♦ Nilaza hanolotra kandidà ihany koa ny Collectif an'ny Malagasy, tao aorian'ny fahavakisan'ny vondron'ny mpanohitra ho roa, ny herinandro teo... ♦ Nampifaly avanjana ny vahoakan'i Fianarantsoa ny UPAR any an-toerana omaly. Niteraka resa-be amin'ny tambajotran-tserasera ny fifamalian'ireo mpikambana teny ambiny sehatra... ♦ Niravona ny disadisa momba ny fizarana rano tany amin'ny Lemak'i Dabaraha hatramin'izay. Resaka fanararaotana pôlitika no nahatonga izany teo, raha ny fanazavan'ny mponina avy any an-toerana...
Boky Eksaody (Eks. 20, 1-17)
Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:
“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anao,
na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony,
na ny eny amin’ny tany ambany,
na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.
Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao,
fa Izaho Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro:
ka amin’izay mankahala Ahy,
mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra;
ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa,
mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.
Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasinana azy.Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao.
Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’ny Tompo Andriamanitrao;
tsy hanao asa na inona na inona,
na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy,
na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao,
na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.
Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina,
mbamin’izay rehetra ao aminy,
fa ny andro faha fito dia nitsaharany,
ka izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy.Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 20, 1-3. 7-8. 12-17)
Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:
“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.
Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasinana azy.Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 18, 8. 9. 10. 11
Ny lalan’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy;
ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy:
ny fo falifaliany;
ny baikon’ny Tompo mazava,
fanilo ho an’ny maso
Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay;
ny fitsaran’ny Tompo marina,
samy rariny avokoa.
Irìna noho ny volamena,
ny volamena madio miavosa;
mamy noho ny tantely,
ny toho-tantely mitsonika.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 22-25)
Ry kristianina havana,
ny Jody mila famantarana;
ny Jentily mitady fahendrena;
ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily;
fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa amin’izay voaantso,
na Jody na Jentily.
Fa izay toa fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona,
ary izay toa fahalemen’Andriamanitra, dia mahery noho ny herin’ny olombelona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-25)
Akaiky ny Pakan’ny Jody,
ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa.
Ary hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromailala
ary ny mpanakalo vola nipetraka tao,
ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy,
dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly;
nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra,
ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromailala:
“Esory eto ireto,
fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko”.
Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe:
Ny fitiavako ny tranonao no maharìtra ny aiko.
Fa niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe:
“Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?”
Dia namaly i Jesoa nanao hoe:
“Ravao ity Tempoly ity,
fa hatsangako indray amin’ny hateloana”.
Ka hoy ny Jody:
“Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity
ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e”.
Ny vatany anefa no Tempoly nolazainy.
Ary nony tafatsangan-ko velona Izy dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany,
ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo.
Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka,
dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony;
nefa tsy natoky azy ireo i Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy,
sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy,
fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mbola tsy levona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana ilay rivo-doza Eleanor. Tombanana hitondra rotsak'orana amin'iny morontsiraka atsinanana sy atsimo atsinanan'ny nosy izy, manomboka anio alatsinainy... ♦ Hiatrika ny Andron'ny Sekoly, ny mpianatra rehetra amin'ity herinandro ity... ♦ Nahatratrarana zava-mahadomelina mahery vaika "cocaïne", 64 kilao sy 32 grama tany Toamasina. Olona telo no nosamborin'ny Pôlisy amin'izao raharaha izao. Nalefa eny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy izy ireo...
♦ Nizara ho roa ny vondron'ny kandidà 11. Ny tsy fitovian-kevitra momba ny fitarihana ny vondrona no antony, hoy Andriamatoa Marc Ravlomanana, mpitarika ny Vovonana Firaisankina... ♦ Mila mampiasa vola eo amin'ny lafiny maha olona sy mampiroborobo ny famoroanana asa i Madagasikara, raha te hampihena ny tahan'ny fahantrana ao aminy, hoy ny Banky Iraisam-pirenena... ♦ Mitohy ny hetsika fankalazana ny faha-100 taona nijoroan'ny Antilin'i Madagasikara. Nitohy tamin'ny fambolen-kazo izany androany...
♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika ny 18 izay ahitana teratany Sinoa 4, ankoatra ireo nahazo fahafahana vonjimaika sy ireo mbola eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana. Io no didim-pitsarana momba ireo olona 169 voatazona noho ny fanjonoana an-tsokosoko tany amin'ny fari-dranomasin'i Seychelles... ♦ Hanolotra kandidà iraisana amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ny Vovonana Firaisankina, izay najoron'ireo ampahany tamin'ny vondron'ireo kandidà filoham-pirenena farany teo...
Efa hatramin'ny ela ny Eglizy katôlika no nandray anjara tamin'ny fisorohana ny fampiasana zava-mahadomelina, indrindra ho an'ny tanora. Ny olana ateraky ny zava-mahadomelina diamiantraika amin'ny olona maro, fianakaviana ary mpiara-monina ankehitriny. Tokony hiara-hiasa ireto andry ireto hisorohana ny fandraisana ny zava-mahadomelina : ny fianakaviana, ny sekoly, ny Fiangonana ary ny Fanjakàna... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Lasa tsizarizary sy mikorontana ny fiainan'ny olona amin'ny tokantrano iray noho ny toaka. Mety hiteraka herisetra toy ny herisetra ara-nofo, famonoan-tena ary famonoana olona mihitsy aza ny fisotroana toaka. Ny vehivavy bevohoka dia tsy tokony hisotro toaka mihitsy na dia kely aza, satria mandalo amin'ny tranon-jaza ny toaka sotroiny ka miditra mivantana amin'ny "fœtus"... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ny Eokaristia dia sakramenta misy ny tenan'i Jesoa manontolo : ny ra, ny vatany sy ny fanahiny ary ny fomban'Andriamanitra ao aminy, takon'ny endriky ny mofo sy ny divay. Tamin'ny Alakamisy Masina mialohan'ny nijaliany i Jesoa no namorona ny Eokaristia. Rehefa tonga vatana aman-dran'i Jesoa ny Mofo sy ny divay dia niteny i Jesoa mba hanohizan'ny mpianany izany, Rehefa vita ny fanamasinana fa ny endriky ny mofo sy ny divay sisa no hita fa efa vatana sy ran'i Jesoa iny. Ny mandray Eokoristia dia mihinana ny vatana sy ny ran'i Jesoa manontolo. Izay tsara fiomanana mialohan'ny Eokaristia no mahazo ny fahasoavana, izay noho tokony hadio amin'ny alalan'ny penintasy, fifadiana hanina ora iray alohan'ny fandraisana...
Anisan'ny voka-dratsy ateraky ny fisotroana toaka ihany ko a ny familiana ny rariny ananan'ny hafa fa indrindra ny madinika. Mahatonga fisarahana amin'Andriamanitra ny fisotroana toaka satria lasa tsy mahita fotoana andehanana mivavaka intsony na tsy manisy lanjany ara-panahy intsony ilay olona, nefa tsarovy fa rehefa misotro toaka dia manazimba ny tranon'Andriamanitra, izay ny tenantsika... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
♦ Nivondrona anaty Vovonana Firaisankina, ny antoko TIM, Pro Siteny, HVM, Tsara Tahafina ary ny Antoko Pôlitika Madio. Handray anjara amin'ny fifidianana Solombavam-bahoka izy ireo, ka hanolotra kandidà iraisana amin'ny distrika 119 manerana ny nosy... ♦ Efa azo lazaina ho milamindamina ny Distrikan'i Belo-Sur-Tsiribihina, Faritra Menabe, raha nanjakan'ny asan-dahalo sy ny vono olona, teo aloha... ♦ Hotanterahana ny 20 hatramin'ny 23 jona 2024, etsy amin'ny CCI Ivato, ny andiany faha-10 amin'ny hetsika ITM sy ny andiany voalohany amin'ny IHM...
♦ Notontosaina tao amin'ny Nosy Maurice ny 11 ka hatramin'ny 17 febroary 2024 ny fiofanana sy fampiofanana momba ny fiarovana ny zaza sy ny marefo amin'ny herisetra… ♦ Manatanteraka ny “Fitsidihana miaraka” ho an'ny Faritra Afrika-Madagasikara, any Kigali Rwanda ny Filankevitra Jeneralin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco ny 20 ka 23 febroary 2024… ♦ Manentana ny kristianina hanamafy ny vavaka mba hisian'ny fandriampahalemana any amin'ny faritra atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Congo ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana…
♦ Antoka iray hisian'ny fifandanjan-kery amin'ny fifidianana ho avy eo, ny fiarahana sy ny firaisan-kinan'ireo hery sy antoko ivelan'ny fitondrana, hoy ny antoko pôlitika Roso ho an'ny Demôkrasia Sôsialy... ♦ Miaka-bidy, ka eo anelanelan'ny 1100 Ariary hatramin'ny 2500 Ariary, ny vary any amin'ny Distrikan'i Mandritsara... ♦ Notokanana tao amin'ny Distrikan'i Mahanoro, ny rantsan'ny Radio Katôlika Masôva Toamasina...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco