12 febroary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)
Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 1, 1-11)
Fiandohan’ny Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba,
mpanompon’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy,
miarahaba ny foko roa ambin’ny folo, izay miely any rehetra any.
Raiso ho fifaliana avokoa, ry Rahalahy,
ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo,
satria fantatrareo fa ny finoanareo dia mahatonga fandeferana.
Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary,
mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo,
ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo,
dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra,
fa homeny azy tokoa izany;
satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Aoka anefa hangataka amim-pinoana izy, fa tsy hisalasala;
fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina atopatopa amana hetsiketsehin’ny rivotra.
Ka ny olona toy izany dia aza manampo hahazo zavatra amin’ny Tompo,
fa olona miroa saina sy mivadibadika amin’izay alehany rehetra.
Aoka ny rahalahy ambany toetra hanao ny fisandratany ho reharehany;
ary ny manan-karena kosa, ny fietreny ho voninahiny,
fa hihelina toy ny vonin’ny ahitra izy.
Nony miposaka ny masoandro mahamay, dia mandazo ny ahitra,
ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny rehetra:
toy izany koa ny mpanan-karena, halazo amin’izay alehany izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 67-68. 71-72. 75-76
Talohan’ny nijaliako dia nivilivily aho
fa izao dia mitandrina ny Didinao!
Soa Ianao, ry Tompo, sady mpanisy soa:
ampianaro ahy ny Fitsipikao.
Soa ho ahy ny nomenao fijaliana,
mba hianarako ny Fitsipikao!
Soa ho ahy ny Lalàna avy amin’ny Vavanao:
mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo.
Fantatro, ry Tompo, fa rariny ny Fitsaranao:
ara-pahamarinana no ampahorianao ahy!
Hampionona ahy anie ny Hatsaram-ponao:
araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny Farisianina,
ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy,
mba hakany fanahy Azy.
Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe:
“Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana?
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.”
Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
11 febroary 2024 — Alahady Tsotra fahenina Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 40-45)
Mamaha olana amin'ny fahasahiranana ara-bolan'ny mponina eny ambanivohitra, ny fanaovan'izy ireo ombona tahiry ifampisamborana na ny GVEC. Nanana traikefa efa ho valo taona tamin'izany ny fikambanana “Fanantenana”, ao amin'ny Fokontany Antandrokomby, Kaominia Mahitsy, ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo.
♦ Misaona ny tontolon'ny zava-kanto eto Madagasikara. Nodimandry i Andry Balafomanga, mpiangaly ny gadona Rock. Teo anelanelan'ny taona 1980 sy 1990 no nampisongadina ny sangan'asany... ♦ Manameloka ny fampiasana fitaovam-piadiana amonoana ny mpiray tanindrazana noho ny tsy fitovian-kevitra ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Izay no nambarany nandritra ny fahatsiarovana ny 7 febroary 2009... ♦ Afaka miditra malalaka amin'ny tsenan'ny Vondrona Eraopeana indray ny lavanila malagasy. Averina ho 0,3 miligrama isaky ny kilao ny fetra farany ambony amin'ny tahan'ny nicotine amin'ny lavanila mahazo miditra any aminy...
Avy ao anatin'ny fianakaviana no hipoiran'ny olona mandray andraikitra. Ny fianakaviana dia sehatra iray hanabeazana sy hamolavolana olom-banona, mandray andraikitra. Ny fianakaviana no afaka mampahafantatra ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fampisehoana sy fampihainoana ny fampianaran'ny fiangonana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana.
Boky Levitika (Lev. 13, 1-2. 45-46)
Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niteny tamin’i Môizy nanao hoe:
“Raha mamontsina ny hoditry ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy,
ka tonga misy fery toy ny habokàna amin’ny hoditry ny nofony
dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy,
na eo amin’ny iray amin’ireo zanany mpisorona.
Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina,
ny volony harakaràkany, ny volombavany hosaronany,
ary izy hiantsoantso hoe:‘Maloto e! maloto e!’
Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan’ny feriny.
Maloto izy, ka hitokana irery, any ivelan’ny toby”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 31, 1-2. 5. 11
Sambatra izay voavela heloka;
eny, sambatra ny olona afaka ota,
tsy itanan’ny Tompo hadisoana,
fa nitsotra tamin’ny fo manontolo.
Koa nitsotra taminao aho,
tsy nanafina hadisoana:
“Miaiky heloka aho, ry Tompo!”
ka noesorinao ny otako.
Mifalia ao amin’ny Tompo, ry olo-marina;
miravoa, mihobia, ry fo mahitsy!
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 10, 31 — 11, 1)
Ry kristianina havana,
na mihinana ianareo na misotro, na inona na inona ataonareo,
dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Aza manao izay hanafintohina ny Jody, na ny Jentily, na ny Eglizin’Andriamanitra,
fa toy ny ataoko, dia manao izay hahafaly ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra aho,
ka tsy mitady ny ho an’ny tenako,
fa ny ho an’ny be sy ny maro,
mba ho voavonjy izy rehetra.
Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka an’i Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 40-45)
Tamin’izany andro izany,
nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa,
nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe:
“Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy”.
Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany
dia nanendry azy sy nanao taminy hoe:
“Mety Aho, madiova ianao”.
Vantany vao niteny Izy,
dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy.
Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa,
sady namepetra azy mafy nanao hoe:
“Tandremo,
aza milaza izany na amin’iza na amin’iza ianao,
fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona,
ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy,
mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka”.
Kanjo nony lasa ralehilahy
dia nilazalaza izany sy nampiely izany hatraiza hatraiza,
hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa,
fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina Izy,
ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
10 febroary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 12, 26-32 ; 13, 33-34)
Tamin’izany andro izany, hoy i Jerôbôama anakampony:
“Mba mety ho tafaverina amin’ny tranon’i Davida ihany ny fanjakana izao.
Raha miakatra hanao sorona any an-tranon’ny Tompo any Jerosalema ny vahoaka,
hitodika ny fon’ity vahoaka ity hankany amin’ny Tompony indray, amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà,
dia hamono ahy ka hiverina amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà.”
Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak’omby volamena roa
ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe:
“Efa ela niakarana tany Jerosalema ianareo, ry Israely,
ity no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.”
Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa tany Dana.
Nahatonga fahotana izany fa lasa hatrany Dana hivavaka amin’ny anankiray amin’ireo ny vahoaka.
Nanao trano ho fitoerana avo i Jerôbôama,
ary namorona mpisorona nalainy tamin’ny vahoaka fa tsy isan’ny taranak’i Levi.
Nisy fety noforonin’i Jerôbôama
tamin’ny volana fahavalo tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana
ho fanahafana ny fety fanao amin’i Jodà,
dia nanatitra sorona teo ambony ôtely izy.
Toy izany no nataony tao Betela,
mba hanaovan’ny olona sorona amin’ireo zanak’omby nataony,
ary nampitoerany tao Betela ny mpisoron’ireo fitoerana avo, izay natsangany.
Taorian’izany zava-niseho izany,
mbola tsy niala tamin’ny lalan-dratsiny ihany i Jerôbôama,
fa mbola nanangana mpisoron’ny fitoerana avo, avy amin’ny vahoaka ihany izy,
ka na iza na iza tia izany, dia natokany ka tonga mpisoron’ny toerana avo izy.
Nampisy fahotana momba ny tranon’i Jerôbôama izany
ka io no antony nandringanana sy namongorana azy teto ambonin’ny tany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 105, 6-7a. 19-20. 21-22
Nanota toy ny razanay izahay,
nanao izay meloka sy ratsy!
Ny razanay tany Ejipta
tsy nahatsapa ny asanao mahagaga.
Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby,
niankohoka tamin-tsary anidina.
Ilay voninahiny dia natakalony
sarin’ombilahy homana ahitra!
Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy,
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.
Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)
Tamin’izany andro izany:
nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina
dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Mampalahelo ahy ity vahoaka,
fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina;
ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana,
fa avy lavitra ny sasany.”
Dia hoy ny mpianany namaly Azy:
“Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo aty an’efitra?”
Ary Izy nanontany azy hoe:
“Manana mofo firy ianareo?”
“Fito”, hoy izy ireo.
Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito,
ka nony vita ny fisaorana dia novakìny, sy nomeny hozarain’ny mpianany,
ary nozarainy tamin’ny vahoaka.
Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy,
ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina.
Ary nihinana ny olona ka voky,
ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika.
Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny.
Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany,
ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
9 febroary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 11, 29-32 ; 12, 19)
Tamin’izany andro izany,
raha nivoaka avy tao Jerosalema i Jerôbôama
dia nifanojo teny an-dalana tamin’i Ahiasa mpaminany,
avy any Silao, sy nitafy kapaoty vaovao:
izy roalahy ihany no tany an-tsaha tamin’izany.
Nalain’i Ahiasa ny kapaoty vaovao teny aminy,
ka norovidrovitiny ho roa ambin’ny folo, dia hoy izy tamin’i Jerôbôama:
“Raiso ho anao ny tapany folo,
fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:Indro, hendahako avy eo an-tanan’i Salômôna ny fanjakana,
ka homeko anao ny foko folo, fa ny foko iray ihany no sisa azy,
noho ny amin’i Davida mpanompoko sy noho ny amin’i Jerosalema,
tanàna voafidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra.”
Toy izany no niendahan’i Israely tamin’ny tranon’i Davida mandraka androany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 80, 10-11ab. 12-13. 14-15
Tandremo mitsaoka andriamani-kafa.
Mandray ny andriamanitr’ireo vahiny;
f’izaho re no Tompo Andriamanitrao.
Nampakatra anao avy tany Ejipta.
Kinanjo ny oloko tsy nihaino.
I Israely nanosika Ahy!
Izao izy avelako hanao ny tiany.
Hanaraka tsara izay sitrapony.
Indrisy raha nihaino Ahy ireo olon-tiako.
Ka i Israely nanaraka Ahy:
dia ho noreseko ny fahavalo.
Ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira,
ary namaky ny faritanin’i Sidôna
ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly.
Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana
nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana.
Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy,
ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany.
Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy,
sady nisento ary nanao taminy hoe:
“Efeta, izany hoe, misokafa.”
Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany,
ka niteny tsara izy,
ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza;
fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe:
“Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony,
fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny voka-dratsin'ny fandraisana zava-mahadomelina dia maro : manakorontana ny fiasanan'ny taovan'olombelona ka mahatonga tsy fahasalamana. Mampihena ny hery voajanahary ny fandraisana zava-mahadomelina. Mampihena ny torimaso ny zava-mahadomelina, anefa fototry ny fahasalamana ny torimaso. Ny fandraisana zava-mahadomelina dia mety hanempotra, mampihena ny fitadidiana... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco