♦ Tapitra rahampitso ny fe-potoam-pitondràn'ny Ben'ny Tanàna sy ny mpanolon-tsaina manerana an'i Madagasikara. Mety ho ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana anefa no hotanterahina voalohany amin'ity taona ity... ♦ Efa tafakatra 200 hatramin'izao ireo antontan-taratasy voaray ho safidiana ho ministra. Tsy tokony ho endrika ivelany fotsiny ireo mpikamban'ny governemanta hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Gérard Ramamimampionona... ♦ Maty notifirin'ny dahalo ny Ben'ny Tanàna an'ny kaominina Andranomiely any amin'ny Distrika Ankazobe. Efa tena mihantsy ady amin'ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka mihitsy ireo olon-dratsy any Ankazobe ireo amin'izao...

♦ Olona 10 no maty vokatry ny oram-be nikija tany amin'ny Distrikan'i Ikongo. Nandravarava trano io oram-be io, ary ahiana mbola hitombo ny fahavoazana hoy ny tatitry ny Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana... ♦ Mety hisy faritra andro ratsy hiforona ao amin'ny ranomasimbe Indiana amin'ny faran'ny herinandro. Hitohy hatrany ny oram-baratra manerana ny nosy, ankoatra ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo andrefana, hoy ny Météo... ♦ Vary simba 3 kaontenera indray no tratra tany Toamasina omaly. Nogiazana avy hatrany ireo vary ireo, rehefa nokasaina hodiovina, toy ny tany Mahajanga, raha ny fampitam-baovaon'ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana...

Mbola ilàna ezaka mafy ny hananan'ny olona eto amin'ny firenentsika ny fiainana tena mendrika ny maha-olona. Raha tiana ny hananana fivoaram-piainana tena izy dia tsy maintsy hatomboka amin'ny fanabeazana matotra sy feno ary araka ny voalazan'ny Soratra Masina. Rehefa mahazo fanabeazana tsara ny olona dia hivoatra ny asa fivelomany, hanao mihoatra ny vitan'ny ray aman-dreniny. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

♦ Tafakatra F10 ireo olona maty vokatry ny orambe nikija tany amin'ny Distrikan'Ikongo omaly alahady araka ny tatitry ny solombavambahoaka Razafitsiandraofa Jean Brunelle, androany... ♦ Tratran'ny zandary tany Toamasina androany ny vary simba 3 kaontenera izay saika ho diovina any Mahajanga... ♦ Niverina an-tsekoly nanomboka androany ny mpianatra rehefa avy niatrika fialan-tsasatra... ♦ Maherin'ny 160 hatramin'izao ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny horohoron-tany nitranga tany Japon ny fiandohan'ity taona ity...

Ny fiarahaba "Arahaba tratry ny taona" no nisy talohan'ny "arahaba nahatratra ny taona". Ny Malagasy sy ny tatsinanana dia manana fomba fiheverana ny tontolo "tamberina tsy manampahataperana" ka manana hevitra hoe isika olombelona dia mizotra sy mivelona fa ny taona no miodina mandalo antsika noho izay dia ny "taona" no mahatratra antsika. Ny anarana "famantaran'andro" no nisy talohan'ny "famantaran'ora", izay fitaovana entina hamantarana ny fizotry ny andro. Ampiasaina ny voambolana hoe "MIKASIKA" rehefa voatondro mazava izay voakasika, "MAHAKASIKA" kosa raha zavatra ankapobeny. Sedraina ho voambolana tandrify ny "DRÔNE" ny hoe "SIDISIDINA" noho ny toetrany sy ny fomba fampiasana azy... 

♦ Andalam-pandinihana ankehitriny ny fanovàna ny fehezan-dalàna famaizana momba ny fanolanana. Mitarika izany ny Ministeran'ny Fitsaràna... ♦ Mila hamafisina ny fitandroana ny filaminana amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy raha tiana ho tratra ny fanamby napetraka amin'ny fizahan-tany eto Madagasikara. Efa miarindoha tsikelikely mantsy ity sehatra ity taorian'ny fandalovan'ny Covid... ♦ Nitohy tao amin'ny distrikan'i Marovoay, Faritra Boeny ny fizaràna hanam-pamokarana ataon'ny Mnisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ho an'ny tantsaha, tohana atao amin'ny alalan'ny tetik'asa PURPA... ♦ Hivahiny any Arabie Saoudite sy Israel anio hariva ny lehiben'ny diplômasia amerikana Antony Bliken, mikasika ny ady "israely-palestina"...

♦ Mila fihaonan'ireo mpisehatra rehetra voakasika ny fampiakarana ny saran-dalàna, isan'izany ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa hoy ny filohan'ny PMH, Andry Vola Razafindralambo...  ♦ Hiatrika ny tapany fahatelo amin'ny taom-pianarana indray ny mpianatra rehetra manerana ny nosy manomboka androany. Misedra olana amin'ny fanarahana ny fianarana nefa ireo mpianatra any amin'ny toerana lavitra andriana amin'ny fotoam-pahavaratra toa izao... ♦ Mila paik'ady matotra ny fananganana firenena matanjaka sy vanona hoy ny filohan'ny antoko TIM, Marc Ravalomanana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Telo volana omaly ny ady eo amin'ny Hamas Palestiniana sy ny tafika Israeliana...

Ny ray aman-dreny dia lasa mijanona ho mpiteraka fotsiny, fa tsy manana ny hasiny intsony, noho ny fandrosoana mivaona amin'ny maha olona, amin'ny soatoavina. Mandray tsy ampiheverana ny fandrosoana isika ankehitriny, tsy afaka mandanjalanja, tsy mahay mandray ny endrim-pivoarana mifanaraka amin'ny toe-karena sy ny fomba fisaina ary ny fomba malagasy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Raha tiana ny hisian'ny fivoaram-piainana dia tsy maintsy atomboka amin'ny fanabeazana matotra sy feno araka ny voalazan'ny Soratra Masina. Tsy mahasahana ny ara-pivelomana ihany ny fivoarana fa mahasahana indrindra ihany koa ny ara-pitondran-tena "moral" sy ny ara-pinoana. Ny oha-piainana aseho amin'ny fiaraha-monina dia hahalalana fa kristiana ny olona na ny fianakaviana iray. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

♦ Nitondra ny heviny ny Fivondrondam-ben’ny Eveka eto Madagasikara manoloana ilay fanambarana nataon’i Papa François mikasika ilay taratasy "Fiducia Supplicans"... ♦ Ady tsy misy fiafarana hoan’ny Kristianina ny fiarovana ny finoana, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience Générale, ny 03 Janoary 2024... ♦ Nankahery ireo misionera miasa any ambanivohitry LaFrantsa, mba hanohy ny asan’izy ireo hatrany, ny Papa François... ♦ Mila manorina ny tetezan’ny fiadanana isika, hoy ny Papa François, tao amin’ny gazetibokin’ireo Frera Fransiskanina, ny alakamisy 04 Janoary 2024...

Ny aty dia taova iray eo ambanin'ny elabakaka, amin'ny ilany havanana amin'ny kibo no misy azy, milanja 1 hatramin'ny 1,5kg ho an'ny olon-dehibe. Ny asan'ny aty : mitahiry ny glucide havadika ho glucose, mamokatra proteine ilaina amin'ny fivainganan'ny ra, manala ny poizina sy ny zavatra tsy ilain'ny vatana, mitahiry ny vitamina A-D-E-K, mamorona ny ranon'afero ilaina amin'ny fandevonan-kanina, manodina ny menaka, mandamina ny tahan'ny tsirim-panentana ao amin'ny olona, mandamina sy manjalanja ny hafanan'ny vatan'ny olona... Rehefa tsy mahavita ireo asany ireo ny aty dia azo sokajiana fa tratry ny faharefon'ny aty. Fambara : reraka, misy olana ny fivainganan'ny ra...

Ankehitriny maro ireo endrika fandrosoana izay tsy mifanaraka amin'ny fomba amam-panao sy kolontsaina malagasy no tafiditra eto amintsika. Mazàna dia manao "laisser-aller" isika ka toa tsy rototra akory fa mety tena hanimba ny maha-izy ny tena mihitsy ny zavatra sasany. Tsy afaka mandanjalanja fa maka tahaka be fahatany na dia manimba ny soatoavina aza ireny. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...