♦ Hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika tamin'ny fifidianana solombavambahoaka teo ny CENI anio. Arahin'ny maro ny mety hisian'ireo fitsimbadihana, oharina tamin'ny fironam-bokatra nivoaka farany... ♦ Samy namoaka fanambaràna omaly ny vovonana pôlitika IRMAR sy ny kôlektifa an'ny Malagasy, noho ny zava-misy taorian'ny fifidianana solombavambahoaka farany teo... ♦ Lany tsy nasiam-panovàna teny Tsimbazaza ny lalàna momba ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2024. Tsy nisy ny nitsipaka izany ireo solombavambahoaka 64 nanatrika ny fivoriana itambaram-be... ♦ Tsy niandry ela fa hanomboka sahady ny zotra-pifidianana amin'ny fifidianana solombavambahoaka mialohan'ny fotoana any Frantsa...

♦ Miantso ny olom-pirenena tsy haniky ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hala-bato hakana fahefana, ny kandidà Solombavam-bahoakan'ny Kôlektifan'ny Malagasy... ♦ Melohin'ny kandidà Solombavam-bahoaka IRMAR ny filazana fa nisy ny hala-bato nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo, kanefa tsy mitondra porofo any amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana, ireo izay niharan'ny hala-bato... ♦ Nolanian'ny Solombavam-bahoaka tsy nasiam-panitsiana ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana 2024...

♦ Nankahery ireo kristianina 70 mianadahy nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana nandritra ny fankalazana ny Fo Masin'i Jesoa, mpiaro ny Katedraly ao Morombe, i Mgr Jean Désiré Razafinirina... ♦ Meteza ho afaka toa an'i Jesoa isika, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly... ♦ Nanentana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny Papa François, mba hanao izay ho afany amin'ny fitondrana ny fanampiana ilain'ny mponina, lasibatry ny ady, ao amin'ny faritra Gaza...

♦ Hamafisina ny ady amin'ny famongorana ny fakana an-keriny any amin'ny distrikan'Amparafaravola. Nidina tany Morarano Chrome tamin'ny faran'ny herinandro teo ny avy amin'ny EMMO NAT... ♦ Tsy afaka manao fanalefahana ara-ketra amin'ireo entana afarana avy any ivelany ny fitondram-panjakàna, ahiana hiakatra noho izany ny vidin'entana avy any ivelany ato ho ato... ♦ Mangataka ny hanafoanana ny lalàna nivoaka ny voalohan'ny volana jolay 2021 izay mametra ny vola vahiny azo entina any ivelany, ho 10.000 Euro, ireo mpandraharaha mpanafatra entana any Chine... ♦ Takalon'aina Israeliana 04 isa no votsotra teo am-pelantanan'i Hamas ny sabotsy teo, vokatry ny fanafihana nataon'ny kômandô Israeliana...

♦ Nitarika tamin'ny Fokontany miisa 16 tao amin'ny boriborin-tany faha-5 ny firaisan-kina hoy ny kandidà Fetra Razafitsimialona. Tsy hitazam-potsiny manoloana ireo fandikan-dalàna nihatra taminy izy fa hametraka fitoriana... ♦ Olana mila vahana ao Toliara ny momba ny fanabeazana hoy ny mpampianatra mpikaroka Profesora Dina Jeanne. Maro koa ny tsy an'asa, vahaolana ny fianarana asa hoy ity vehivavy mpahay tantara ity... ♦ Hiara-hiasa momba ny jono sy ny karazan-java-manan'aina an-dranomasina ny Oniversiten'Antananarivo sy ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga. Vita sonia tamin'ity herinandro ity ny fifanarahana... ♦ Nanamafy ny antso hanafahana ireo takalon'aina Israeliana, ny Fiketrahana Masina...

Alahady faha-10 tsotra mandavantaona-B : Ny fianakaviana miady an-trano dia tsy haharitra ; efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Isika tsy tokony ho gaga raha ohatra ka tsy hinoan'ny ao an-trano izay lazaina, tahaka izay niainan'i Jesoa.  Ny hoe "devoly" dia avy amin'ny teny grika hoe "Diabolos" izay midika hoe "mpampizara" "mpampisaraka" "mpandrava". Tsy manohitra ny Fanahy Masina isika olombelona rehefa manatanteraka ny sitram-pon'ny Ray. Izay rehetra manaon'ny sitram-pon'ny Ray dia tonga fianakavian'i Jesoa, indrindra ireo manaraka ny didin'Andriamanitra...

♦ Nisaotra manokana ny foloalindahy malagassy tamin'ny ezaka nataony niaro ny andrim-panjakàna ny Praiministra Ntsay Christian. Nandritra ny fanombohana tamin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan'ny fahaleovan-tena sy nijoroan'ny foloalindahy no nilazany izany... ♦ Baolina kitra, mitarika vonjy maika ao amin'ny vondrona "I" misy azy amin'ny fifanitsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2026 i Madagasikara. Resin'i Barea tamin'ny isa 02 noho 01, tamin'ny alina i Comores... ♦ Nanazava tamin'ny ankapobeny ny volavolan-dalàna momba ny teti-bolam-panjakàna asiam-panitsiana ho an'ny taona 2024 teny Tsimbazaza omaly ny Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Tsy tratra ny vinavina fampidiran-ketra...

♦ Nahena 4,9% ny vola natokana ho fampandehanan-draharaha eny anivon'ny minisitera tsirairay avy... ♦ Ao anatin'ny fanjana ny lalàna velona ihany no hampisy ny fitoniana eto amin'ny firenena, manoloana ny fanehoan-kevitra samihafa tao aorian'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany, tamin'ny alalan'ny fananganan-tsaina teny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny fankalazana faha-64 taona niveranan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara...

♦ Manantitra ny fisaorana sy ny fankasitrahana ho antsika mianakavy ny avy eo anivon'ny Seminera Zandriny Ambohipo, noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miombom-bavaka izay niarahana tamin'ny 26 mey 2024... ♦ Hotontosaina ny alahady 9 jona 2024 ny fankalazana ny Andron'ny Vehivavy Katôlika, izay tokony nankalazaina ny 13 mey 2024... ♦ Hanatanteraka Kôngresy ny 7 hatramin'ny 12 aogositra 2024, ny avy eo anivon'ny Tanora Marialy Vinsansiana...

♦ Tsy nisy intsony nanomboka ny maraina teo ny fironam-bokatra, tamin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, izay navoakan'ny CENI... ♦ Hiakatra kianja ao Afrika Atsimo anio ny Barean'i Madagasikara. Arahanao ao anatin'izao vaovao izao ny hevitry ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy... ♦ Hotokanana amin'ny 15 jona 2024 ny MIAMI ao Toamasina...

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 19, 19-21)

Nitsangana i Elisea, dia nandeha ary nanaraka an’i Elia.

Tamin’izany andro izany,
nony niala teo an-tendrombohitra i Elia dia nahita an’i Elisea, zanak’i Safàta niasa tany.
Omby efatra amby roapolo tsiroaroa no teo alohany,
ka teo amin’ny faharoa ambin’ny folo laharana izy.
Nanatona azy i Elia sady natsipiny taminy ny kapaotiny.
Nilaozan’i Elisea ny ombiny,
dia nihazakazaka nanaraka an’i Elia izy, nanao hoe:

“Aoka handeha hanoroka an’i dada sy i neny aho, dia hanaraka anao.”

Ary hoy i Elia taminy:

“Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?”

Dia niala teo aminy i Elisea,
ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny,
ary ny jiogan’ny omby no nandrahoany ny henany,
ary nomeny hohanin’ny olona izany,
ao niainga izy nanaraka an’i Elia sy nanompo azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 15, 1-2a sy 5. 7-8. 9-10

Ianao, ry Tompo, no anjara lovako.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno.
F’Ianao re no hany ifefeko,
Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay!

Ka isaorako Tompo Ianao.
Fa nanolotra saina, fanahy.
Sy nanoro ny foko hatrany.
Eo alohako foana ny Tompo;
tsy hiala ankavanako Izy.
Ka hisaorako mandrakizay.

Ts’omby tratra tokoa ny hafaliana,
’Zay mameno ny foko tontolo
sy manenika ’zato fanahy.
Ka ny nofoko mandry amin-toky;
fa tsy foinao ho levona ny aiko.
Ny olon-tianao tsy foinao ho faty.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 33-37)

Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
‘Aza mianiana tsy tò, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.’
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy;
na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy;
na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny mpanjaka lehibe izy;
na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny mpanjaka (1 Mpanj. 19, 9a. 11-16)

Mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra eo anatrehan’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany antendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba, i Elia,
dia niditra tao anaty zohy ka nandry tao.
Ary hoy ny Tompo taminy:

“Mivoaha ianao,
ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’ny Tompo,
fa indro handalo ny Tompo.”

Dia nisy rivotra be sady mahery,
nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy,
teo alohan’ny Tompo;
nefa tsy tao amin’ny rivotra ny Tompo.
Nanarakaraka ny rivotra, nisy horohoron-tany,
nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany ny Tompo.
Nanarakaraka ny horohoron-tany, nisy afo koa,
nefa tsy tao amin’ny afo ny Tompo.
Ary nanarakaraka ny afo, nisy fizozozozo malefaka sy malemy.
Ka raha nandre izay i Elia, nosaronany ny kapaotiny ny tarehiny,
ka dia nivoaka izy, ary nijanona teo am-bava zohy izy.
Dia injay nisy feo reny nankeo aminy, nanao hoe:

“Maninona aty ianao, ry Elia?”

Ary hoy ny navaliny:

“Feno hafanam-po ho an’ny Tompo Andriamanitry ny tafika aho,
fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely,
ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra,
izaho irery sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.”

Fa hoy ny Tompo, taminy:

“Mandehana amin’ny dianao indray ho any amin’ny efitr’i Damasy;
ka rahefa mby any ianao, hosory ho mpanjakan’i Siria i Hazaela,
hosory ho mpanjakan’i Israely i Jehoa, zanak’i Namsî,
ary hosory ho mpaminany handimby anao i Elisea, zanak’i Safàta,
avy any Abela Meholà.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 26, 7-8a. 8b-9abd. 13-14

Eny, ry Tompo, tadiaviko ny Tavanao.

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso!
Iantrao aho, ka valio!
Tadiavo ny Tavany, hoy ny foko mantsy Anao.
Eny, ry Tompo, tadiaviko ny Tavanao!

Aza afenina ahy, ny Tavanao!
Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao!
Ry ilay Mpitahy ô, aza manary!
Ry Andriamanitra Mpamonjy ô, aza mahafoy!

Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny Tanin’ny Velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 27-32)

Izay rehetra mijery vehivavy ka maniry azy dia manota sahady.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mijangajanga?’
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao,
dia esory izy ka ario lavitra anao,
fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao,
dia tapaho ka ario lavitra anao,
fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.

Ary efa voalaza koa hoe:
‘Na iza na iza hisaotra ny vadiny, aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.’
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady,
afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy;
ary izay manambady ny voasaotra dia mijangajanga.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...