• Nampiditra 327 miliara Ariary ho an'i Madagasikara ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany, tamin'ny taona 2022... • Nanolotra vola mitentina 8 tapitrisa Dolara, hanamboarana ny ampahany amin'ny Lalam-pirenena faha-13, ny orinasa QMM... • Lanonana roa sosona no notanterahana teny amin'ny sekoly ambony Polytechnique Vontovorona androany, namaranana ny faha-50 taona nijoroan'ny sekoly...
• Manentana ny mpino katolika tsy an-kanavaka sy ny mpino rehetra izay tsara sitrapo, hivavaka ho an'ny Papa François, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... • Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy ny fanantenana kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana. Io no lohahevitra ifanentanan'ny olon-dehibe amin'ny Andron'ny Olon-dehibe Katolika, hotanterahana any Morondava amin'ny volana aogositra 2025... • Misy fihatsarana ny fahasalaman'ny Ray masina, araka ny nambaran'ny sampana fampahalalam-baovaon'ny Fiketrahana Masina, tamin'ny maraina teo...
• Mbola ahitana sakana ny fanenjehana ireo mpiasam-panjakana ambony izay ahiahiana ho tafiditra amin'ny resaka kolikoly... • Hiakatra kianja anio amin'ny 5 ora hariva ny Ankoay ka hifandona amin'i Côte d'Ivoire. Lalao tafiditra amin'ny fifanintsanana amin'ny Afrobasket 2025... • Efa manomboka miarin-doha ny tontolon'ny fizahan-tany eto Madagasikara. 9 tapitrisa Euros no nateraky ny fikatonan'ny sisintany tamin'ny fotoanan'ny Covid...
• Manentana ny mpino katolika tsy an-kanavaka sy ny mpino rehetra izay tsara sitrapo, hivavaka ho an'ny Papa François, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... • Tsy nisy ny fampahafantarana mialoha ny antony sy ny fotoana hanatanterahana ny fanagiazana ny foiben-toeran'ny antoko HVM, hoy Andriamatoa Rasambany Alain Désiré... • Manamafy ny fahaiza-manaony amin'ny fandrindrana ny ady atao amin'ireo loza ara-tontolo iainana i Madagasikara. Nifarana omaly teny Ankorondrano, rehefa naharitra efarana, ny fiofanana IMS 300...
Notanterahana tetsy amin'ny CCI Ivato ny 23 - 24 janoary 2025 ny atrik'asa nasiônaly momba ny fanovàna ara-pambolena na ny "transformation agricole". Atrik'asa anamafisana ny firotsahan'ireo mpisehatra, nananganana drafitra niaraha-nanaiky iarahana miroso amin'ny fanovàna ny fambolena...
Ny fanantenana tsy manodoka" Rm 5,5 fa manome hery antsika amin'ny andro fitsapana. Mety hitondra fiononana izany teny izany, mety hisarika ny saina hametra-panotaniana koa nefa, indrindra rehefa marary sy mitondra fangirifiriana. Ahoana no hananana tanjaka raha hitantsika manoloana antsika ireo olona tiantsika mijaly, nefa tsy afa-manoatra isika tsy afaka hanampy azy akory ?. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Tao Getsemania sy teo ambony hazofijaliana no niharihary sy tonga lafatra ny vavak'i Jesoa dia ilay ady sy tolona nataony : nanoloana ny fanoherana ny fakam-panahy, ny fanekena ny sitrapon'ny Ray, ny fihaonany tanteraka amin'ny Ray. Nitolona i Jesoa na osa aza ny nofony, nivavaka tsy nitsahatra i Jesoa ary nandresy, natoky an'Andriamanitra i Jesoa... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
• Nilaza ho tsy mahafantatra mazava ny antony nanagiazana ny foiben'ny antoko HVM eny Andraharo, Andriamatoa Alain Désiré, Sekretera jeneralin'ny antoko... • Manamafy ny fahaiza-manaony amin'ny fandrindrana ny ady atao amin'ireo loza ara-tontolo iainana i Madagasikara. Nifarana androany teny Ankorondrano rehefa naharitra efarana ny fiofanana IMS 300... • Miandry fatratra ny fihaonana iarahana amin'ny Ben'ny Tanana vaovao, Harilala Ramanantsoa, ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na ny SMKAR...
Maro ireo soatoavina malagasy tsara sy azo iainana ary nampiavaka ny mponina teto amin'ity nosy Madagasikara ity. Soatoavina mampandroso toa ny Fitiavana, Fahamarinana, Fihavanana. Tsy maintsy ny Malagasy rehetra anefa no miara-miaina ireo soatoavina ireo mba hisian'ny fandrosoana azo antoka. Manana ny lanjany ny fanabeazana, koa mila mivonona ny ray aman-dreny hanoro lalana mahitsy ny zanany, indrindra handala ny soatoavina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Vao vita Batemy i Jesoa, ka feno ny Fanahy Masina, talohan'ny niasany, nampianarany ampahibemaso dia nandeha nivavaka nanao laretirety 40 andro sy 40 alina tany an'efitra, tsy nisakafo tsy nisotro ; vita izay dia azon'ny fakam-panahy Izy fa vavaka no niadivany sy nitolomany tamin'izany. Ady no nataony tamin'ny alalan'ny vavaka hanoherany ny Sampy sy ny fahefàna... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
• Tsy mitsaha-mitombo ireo olona traboina vokatry ny ora-mikija tato anatin'ny andro maromaro, ho an'Antananarivo Renivohitra sy ireo kaominina manodidina. Tombanana ho efa tafakatra 6.000, izany... • Ny antsasaky ny tokantrano malagasy, izany hoe 5 hetsy sy 2 tapitrisa, no kendrena ho tafiditra amin'ilay RSU Rejisitra Sosialy Tokana, hatramin'ny volana jona 2025... • Nosokafana androany ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny LMA, Lycée Moderne Ampefiloha...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco