intsony;
ary ny mpiandry tsy hamahana ny tenany intsony;
hotsoahako eny am-bavany ny ondriko,
ka tsy ho remby ho azony hanina intsony.
Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra;
Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6
Ny Tompo miandry ahy tsy orin’inona aho:
izaho ampiraotiny amin’ny vilona maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra, velombelominy fanahy,
tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy matahotra izay loza.
Satria Ianao miaraka amiko:
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy.
Rosoanao sakafo
eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha miravona ilo,
ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no fonenana
taona maro mifandimby!
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ny mpianany:
“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano,
izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
Ary rahefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy
fa denie iray avy isan’andro ny karamany,
dia nasainy hankany an-tanim-boalobony izy ireo.Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo,
dia nahita mpiasa hafa nidonana-poana teny an-kianja;
ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy, mankany amin’ny tanim-boaloboko,
fa homeko anareo izay antonony. Dia nankany ireo.
Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy,
ka nanao toraka izany koa.
Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy:
Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?
Fa hoy ireo taminy:
Satria tsy nisy nanakarama anay.
Dia hoy izy taminy:
Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloko.Ary nony hariva ny andro,
dia hoy ilay tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany:
Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany,
aseseo avy atý amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany.
Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka samy nahazo denie iray misesy avy.
Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa,
kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony.
Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ilay tompon-trano nanao hoe:
Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto,
kanefa nampitovianao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro.
Dia izao no navalin’ny tompo ny anankiray tamin’izy ireo:
Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho;
moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko?
Alao ny anao, dia mandehana,
fa tiako ny manome an’ilay farany toraka ny anao koa.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho,
sa ratsy ny masonao satria tsara aho?
Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 1, 4-8. 17-19)
Tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tany am-bohòka ianao,
ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao,
dia efa nohamariniko;
notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.”
Dia hoy aho:
“Indrisy, ry Tompo Andriamanitra ô,
tsy mahay miteny aho fa zaza.”
Fa hoy ny Tompo tamiko:
“Aza manao hoe: ‘Zaza aho’,
fa handeha ho any amin’izay rehetra anirahako anao ianao
ary hilaza izay rehetra handidiako anao.
Aza manana izay tahotra akory ianao eo anatrehan’izy ireo,
fa momba anao hamonjy anao Aho.”
Fa ianao kosa, misikìna,
mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao.
Aza mangovitra eo anatrehany,
fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany koa ianao.
Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda,
andry vy ary manda varahina eo anatrehan’ny tany rehetra,
eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà sy ny mpifehy eo aminy,
eo anatrehan’ny mpisorony,
eo anatrehan’ny vahoakany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 26, 1-4
Andriamanitra no tokiko e...
Ny Tompo faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?
Raha mirohotra ny mpisompatra
mba handrotika ny nofoko,
dia ireo rafilahy sy fahavaloko,
izy no hivena sy hiankarapoka!
Na tafika aza no mitoby,
tsy miraika ny foko;
na andiany no miantoraka
matoky hatrany aho.
Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
hany ataoko Anao, ry Tompo:
amin’ny andro rehetra iainako,
mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo
sy hibanjina ny toerany masina.
Taratasin’i Masindahy PaolyApôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 12, 3-13)
Ry kristianina havana,
noho ny fahasoavana nomena ahy,
dia izao no lazaiko aminareo tsirairay avy:
Aza mihevi-tena mihoatra noho ny mety,
fa samia mahalala ny antonona azy,
araka ny anjara finoana nomen’Andriamanitra azy avy.
Fa toy ny tena iray ananantsika,
misy rantsam-batana maro tsy mitovy asa,
no maha-tena iray antsika ao amin’i Kristy,
na dia maro aza isika;
ka mifampirantsam-batana isika rehetra tsirairay avy.
Ary samy manana ny anjara fanomezany isika,
araka ny fahasoavana noraisintsika avy,
ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana;
raha fandraharahana, dia aoka ho ao anatin’ny fandraharahana;
ity moa nandray ny fanomezana hampianatra, aoka izy hampianatra;
itsy kosa ny fanomezana hananatra, dia aoka izy hananatra;
ny iray mizara, ka aoka hanao izany amim-pahatsorana;
ny iray kosa mifehy, ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana,
ary ny hafa koa manao fiantrana, dia aoka hanatanteraka izany amin-kafaliana.
Aza asiana fihatsaram-belatsihy ny fitiava-namana;
mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.
Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po;
mifaninàna hifanaja.
Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra,
fa mba mafàna fo;
ny Tompo anie no tompoinareo e.
Mifalia amin’ny fanantenana,
mandefera amin’ny fahoriana ary mahareta amin’ny fivavahana;
manampia ny olomasina araka izay ilaina,
ary mazotoa mampiantrano vahiny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Izaho no tena foto-boaloboka ary ny Raiko no mpamboly.
Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko, dia esoriny;
ary izay rehetra mamoa dia rantsanany,
mba hampamoa azy bebe kokoa.
Efa madio ianareo izao,
noho ny fampianarana nataoko taminareo.
Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo.
Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka
tsy mahazo mamoa ho azy,
ary toy izany koa ianareo, raha tsy mitoetra ao amiko.
Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany.
Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be
satria raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana, ka maina;
ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Raha mitoetra ao amiko ianareo, ka mitoetra ao aminareo ny teniko,
dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.
Ho voninahitra ho an’ny Raiko,
raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tsy fantatra mazava na afaka madiodio tokoa, araka ny filazany, Ramatoa Rommy Voos Randrianarisoa na nisy antony hafa. Tokony hosokafana eto an-toerana ihany koa ny fanadihadiana azy hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Fanararaotana atao amin'ny mpanjifa ireo fepetra noraisin'ny orinasa JIRAMA ny herinandro teo, hoy ny MCI. Miantso ny tale jeneralin'ny JIRAMA hanafoana izany ity fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa ity... ♦ Handaniam-bola hatrany amin'ny 600.000Ariary amin'izao ny ankizy iray, amin'ny fampidirana azy an-tsekoly. Ny 60% amin'ireo ray aman-dreny ihany amin'ny ankapobeny no efa nahavita ny fisoratana anarana...
Ny mpanoratra ny Salamo dia mametraka mazava tsara mihitsy fa ny fahafatesana no fahavalo faratampn'ny olombelona. Sazy mafy indrindra ary mampihorohoro sy mampatahotra ny olona indrindra. Ny vavaka dia ahatsapana fa voafetra ny olombelona ; io fetra io no manampy antsika tsy hanao tsinontsinona ny hafa satria isika natao hiaina ao antin'ny fiaraha-monina ; ny maha-izy antsika dia ny hafa... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
♦ Tsy fantatra mazava, na afaka madiodio tokoa, araka ny filazany, Ramatoa Rommy Voos Randrianarisoa, na nisy antony hafa. Nilaza Ramatoa Fanirisoa Herinaivo, Filohan'ny SMM teo aloha, fa fandroahana voafonja vahiny no azony... ♦ Halatra atao amin'ny mpajifa ireo fepetra nambaran'ny Jirama ny herinandro teo, hoy ny MCI. Miantso ny mpanjifa tsy hanaiky ny fidiran'ny mpiasan'ny Jirama hanapaka jiro any an-trano, ity fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa ity...
♦ Manentana ny mpino rehetra hivavaka ho an'ny mpitondra ara-pôlitika, ny Papa François, ao anatin'ilay vavaka fangantahana ampanaoviny isam-bolana... ♦ Tontosaina eny amin'ny Déhoniens Ambolonkandrina, ny fihaonan'ireo lehibem-pikambanana ao anatin'ny Congrégation Spiritain, ho an'i Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Tsy mahafeno ny fiainana ny zavatra materialy, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco