Nankalazaina ny 11 febroary ny andro maneran-tany ho an'ny marary ; nitondra hafatra ny Papa Ray Masina tamin'izany. Ny foto-kevi-dehibe ny hoe fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay ao anatin'ny fiaraha-monina. Koa tsy tsara raha avela irery ny olona, ny mikarakara ny marary dia mikolokolo ny fifandraisana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana.

♦ Namoizana ain'olona ny orambe misy amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny. Teto Antananarivo ny roa ary tany Mandoto ny 2 hafa. Maherin'ny 4.000isa ireo tra-boina hoy ny BNGRC... ♦ Naneho ny tsy fankasitrahana ny hanaovana ny fifidianana eny anivon'ny kaominina aorian'ny fifidianana solombavambahoaka ny fiaraha-monim-pirenena FIVATO. Naneho hevitra toa izany koa ny Humaniste Ecologiste... ♦ Efa milamina ny any Mandoto hoy ny solombavambahoaka Rakotorahalahy Modeste taorian'ny asan-dahalo nahazo laka tany amin'ity distrika iray any Vakinankaratra ity tamin'ny taon-dasa...

Ny fitiavana dia mifototra amin'ireto teny telo ireto : fifampitokisana, fifanajana, fitiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Mitombo ny isan'ny tanora eo anelanelan'ny 17 ka hatramin'ny 25 taona mitondra ny tsimok'aretina VIH SIDA eto Madagasikara. Natoritory ny ady atao amin'ity aretina ity taorian'ny valan'aretina COVID hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Mitaraina ireo mpiasa manana toerana ambony any amin'ny orinasa tsy miankina fa niakatra be ny hetra IRSA alaina amin'ny karama... ♦ Mbola malalaka ny tsena ho an'ny famokarana tantely eto Madagasikara. Manana fiaraha-miasa ahafahana manondrana vokatra hatrany amin'ny 18 taonina isan-taona ny ao amin'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra... ♦ Miantso ny fitondrana israeliana hampitsahatra ny fanafihana any Gaza ny filoha Frantsay...

Ny khat dia amidy toy ny fivarotana legioma any amin'ny faritra maro. Ny fiankinan-doha amin'ny khat dia ahitana ny ambaratonga rehetra misy amin'ny fiaraha-monina. Olon-tsotra, olona tsy an'asa, ny mpamily sy ny mpandeha taxi-brousse, mpitantana, mpianatra, manampahefana, ny zaza amam-behivavy, samy mihinana azy avokoa. Ny mpivarotra iray dia mety halafo 9 ka hatramin'ny 10 fehezana isan'andro. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

♦ Nitombo be ny isan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina VIH/Sida eto Madagasikara. Ny tanora, indrindra ny zatovovavy 17 hatramin'ny 25 taona, no maro voan'izany... ♦ Hanohana an'i Madagasikara amin'ny adisisika hiarovana ny vidin'ny lavanila eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, ny Fandaharan'asa CIR (Cadre Intégré Renforcé)... ♦ Hamafisina ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin'i Madagasikara sy i Frantsa. Isan'izany ny fanofanana miaramila, misy koa ny fanazaran-tena iarahana amin'ny FAZSOI...

♦ Nahatratra 13 isa ireo trangana fanolanana niseho nanerana an'i Madagasikara hatramin'ny volana janoary no nakaty, tranga izay feno habibiana ny ankamaroany ary misy no miafara hatramin'ny fahafatesan'ilay niharam-boina hoy ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Miisa 20 isa amin'izao ireo olona voamarina fa misandoka ny asan'ny infirmier, sady tsy manana ny fahaiza-manao no tsy manana marim-pahaizana mifandraika amin'izany, raha ny hita tamin'ny fidinana ifotony nataon'ny holafitra... ♦ Hanarina ny fahatarana tamin'ny sehatry ny fampandrosoana ny firenena tato anatin'ny 60 taona ny fitondrana hoy ny filoha Rajoelina Andry raha nandray fitenenana tamin'ilay fihaonana an-tampon'ny governemanta maneran-tany any Emirat Arabes Unis ...

♦ Olona 11 nomoy ny ainy, 25 hafa tsy hita popoka noho ny fisian'ny rano trambo tany amin'ny Distrikan' Benenitra, Faritra Atsimo-Andrefana, araka ny tatitra vonjimaika avy amin'ny BNGRC... ♦ Lavon'ny balan'ny zandary ny ben'ny tanàna ny kaominina ambanivohitra Tsimafana Distrika Belo-sur-Tsiribihina, izy izay voalaza fa isan'ny mpiray tsikombakomba amin'ireo dahalo mpaka ankeriny any an-toerana... ♦ Tafajoro ary nampahafantarina teny Antaninarenina omaly ny vondrona "kolektifan'ny Malagasy hanohy ny tolona nataon'ireo kolektifan'ny kandida tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo...

Mbola tsy misy lalàna mifehy ny famokarana, ny famarotana sy ny fanjifàna ny khat, eto Madagasikara. Asa fivelomana ary betsaka mpanjifa ny khat satria ao ireo mpamboly sy mpivarotra manao azy ho asa. Amin'ny faritra avaratr'i Madagasikara no tena mpamboly ny khat, izay toerana mandomando sy mafana... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

♦ Nifampitaona teny amin'ny ESCA Antanimena androany, niara-nakalaza ny Andron'ny Sekoly Ambony Katôlika, ireo sekoly ambony miisa valo mivondrona ao amin'ny ESSCATHO, eto Antananarivo sy ny manodidina... ♦ Nanangana vovonana pôlitika hafa indray, izy dimy mirahalahy nandrafitra ny vondron'ny kandidà 11. Nijoro androany ny “Kolektifa an'ny Malagasy”... ♦ Tsy mankasitraka ny hamindrana ny Distrikan'i Marolambo ho ao amin'ny Faritra Mangoro hijoro tsy ho ela, ny Fikambanan'ny terak'i Marolambo...

Ny faha-11 febroary dia andro manokana hijerena sy hitsinjovana ireo marary rehetra, fa ny 12 febroary dia natokana ho an'ireo mararin'ny androbe. Ny hepatita dia areti-mifindra, izay aretina mpahazo ny aty. Ny asan'ny aty dia manadio ny ra, amin'ireo singa izay manampoizina ny vatan'ny olombelona, izay miditra amin'ny alalan'ny rivotra fohana sy ny maso-koditra, sakafo, firaisana ara-nofo. Ny hepatita dia fahasimban'ny aty vokatry ny zavatra misy poizina na otrik'aretina...  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

24 febroary 2024 — Sabotsy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...