♦ Manome lanja ny mpiasa misehatra amin'ny asa sôsialy, ny fitondram-panjakana. Fanambarana nataon'ny Minisitra Razakaboana Hanitra, nandritra ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Asa Sôsialy sy ny faha-20 taonan'ny FPT SD, teny Analakely... ♦ Mbola nisy tamin'ireo mpiasan'ny SMA no nanohy ny fitakiana androany. Tsy afa-po tamin'ny karama noraisiny izy ireo... ♦ Nandray ny asany androany ny Tale Jeneralin'ny Fambolena sy ny Fiompiana, Anondraka Michel, ao amin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana...

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 1, 1 — 2, 2)

Hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany.

Tamin’ny voalohany Andriamanitra
nahary ny lanitra sy ny tany,
tsy nisy endrika sady foana ny tany;
ny haizina no nanarona ny hantsana,
ary ny Fanahin’Andriamanitra nisonenika tambonin’ny rano.

Hoy Andriamanitra:

“Misia ny mazava”.

Dia nisy ny mazava.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava.
Nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny haizina.
Ka ny mazava nataony hoe andro,
ary ny maizina kosa alina.
Dia nisy hariva ary nisy maraina.
Izay no andro voalohany.

Hoy Andriamanitra:

“Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano
ary aoka izy hampisaraka ny rano amin’ny rano”.

Dia nataon’Andriamanitra ny habakabaka,
ka ny rano ambonin’ny habakabaka
dia nosarahiny tamin’ny rano ambanin’ny habakabaka,
dia tanteraka izany.
Nataon’Andriamanitra hoe “lanitra”, ny habakabaka.
Ary nisy hariva sy nisy maraina.
Izay no andro faharoa.

Hoy Andriamanitra:

“Aoka hiangona amin’ny fitoerana iray ny rano eo ambanin’ny lanitra,
ka aoka hiseho ny maina”.

Dia tanteraka izany.
Nataon’Andriamanitra hoe “tany” ny maina;
ry nataony hoe “ranomasina” ny rano tafangona,
ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Dia hoy Andriamanitra:

“Aoka ny tany haniry ahitra maitso
sy anana mamoa ary hazo mamoa,
samy mamoa misy ny voany ao aminy
araka ny karazany avy,
eny ambonin’ny tany”.

Dia tanteraka izany.
Ary ny tany naniry ahitra maitso
sy anana mamoa samy araka ny karazany avy,
ary hazo mamoa misy voany ao aminy
samy araka ny karazany avy.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Dia nisy hariva ary nisy maraina.
Izay no andro fahatelo.

Hoy Andriamanitra:

“Misia fanazavana eo amin’ny habakabaky ny lanitra
mba hampisaraka ny andro sy ny alina,
ary aoka izy ho famantarana,
ka hanamarika ny fotoana sy ny andro ary ny taona,
ary aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra
hanazava ny tany”.

Dia tanteraka izany.
Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra:
ny lehibebe kokoa hitarika ny andro,
ny kelikely kokoa hitarika ny alina,
ary nanao ny kintana koa.
Napetrak’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireo,
hanazava ny tany, hitarika ny andro sy ny alina,
hampisaraka ny mazava sy ny maizina;
ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Dia nisy hariva ary nisy maraina.
Izay no andro fahefatra.

Hoy Andriamanitra:

“Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra;
ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany
eny amin’ny habakabaky ny lanitra.

Dia noarìn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano
sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra,
mihelotrelotra anaty rano, samy araka ny karazany avy,
mbamin’ny voro-manidina manana elatra rehetra
araka ny karazany avy.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Dia nitso-drano an’ireo Andriamanitra nanao hoe:

“Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina,
ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin’ny tany”.

Dia nisy hariva ary nisy maraina.
Izay no andro fahadimy.

Hoy Andriamanitra:

“Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina araka ny karazany avy,
dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin’ny tany,
araka ny karazany avy”.

Dia tanteraka izany.
Nataon’Andriamanitra ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy
sy ny biby fiompy araka ny karazany avy,
mbamin’izay rehetra mikisaka amin’ny tany araka ny karazany avy.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Rehefa izany dia

Hoy Andriamanitra:

“Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika,
mifanahaka amintsika,
ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina,
ny voro-manidina eny amin’ny habakabaka,
ny biby fiompy sy ny tany rehetra
ry ny biby mandady mikisaka amin’ny tany”.

Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy;
mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy.
Ary nataony lahy sy vavy izy ireo,
Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra,
ka nanao taminy hoe:

“Miteraha maro,
mitomboa sy mamenoa ny tany, ka mizakà azy;
ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina,
ny voro-manidina mbamin’ny biby rehetra
mihetsiketsika ambonin’ny tany”.

Ary hoy Andriamanitra:

“Indro omeko anareo
ny anana mamoa rehetra eo ambonin’ny tany,
mbamin’ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy;
izany no atao fihinanareo.
Fa ho an’ny bibin’ny tany mbamin’ny voro-manidina
sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany,
ka manam-pofon’aina ao aminy,
dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany”.

Dia tanteraka izany.
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony,
ka tsara indrindra izany.

Ary nisy hariva sy maraina:
izay no andro fahenina.

Toy izany no nahavitan’ny lanitra sy ny tany,
mbamin’izay rehetra momba azy.
Ary tamin’ny andro fahafito
dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony;
ka tamin’ny andro fahafito Izy
nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 103, 12a. 5-6. 10-12. 13-14. 24 sy 35d)

Iraho ny Fanahinao dia ho voaova ny endriky ny tany.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
lehibe indrindra Ianao, ry Andriamanitro;
fiandrianana sy voninahitra no itafianao,
hazavana no lamba ihodidinanao.

Ny tany naorinao mafy
ka tsy hihontsona mandrakizay.
Ny ranobe no narakotrao ny tany
ka dia teny an-tendrombohitra ny rano.

Nampiboika rano teny an-dohasaha Ianao,
notarihinao ireny ho any anelanelam-bohitra:
ny bibidia rehetra mba samy hisotro,
ny ampondra haolo mba hiala hetaheta,
ny voron’ny lanitra hipetraka eo amorony
ka hikalokalo anaty ravin-kazo.

An-drihana Ianao manondraka ny vohitra
sy mamoky ny tany amin’ny tsiron’ny lanitra,
mampitsimoka ahitra ho an’ny biby fiompy,
mampahavokatra ny asan’ny olona:
ny mofo mitrebona an-tany ho sakafony.

Maro tokoa ny asanao, ry Tompo
sady vita amim-pahakingana.
Ny tany henika ny harenao;
Ianao, ry fanahiko,
misaora ny Tompo!

Vakiteny faharoa

Boky Jenezy (Jen. 22, 1-18)

Ny sorona nataon’i Abrahama razam-bentsika ara-pinoana.


Tamin’izany andro izany Andriamanitra
nizaha toetra an’i Abrahama ka nanao taminy hoe:

“Ry Abrahama ô!”

Ary hoy izy:

“Inty aho”.

Dia hoy Andriamanitra:

“Ento ny zanakao,
ilay lahy tokanao,
ilay tianao, dia i Isaaka,
ka mankanesa any amin’ny tany Môrià,
ary rehefa mby any,
atero izy ho sorona dorana
eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao”.

Nifoha maraina koa i Abrahama,
nanisy lasely ny ampondrany,
naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy,
sy i Isaaka zanany,
ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.

Nony tamin’ny andro fahatelo,
nanopy ny masony i Abrahama,
ka mbola lavitra ihany izy dia nahatazana ilay fitoerana,
dia nilaza tamin’ireto mpanompony i Abrahama nanao hoe:

“Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo,
fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho ery hivavaka,
vao hiverina eto aminareo indray”.

Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
ka natataony an’i Isaaka zanany;
ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany,
dia niara-nandeha izy mianaka.

Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy:

“Dada ô!”.

Ka hoy ny navaliny:

“Inty aho, anaka”.

Dia hoy i Isaaka:

“Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto,
fa izay zanak’ondry hatao sorona dorana kosa no aiza?”

Hoy ny navalin’i Abrahama:

“Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry
hatao sorona dorana, anaka”.

Dia niara-nandeha izy mianaka.

Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy,
dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely,
nalainy ny kitay hazo ary nafatony i Isaaka zanany,
ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.
Dia naninjitra ny tanany i Abrahama,
ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany.
Tamin’izay,
niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe:

“Ry Abrahama! ry Abrahama ô!”

Ka hoy ny navaliny:

“Inty aho”.

Dia hoy ny Anjely:

“Aza manainga ny tananao hamely ny zaza,
ary aza maninomaninona azy akory,
fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao,
sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahy tokanao ho Ahy”.

Ary nanopy maso i Abrahama,
ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony,
voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony;
dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy,
ka io no nateriny ho sorona dorana
ho solon’ny zanany.
Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh
no anaran’io fitoerana io.
Ary avy amin’izany ilay fitenin’ny olona mandraka androany hoe:

“Ho hita ihany izany
any an-tendrombohitr’i Iaveh”.

Ary ny Anjelin’ny Tompo
niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra,
ka nanao hoe:

“Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho, hoy ny Tompo,
fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà
fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao, ho Ahy,
dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao,
tahaka ny kintana eny an-danitra
sy ny fasika eny amoron-dranomasina,
ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Amin’ny taranakao
no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
satria nanaiky ny Teniko ianao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 15, 5. 8. 9-10. 11)

Tsy ho very mandeha izay rehetra mifefy Aminao.

Ny Tompo ny ahy no zara lovako;
Ianao no rakitro mateza.
Ataoko anoloana hatrany ny Tompo,
izaho tsy hiala eo ankavanany.

Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko,
ny nofoko avy no mandry amin-toky.
Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly,
ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady.

Fa ny lalan’ny fiainana
no hatoronao ahy:
hafenoam-pifaliana anoloanao,
hafinaretan-dava ankavananao.

Vakiteny fahatelo

Boky Eksaody (Eks. 14, 15 — 15, 1)

Nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina ny zanak’i Israely.

Izao no tenin’ny Tompo tamin’i Môizy:

“Nahoana no mitaraina amiko ianao?
Ilazao ny zanak’i Israely mba hiainga.
Ianao manaingà ny tehinao sy maninjira ny tananao
eo ambonin’ny ranomasina dia hampisaraka roa azy;
ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany
mandia tany maina,
ary Izaho hanamafy ny fon’ny Ejipsianina
hanarahany azy ireo avy aoriana,
ary hataoko miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna
sy ny tafiny rehetra mbamin’ny kalesiny amam-pitaingin-tsoavaliny.
Ka ho fantatry ny Ejipsianina fa Tompo Aho,
rehefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna
sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny.”

Dia nifindra nankeo aoriana ilay Anjelin’Andriamanitra
nandeha teo alohan’ny tobin’i Israely,
ary niala nankeo aoriana koa ny andry rahona izay nialoha azy.
Dia nankeo anelanelan’ny tobin’ny Ejipsianina
sy ny tobin’ny zanak’i Israely izy;
maizina ny ilan’io rahona io,
ary ny ilany manazava ny alina,
ka tsy nifanatona ny toby roa nandritra ny alina.

Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany
dia nohemorin’ny Tompo ny ranomasina
tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana
nandritra ny alina,
ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.
Dia niditra teo afovoan’ny ranomasina efa tonga maina ny zanak’i Israely
ary zary rindrina ho azy ireo eo ankavanany sy ankaviany ny rano.
Nanenjika azy ny Ejipsianina,
ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa
ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ary tamin’ny fotoan’ny fiambenana maraina
dia nitodika ny Ejipsianina ny Tompo
tao amin’ny andry afo aman-tsetroka,
dia nandatsaka fangorohoroana tao amin’ny tobin’ny Ejipsianina.
Nataony nitsoaka tamin’ny kalesiny ny kodiarana
ka saika tsy afa-nandroso intsony.
Ary hoy ny Ejipsianina tamin’izay:

“Andeha handositra eo anoloan’i Israely isika,
fa ny Tompo no miady ho azy,
mamely ny Ejipsianina”.

Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tananao,
hikatonan’ny rano amin’ny Ejipsianina
sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny”.

Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany,
ka vao nangirana ny andro
dia nody tamin’ny toerany andavanandro ny ranomasina.
Nandositra ny Ejipsianina ka tojo azy,
ka dia navarin’ny Tompo tao anaty ranomasina ny Ejipsianina.

Nony nikatona ny rano
dia nanafotra ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaly
mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra
izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely:
tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza.
Ny zanak’i Israely anefa nandia tany maina
teo afovoan’ny ranomasina,
fa zary rindrina ho azy ireo ny rano, eo ankavanany sy eo ankaviany.
Koa novonjen’ny Tompo
ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejipsianina i Israely tamin’izany andro izany,
ary i Israely nahita ny fatin’ny Ejipsianina
teny amoron-dranomasina.
Hitan’i Israely ny tanana maherin’ny Tompo,
nasehony tamin’ny namelezany ny Ejipsianina,
ka natahotra ny Tompo ny vahoaka,
ary nino ny Tompo sy i Môizy mpanompony.
Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely
nanao izao hira izao tamin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 15, 1-2. 3-4. 5-6. 17-18)

Ankalazao ny Tompo, fa efa naneho ny voninahiny Izy.

Ihiraontsika ny Tompo Avo indrindra!
Ny soavaly sy kalesy natsipiny an-driaka!
Hery sy tanjako ny Tompo! Izy no famonjena ahy!
Izy no Andriamanitro, ka deraiko!

Andriamanitry ny razako, ka asandratro!
Mpiady mahery ny Tompo: Ny Tompo no Anarany!
Ny kalesin’i Faraôna sy ny tafiny natsipiny an-driaka!
Ny mpitari-tafika voafantina:
natelin’ny Riakan-jozoro.

Nosaronan’ny hantsam-be,
nidina am-parany ambany tahaka ny vato!
Ny Tananao, ry Tompo, igagana hery:
Ny Tananao, ry Tompo, manorotoro fahavalo!

Ka ampidirinao, ry Tompo, i Israely
sy amponeninao eo amin’ny voninahitra lovanao:
Toerana voafidinao honenana,
Toera-masina nomanin’ny tananao!
Eny, manjaka ny Tompo mandrakizay alaovalo.

Vakiteny fahefatra

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 54, 5-14)

Fitiavana mandrakizay no angorahako anao, hoy ny Tompo Mpanavotra anao.

Ny vadinao dia ny Mpahary anao;
ny Tompon’ny tafika no Anarany,
ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin’i Israely,
Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana Azy.
Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana, no ampodian’ny Tompo anao,
hoatra ny vadin’ny fahatanorana efa nisaorana, hoy ny Andriamanitrao.
Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao,
fa amin’indrafo lehibe kosa no amoriako anao.
Tamin’ny firehetan’ny hatezerako
no nanafenako vetivety ny Tavako taminao,
fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao,
hoy ny Tompo Mpanavotra anao.
Dia ho toy ilay ranon’i Nôe izany amiko,
nony nianiana Aho fa ilay ranon’i Nôe tsy hiely intsony amin’ny tany:
toy izany koa no nianianako fa tsy ho tezitra aminao
na handrahona anao intsony Aho.
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra,
ka hihozongozona ny havoana,
ny fitiavako tsy mba hiala aminao,
ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana,
hoy ny Tompo Ilay mangoraka anao.

Ry ikala ory,
afotofoton’ny tafio-drivotra, tsy manam-piononana ô;
indro Aho handatsaka ny vatonao amin’ny antimoanina,
sy hanorina anao eo ambonin’ny safira;
hataoko vato tsy leon-doza ny nongonongo-mandanao,
eskarbokla ny vavahadinao,
ary vatosoa avokoa ny manda manodidina anao.
Ho mpianatry ny Tompo avokoa ny zanakao rehetra,
ary ho be fiadanana ny zanakao.
Hatao miorina tsara amin’ny fahamarinana ianao;
aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana,
fa tsy manan-katahorana ianao;
ho lavitra anao anie ny fampahatahorana,
fa tsy hanakaiky anao izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 29, 2 sy 4. 5-6. 11 sy 12a ary 13b.)

Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy.

Izaho midera ny Tompo nanafaka ahy:
tsy navelany hifaly ny rafiko.
Ny fanahiko efa tany an-tSeoly
dia nakarinao, ry Tompo ô!
izaho efa tany am-pasana
dia novelominao indray!

Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka;
isaory ny Anarany masina.
Mandalo ihany ny hatezerany,
ny fanambinany kosa maharitra:
hariva aho nitomany,
fa nony maraina, velon-kira.

Tompo ô, aoka ianao handreny;
miantrà re, tongava hamonjy.
Dia navadikao ho dihy
ilay hira fitarainako;
Ry Tompo Andriamanitro ô.

Vakiteny fahadimy

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 1-11)

Mankanesa aty amiko, mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo, ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho.

Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin’ny rano,
na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna;
avia hividy tsy amim-bola na takalo, hividy divay sy ronono.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina;
sy misasatra, amin’izay tsy mahavoky?
Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara;
ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko;
mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo;
ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
Indro izy natsanga-ko ho vavolombelona eo amin’ny firenena;
ho mpifehy sy mpandidy ny firenena.
Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao;
ary ny firenena tsy nahalala anao hidodododo ho eo aminao,
noho ny amin’ny Tompo Andriamanitrao sy ilay Masin’i Israely,
satria nomeny voninahitra ianao.

Mitadiava ny Tompo, dieny mbola mety ho hita Izy;
miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
ary ny meloka amin’ny heviny;
ka hiverina amin’ny Tompo izy, dia hamindràny fo;
dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.

Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,
ary ny lalanareo tsy mba lalako. — Teny marin’ny Tompo —.
Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany,
no haavon’ny lalako noho ny lalanareo,
sy haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Tahaka ny ranon’orana aman’oram-panala
milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any,
raha tsy efa mahahenika sy mahalonaka ny tany,
sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy,
ka mampahazo voa famafy ny mpamafy,
ary hanina ho an’ny mpihinana;
toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako,
tsy miverina amiko foana izy,
fa mahatanteraka izay tiako,
sy mahatontosa izay namoahako azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Iz. 12, 2. 4. 5. 6)

Hanovo rano amin-kafaliana ianareo amin’ny loharanom-pamonjen’ny Tompo.

Endrey! Andriamanitra no famonjena ahy:
tsy matahotra intsony aho fa matoky!
Eny, fa ny Tompo no heriko sy tanjako,

Izy no famonjena ahy.
Am-piravoravoana ianareo no hanovo
amin’ny loharanom-pamonjena,
ka izao no ho teninareo
amin’izay andro izay:

Derao ny Tompo,
antsoy ny anarany,
torio ny vahoaka ny asany vaventy,
ny haavon’ny Anarany ambarao!

Antsao ny Tompo fa naneho fiamboniana:
ataovy antso avo izany eran-tany tontolo.
Mientàna, mihobia, ry mponina ao Siôna,
fa lehibe eo anivonao ny Masin’i Israely.

Vakiteny fahenina

Bokin’i Barôka Mpaminany (Bk. 3, 9-15. 31 — 4, 4)

Mizora amin’ny fahazavan’ny Tompo mamirapiratra.

Mihainoa, ry Israely, ny lalàm-piainana;
manongilàna sofina, hianatra ny fahamalinana.
Ahoana sy ahoana ange, ry Israely,
ity ianao no aty amin’ny tanim-pahavalo;
ka reraka aty amin’ny tanin’ny firenen-kafa,
sy mandoto tena amin’ny maty,
ka atao ho anisan’izay efa tafiditra any amin’ny Seoly?
Nandao ny loharanom-pahendrena ianao,
satria raha nandeha tamin’ny lalan’Andriamanitra ianao,
dia ho nitoetra tamin’ny fiadanana mandrakizay!
Fantaro izay misy ny fahendrena sy ny hery
ary ny fahazavan-tsaina,
mba ho fantatrao miaraka amin’izany koa,
izay misy ny andro lava sy ny fiainana,
izay misy ny fahazavana ho an’ny maso, sy ny fiadanana.
Iza no efa nahita ny toerana misy ny fahendrena;
ary zovy no efa niditra tao amin’ny firaketany?

Tsy misy olona mahalala ny lalany,
na mba namantatra tsara izay sakeli-dalany akory.
Fa Ilay mahalala ny zavatra rehetra no mahalala azy;
Izy no mahita azy amin’ny fahiratan-tsainy,
dia Ilay nanorina ny tany ho mafy mandrakizay,
sy nameno azy ireo biby manan-tongotra efatra;
Ilay maniraka ny fahazavana, dia lasa io,
sy miantso azy dia manaiky amim-pangovitana izy.
Ireo kintana mamirapiratra eo amin’ny fitoerany ka mifaly ery,
dia antsoiny ka mamaly hoe: indreto izahay!
dia mamirapiratra amin-kafaliana ireo ho an’Ilay nahary azy.
Izy no Andriamanitsika ary tsy misy hafa mitovy aminy.
Nahita ny lalan’ny fahendrena rehetra Izy
ka nanome izany ho an’i Jakôba mpanompony,
sy ho an’i Israely olo-malalany.
Raha efa izany, dia niseho teto an-tany Izy
ka niresaka tamin’ny olombelona.
Ny fahendrena dia ilay bokin’ny didin’Andriamanitra
sy ny lalàna maharitra mandrakizay.
Izay rehetra mifikitra aminy ho tonga amin’ny fiainana,
fa izay mandao azy kosa ho any amin’ny fahafatesana.
Miverena, ry Jakôba, sy mifikira aminy,
ary mizora amin’ny fahazavany mamirapiratra.
Aza omena ho an’ny hafa ny voninahitrao,
na ho an’ny firenen-kafa ny tombontsoanao.
Sambatra isika, ry Israely ô,
fa nanambaràna izay sitrak’Andriamanitra!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 18, 8-9. 10-11)

Ianao, ry Tompo, no nanana ny teny fiainana mandrakizay.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary
mamelombelona fanahy;
ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy
ka mahafaly ny fo;
ny baikon’ny Tompo mazava,
fanilo ho an’ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay;
ny fitsaran’ny Tompo, marina,
samy rariny avokoa.

Irìna noho ny volamena,
ny volamena madio miavosa
mamy noho ny tantely,
ny toho-tantely mitsonika.

Vakiteny fahafito

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 36, 16-17a. 18-28)

Hofafazako rano madio ianareo, ary homeko fo vaovao.

Tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

Ry zanak’olona, ry zareo taranak’i Israely,
fony izy nitoetra teo amin’ny taniny,
dia nandoto azy, tamin’ny fitondran-tenany aman’asany...
Ka naidiko tamin’izy ireo ny fahatezerako,
noho ny rà nalatsany tamin’ny tany,
sy noho ny nandotoany azy tamin’ny sampiny vetaveta.
Naeliko ho any amin’ny hafa firenena izy ireo,
ka nahahako teny amin’ny tany samihafa.
Notsaraiko araka ny fitondran-tenany aman’asa nataony izy.
Nony mby tany amin’ny firenena nalehany izy ireo,
dia nanala baràka ny Anarako masina,
fa izao no filazan’ny olona azy:
“Ireo no olon’ny Tompo, avy any amin’ny taniny no nialany”.
Ka nangoraka ny Anarako masina Aho,
izay nalain’ny taranak’i Israely baràka,
tamin’izay firenena nalehany any.

Noho izany, lazao amin’ny taranak’i Israely hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Tsy noho ny aminareo no anaovako an’izao, ry taranak’i Israely,
fa noho ny Anarako masina izay nalanareo baràka,
tany amin’ny firenena nalehanareo.
Hohamasiniko ny Anarako lehibe izay voaala baràka,
eny amin’ny firenena nanalanareo baràka azy,
dia ho fantatry ny firenena fa Tompo Andriamanitra Aho
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra, —
rehefa manamasin-tena ao aminareo, eo imasony Aho.
Halaiko avy any amin’ny firenena ianareo,
hangoniko avy any amin’ny tany rehetra,
ka hampodiko eo amin’ny taninareo.
Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio;
ny fahalotoanareo rehetra mbamin’ny fahavetavetanareo rehetra,
hataoko afaka aminareo.
Homeko fo vaovao ianareo,
ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo;
hoesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato,
ka homeko fo nofo ianareo.
Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko,
ary hataoko manaraka ny fitsipiko ianareo,
ka hitandrina ny didiko, sy hanaraka izany.
Honina eo amin’ny tany nomeko ny razanareo ianareo,
dia ho vahoakako ianareo,
ary Izaho ho Andriamanitrareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 41, 3. 5bde ; 42, 3. 4.)

Toy ny serfa mikonaina maniry ranovelona ny fanahiko mikonaina maniry Anao Andriamanitra.

Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra,
ilay Andriamanitra velona.
Rahoviana aho no afaka hanarana
sy hankafy ny hasoan’Andriamanitra?

Endrey izany izaho mitarika vahoaka
izay mandroso ao an-tranon’Andriamanitra
amim-peo fifaliana sy fiderana,
sy horaka an-danonana manakoako!

Ny hazavanao sy fahamarinanao
alefaso hitantana ahy
hatrany am-bohitrao masina,
hatrany amin’ny fonenanao.

Ka eo amin’ny ôtelin’Andriamanitra aho,
ilay Andriamanitra fototry ny hafaliako,
no hidera Anao amim-baliha,
ry Andriamanitra Andriamanitro.

Taratasy

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 6, 3-11)

I Kristy nitsangan-ko velona dia tsy maty intsony.

Ry kristianina havana,
moa tsy fantatrareo va
fa isika rehetra natao Batemy ho amin’i Kristy Jesoa
dia natao Batemy ho amin’ny fahafatesany?
Koa niara-nilevina taminy tamin’ny Batemy
ho amin’ny fahafatesana isika,
mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona
tamin’ny voninahitry ny Ray,
no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa.
Fa raha nampiraisina taminy
tamin’ny fakàn-tahaka ny fahafatesany isika,
dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany;
fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika
dia niara-nofantsihana taminy,
mba ho levona ny tenan’ny fahotana,
ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika,
satria izay maty dia afaka amin’ny fahotana.
Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika,
dia mino fa hiara-belona aminy koa;
sady fantatsika fa rehefa nitsangan-ko velona Izy
dia tsy maty intsony,
tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
Satria ny fahafatesana moa,
dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana;
fa ny fahavelomany kosa,
dia fahavelomana ho an’Andriamanitra.
Ary aoka ho toy izany koa ianareo,
no hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty
ny amin’ny fahotana,
fa velona kosa ho an’Andriamanitra
ao amin’i Kristy Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 117, 1-2. 16ab-17. 22-23)

Derao ny Tompo fa tsara:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!

Valion’Israely manontolo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo;
ny tanan’ny Tompo naneho hery!
Tsy maty aho fa velona
hitanisa ny asan’ny Tompo.

Ny vato narian’ny mpanao trano
no indro tonga fehizoro;
ny Tompo no manao Izany
zava-mahagaga imasonay!

Evanjely

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 1-8)

Efa nitsangan-ko velona i Jesoa Nazareanina, Ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana.

Rehefa afaka ny Sabata,
dia nividy zava-manitra i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Jakôba, ary Salôme,
mba handeha hanosotra ny Vatan’i Jesoa.
Nony marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro,
dia nandeha izy, ka tonga teo amin’ny fasana,
ilay vao miposaka iny ny masoandro.
Ary izy nifampilaza hoe:

“Iza re no hasaintsika manakodia ny vato amin’ny varavaram-pasana e?”

Kanjo nony nitraka izy, dia tazany ny vato, fa lehibe dia lehibe,
ka indro efa voakodia izy.
Nony niditra tao am-pasana izy,
dia nahita tovolahy iray niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanam-pasana,
ka taitra.
Fa hoy ilay zatovo taminy:

“Aza matahotra ianareo;
mitady an’i Jesoa Nazareanina ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo;
efa nitsangan-ko velona Izy, ka tsy eto;
teo no nametrahany Azy.
Fa mandehana lazao amin’ny mpianany sy amin’i Piera
fa hialoha anareo any Galilea Izy, ka any no hahitanareo Azy,
araka ny efa voalazany taminareo”.

