22 aogositra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)

21 aogositra 2024 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Fahatsiarovana — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)

20 aogositra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)

19 aogositra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 16-22)

18 aogositra 2024 — Alahady Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran'ny Seminera Zokiny fandalinana filôzôfia, ao Toamasina... ♦ Nomarihana tamin'ny fanombohan'ny volana aogositra teo ny JMJ andiany fahatelo ho an'ny Diôsezin'Ambanja...

♦ Miaina fahasahiranana maro ny vahoaka Malagasy amin'izao fotoana izao, hoy ny Docteur Pasitora Rakotozafy Denis, Filohan'ny FFKM. Hisy fivoriana ato ho ato hataon'ny FFKM, handinihana ny raharaham-pirenena... ♦ Tsy manana kaopia nahaterahana ny 26 %-n'ny zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara. Efa misy ny ezaka hampakarana ny tahan'ny fananana kaopia, hoy ny Vovonan'ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin'ny ankizy...

♦ Efa miroso amin'ny fandrafetana ny Governemanta vaovao ny Filohan'ny Repoblika sy ny Praiminisitra, ary tafiditra ao anatin'izany ny tomban'ezaka izay notakiana tamin'ireo Minisitra nametra-pialana... ♦ Manao ny adisisika amin'ny fampodiana an-tanindrazana ireo varika sy sokatra tra-tehaka tany Thailande ny volana mey teo, ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly, raha nandray ireo delegasiôna avy amin'ny Fitsarana Thailandais...

Ao amin'ny Testamenta Taloha dia in-telo ihany no ampiasaina ny teny hoe " Ry Tompo Andriamanitr'i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely" indrindra ny teny hoe "Israely". Tari-dalana amin'ny Eokaristia Masina izay fanaontsika ny Sorona nataon'i Elia 1 Mpanjaka 18, 20,-39. "Valio aho ry Tompo, valio aho". Olona manan-daza tamin'ny fomba fivavahana i Elia, nanohitra ny tsy rariny. Ny vavaka no maniraka antsika hanompo ny manodidina. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.

Amin'ny vavaka nataony i Elia dia niantso ny Andriamanitry ny razany izay nanao fanekem-pihavanana tamin'izy ireo ary tsy mitsahatra manavao mandrakariva ny fampanantenana tao amin'izany fanekem-pihavanana izany. Tsy hoe nanangana ny ôtelin'ny Tompo fotsiny izy fa nitarika ny vahoaka hanana jery todika amin'ny efa lasa ary nanampy azy ireo mba handeha lavidavitra amin'izay fanomezan-danja ny lasa izay. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.

♦ Ho fantatra amin'ny herinandro ho avy ny mpikambana handrafitra ny Governemanta vaovaon'ny Praiminisitra Ntsay Christian, hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina androany... ♦ Efa vonona ny tetibola 52 Miliara Ariary, hiatrehan'ny CENI ny fanomanana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, hoy ny filohan'ity andrim-panjakana ity... ♦ Ho vaindohan-draharahan'ny Tale jeneraly vaovaon'ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, ny ady amin'ny kolikoly amin'ny sehatry ny fananan-tany. Tontosa androany ny lanonam-pitsarana nametrahana azy...

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 4, 9-15)

Noana izahay, mangetaheta, tsy manan-kotafiana.

Ry kristianina havana, izahay Apôstôly, araka ny fijeriko ny tenanay,
dia hoatra ny nasehon’Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty,
natao fizàhan’izao tontolo izao, na anjely, na olombelona.
Izahay moa, adala noho ny amin’i Kristy, ianareo kosa hendry ao amin’i Kristy!
Izahay osa, fa ianareo no matanjaka;
izahay faneso, ianareo kosa fanaja.
Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy,
fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana, ary misasatra miasa amin’ny tananay.
Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka;
mova tsy izahay iny no fakon’izao tontolo izao,
sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao.
Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an’izany,
fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako.
Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin’i Kristy,
dia tsy maro ray ianareo,
fa izaho ihany no niteraka anareo tamin’ny Evanjely ao amin’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 17-18. 19-20. 21

Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy.

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy:
dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana.

Tanterahiny izay sitraky ny matahotra Azy;
henoiny ny tarainany, vonjeny izy ireo!
Ny Tompo miambina izay rehetra tia Azy
ny ratsy fanahy kosa, aringany avokoa!

Ny vavako hiteny fiderana ny Tompo;
ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany Masina!
Isaorana ny Tompo! Isaorana ny Anarany:
mandrakizay, mandrakizay!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)

Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?

Indray Sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany.
Dia hoy ny Farisianina sasany taminy:

“Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?”

Ary i Jesoa namaly azy hoe:

“Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka naka ny mofo alahatra,
dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa,
nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?”

Sady nampiany hoe:

“Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...