♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

♦ Nanolotra ny mpiray lisitra aminy amin'ny fifidianana solombavambahoaka ao amin'ny Distrika Antananarivo-Atsimondrano ny faran'ny herinandro teo ny solombavambahoaka amperin'asa Alain Ratsimbazafy. Izy izay mirotsaka amin'ny anaran'ny mahaleo tena... ♦ Tsy afaka handray ny lalao baolina kitra andro fahatelo sy fahaefatra amin'ny fifanitsanana Mondial 2026 amin'ny volana Jona izao ny kianjan'i Barea Mahamasina, raha toa ka tsy vita mialohan'ny volana jona ireo fepetra notakian'ny konfederasiôna Afrikan'ny Baolina Kitra na ny CAF... ♦ Mitombo ny isan'ny sampam-piofanana ao amin'ny Oniversiten'i Moramanga telo taona aty aorian'ny fiaraha-miasa teo amin'ny orinasa Fanalamanga sy ny Oniversiten'i Toamasina...

♦ Nohamasinina sy napetraka ho Evekan'i Diôsezin'i Morombe, omaly, araka ny fomban'ny Eglizy, Mgr Razafinirina Jean Désiré... ♦ Nitso-drano ireo zanany hirotsaka ho kandidà solombavambahoaka amin'ny 29 mey ho avy izao, ny fiangonana katôlika any Ambositra... ♦ Hiainga eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny fanovana hoy ny kôlektifa an'ny Malagasy... ♦ Miantso ny ampitsaharana ny fampiasan-kery any amin'ny Faritr'i Proche-Orient ny Papa François taorian'ny fanafihan'Iran ny Israel, ny sabotsy alina teo ; nanameloka ny fanafihana ny firenena tandrefana, mampitony ny andaniny sy ny ankilany ny tany Arabo...

♦ Novonoin'ireo mpaka an-keriny omaly hariva ireo takalon'aina roa vavy tany amin'ny kaominina Androvakely distrikan'Anjazorobe... ♦ Infirmiers sandoka miisa 45 no traha-tehaky ny holafitry ny infirmiers tao anatin'ny 4 volana niasany... ♦ Manahy ny hisian'ny didy jadona eto amin'ny firenena ny antoko PRM... ♦ Naneho ny alahelony noho ny fisian'ny ady eo amin'i Israely sy ny Hamas ny Papa François, tamin'ny hafatra nataony omaly zoma tamin'ny famaranana ny Ramadany... ♦ Nanomboka androany sabotsy ny dinika eo amin'ny samy Maliana izay nampanantenain'ny fitondrana tetezamita any an-toerana. Nilaza ny antoko pôlitika sy ny fiaraha-monim-pirenena Maliana fa tsy handray anjara amin'ity dinika ity...

Alahady fahatelo fankalazana ny Paka : velona marina i Kristry ; voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo, ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao. Resaka finoana ny fitsangana-ko velona ka tsy maintsy mijery amin'ny masom-pinoana sy fihainoana amim-pinoana isika. Toetry ny olona maro ankehitriny ny fisalasalàna sy ny tsy finoana, mbola maro ny tsy miditra am-piangonana na manao ezaka lehibe aza ireo tompon'andraikitry ny Eglizy. Tena velona marina i Kristy ; tsy azo sarahina ao amin'ny tantaram-pamonjena ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, efa voalaza ao ny tantara nisy sy ny ho avy izay iraka ho fitoriana ny Evanjely, hatramin'izao iainantsika izao...

♦Tsy voahilika ireo solombavambahoaka IRD teo aloha izay tsy natao kandidà intsony, fa tsy maintsy nisy ny fandaminana mba hisian'ny fahamarinan-toeran'ny fitondram-panjakàna hoy ny vovonana IFI... ♦ Lasa fandangonan-karena sy fitadiavam-bola ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, fa tsy misy mihitsy ny fikatsahana izay mahasoa ny vahoaka hoy ny HPM sy ny ACS... ♦ Mangataka amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hampihato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany fiveloman'ireo tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo ny Pretra sy ny Justice et Paix any amin'ny Diôsezin'i Moramanga...

♦ Nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Ankizin'ny Làlana isika androany 12 aprily. Fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy fanomezana kôpia nahaterahana, no nanamarihana izany teny amin'ny Tranom-pokonolona Isotry... ♦ Lasa fanangonan-karena sy fitadiavam-bola ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, fa tsy misy mihitsy izay mahasoa ny vahoaka, hoy ny HPM sy ny ACS... ♦ Mangataka amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana hampiato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany iveloman'ireo tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo, ny pretra sy ny Justice et Paix, ao amin'ny Distrika Misiônera Amboasary Gara, Diôsezin'i Moramanga...

♦ Notanterahana ny 8 hatramin'ny 11 aprily 2024 ny fivoriana ara-potoana fanaon'ny Jutice et Paix isan-taona, ka nentin'izy ireo nanomezana hafatra ho an'ny vahokan'Andriamanitra... ♦ Hotanterahana ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka sy fametrahana eo amin'ny fiketrahana maha Eveka hitantana ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Razafinirina Jean Désiré... ♦ Anisan'ny herim-panahy mahatonga tena handresy ny ratsy marina tokoa ny faherezana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nentiny tamin'ny Audience Générale, tamin'ny alarobia 10 aprily 2024...

♦ Lehiben'ny Distrika sy Préféts maherin'ny 30 no nosoloina omaly, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra. Heverin'ny maro fa misy antony noho ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny 29 mey 2024 izany... ♦ Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana fampiharana ny lalàna vaovao mifehy ny harena ankibon'ny tany. Fanovana no nentina, hisian'ny aingavao entiny amin'ny toe-karem-pirenena... ♦ Tanora hatramin'ny 7 hetsy isa isan-taona no tokony hiditra amin'ny sehatry ny asa. Maro amin'izy ireo anefa no tsy manana ny fahaiza-manao takian'ny orinasa...

♦ Nanome hafatra ny Justice et Paix eto amintsika, tao aorian'ny fivorian'izy ireo tamin'ity herinandro ity. Voaresaka avokoa ireo zava-misy iainan'ny Malagasy amin'izao fotoana izao... ♦ Mety hivoaka amin'io herinandro io ny lisitra ôfisialin'ireo ho kandidà Solombavam-bahoaka. Mbola afaka mitondra ny raharaha any amin'ny HCC ireo nolavin'ny OVEC ny firotsahany ho fidina... ♦ Nogiazana eo anivon'ny Banky Foiben'i Madagasikara ilay volamena 450 grama tsy ara-dalàna. Nitondra fanazavana momba ity raharaha ity ny eo anvion'ny Pôlisin'ny Harena ankibon'ny tany...

♦ Marefo ny fihavanana ka mila fanafody, hoy ny hafatry ny Justice et Paix eto Madagasikara. Nivory teto Antananarivo nandritra ny efatra andro ity vaomiera ity, nitondra hafatra momba ny zava-misy iainan'ny Malagasy... ♦ Maromaro ireo kandidà Solombavam-bahoaka no tsy nahafeno ny antontan-taratasy firotsahany, nolavin'ny OVEC... ♦ Tsy mahafaly ny mpiasa ilay fisondrotan-karama notapahana ho an'ity taona 2024 ity, hoy ny sendikà FISEMARE androany. Hafana ny hetsika fanoherana izany amin'ny voalohan'ny volana mey...

♦ Miandry ny fanombohan'ny fampielezan-kevitra ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona vao ho fantatra ny didim-pitsaràna momba ny raharaha anenjehana azy hoy ny mpisolovava miaro azy... ♦ Mamporisika ny vehivavy handray anjara amin'ny fifidianana, indrindra fa ny fifidianana ben'ny tanàna, ny filoham-boninahitry ny CNFM sy ny VMLF Ramatoa Ranampy Zenaïde... ♦ Miatrika ny ady amin'ny valala ny ao amin'ny distrikan'Ankazobe, Faritra Analamanga. Manatanteraka ny asa ny ao amin'ny Ivon-toerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara na ny IFVM... ♦ Maty vokatry ny zera baomban'ny israeliana ny zanakalahin'i lehiben'ny Hamas palestinian Ismaël Haniyeh miisa telo miampy ny zafikeliny miisa efatra...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...