♦ Mirongatra tato ho ato ny tsy fandriam-pahalemana eny amin'ny kaominina Alasora, Distrikan'Antananarivo Avaradrano. Nandray fepetra ny Ben'ny Tanàna ka hisy ny mpitandro filaminana hanara-maso ireo olona mampiahiahy... ♦ Miakatra ny tahan'ny vehivavy voan'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza. Manohana amin'ny fanaraha-maso sy mitsabo ny vehivavy tratran'izany ny vondrona Akbaraly... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana solombavambahoaka sy ben'ny tanàna amin'ity taona ity ny antoko AREMA... ♦ Maherin'ny 30.000 ny miaramila Ukreniana maty nandritra ny ady natrehany tamin'i Rosia tao anatin'ny 2 taona...
Nisy toromarika telo narahin'ny Fiangonana katôlika niadiana tamin'ny zava-mahadomelina : ny fisorohana mialoha, ny fiarahan-dia amin'ireo olona iharan'ny loza vokatry ny zava-mahadomelina sy fanohanana ny pôlitikan'ny governemanta entina hiatrehana ity zava-mahadomelina ity. Ny fampahafantarana ny olona ny momba ny zava-mahadomelina misy sy ny voka-dratsiny dia isan'ireo fisorohana... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
♦ Miaina anaty tebiteby tsy antoandro tsy alina, ny mponina ao amin'ny fokontany maromaro manodidina ny Kaominina Alasora tato ho ato. Nandray fepetra noho izany ny Ben'ny Tanàna... ♦ Tontosa ny fivoriamben'ny Vaomieran'asa misahana ny fahasalamana, na ny CES, izay eo ambany fiahian'ny Fivondronamben'ny Eveka. Norafetina mandritra izany ny drafitrasa ho an'ity taona ity... ♦ Hanome tanana amin'ny fananganana ny toha-drano hahazoana herinaratra any Volobe sy Sahofika, ny Vondrona Eorôpeanina...
♦ Nanentana ireo tanora mandranto fianarana eny amin'ny Anjerimanontolo ny Arsevekan'Antsiranana, nandritra ny fitsidihany ny Aomôneria Katôlikan'ny Oniversiten'Antsiranana omaly, fa voafetra ny lôjikan'izao tontolo izao... ♦ Nanatanteraka fihaonambe ny Garde d'Honneur-n'ny Fo Masin'i Jesoa, tao amin'ny Diôsezin'i Toamasiana, nanomboka ny 23 hatramin'ny 25 febroary 2024... ♦ Ezahana ho tanterahana isan-taona ny hetsika fambolen-kazo, ho an'ny Kôlejy Masina Misely Itaosy...
9 marsa 2024 — Sabotsy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)
8 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
7 marsa 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)
6 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
5 marsa 2024 — Talata, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 3, 25. 34-43)
Tamin’izany andro izany,
nitsangana i Azariasa, nanao ity fivavahana ity,
ka niloa-bava tao afovoan’ny lelafo nanao hoe:
“Aza dia afoinao mandrakizay anie izahay noho ny amin’ny Anaranao,
ry Tompo Andriamanitry ny razanay,
ary aza dia esorinao aminay ny famindram-ponao,
noho ny amin’i Abrahama sakaizanao, sy i Isaaka mpanomponao ary i Israely masinao,
izay nampanantenainao hampitomboin-taranaka ho toy ny kintana eny an-danitra,
sy ny fasika eny amoron-dranomasina.
Fa efa nahena teo imason’ny firenena rehetra izahay, Tompo ô,
sady voaetry ankehitriny amin’ny tany rehetra, noho ny fahotana nataonay.
Amin’izao fotoana izao izahay tsy manana mpitondra na mpifehy,
na mpaminany, na sorona dorana, na sorona fanatitra, na emboka manitra,
na fitoerana hanateranay ny voaloham-bokatray eo anatrehanao ka hahitanay famindram-po.
Nefa, Tompo ô, aoka ho voaray ihany anie izahay
amin’izao fonay torotoro sy fanahy manetry tena,
toy ny andraisanao ireo sorona ondralahy aman’ombalahy na zanak’ondry matavy arivo;
aoka ho toy izany ny soronay ankehitriny eo anatrehanao, mbamin’ny fanekenay Anao,
fa tsy hahazo henatra izay mametraka ny fitokiany aminao.
Ankehitriny izahay manaraka Anao amin’ny fonay rehetra,
matahotra Anao sy mitady ny tavanao.
Aza atao fola-tana-manondro izahay,
fa ento araka ny hamoram-ponao, sy araka ny haben’ny famindram-ponao!
Vonjeo amin’ny fahagagana ataonao izahay,
ary omeo voninahitra ny Anaranao, Tompo ô!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 24, 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9)
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy,
ny soritrao ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo;
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao,
izay efa hatramin’ny fahagola.
Ny otako fahazaza, ry Tompo,
hadinoy noho ny hatsaram-ponao!
Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny,
ny ory ampianariny ny lalany.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Piera, ka nanao hoe:
“Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko
no tokony hamela azy aho?
Hatramin’ny impito va?”
Dia hoy i Jesoa taminy :
“Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito,
fa hatramin’ny impitopolo fito.
Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra
dia tahaka ny mpanjaka anankiray
izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony;
ary raha vao nanomboka nanao izany izy,
dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina.
Ary noho izy tsy nanan-kaloa,
dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany,
mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa.
Dia niankohoka ilay mpanompo,
ka nifona taminy nanao hoe:‘Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.’
Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany,
ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.
Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo,
dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato;
noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe:‘Aloavy ny trosako any aminao.’
Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe:
‘Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.’
Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina,
ambara-pandoany ny trosa.
Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany,
ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony.
Dia nampanalain’ny tompony izy, ka nilazany hoe:‘Ry mpanompo ratsy fanahy,
efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao,
noho ianao nifona tamiko;
ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao
tahaka ny namindrako fo taminao?’Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy,
ambara-pandoany ny trosa rehetra.
Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo,
raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
4 marsa 2024 — Alatsinainy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 24-30)
3 marsa 2024 —Alahady Fahatelo amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-25)
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco