Boky Tononkira dia Tononkira (Ton 3, 1-4a)
Izao no lazain’ny ampakarina:
“Teo am-pandriako aho, nony alina,
nitady ilay malalan’ny fanahiko;
nitady azy aho, fa tsy nahita...
Ka hoy aho anankampo:
Andeha hifoha aho hitetitety ny tanàna,
ny lalambe sy ny kianja
hitady ilay malalan’ny foko.
Dia nitady Azy aho fa tsy nahita.
Tojo ahy ny mpiambina izay misafo tanàna;‘Mba hitanreo va ilay malalan’ny foko?’
Vao tafahoatra an’ireo kely foana aho,
dia nahita an’ilay malalan’ny foko.
Nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 62, 2. 3-4. 5-6. 8-9
Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, maniry Anao aho!
Mangetaheta Anao ny fanahiko!
Matimaty Anao ny nofoko:
mova tsy tany maina sy mangetana, maniry rano!
Toy ny nahitako Anao tao amin’ny toerana masina,
sy nibanjinako ny hery sy ny voninahitrao
fa tsara noho ny aina ny hatsaram-ponao,
ka ny molotro mankazala Anao!
Toy izany no hisaorako Anao raha mbola velona aho,
sy hanandratako tànana amin’ny Anaranao.
Ka ny fanahiko toy ny voky sakafo soa,
ny molotro hihoby, ny vavako hidera!
Fa Ianao no mpiahy ahy!
Mibitaka aho alofan’ny elatrao.
Ny fanahiko misarangotra aminao,
ny tànanao misakambina ahy!
Aleloia. Aleloia.
Lazao anay, ry Maria, ny hitanao teny an-dàlana.
Ny fasan’i Kristy velona no nahitako
sy ny voninahitr’Izy tafatsangan-ko velona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 1. 11-18)
Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro,
dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Maria Madelenina,
ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.
Nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana izy.
Ary teo am-pitomaniana,
dia niondrika izy ka nahita anjely roa niakanjo fotsy,
nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny vatan’i Jesoa,
ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra.
Dia hoy izy ireo taminy:
“Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?”
Ka hoy izy namaly ireo:
“Satria nalain’olona ny Tompoko,
ka tsy fantatro izay nametrahany Azy”.
Nony avy nilaza izany izy, dia nitodika,
ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo,
nefa tsy fantany hoe i Jesoa io.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?
Iza no tadiavinao?”
Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy:
“Raha ianao re no naka Azy, tompoko,
mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy,
hangalako Azy”.
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Ry Maria!”
Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe:
“Rabònỳ!” (Izany hoe Mpampianatra).
Hoy i Jesoa taminy:
“Aza mikasika Ahy,
fa mbola tsy niakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho,
ary any amin’ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo!”
Dia lasa i Maria Madelenina
ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe:
“Efa nahita ny Tompo aho,
ary izany no nolazainy tamiko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 23, 1-6)
Mila loza ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry eo amin’ny kijanako,
— teny marin’ny Tompo.
Koa izao no lazain’ny Tompo, Andriamanitr’i Israely,
ny amin’ireo mpiandry miandry ny vahoakako:
Ny ondriko dia nahahakareo, naronjindronjinareo;
tsy niahy azy ireo ianareo.
Koa indro Aho kosa mba hiahy, hamelezako anareo, ny haratsian’ny nataonareo,
— teny marin’ny Tompo.
Ary Izaho dia hanangona izay sisa amin’ny ondriko,
avy eny amin’ny tany rehetra nandroahako azy,
dia haveriko ho eo amin’ny kijanany izy;
ka hitombo sy hihamaro.
Ary hanangana mpiandry izay hiandry azy Aho;
ka tsy hanan-tahotra na vadi-po intsony izy;
sady tsy hisy diso tsy eo na dia iray aza,
— teny marin’ny Tompo. —
Indro avy ny andro,
— teny marin’ny Tompo,
hananganako solofo marina ho an’i Davida;
hitondra tahaka ny mpanjaka, ho hendry, hanao ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
Amin’ny androny, i Jodà hovonjena,
i Israely handry feizay;
ary izao no anarana hanononana azy:
“Tompo-fahamarinantsika”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5-6
Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany.
Tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho
tsy misy loza atahorako:
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko,
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.
Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 13-18)
Ry kristianina havana,
ankehitriny, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny,
dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky.
Fa Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray.
Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana;
tao amin’ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika,
mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin’ny Tenany;
fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta,
ho tena iray amin’Andriamanitra,
noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana.
Ary tonga Izy, nitory fihavanana taminareo izay lavitra,
sy nitory fihavanana tamin’ireo izay akaiky koa,
satria aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray
ao amin’ny Fanahy iray ihany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)
Tamin’izany andro izany,
nony niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly,
dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Ary hoy Izy taminy:
“Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina,
ka mialà sasatra kely”;
fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory.
Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo
ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany,
ka nidodododo nandeha tongotra avy amin’ny tanàna rehetra,
sy tonga tany talohany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka
ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo,
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Noamasinina sy napetraka amin'ny fikerahana ho Eveka ao ami'ny Diôsezi'i Maintirano omaly Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo ; Eveka faharoa tao amin'ny Diôsezy izany... ♦ 11 no maty, 7 hafa naratra, izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny lalam-pirenena faha-8A, mampitohy an'Antsalova sy Maintirano. Fiarabe mpitatitra vato nikasa ho any Maintirano nitondra olona 24 no nivadika vokatry ny lalan-dratsy... ♦ Sarotra ny manova ekipa amin'izao toe-draharaha pôlitika misy eto Madagasikara izao ka rariny raha tsy nanova Praiministra ny filohan'ny repoblika hoy ny solombavambahoaka manohana ny fitondrana... ♦ Lasan'ny Espaniôla ny Euro 2024...
Alahady faha-15 mandavantaona : Nofidin'Andriamanitra isika mba ho irahiny ; Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Misy roa ny tanjona amin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay mifampikina : hitoetra eo aminy, hitory sy handroaka demony. Raha tsy malala an'i Jesoa sy tsy manana fiombonana aminy dia tsy ho afaka ny hampalala Azy sy ho lasa iraka ; Mifampitohy ny fiantsoana sy ny fanirahana ary tsy mety ho iraka raha tsy babon'ny fitiavan'i Jesoa...
Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Na osa aza isika, eo i Kristy ho herintsika ; Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika. Maro ireo tsy mandray an'i Jesoa amin'ny alalan'ireo fitoriana ny Evanjely. Araka izay voalazan'i Md Paoly dia mba manana ny kilemany ihany koa ny mpaminany, ary mijaly amin'ny fomba maro. Fa hoy i Jesoa : “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany”. Koa mila heri-po lehibe ny asa fitoriana ny Evanjely, manana adidy lehibe amin'izany ny Papa Raimasina, sy ireo mpitondra ny Eglizy...
♦ Tsy azo hihodivirana ny hisian'ireo hery pôlitika samihafa handrafitra ny birao maharitra eny anivon'ny antenimieram-pirenena hoy ny solombavambahoaka teo aloha Bébin Andriantsizehena... ♦ Mbola handray ny fakon'Antananarivo ao anatin'ny roa na telo taona ny eny Andralanitra... ♦ Nanomboka androany eny amin'ny kianjan'i Betongolo ny fitsarana miaramila taona 2024... ♦ Handefa iraka manokana any Doha i Israely hidinika ny fampitsaharana ny ady any Gaza...
♦Andrasana anio eny Alasora ny fanapahan-kevitry ny vondron'ny Kaoperativa mpitatitra UCTU sy ny FMA amin'ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika... ♦ Omena lanja amin'ilay hetsika tsenaben'ny tanora tanterahana eny Mahamasina ireo tanora mpandraharaha ; hetsika izay hifarana anio... ♦ Tsy afa-po amin'ny sazy omena ireo tafiditra amin'ny fakàna an-keriny ireo olona manana toe-tena varira ny fikambanana miahy azy ireo... ♦ Nametra-pialana tsy hitondra intsony ny antokon'ny mpandala ny nentim-paharazana ny praiministra britanika Rishi Sunak...
♦ Hampitovy tadin-dokanga rahampitso, amin'ny fanapahan-kevitra horaisaina amin'ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika, ny vondron'ny koperativa UCTU sy ny FMA... ♦ Nampahafantarin'ny MNP nanoloana ireo mpiara-miombona antoka androany, ny paikady ao anatin'ny 5 taona... ♦ Tsy afapo amin'ny sazy omena ireo tafiditra amin'ny fakana an-keriny ireo olona manana toe-tena varira, ny fikambanana miahy azy ireo...
♦ Tokony tsy hikely aina amin'ny fambolena, ny tantsaha: io no nanentanan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana ny FTMTK tao amin'ny Diôsezin'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny Zaikabe androany... ♦ Mizotra mankany amin'ny fanarenana mandrakariva ny fiainana ary mila apetraka eo amin'Andriamanitra: io no hafatra ho an'ireo mpianatra tao amin'ny Lycée Saint Antoine, izay namarana ny taom-pianarana... ♦ Navoakan'ny Foibe misahana ny fampahalalam-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina androany, ny fandaharam-potoanan'ny Papa François, mandritra ny fitsidihana apôstôlika hataony any amin'ny faritra Azia sy Oseania...
♦ Niroso tamin'ny fametrahana tondrozotra hiatrehana ny fandotoana ao anatin'ny 10 taona ho avy, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy... ♦ Manantena ny mponina any avaratra fa tsy ho vonjy tavan'andro ny fametrahana ny fivilian-dalana eo amin'ny Reniranon'Ifasy sy Mahavavy. Manahy izy ireo fa ho tapaka indray ny lalana amin'ny fotoam-pahavaratra... ♦ Mikarakara fampianarana momba ny famokarana sary hosodoko sy ny sary sokitra, ny Tranom-boky Monisipaly ao Antananarivo Renivohitra, amin'izao fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra izao...
♦ Misy mibodo ny tanin'ny Diôsezin'Antananarivo manana velarana 7 hatramin'ny 9 hekitara eny Ilafy Ambohimangakely, Distrikan'Antananarivo Avaradrano... ♦ Notokanana omaly ny sampana miandraikitra ny fandidiana ny fo misokatra, eny amin'ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana. Nanome voninahitra izany ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Nifarana omaly ny fanadinana BEPC. Nisy olana noho ny ambara fa fivoahan'ny laza adina mialoha ny fotoana, ho an'ny taranja anglisy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco