♦ Tsy tokony hifehy antsika ny fitaovam-pifandraisana na eo aza ny fivoarana mirimorimo misy ankehitriny. Nanamarika ny andro eran-tany faha-58 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ny teto amin'ny Diosezin'Antananarivo omaly alahady sy tamin'ny sabotsy lasa teo... ♦ Tsy azo ovaina na ahodina ny safidim-bahoaka hoy ny filoham-pirenena tany Toamasina raha nitokana foto-drafitr'asa vita tany izy ny sabotsy teo... ♦ Miantso ireo tanora miatrika ny adina ara-panatanjahantena amin'ny fanadinana bakalôreà ny mpitsabo mba hisakafo maraina. Miisa dimy isan'andro ireo mpiadina safotra ho an'ny eny amin'ny foibem-panadinana Ankatso... ♦ Manameloka ny herisetra misesisesy amoizana ain'olona am-polony, atsy RDC, i Papa François...
♦ Nafahan'ny Fitsaràna noho ny fisalasalàna ireo olona roa, notoriana noho ny raharaham-pifidianana tany Faratsiho. Nivoaka omaly ny fanapahan-kevitry ny Fitsaràna any Antsirabe momba izany... ♦ Nahazo ny fanohanan'ny CNUCED ny fikasàna hananganana ny Vondron'ny tany mpamokatra lavanila. Mitohy ny adisisika ataon'i Madagasikara hitsanganan'io Vondrona io, hiarovana ny vidin'ny lavanila... ♦ Hanamarika ny faha-40 taonany ny Faculté DEGS eo anivon'ny Oniversiten'i Fianarantsoa. Hisy ny hetsika hanamarihana izany manomboka ny 21 jona izao any an-toerana... ♦ Mandroso ny dingana hampidirana an'i Moldavie sy i Ukraine ao anatin'ny Vondrona erôpeana, nankatoavin'ireo firenena 27...
Ny voa mitsimoka sy mitombo ho Azy ; Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao. Kely amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany ny voan-tsinapy fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra rehefa voafafy. Ny Fanjakan'ny lanitra dia tsy fanjakan'ny mpanefoefo, na an'ny matanjaka fa fanetretena. Ny ahitana ny Fanjakan'Andriamanitra dia ao anatin'ny olona tsirairay. Miezaha mamolatena sy manova toetra fa izany no fanomanana ny Fanjakan'Andriamanitra. Ny hoe mamolatena dia ireo vonona manao sesitany ny vatany, izany hoe sahy manambara sy miaina ny Fanjakàn'Andriamanitra, miady amin'ny fanangolen'ny fanahy na ireo mamono ny aina...
♦ Homarihina mandritra ny roa andro ny andro maneran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny Diôsezin'Antananarivo. Hisy ny velan-kevitra hotanterahina eny Analakely, anio... ♦ Fitoriana momba ny raharaham-pifidianana miisa 3 no notsaraina teny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana Ambohidahy omaly... ♦ Mangataka ny hanaovana fikaonandoham-pirenena ho an'ny fanorenana ifotony ny fikambanana ACS ivondronan'ireo Senatera sy mpikamban'ny filan-kevitra ambon'ny tetezamita teo aloha. Tsy hampilamina ny firenena ny vokam-pifidianana farany teo, hoy izy ireo, omaly... ♦ Tsara fanombohana i Allemagne mpampiantrano tamin'ny lalao voalohan'ny Euro 2024...
♦ Fitoriana mahakasika ny hosoka, ny fanaovana herisetra, mikasika ny lisi-pifidianana no nataon'ireo kandidàn'ny Firaisankina roa lahy teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, androany... ♦ Mangataka ireo ray aman-dreny ara-panahy sy ara-drazana mba hitarika ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fanorenana ifotony, ny fikambanana ACS, ivondronan'ireo Senatera sy mpikamban'ny Filankevitra Ambonin'ny Tetezamita teo aloha...
♦ Homarihina ny 15 sy 16 jona 2024 ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Miisa 38 ireo fankalazana mandritra ny taon-Jobilin'ny Fanavotana ny taona 2025... ♦ Mankahery ny rehetra hanao asa soa pastôraly bebe kokoa, ny Papa François, amin'ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany faha-8 ho an'ny Mahantra, amin'ny volana nôvambra 2024...
♦ Kandidà roa avy amin'ny Vovonana Firaisankina no miakatra fitsarana raharaham-pifidianana eny amin'ny HCC, nanomboka ny antoandro teo. Tomefy olona ny efitranom-pitsarana eny an-toerana... ♦ Miakatra fampanoavana ao Antsirabe androany ireo olona roa notazonin'ny zandary, noho ny raharaham-pifidianana tany Faratsiho. Iray amin'ireo natolotra ny fampanoavana ny lehiben'ny sampana informatika eo anivon'ny CED Faratsiho... ♦ Homarihina rahampitso sy ny alahady izao ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona...
♦ Hiakatra fitsarana eny amin'ny HCC Ambohidahy anio, ny raharaham-pifidianana tany Faratsiho... ♦ Nangataka ny hanafoanan'ny HCC ny fifidianana Solombavam-bahoka farany teo ny RMDM. Tsy fifidianana no natao fa fangalaram-bato ka tsy nahomby tamin'ny fikarakarana ny CENI, hoy ny Rodoben'ny mpanohitra... ♦ Niharan-doza tany Miarinarivo ny tarika Sahondrafinina Zanany, mpanao Hira Gasy. Mpikambana iray ao amin'ny tarika no namoy ny ainy...
♦ Tapitra androany ny fe-potoana nahafahana nametraka fitoriana teny amin'ny HCC. Miantso ireo mpitsara tsy hampiady ny Malagasy, fa hijery ny tombontsoam-pirenena, ny antoko Vonona Hijoro ho an'i Madagasikara... ♦ Tokony hofoanan'ny HCC ny voka-pifidianana Solombavam-bahoka teo, hoy ny RMDM androany. Nambaran'ny Rodoben'ny mpanohitra fa tsy fifidianana no natao fa fangalaram-bato, ka tsy nahomby ny CENI tamin'ny fikarakarana... ♦ Niharan-doza tany Miarinarivo androany ny Tarika Sahondrafinina Zanany. Mpitendry lokanga iray ao amin'ny tarika no maty noho ny ratra nahazo azy...
♦ Mankalaza miaraka ny andro eran-tany ho an'ny tontolo iainana sy ny andro eran-tany ho an'ny ady atao amin'ny fihangazàn'ny tany sy ny hain-tany isika eto Madagasikara manomboka androany. Ao Toliara, Faritra Atsimo-andrefana no hanaovana ny hetsika momba izany... ♦ Distrika maro any amin'ny tapany atsimon'ny nosy no lasibatry ny andiam-balala amin'izao fotoana izao. Nisy ny fivoriana vonjy maika niarahan'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana tamin'ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknina sy ara-bola manoloana ny ady atao... ♦ Hanome lanja ny vokatra vita malagasy amin'ity volana jona ity ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara (SIM). Hetsika marolafy no entin'izy ireo manatanteraka izany...
Ankatoky ny fetin'ny ray isika ; firariantsoa no atao ho azy ireny, mba ho toy ny hazo hamoa voatsara hitondra fiainana. Hirariana ho toy izany ny lehilahy rehetra, raim-pianakaviana. Adidy lehibe no iandraiketan'ny raim-pianakaviana ka mila fankaherezana sy fitiavana izy ireny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tsy antenaina hitondra fiovana amin'ny fifandanjan-kery eny Tsimbazaza ny fisian'ny kandidà tsy miankina maro, lany ho solombavambahoaka hoy ny filoha nasionalin'ny HIFFIM. Miray hevitra amin'ny fitondrana ihany ny ankamaroan'izy ireo hoy Andriamatoa Alain Andriamiseza... ♦ Niverina an-tanindrazana omaly tetsy amin'ny seranam-piaramanidina ety Ivato ny delegasiôna mandrafitra ny Barean'i Madagasikara. Izy ireo izay avy niatrika ny lalao fifanitsanana ahafahana mandray anjara amin'ny mondial 2026, tatsy Johanesbourg Afrika-Atsimo... ♦ Mizotra am-pilaminana ny adina ara-panatanjahantena ho an'ny fanadinana Baccalauréat, eny amin'ny foibem-panadinana ANS Ampefiloha...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco