♦ Nanao hetsika nanapaka lalana sy nandoro kodiarana omaly ny andian'olona eny amin'ny Fokontany Andohatapenaka-I ao Antananarivo renivohitra. Misy mivarotra an-tsokosoko ny tanin'izy ireo ka manaitra ny tompon'andraikitra mahefa izy ireo hanara-maso akaiky izany... ♦ Hanome tantsoroka ny federasiôna ivondronan'ny vehivavy mpandraharaha ao amin'ny faritry ny COMESA amin'ny fanatontosana ny tsenabe iraisam-pirenena Trade Fair andiany fahadimy atao eto Madagasikara ny ministera misahana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra... ♦ Miatrika ny fanadinam-panjakàna fihodinana faharoa ireo mpianatry ny CNETMAD manodidina ny 17.000 miparitaka amin'ny ivon-toerana miisa 51 manerana ny Nosy...

♦ Hanome tantsoroka ny federasiôna ivondronan'ny vehivavy mpandraharaha ao amin'ny faritry ny COMESA, amin'ny fanatontosana ny tsenabe iraisam-pirenena Trade Fair faha-5 hatao eto amintsika, ny Minisitera Misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... ♦ Miatrika ny fanadiam-panjakana fihodinana faharoa, ireo mpianatry ny CNTEMAD manodidina ny 17.000 miparitraka amin'ny ivontoerana 51 manerana ny nosy... ♦ Nidina an-dalambe nanapaka làlana sy nandoro kodiarana androany, ireo andian'olona monina eny Andohatapenaka voalohany. Nambaran'izy ireo fa nisy nivarotra ny taniny...

♦ Notendren'ny Papa François hiandraikitra ny Siège Titulaire d'Ursona ny Kardinaly Angel Fernandez Artime, lehiben'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eran-tany. Ny 20 avrily izao no ametrahana azy amin'izany toerana izany... ♦ Hahazo vahana hatrany ny oram-baratra any amin'ny tapany atsimon'ny nosy noho ny fisian'ilay faritra andro ratsy ao amin'ny lakan-dranon'i Môzambika. Mahazo fampitandremana miloko mena ny Faritra Atsimo Atsinanana, Faritra Atsimo Andrefana, miampy an'i Morondrava sy Taolagnaro... ♦ Mbola miaina anaty tebiteby ireo olona manana toe-batana varira amin'izao fotoana izao. Miisa efatra indray tao anatin'ny roa volana ny tranga fakàna ankeriny nihatra tamin'izy ireo...

♦ Manamafy ny fiara-miasa ny Eglizy Katôlika aty Afrika sy ny vondrona Afrikanina. Amperin'asa indray ankehitriny ny biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina ao Addis Abeba any Etiopia... ♦ Notanterahana teny amin'ny fidasin'ny lapan'ny tanànan'Antananarivo teny Analakely ny lanonam-panjakàna fandraisana ny fahefana sy nanolorana samboady ny PDS ho an'ny kaominina Antananarivo Renivohitra Ramanambitana Richard. Nametraka izany ny Prefet an'Antananarivo, ny jeneraly Angelot Ravelonarivo... ♦ Manomboka anio ny fanokafana ny fankalazana ny andron'ny 8 marsa ao Toamasina...

♦ Manamafy ny fiaraha-miasa ny Eglizy Katôlika aty Afrika sy ny Vondrona Afrikanina. Amperin'asa indray ankehitriny ny Biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina ao Addis-Abeba... ♦ Notanterahana teny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny Tananan'Antananarivo teny Analakely, ny lanonam-panjakana fandraisana fahefana sy nanolorana samboady ny PDS an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanambitana Richard...

♦ Hifandanja tsara ny tanjaky ny fitondràna sy ny mpanohitra amin'ny fifidianana amin'ny 29 mey, raha ny hevitry ny antoko Fiombonana. Tsy hamaritra izany ny voka-pifidianana tamin'ny volana novambra, hoy izy ireo... ♦ Nahasahana ny sakafon'ny voafonja ny fambolena tao amin'ny Camp Pénal ao Moramanga sy Vatomandry. Nitsidika ireo toerana ireo ny Ministry ny Fitsaràna ny faran'ny herinandro teo, nahita izany fivoarana izany... ♦ Efa natolotra ny sampan-draharaha misahana ny heloka mamoafady eo anivon'ny Pôlisim-pirenena i Da-Willy, ilay nanolana zaza 6 taona teny Imerintsiatosika. Voasambotra teny Anosibe androany vao maraina be izy...

♦ Efa nivoaka tanteraka any an-dranomasina ny foiben'ilay andro ratsy nandalo tany avaratry ny nosy. Hiitatra any amin'ny faritra avaratra-andrefana ny rotsak'orana aterany ato anatin'ny roa andro manaraka hoy ny Météo... ♦ Hanapan-kevitra amin'ny tohin'ny fitakiany ny Zoma izao ny sendikan'ny mpiraki-draharaham-pitsaràna eto Madagasikara. Ampy izay ny fampanantenana tsy nahitam-bokany hoy ny filohany... ♦ Nametraka fanamby ny hamerina hasina an'Antananarivo ny filhan'ny delegasiôna manokana, omaly. Nomen'ny filoham-pirenena baiko sahady izy, hanala ny fakon'Antananarivo atao anatin'ny 7 ka hatramin'ny 10 andro...

♦ Tsy nisy hatramin'izao ny valin-teny mahafa-po avy amin'ny Minisitry ny Fitsarana, manoloana ny fitakian'ny sendikàn'ny Mpirakidraharaham-pitsarana eto Madagasikara. Hivory ary handray fanapahan-kevitra ny sendikà, ny zoma 22 marsa 2024... ♦ Nanao tsindrom-paingotra ho an'ny zandary, manolona ny kolikoy eny an-dalambe, ny Praiminisitra Ntsay Chrisitan androany, nandritra ny famindram-pibaikoana teo amin'ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Raikitra ny hazalambo atao amin'ilay lehilahy nanolana zazavavy kely 6 taona, tao Imerimandroso Imerintsiatosika...

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo manao martiry ny tenany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahanan'ny Papa maneran-tany, ho an'ity volana marsa ity... ♦ Hankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny EKAR Notre-Dame de Lourdes Ambohimasina, ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Mila volena ao anatin'ny tsirairay sy ny manodidina azy ny toe-tsaina hanitatra ny tranoben'Andriamanitra, hoy ny Papa François, tamin'ny vavaka Angélus omaly...

♦ Kandidà voalohany natolotry ny vondrona Firaisan-kina amin'ny fifidianana solombavambahoaka ao amin'ny boriborintany fahaefatra ao Antananarivo Renivohitra i Rina Andriamasinoro... ♦ Vita sonia teny amin'ny Lapam-panjakàna Mahazoarivo ny fifanaovan-tsonia fifanarahana ara-bola mitentina 88 tapitrisa Euros teo amin'i Madagasikara sy Frantsa amin'ny alalan'ny AFD sy ny vondrona Eraopeanina... ♦ Fonjan'i Vatomandry : omena fiofanana arak'asa mamaly ny filan'ny mponina any an-toerana ireo voafonja, hiomanany sahady ihany ko amin'ny fiverenana eny anivon'ny fiaraha-monina aorian'ny fahavitan'ny sazy... ♦ Miangavy mafy ireo rehetra tompon'andraikitra amin'ny ady any amin'ny Faritra Proche-Orient Ny Papa mba hampitsahatra ny ady...

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’ny Tantara (2 Tant. 36, 14-16. 19-23)

Nihatra tamin’ny vahoaka ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny famindram-pony, fony izy ireo babo ary afaka avy eo.

Tamin’izany andro izany,
ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny vahoaka koa,
nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny hafa firenena,
sy nandoto ny Tranon’ny Tompo, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.
Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin’izy ireo,
ny Tompo Andriamanitry ny razany, tamin’ny alalan’ny irany,
fa nangoraka ny vahoaka sy ny Fonenany Izy.
Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra,
notsiratsirainy ny teniny, ary novazivazìny ny mpaminaniny,
mandra-pihàtran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.
Nodorany ny Tranon’Andriamanitra, noravany ny mandan’i Jerosalema,
notselarany afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka saro-bidy rehetra.
Nentin’i Nabokôdônôzôro ho babo tany Babilôna ny olona sisa tsy matin-tsabatra,
ka tonga mpanompon’izy sy ny zanany ireny, mandra-panjàkan’ny mpanjakan’i Persa.
Izany no nahatanterahan’ny tenin’ny Tompo, tamin’ny vavan’i Jeremia hoe:

“Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabatany,
dia hitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy,
dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona”.

Ary tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Persa,
dia namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa
mba hahatanteraka ny tenin’ny Tompo tamin’ny vavan’i Jeremia,
ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:

“Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa:
Efa nomen’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany:
ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy any Jerosalema.
Koa iza avy moa aminareo no vahoakany?
Homba azy anie Andriamanitra Tompony, ary aoka hiakatra izy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 136, 1-2. 3. 4-5. 6

Aoka hipetaka amin’ny lanilaniko ny lelako, raha tsy mahatsiaro anao aho.

Teo amin’ny onin’i Babilôna izahay nitorovoka,
nahatsiahy an’i Siôna ka nitomany.
Tamin’ny hazomalahelo izay teny
no nahantonay ny lokanganay.

Dia tonga ny mpamabo nangataka hira,
nasain’ireo mpampahory hifaly izahay:
“Anaovy hira izahay, hoy izy,
ihirao hiran’i Siôna!”

Dia an-tanin’olona ve izahay
no hihira ny hiran’ny Tompo?
Raha manadino anao aho, ry Jerosalema,
aoka ho maina ny tanako!

Ny lelako hipetaka amin’ny lanilaniko,
raha tsy mahatsiahy anao aho,
raha tsy ianao, ry Jerosalema,
no hany antom-pifaliako!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 4-10)

Na dia fony mbola matin’ny fahotana aza ianareo, dia ny fahasoavana no namonjena anareo.

Ry kristianina havana,
Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po,
noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika,
na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika,
no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra,
mba hanehoany amin’ny andro ho avy ny haben’ny harem-pahasoavany,
amin’ny hatsaram-pony amintsika ao amin’i Kristy Jesoa.
Satria ny fahasoavana no namonjena anareo, noho ny finoana,
ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra,
tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa,
mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Dera sy laza anie ho Anao, ry Kristy Mpanavotra anay.

Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

Dera sy laza anie ho Anao, ry Kristy Mpanavotra anay.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 14-21)

Naniraka ny Zanany mba hamonjy an’izao tontolo izao Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe:

“Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra
no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay”.

Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao:
ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao,
mba hitsara an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao tontolo izao.
Izay mino Azy dia tsy tsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo,
satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.
Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana,
nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana,
satria ratsy ny asany.
Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana,
ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany;
fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana,
mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

♦ Kandidà tokana sy iraisana no hatolotry ny vondrona Firaisankina, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, manerana ny nosy... ♦ Ny 5%-n'ny zava-manana aina maneran-tany, dia eto Madagasikara avokoa, zava-dehibe araka izany ny fanamafisana ny vahaolana amin'ny fiarovana ireo karazan-java-manana aina ireo, hoy ny Minisitra Max Andonirina Fontaine... ♦ Nanamafy ny fitakian'ireo mpianatra nivoaka teo anivon'ny IFIRP, amin'ny tokony handraisana ho mpiasam-panjakana azy ireo, ny sendikàn'ny mpiasa SISFM...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...