♦ Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, midangana ny vidim-piainana. Isan'ny noresahan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa izany androany, raha namarana ny fivoriana tsy ara-potoan'ny Antenimieram-pirenena izy. Tsy hanelingelina ny Governemanta kosa ny Antenimieran-doholona, hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Hatao faritra manokana, hisitaka amin'Alaotra ny ao Mangoro, misy ny Distrikan'i Moramanga sy Anosibe an'Ala. Fantatra izany androany, nandritra ny lahatenin'ny Filoham-pirenena, nitokana zava-bita maro tao amin'ny Distrikan'i Moramanga...
♦ Manentana ny olona hikolo ny fifandraisana amin'ny marary, ny Papa François, amin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany faha-32 ho an'ny Marary... ♦ Hotanterahana ny 10 sy ny 11 febroary 2024, ny fivoriambe voalohany amin'ity taona ity, ho an'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra, eto Antananarivo... ♦ Fahakiviana ara-panahy sy fanakanana ny olona tsy hiaina am-pifaliana ny alahelo, hoy ny Papa François tamin'ny Audience générale farany teo...
♦ Namerina indray ny maha sehatra ifanakalozana sy ifanatonana ny Antenimieram-pirenena, ny Filohan'ity andrim-panjakana ity, Christine Razanamahasoa, nandritra ny lanonam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoana androany... ♦ Nomem-boninahitra manokana nandritra ny fetin'ny Orchidées andiany faha-28, izay tanterahana ao amin'ny Conservatoire Princesse de Galles, any Londres, ny hakanton'ny harena voajanaharin'i Madagasikara... ♦ Nandray andraikitra manoloana ny firongatr'ireo olona voasarika sy voambaka amin'ny hypnose, ny mpitandro ny filaminana ao Betafo...
♦ Niakatra ho 3.340 miliara Ariary ny vola ahiana ho tafiditra amin'ny famotsiam-bola, tamin'iny taona 2023 iny, araka ny tatitra nataon'ny SAMIFIN. Eo amin'ny sehatra fanafarana entana no tena isehoan'izay famotsiam-bola izay... ♦ Hikatona ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eny Anosy anio, noho ny fambolen-kazo karakarain'ny Minisiteran'ny Fitsarana... ♦ Miisa 150 ireo teratany Malagasy tratra nanjono tany amin'ny fari-dranomasin'ny Nosy Seychelles. Andrasana anio ny fahatongavan'izy ireo eto Madagasikara, hanaovana fanadihadiana...
Ny zava-mahadomelina dia mampitombo ny herisetra sy ny fanolanana, satria tsy mandeha araka ny fahamarinana fa ny sitrapony ihany, tsy mahaleo na mahafehy ny tena ireo mpandray zava-mahadomelina. Rehefa domelina ny sainy dia lasa maherisetra ilay olona, lasa rava ilay hatsarana sy ny halemam-panahy nananany teo aloha ary tsy manana faharetana insony... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
♦ Nitombo 950 miliara Ariary ny vola nofotsiana teto Madagasikara tamin'iny taona lasa iny, mitaha ny tamin'ny taona 2022, raha ny tatiry ny SAMIFIN androany... ♦ Nisy mpanjono teratany Malagasy 150, tratran'ny fanjakana Seychellois, rehefa nanjono tany amin'ny fari-dranomasiny. Hampodiana sy hanaovana fanadihadiana eto Madagasikara izy ireo, hoy ny Minisitry ny Jono, androany... ♦ Mbola tsy misy choléra eto Madagasikara. Efa noraisina ny fisorohana rehetra, toy ny famafazana ranom-panafody ireo sambo sy fiaramanidina miditra eto amintsika, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra...
17 febroary 2024 — Sabotsy, manaraka ny Lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 27-32)
16 febroary 2024 — Zoma, manaraka ny Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-15)
15 febroary 2024 — Alakamisy, manaraka ny Lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 22-25)
14 febroary 2024 — Alarobia fanosorana Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)
13 febroary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)
Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 1, 12-18)
Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra;
fa rahefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitry ny fiainana,
izay nampanantenain’Andriamanitra homena izay tia Azy.
Aoka izay alaim-panahy tsy hisy hanao hoe:
“Andriamanitra no maka fanahy ahy.”
Fa Andriamanitra tsy azo alaim-panahy ho amin’ny ratsy, sady tsy maka fanahy olona.
Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filan-dratsy,
izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy.
Ny filan-dratsy kosa, rahefa torontoronina, dia miteraka ota,
ary ny ota, rahefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Aza diso hevitra, ry kristianina havana:
ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony,
ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana,
izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.
Niteraka antsika an-tsitrapo tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy,
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 93, 12-13a. 14-25. 18-19
Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo,
sy ampianarinao ny Lalànao,
mba tsy hanahiahy amin’ny andro fahoriana,
raha hihadiana longoa ny olon-dratsy.
Fa ny Tompo tsy hahafoy ny Vahoakany,
na handao ny Lovany:
ka ny olo-marina hahazo ny rariny,
ny mahitsy fo no handresy lahatra.
Vao lasa ny teniko hoe: “Mibolisatra ny tongotro!”
ny Hatsaram-ponao, ry Tompo, no avy nananty!
Raha maro loatra ny ahiahy ato anatiko,
ny fampiononanao no mampifaly ny fanahiko!
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)
Tamin’izany andro izany,
nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra,
ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely.
I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe:
“Mitandrema tsara ianareo
fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.”
Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe:
“Noho isika tsy manana mofo izay.”
Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy:
“Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo?
Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo?
Donto ny fonareo?
Mana-maso fa tsy mahita va ianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare?
Ary tsy mahatadidy va ianareo?
Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”
Dia hoy ireo taminy hoe:
“Roa ambin’ny folo.”
Dia hoy i Jesoa:
“Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”
Hoy ireo hoe:
“Fito.”
Dia hoy Izy taminy:
“Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco