Vakiteny voalohany

Fiandohan’ny taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 1, 1-3. 6-12)

Mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin’ny fametrahako tanana taminao.

I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra,
mba hitory ny teny fampanantenana izay ao amin’i Kristy Jesoa,
mamangy an’i Timôte, zanako malala:
ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po amam-piadanana,
avy amin’Andriamanitra Ray, sy i Kristy Jesoa Tompontsika.
Misaotra an’Andriamanitra izay tompoiko amin’ny saina madio aho,
araka ny nataon’ny razako;
ary tsy mitsahatra ny mahatsiaro anao andro aman’alina amin’ny fivavahako.
Noho izany,
mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ao anatinao,
izay noraisinao tamin’ny fametrahako tanana taminao.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika,
fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika
sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy,
fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely,
miankina amin’ny herin’Andriamanitra,
izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina,
tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika
tao amin’i Kristy Jesoa, talohan’ny taona rehetra,
sy naharihary ankehitriny tamin’ny nisehoan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika,
Ilay nanafoana ny fahafatesana, sy nanambara ny fiainana aman-tsy fahalòvana tamin’ny Evanjely.
Izany Evanjely izany, no nanendrena ahy ho mpitory sy Apôstôly ary mpampianatra ny jentily;
ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao;
tsy menatra amin’izany anefa aho,
fa fantatro izay ninoako ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko
mandra-piavin’izay andro izay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 122, 1-2a. 2bde

Any aminao ny masoko, ry Tompo, no andraiko.

Ry Tompoko, Ianao izay mitoetra any ambony!
Ny masoko miandra mibanjina Anao.
Sahala amin’ny mason’ireo mpanompo,
miandra ny tanan’ny tompony hatrany.

Sahala amy mason’ny mpanompovavy,
miandra ny tanan’ny tompony hatrany.
Iantrao re izahay Andriamanitra Tompo,
fa vokin’ny eso, efa tofoka loatra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)

Andriamanitry ny velona Izy fa tsy Andriamanitry ny maty.

Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny Sadoseanina
izay mandà ny fitsanganan’ny maty
ka nanontany Azy hoe:

“Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan’i Môizy ho antsika:
Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny,
dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny
mba hiteraka hamelo-maso azy.
Ary nisy olona fito mirahalahy,
ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba.
Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy;
toraka izany koa ny fahatelo.
Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa.
Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo,
iza no ho vadin-dravehivavy,
fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?”

Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Moa tsy diso hevitra va ianareo
noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra?
Fa rahefa tafatsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony,
fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty,
moa tsy mbola novakìnareo va ao amin’ny Bokin’i Môizy, amin’ilay misy ny voaroy,
izay nolazain’Andriamanitra taminy hoe:
‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?’
Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.
Koa diso lehibe loatra ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Piera Apôstôly (2 Pier. 3, 12-15a. 17-18)

Manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika.

Ry kristianina havana, eo am-piandrasana izaitsizy ny hiavian’ny Tompo ianareo,
ny Tompo izay hahamay sy hahalevona ny lanitra,
ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra.
Eny, araka ny fampanantenany, dia manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika,
izay hanjakan’ny fahamarinana.

Amin’ny fiandrasana izany, dia ataovy izay tratry ny ainareo,
mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary mihavana tsara no hahitan’ny Tompo anareo.
Minoa fa ny haelan’ny fandeferan’ny Tompontsika dia ho an’ny famonjena anareo.
Izao àry, ry kristianina havana, dia efa nampahalalaina izany rahateo ianareo,
koa mitandrema sao voatariky ny hevi-dison’ny ratsy fanahy,
ka hiala amin’izay niorenanareo.
Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika.
Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 89, 2. 3-4. 10. 14 sy 16

Tompo ô, Ianao no fialofanay hatramin’ny mandrakizay.

Mbola haizina ny tany, irony vohitra tsy àry.
Ny tontolo zavozavo mbola tsy naterakao...
Efa teo Ianao, ry Tompo, hany tokana mahefa
’Lay tsy nanam-piandohana ka ho velona doria.

Nampodianao ho vovoka ny arin-tananao:
“Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra.”
Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona,
tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.

Fitopolo taona monja no anjara fiainanay;
valopolo izay matanjaka: io no tanjona ho anay.
Fahoriana sy toloko anefa ny isan’izy ireny,
fa miriotra poatoizay ka manjavona izahay.

Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay,
ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan’andro.
Aoka re ny asanao ho hitanay mpanomponao,
ka hamiratra am’ireo taranakay ny herinao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia,

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 13-17)

Omeo an’i Sezara izay an’i Sezara, ary omeo an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina ireo mpanohitra an’i Jesoa
mba hamandrika Azy amin’ny teniny,
ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
fantatray fa marina Ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona,
satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao,
fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina.
Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara:
handoa izahay sa tsy handoa?”

Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy:

“Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Itondray denie iray Aho hozahako.”

Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy:

“Sarin’iza, sy anaran’iza io?” —

Hoy iretsy hoe:

“An’i Sezara.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara,
ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.”

Dia nigagan’izy ireo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Misy amin'ireo sekolim-panjakàna hatao biraom-pifidianana no mbola ianaran'ny mpianatra anio... ♦ Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana hataon'ny pôlisim-pirenena manerana ny nosy mandritra ny androm-pifidianana rahampitso. Pôlisy maherin'ny 28.000 no hahetsika, hisahana izany... ♦ Efa nisokatra ny taom-piotazana lavanila maitso any amin'ny Faritr'i Diana. 45.000 Ariary ny hividianan'ireo orinasa mpividy ny isan-kilao, miampy prime BIO 16.250 Ariary... ♦ Mitohy hatrany ny fanafihana ataon'ny tafika israeliana any Rafah, atsimon'ny faritr'i Gaza. Olona 40 isa eo no namoy ny ainy, vokatr'izany omaly, 249 isa hafa naratra...

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Piera Apôstôly (2 Pier. 1, 2-7)

Noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy, mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo.

Ry kristianina havana,
hitombo ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy i Jesoa Tompontsika.
Ny herin’Izy Andriamanitra no nanome antsika ny zavatra rehetra
momba ny fiainana sy ny fitiavam-bavaka,
fa Izy no nampahalala antsika tsara an’Ilay niantso antsika
noho ny voninahiny sy ny fahatsarany;
dia noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy indrindra nampanantenaina antsika,
mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo,
rahefa afaka tamin’ny fahalovan’ny filan-dratsin’izao tontolo izao.
Ka noho izany, aoka kosa ianareo hikely aina fatratra,
ka ny finoanareo asio hatsaram-panahy;
ny hatsaram-panahy, fahalalana;
ny fahalalana, fahalalana onony;
ny fahalalana onony, fandeferana;
ny fandeferana, fitiavam-bavaka;
ny fitiavam-bavaka, fitiava-namana;
ny fitiava-namana, fitiavana an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 90, 1-2. 14-13ab. 12d-16

Ry Andriamanitra itokiako!

Izany izaho raha mialokaloka ao an-tranon’ilay Avo.
Velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo!
O! ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho.
Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.

Fa matoky ny fitiavako izy hany ka vonjeko.
Nahafantatra ny Anarako: tsenaiko famonjena.
Hovaliako raha miantso, hovonjeko raha mijaly.
Raha tojo fitsapana, tsy havelako hanirery.

Izaho ho tonga hanafaka azy eo anivom-pahavalo.
Sy ho avy hanandratra azy eo anivom-pahoriana.
Ka homeko tombon’andro sesehena koa izy;
hanekeko izany vonjiko fa sitrako izany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Andriamanitra mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 1-12)

Nosamborin’izy ireo ilay zanany malalany indrindra ka novonoiny, ary natsipiny any ivelan’ny tanim-boaloboka.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny fanoharana
tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nanao hoe:

“Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka, ka namefy azy manodidina,
nandavaka tany hanaovana famiazana, nanorina tilikambo tao,
ary nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka,
dia lasa nankany an-tany hafa.
Nony tonga ny fotoana,
dia naniraka ankizilahy anankiray ho any amin’ny mpamboly izy
mba handray ny vokatry ny tanim-boaloboka:
fa nosamborin’izy ireo ilay mpanompo, ka sady nokapohiny no nampodìny maina.
Dia naniraka ankizilahy hafa ho any aminy indray izy,
fa io koa dia sady noratrainy ny lohany no nalany baràka.
Ary naniraka ankizilahy anankiray hafa koa izy, fa novonoiny;
ary nisy maro hafa koa, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny.
Dia ny zanany lahitokana malalany indrindra no sisa tao aminy,
ka io no nirahiny tamin’ny farany, fa hoy izy:
‘Hanaja ny zanako izy.’
Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe:
‘Intý ny mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lova.’
Dia nosamboriny izy ka novonoiny,
ary natsipiny any ivelan’ny tanim-boaloboka.
Inona àry no hataon’ny tompon’ny tanim-boaloboka amin’izany?
Ho avy izy ka ny mpiasa haringany, ary ny tanim-boalobony hafindrany amin’ny hafa.
Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe:
‘Ny vato narian’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro;
avy tamin’Andriamanitra izao ka mahagaga eo imasontsika?’

Ary nitady hisambotra Azy izy ireo,
satria fantany fa Izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany,
saingy natahotra ny vahoaka izy;
koa nandao Azy, dia lasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 24, 3-8)

Ity no ran’ny fanekena nataon’ny Tompo taminareo.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga i Môizy nitondra tamin’ny vahoaka ny tenin’ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra,
ka indray niredona ny vahoaka namaly hoe:

“Izay teny rehetra voalazan’ny Tompo dia hotanterahinay avokoa”.

Nosoratan’i Môizy avokoa ny tenin’ny Tompo.
Dia nifoha maraina koa izy, nanorina ôtely teo am-pototry ny tendrombohitra,
sy nanangana tsangam-bato roa ambin’ny folo ho an’ny fokon’i Israely roa ambin’ny folo.
Ary naniraka zatovolahy zanak’i Israely izy,
ka nanolotra sorona dorana tamin’ny Tompo ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana.
Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany,
ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely.
Izay vao nalainy ny bokin’ny Fanekena ary novakìny teo anatrehan’ny vahoaka, izay namaly hoe:

“Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’ny Tompo”.

Dia nalain’i Môizy ny ra,
nafafiny tamin’ny vahoaka sy nolazainy hoe:

“Ity no ran’ny Fanekena nataon’ny Tompo taminareo momba izany teny rehetra izany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 115, 12-13. 15-16bd. 17-18

Hanainga ny kapoakan’ny famonjena aho ho fiantsoana ny Anaran’ny Tompo.

Inona no havaliko ny Tompo
amin’ny soa rehetra nataony ahy?
Handray ny kapoakam-pandresena aho
sady hiantso ny Anaran’ny Tompo.

Tsy sitraky ny Tompo velively
ny hahafatesan’ny sakaizany.
Mpanomponao aho, ry Tompo:
ka nalànao fatorana.

Koa mitondra fanati-pisaorana aho
sy miantso ny Anaran’ny Tompo,
manefa ny voadiko tamin’ny Tompo
atrehin’ny vahoakany tontolo.

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 9, 11-15)

Ny Ran’i Kristy no hanadio ny fontsika.

Ry kristianina havana,
i Kristy, nony efa tonga Mpisorombe ny amin’ny soa ho avy,
dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tanana,
izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao:
sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby,
fa ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra,
indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay.
Ary raha ny ran’osilahy sy ny ranjanak’omby aza
mbamin’ny famafazana ny lavenom-bantotr’omby vavy
nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo,
mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra,
amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay,
no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty,
mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!
Noho izany, dia Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao Izy,
mba hahazoan’izay voaantso ny lova mandrakizay nampanantenaina azy,
rehefa nisy fahafatesana hanala ny fahotana, natao tamin’ny fanekena taloha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Antsa

Derao ny Mpamonjy, ry Siôna,
Hobio sy antsao ny Kiadinao
sy Mpifehy anao.

Mikezaha araka izay tratry ny ainao,
satria ambony noho ny dera rehetra Izy,
ka tsy ampy hidera Azy ianao.

Ny deraintsika anio indrindra
dia ilay Mofo velona,
ilay Mofo manome aina.

Dia ilay Mofo nomena ny Apôstôly roa ambin’ny folo
araka ny efa fantatsika,
tamin’ilay Fanasana farany.

Aoka ny fiderana ataontsika hanetriketrika
ary aoka ny hirantsika hahate-hihaino,
aoka ny hafaliantsika ho tsara.

Satria ilay andro malaza
namoronana io Fanasana masina io
no deraintsika anio izao.

Amin’izany fanasan’ny Mpanjaka vaovao izany
dia ny Paka vaovaon’ny Lalàna vaovao
no misolo ny Paka taloha.

Ny fomba vaovao: mandimby ny fomba taloha;
ny marina mampisava ny aloka,
ary ny fahazavana mamono ny haizin’ny alina.

Izay nataon’i Kristy tamin’ilay sakafo hariva
dia nodidiany hatao
ho fahatsiarovana Azy.

Ny nataony no arahinay
ka dia manamasina ny mofo sy ny divay
hanjary ho sorom-pamonjena izahay.

Teny finoana ho an’ny kristianina
no ahatongavan’ny mofo ho Nofo,
sy ny divay ho Ra.

Izay tsy azonao, izay tsy hitan’ny masonao
dia ampiaiken’ny finoana velona,
na dia tsy araka ny fomban’ny zava-boaary aza.

Ao anatin’ny endri-javatra samy hafa
endrika fotsiny tsy misy ventiny intsony
no iafenan’ny zava-tsoa faran’izay ambony.

Ny Nofo dia hanina ary ny Ra dia fisotro,
fa ny endrika roa dia samy misy
ny Tenan’i Jesoa Kristy manontolo.

Tsy tapaka izy, tsy mivaky,
tsy saratsarahin’ny mpandray
fa raisina manontolo.

Na olona iray na olona arivo no mandray
dia izay raisin’ny arivo no raisin’ny iray
mandray izy rehetra fa tsy mahalany Azy.

Mandray ny tsara fanahy, mandray koa ny ratsy fanahy
fa tsy mitovy izay anjarany:
na ho fiainana izany na ho fahafatesana.

Fahafatesana no azoa’ny ratsy fanahy,
ary fiainana no hitan’ny tsara fanahy:
endrey ity tsy fitoviam-bokatra
nefa hanina iray ihany no hanina!

Ilay vakìna iny ny endrika
dia aza misalasala ianao fa tsarovy
fa na hôstia sombiny na manontolo tsy mivaky;
dia samy misy an’i Jesoa Kristy manontolo.

Ny Tena izay takon’ny endrika
dia tsy vaky akory;
ilay endrika hita maso ihany no motika
fa Ilay ambarany dia tsy miova toetra.

Indro Ilay Mofon’ny Anjely
manjary vatsy ho an’ny olombelona mpivahiny:
tena sakafon’ny zanaka tokoa
ka tsy tokony hatsipy hohanin’ny amboa.

Efa voatandindona fahiny izy,
na tamin’i Isaaka natao sorona,
na tamin’ny zanak’ondrin’ny Paka,
na tamin’ny mana namelona ny razantsika tany an’efitra.

Ry Jesoa Mpiandry ondry tsara, ry Mofo mahavelona,
mamindrà fo aminay,
aoka Ianao ho hanina hamelona sy hanohana anay,
ary aoka Ianao hampahita anay ny soa
any amin’ny tanin’ny Velona.

Ianao no mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra,
ka mamahana anay eto an-tany;
koa eto izahay miara-misakafo aminao,
ka dia tongavy ho mpiray lova,
sy ho naman’ireo mponina masina any an-danitra. Amen.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 14, 12-16. 22-26)

Vatako ity, Rako ity.

Tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka,
dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe:

“Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka?”

Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe:

“Mankanesa any an-tanàna,
ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo,
ka manaraha azy.
Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe:
‘Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao:
Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?’
Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo,
ka ao no anamboary ho antsika”.

Dia nandeha ny mpianatra ka tonga tany an-tanàna,
ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka.
Ary raha mbola nihinana Izy,
dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny
dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe:

“Raiso, fa Vatako ity”.

Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy,
ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra.
Ary nolazainy taminy hoe:

“Rako ity,
dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro.
Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho
mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”.

Nony efa nanao hira fiderana izy ireo,
dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Miditra amin'ny fahanginana ara-pifidianana ny manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara manomboka anio, taorian'ny fifaranan'ny fampielezan-kevitra. Andro isaintsinan'ny mpifidy rehetra... ♦ Nisy kandidà nandany hatrany amin'ny  18 tapitrisa Ariary isaky ny nanao hetsika nandritra iny fampielezan-kevitra iny. Nanao tatitry ny fanadihadiana nataony momba izay fandaniam-bolan'ny kandidà izay ny Transparency International ety Madagasikara, omaly... ♦ Nampiaka-peo ny Vovonan'ny Sekoly tsy Miankina, noho ny voalaza fa antsojay atao azy ireo. Nomena fe-potoana nomena hatramin'ny 15 mey teo ireo sekoly tsy miankina, hampihatra ny karama farany ambany...

♦ Tsy nahafaly ny Vovonan'ny Sekoly tsy miankina eto Madagasikara, ny faneren'ny Ministeran'ny Asa azy ireo, hampihatra ny karama farany ambany... ♦ Arahanao ato anatin'izao vaovao hariva izao ny vaovaon'ny fampielezan-kevitra... ♦ Hanainga rahampitso ho any Afrika Atsimo ny Delgasiôn'ny Barean'i Madagasikara...

♦ Nandefa hafatra manokana ho an'ny mpiara-miombona antoka ao amin'ny Fifandraisan'ny mpiara-belona, i Mgr Fulgence Rabemahafaly, ka nanentana ny rehetra mba hahay hampiasa izany fitaovana izany mba tsy hahalefy ny fihavanana eo amin'ny olombelona sy Andriamanitra... ♦ Nanentana ny rehetra hanao am-pinoana ny famantaran'ny hazofijaliana, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankazalazana ny fetin'ny Trinite Masina, sady nankalazana ihany koa ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo...

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jodà Apôstôly (Jodà and 17. 20b-25)


Manam-pahefana hiaro anareo tsy ho lavo, sy hampiseho anareo ho tsy manan-tsiny amam-peno haravoana eo anatrehan’ny fiandrianany Andriamanitra.

Ry malala,
tsarovy ny teny voalazan’ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny.
Aoka ianareo hivavaka amin’ny alalan’ny Fanahy Masina,
hitahiry tena amin’ny fitiavana an’Andriamanitra,
ary hiankina amin’ny famindram-pon’i Jesoa Kristy Tompontsika,
mba hahazo ny fiainana mandrakizay.
Amindrao fo ny sasany izay miahanahana;
afaho amin’ny afo no famonjy ny sasany;
ary ny sasany indray amindrao fo, fa amin-tahotra,
ka ankahalao na hatramin’ny akanjo voaloton’ny nofo aza.
Ary aoka anie ho an’Ilay manam-pahefana hiaro anareo tsy ho lavo,
sy hampiseho anareo ho tsy manan-tsiny amam-peno haravoana eo anatrehan’ny fiandrianany,
dia ho an’Andriamanitra tokana Mpamonjy antsika,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
ny voninahitra sy ny fiamboniana, ary ny hery sy ny fanjakana,
hatrizay hatrizay, sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 62, 2. 3-4. 5-6

Ry Tompo Andriamanitro ô, mangetaheta Anao ny fanahiko.

Andriamanitra Andriamanitro ô, maniry Anao aho!
Mangetaheta Anao ny fanahiko!
Matimaty Anao ny nofoko:
mova tsy tany maina sy mangetana, maniry rano.

Toy ny nahitako Anao tao amin’ny toerana masina,
sy nibanjinako ny hery sy voninahitrao
fa tsara noho ny aina ny hatsaram-ponao,
ka ny molotro mankalaza Anao.

Toy izany no hisaorako Anao raha mbola velona aho,
sy hanandratako tanana amin’ny Anaranao:
ka ny fanahiko ho toy ny voky sakafo soa
ny molotro hihoby, ny vavako hidera!

Evanjely

Aleioia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)

Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao?

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany.
Ary raha niasa dia teo anatin’ny Tempoly i Jesoa,
dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona,
ka nilaza taminy hoe:

“Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao?
Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo,
ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.
Avy aiza ny batemin’i Joany,
avy any an-danitra sa avy amin’ny olona?
Valio Aho.”

Dia nieritreritra izy ireo ka nanao hoe:

“Raha valiantsika hoe avy any an-danitra manko,
dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo?
Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa,
ny vahoaka indray no atahorantsika;
fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany.”

Dia izao no navaliny an’i Jesoa:

“Tsy fantatray.”

Ary hoy kosa i Jesoa:

“Izaho koa,
tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Sôfônia Mpaminany (Sôf. 3, 14-18a)

Ny Tompo mpanjakan’i Israely eo aminao.

Mihobia, ry zanakavavin’i Siôna!
Manaova feo firavoravoana, ry Israely!
Mifalia sy mirehareha amin’ny fonao rehetra ry zanakavavin’i Jerosalema.
Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’ny Tompo,
ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao.
Ny Tompo, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao,
ka tsy hahita loza intsony ianao.
Amin’izany andro izany,
izao no holazaina amin’i Jerosalema:

“Aza matahotra, ry Siôna,
ary aza miraviravy tanana!
Ny Tompo Andriamanitrao no eo aminao,
Mpamonjy mahery!
Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao:
hangina Izy amin’ny fitiavany;
noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.
Hovorìko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 12, 9-16b)

Mifankatiava toy ny ifankativan’ny mpirahalahy.

Aza asiana fihatsaram-belatsihy ny fitiava-namana;
mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.
Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpirahalahy;
mifaninàna hifanaja.
Raha ny amin’ny fahazotoana,
dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo;
ny Tompo anie no tompoinareo e!
Mifalia amin’ny fanantenana,
mandefera amin’ny fahoriana,
ary mahareta amin’ny fivavahana;
manampia ny olomasina araka izay ilaina,
ary mazotoa mampiantrano vahiny.
Misaora izay manenjika anareo;
misaora, fa aza manozona.
Miaraha mifaly amin’izay mifaly,
ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.
Miraisa hevitra;
aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Iz. 12, 2-3. 4. 5-6.

Lehibe eo anivonao ny Masin’i Israely.

Intý ny Andriamanitry ny fahafahako;
matoky aho, fa tsy manan-tahotra;
fa ny heriko sy fiderako, dia ny Tompo,
Izy no famonjena ahy teo.

Hanovo rano an-kafaliana ianareo
amin’ny loharanom-pamonjena,
ary izao no holazainareo amin’izany andro izany.

Miderà ny Tompo, miantsoa ny Anarany;
torio amin’ny firenena ny asany lehibe,
ataovy antso avo, fa tafasandratra ny Anarany.

Mihirà ho an’ny Tompo fa nanao zava-mahagaga Izy;
ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany.
Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siôna,
fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin’i Israely!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompo aho.

Tamin’izany andro izany, dia niainga i Maria
ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra,
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony,
ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo niantso mafy hoe:

“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka
izay nampilazain’ny Tompo taminy!”

Ary hoy i Maria:

“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny.
Fa indro, hatramin’izao,
dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho,
satria efa nanao zavatra lehibe tamiko Ilay Mahefa.
Ary masina ny Anarany
sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.
Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy:
dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;
naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy,
fa ny ambany kosa nasandrany;
ary ny noana novokisany soa,
fa ny mpanan-karena kosa, nampodìny mitondra tanam-polo.
Niahy an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay,
araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”

Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria
vao nody tany an-tranony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 2, 2-5. 9-12)

Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo.

Ry kristianina havana,
maniria fatratra ny rononom-panahy tsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka,
mba hampitomboany anareo amin’ny famonjena, rahefa nandramanareo fa mamy ny Tompo.
Manatòna Azy, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa,
nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa;
ary ianareo kosa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona,
mba hitsangana ho Tempoly fanahy, ho mpisorona masina,
ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy,
mpisorona manjaka,
firenena masina,
vahoaka navotana,
mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina,
ho amin’ny fahazavany mahagaga:
dia ianareo izay tsy vahoakany akory taloha,
fa efa vahoakan’Izy Andriamanitra kosa ankehitriny,
ary tsy nahazo famindram-po koa taloha,
fa efa nahazo ny famindram-pony kosa ankehitriny.
Ry malala,
mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho,
noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.
Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny jentily,
mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana,
rahefa hitany ny asa soa ataonareo,
na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira, miravo.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Fa Azy isika satria nohariany.
Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.

Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra.
Ny ao an-kianjany, idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo: ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika.
Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)

Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.

Tamin’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao,
dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak’i Time.
Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay,
dia rafitra niantso izy nanao hoe:

“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.”

Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe:

“Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko.”

Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy.
Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe:

“Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.”

Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Inona no tianao hataoko aminao?”

Dia hoy ilay jamba:

“Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.”

Ary hoy i Jesoa:

“Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.”

Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy,
ka nanaraka Azy teny an-dalana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hankalazaina ny 15 - 16 jona ho avy izao ny andro eran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananaviro... ♦ Miantso ny Ceni haka hevitra amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana momba ny fifidianana any Morondava ny KMF/Cnoe... ♦ Nanatrika ny fihanianan'ny filoha kaomaoriana Azali Assoumani noho ny nahavoafidy azy indray omaly ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny Mialy Rajoelina... ♦ Von olona mampihoron-koditra ny zera baomban'ny Israeliana tao amin'ny toby iray fandraisana mpitsoam-ponenana tao Rafah any Atsimon'i Gaza hoy ny Hamas Palestiniana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...