♦ Notanterahana nanomboka ny 31 jolay ary nifarana androany 2 aogositra 2024, ny fivorian'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy. Foto-kevitra niainana tamin'izany ny hoe: “Eglizy iraka”... ♦ Samy hanatontosa ny JMJ, ireo Vikaria efatra mandrafitra ny Diôsezin'i Mahajanga, mandritra ity volana aogositra ity... ♦ Notanterahana tany Roma nanomboka ny 29 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2024, ny andiany faha-13 amin'ny fivahinianana masina ataon'ny fikambanana iraisam-pirenen'ny mpiservy...

♦ Manomboka androany any Roma ny fihaonambe maneran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, ho an'ny Saleziana. Manana solontena any an-toerana ny avy aty Madagasikara... ♦ Malaina ny hiatrika fifidianana ny fitondrana ankehitriny raha ny zava-misy amin'izao, hoy ny antoko MFM. Nambaran'izy ireo fa efa nampoizina ny fihemoran'ny fifidianana Ben'ny Tanana, izay mety ho amin'ny 11 desambra 2024... ♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fandratrana mpianatra teny Vontovorona omaly, ny Seces Sampana Antananarivo...

♦ Tokony hotanterahana amin'ity taona ity ny fifidianana, hoy ny Kmf/Cnoe. Nambaran'io firaisamonim-pirenena io fa efa zara raha mandeha ny fampandehanan-draharaha eny anivon'ny Kaominina... ♦ Nahazo vola maherin'ny 16 tapitrisa Ariary, ny lehilahy iray nilaza fa mahatafiditra mpiasam-panjakana teo anivon'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy. Olona 12 no voasolokiny... ♦ Mpianatra iray no naratra mafy omaly nandritra ny hetsika fitakiana vatsim-pianarana teny amin'ny Oniversite Polytechnique Vontovorona. Voalazan'ireo mpianatra tifitra nataon'ny mpitandro ny filaminana no nahatonga ny ratra...

Misedra olana ny lalam-pihariana kabaro izay isan'ny ifotoran'ny tantsaha mivondrona ao amin'ny FITAME na ny Firaisantsoan'ny Tantsaha Menabe. Federasiôna misehatra amin'ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra any amin'ny Faritra Menabe iny moa ny FITAME.

Tsikaritra ankehitriny fa miaina anaty korontana, tsy fandriam-pahalemana,fifampiantsiana ary indrindra ny herisetra amin’ny endriny maro ny ankamaroan’ny Malagasy, misy aza no mahavita mandatsa-drà mihitsy. Manoloana ireo tranga ireo, dia tsapa fa fotoana ampahatsiahivana ny atao hoe : Fihavanana Malagasy izao, ary iverenana amin’ny tena fototr’izany soatoavina manana ny maha-izy azy izany. Ny Fihavanana, araka ny famariatana anakapobehany, dia mifototra amin’ny aina. Koa ho an’ny Malagasy, ny aina no mampihavana ny tsirairay, izany hoe : iray aina avokoa ny olombelona. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny vavaka dia resaka amin'Andriamanitra, fanondrotana ny fanahy mankany amin'Andriamanitra ; ny Salamo dia pôezia sy tononkalo natao ho hiraina, izay mila aingam-panahy. Misy karazana endrika maro ao amin'ny Salamo : misy ny Salamon'ny mpanjaka, misy ny fidirana ao an-tempoly, misy fanao amin'ny fivahinianana masina, misy hiran'ny Siôna, misy fampitana hafatra sy lesona. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

♦ Efa zara raha mandeha ny fampandehan-draharaha amina Kaominina maro, ka tokony hotanterahana amin'ity taona ity ny fifidianana, hoy ny Kmf/Cnoe... ♦ Ny 43%-n'ireo mpila raharaha no efa niharan'ny kolikoly amin'ny fikarakarana antontan-taratasy momba ny fananan-tany, raha ny fanadihadiana nataon'ny Transparency International. Navoaka androany teny Andrainarivo ny momba izany... ♦ Olona 12 no voasolokin'ny lehilahy iray, milaza fa mampiditra mpiasa ao amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy. Vola 16 tapitrisa mahery no azony tamin'ireo olona ireo. Natolotra ny Fampanoavana androany, io lehilahy io...

♦ Azo tanterahana amin'ny 11 desambra 2024 ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina hoy ny filan-kevi-panjakàna. Tsy tokony hihoatra ny 31 desambra kosa ny fanatanterahana izany araka ny didy navoakany... ♦ Maro ny asa hotanterahana amin'ny fampiharana ilay fehezan-dalàna vaovao momba ny harena ankibon'ny tany. Isan'izany ny fijerena ireo orinasa mpisehatra amin'ny harena ankibon'ny tany... ♦ Hanampy ireo mponina ao amin'ny ilany atsimon'ny Faritra atsimo-andrefana i TIRIKE. Fampisehoana roa no hotanterahany eto an-drenivohitra amin'ity herinandro ity hanangonana vola hanaovana foto-drafitr'asa ho azy ireo...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 24, 15-24)

I Ezekiela no famantarana ho anareo.

Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Ry zanak’olona, indro hesoriko tampoka aminao,
amin’ny indray mitselatra monja, ilay fifalian’ny masonao;
nefa aza midradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory.
Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty.
Ataovy amin’ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao,
aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana.”

Nony maraina dia niteny tamin’ny olona aho,
ka ny harivan’izany ihany dia maty ny vadiko;
ary ny ampitso maraina indray dia notanterahiko izay nandidiana ahy.
Ka hoy ny olona tamiko:

“Tsy hovoasanao aminay va izay hevitra mahazo anay amin’izao ataonao izao?”

Dia izao no nolazaiko tamin’ireo:

“Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:
Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina,
ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo
ary ho lavon-tsabatra ny zanakalahinareo aman-janakavavinareo,
izay nilaozanareo.
Amin’izany ianareo, hanao toa izao nataoko izao:
tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana.
Ho eo an-dohanareo ihany ny hamamanareo, ary ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo,
tsy hidradradradra na hitomany,
fa hihalevona ao anatin’ny helokareo ianareo,
ka hitoloko eo am-pifanilanareo.
I Ezekiela no famantarana ho anareo;
izay rehetra nataony no hataonareo, rahefa tonga izany;
dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Det. 32, 18-19. 20. 21

Ilay Andriamanitra nahitanao masoandro, hadinonao.

Nandao ny vatolampy izay niteraka anao ianao
ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao.
Nahita izany ny Tompo ka tezitra,
nohantsin’ny zanany lahy aman-janany vavy Izy.

Hoy Izy: hafeniko azy ny tavako,
dia ho hitako izay hiafarany.
Fa taranaka mpivadibadika izy,
zaza tsy manana hitsim-po.

Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy
ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona,
ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho,
sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 16-22)

Raha tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao.

Indray andro, nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe:

“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

Dia hoy Izy namaly azy:

“Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara?
Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra;
ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.”

Dia hoy izy hoe:

“Didy inona avy?”

Dia hoy i Jesoa:

“Aza mamono olona,
aza mijangajanga,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
manajà ny rainao aman-dreninao,
ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”

Dia hoy ilay tovolahy taminy:

“Hatra ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany,
ka inona no mbola tsy ampy amiko?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Raha tahìny tianao ny ho lavorary,
andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao;
ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.”

Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo,
satria be ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Ohabolana (Ohab. 9, 1-6)

Hano ny mofoko ary sotroy ny divaiko izay nampifangaroiko ho anareo.

Ny Fahendrena efa nanorina ny tranony,
efa nipaika ny andriny fito,
efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy,
ary namboatra ny latabany.
Naniraka ny ankizy vaviny izy,
dia miantso eo an-tampon’ny havoan’ny tanàna:

“Aoka hiditra aty izay kely saina!”

Ary hoy izy amin’izay tsy manan-tsaina:

“Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko.
Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo;
ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 33, 2-3. 10-11. 12-13. 14-15

Ankafizo sy anarano fo, fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Matahora ny Tompo ianareo olo-masiny,
fa izay matahotra ny Tompo tsy orin’inoninona:
ny manana no tonga mahantra sy noana,
izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.

Avia, rey anaka, henoy Aho:
ny tahotra ny Tompo no hampianariko anareo.
Iza ianareo no te ho velona
sady maniry fiainan-tsambatra?

Ny lela ambeno amin’ny ratsy,
ny molotra aoka tsy hamitaka;
ny ratsy, fadîna; ny tsara, atao;
ny fiadanana katsahina sy ilofosana.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 5, 1 5-20)

Aza manaonao foana, fa fantaro aloha ny sitra-pon’ny Tompo.

Ry kristianina havana, tandremo tsara ny fitondran-tenanareo,
aza misary adala, fa mbà hendry;
hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.
Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitraky ny Tompo.
Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany;
fa mifenoa Fanahy Masina ianareo.
Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho;
ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo.
Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra,
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)

Tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.

Dia nifanditra ny Jody nanao hoe:

“Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?”

Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany,
dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay;
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako,
dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny.
Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin’ny Ray:
Toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra:
Tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany;
fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Fandaharana nitety vanim-potoana maro ny "mba ho vanona", niatomboka tamin'ny fandaharana "fitiavana sy ny tontolony" ary ny "E.V.A". Mpanetana nanao ny ezaka nampanjary ny fandaharana Andriamatoa Flavien Rakotoarison, efa naharitra 28 taona no nanaovany izany asa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nankalaza ny andro Afrikana ho an'ny vehivavy isika teto Madagasikara omaly, tamin'ny alalan'ny atrik'asa fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fanajàna ny zon'ny vehivavy no nentina nanamarihana izany teny amin'ny NovoTel Alarobia... ♦ Manokana andro roa ifampiresahan'ireo mpisehatra samihafa momba ny harena ankibon'ny tany tompon'andraikitra ny fandaharan'asan'ny firenena mikambana ho an'ny fampandrosoana na ny PNUD. Atrik'asa tanterahana eny amin'ny Hotel Carlton Anosy nanomboka omaly... ♦ Hanatevin-daharana ny hetsika ataon'ny KIM komity iraisan'ny mpiasa Malagasy ny Randrana sendikaly. Tanjona iombonan'ny mpiasa rehetra ny hijerena ny maharary ny mpiasa Malagasy...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...