Dia nivoaka ny fasana izy ireo, ka nandositra,
fa sady toran-kovitra no raiki-tahotra,
ary tsy nilaza na inona na inona tamin’ny olona izy noho ny tahony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Samy nanangana Vovonana ireo mpomba sy ny mpanohitra ny fitondràna, hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey. Arahin'ny maro ny mety ho fifandanjan-kery eo amin'ny roa tonta amin'izany... ♦ Kasaina homena ampiasain'ireo mpanao asa tanana ireo hazo sarobidy nogiazana eto Madagasikara. Hojerena ny fomba afahana manao izany hoy ny Ministry ny Fizahan-tany sy ny Asa-tanana... ♦ Tsapan'ny mponina any amin'ny Faritr'i Menaba ny fiverenan'ny fandriam-pahalemana taorian'ny nanendrena ny Kôlônely Faneva hiasa any an-toerana. Iray volana izao no nitarika ny fampandrian-tany any an-toerana izy... ♦ Voatifitry ny tafika israeliana ny laharana fahatelo eo anivon'ny vondrona Hamas, Marwan Issa...

♦ Handrotsaka kandidà tokana ireo mpomba ny fitondràna hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao. Nampahafantarina omaly hariva ny Vovonana Isika Rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina... ♦ Nisy tamin'ireo mpiasan'ny SMA, mandraoka fako ao an-drenivohitra no nindaosin'ny fahafatesana, noho ny olan'ny tsy fandraisana karama. Mbola nanohy ny fitokonana teny Nanisàna ny sasany tamin'izy ireo omaly... ♦ Hiatrika lalao iraisam-pirenena roa ny Barean'i Madagasikara ny faran'ny herinandro izao. Efa manomboka tonga eto an-tanindrazana ireo mpilalao mpila ravinahitra nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena... ♦ Nilaza ny fitondràna israeliana omaly fa nahalavo mpiadin'ny Hamas miisa 20...

♦ Mbola nisy tamin'ireo mpiasan'ny SMA androany, no nanohy ny fitakiana teny Nanisana. Miandry fatratra ny rahampitso izy ireo, fotoana voalazan'ny tompon'andraikitry ny Kaominina fa handoavana ny karama... ♦ Isan'ireo mpanara-maso iraisam-pirenena tamin'ny fifidianana natao tany Rosia ny CENI avy eto Madagasikara. Nisolo tena, ny Mpampaka-teny voalohany sy ny Tonia Mpanatanteraka... ♦ Manomboka ho lany tamingana ireo hazo fampiasa amin'ny fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara, hoy ny ANTM...

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Ny nidiran'i Jesoa tao Jerosalema

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 1-10)

Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.

Nony mby akaiky an’i Jerosalema
sy tonga tao Betania anilan’ny tendrombohitra Oliva i Jesoa,
dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany, ary nilaza taminy hoe:

“Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy;
raha vao tonga any ianareo, dia hahita zanak’ampondra anankiray mifatotra,
izay tsy mbola nitaingenan’olona;
vahao izy ka ento mankaty amiko.
Ary raha misy manao aminareo hoe:
Ahoana no anaovanareo izao?
valio hoe:
Misy ilàn’ny Tompo azy; dia halefany hoentina aty miaraka amin’izay izy”.

Dia nandeha izy ireo ka nahita zanak’ampondra
mifatotra teo alatrano anilan’ny varavarana,
teo an-tsampanan-dalana,
dia novahany.
Ary ny sasany tamin’ny olona teo nanao taminy hoe:

“Ahoana no amahanareo io zanak’ampondra io?”

Fa novaliany araka ny nandidian’ny Tompo azy izy ireo,
ka namela azy hoentiny.
Dia nentiny tany amin’i Jesoa ny zanak’ampondra,
ka nataony teo amboniny ny fitafiany, ary nitaingina teo Izy.
Maro no namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalan-kalehany,
ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin’ny lalana koa.
Ary na izay nandeha teo alohany, na izay nanaraka teo aoriany
dia samy niantso hoe:

“Hôzàna!
Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo;
hosoavina anie ny fanjakan’i Davida raintsika, izay efa tonga izao;
hôzàna any amin’ny avo indrindra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny nidiran'i Jesoa tao Jerosalema

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 12-16)

Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
dia ren’ny vahoaka be izay tonga hanao ny fety
fa ho avy ao Jerosalema i Jesoa,
ka naka sampan-drofia izy, dia nitsena Azy sy niantso hoe:

“Hozàna,
hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo
sy Mpanjakan’i Israely”.

Ary i Jesoa nahita zana-boriky anankiray,
dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:

“Aza matahotra, ry zanaka vavin’i Siôna;
indro avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky”.

Tamin’izay dia tsy mbola fantatry ny mpianany ny hevitr’izany,
fa nony efa voasandratra tamin’ny voninahiny i Jesoa
vao tsaroany fa sady voasoratra ny aminy izany no nataon’izy ireo taminy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 50, 4-7)

Tsy nafeniko tamin’ireo nandatsa Ahy ny tavako, ary fantatro fa tsy ho menatra Aho.

Nomen’ny Tompo Andriamanitra ny lelan’ny mpianatra aho
mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko.
Mamoha ahy isa-maraina Izy; mamoha ny sofiko Izy,
mba hihainoako, hoatra ny fihainoan’ny mpianatra.
Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko,
ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory.
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko;
ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako;
ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy,
ka ny latsa tsy nahaketraka ahy;
ka ny tavako nataoko manahaka ny afo vato
ary fantatro fa tsy ho menatra aho.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 21, 8-9. 17-18a. 19-20. 23

Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, ahoana no dia ilaozanao aho?

Izay rehetra mahita manaratsy,
manondro molotra, mihifi-doha:
“Ilay matoky ny Tompo aoka hoafahany;
ilay sakaizan’ny Tompo: aoka hovonjeny!”

Andian’amboa no mitangorona amiko,
taranak’olon-dratsy no manarona:
ny tanana sy tongotro voaloakany,
voaisany avokoa ny taolako:
indreo izy mijery, indreo fa mibandrina ahy;

Ny akanjoko ifampizaràny,
ny fitafiako ilokàny.
Aza mijanona eny lavitra, ry Tompo;
faingàna hamonjy ahy, ry Heriko.

Dia hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko aho,
sy hankalaza Anao ao am-piangonana.
Ry matahotra ny Tompo, derao Izy;
ry taranak’i Jakôba, mihobia.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 2, 6-11)

Nilatsa-Tenany ho ambany Izy, ka nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra.

Ry kristianina havana,
na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza i Kristy,
dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny,
fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo,
ka tonga mitovy amin’ny olombelona,
sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,
ary nilatsa-Tenany ho ambany, hanaiky hatramin’ny fahafatesana,
dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana.
Ho valin’izany kosa,
dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy,
sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra,
mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany
ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo
efa niditra any amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.

Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.

Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.

Mk. 14, 1 — 15, 47

Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Masindahy Marka

Rehefa indroa andro sisa ny Paka sy ny Azima,
dia nitady hisambotra am-pitaka an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna
mba hamonoany Azy;
nefa, hoy izy, tsy tokony ho amin’ny andro fety fandrao mitabataba ny vahoaka.
Ary nony tany Betania tao an-tranon’i Simôna boka i Jesoa,
dia nisy vehivavy anankiray niditra raha mbola nipetraka nihinana Izy.
Nitondra tavoara alabastra feno diloilo manitra sarobidy
natao tamin’ny salohin’ny narda ravehivavy,
ary novakîny ny tavoara,
dia naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny menaka.
Maro tamin’izay teo no tezitra ka nifampilaza hoe:

Nahoana re no laniana foana toy izao ity zavamanitra?
Denie telon-jato mahery iny raha namidy ka homena ny mahantra.

Dia nimonomonona tamin-dravehivavy izy ireo.
Fa hoy i Jesoa taminy:

Avelao izy;
nahoana ianareo no manao ny mampalahelo azy?
Asa soa no nataony tamiko,
fa ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva,
ka azonareo asian-tsoa araka izay tianareo,
fa Izaho kosa tsy eto aminareo mandrakariva;
nanao izay azony natao izy;
nohosorany rahateo ny Tenako ho fandevenany Ahy.
Lazaiko marina aminareo
fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin’izao tontolo izao,
dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao ho fankalazana azy.

Ary i Jodasy Iskariôta, ilay isan’izy roa ambin’ny folo lahy,
dia nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona mba hanolotra Azy.
Faly ireo nony nandre izany, ka nanaiky hanome vola azy.
Ary i Jodasy dia nitady izay fotoana mety hamadihany Azy.
Ary tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka,
dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe:

Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka?

Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe:

Mankanesa any an-tanàna,
ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo,
ka manaraha azy.
Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe:
“Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao:
Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?”
Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo
ka ao no anamboary ho antsika.

Dia nandeha ny mpianany ka tonga tany an-tanàna,
ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka.
Nony hariva ny andro,
dia tonga Izy sy ny roa ambin’ny folo lahy.
Ary raha nipetraka nihinana izy ireo, dia hoy i Jesoa:

Lazaiko marina aminareo fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo izay miara-mihinana amiko.

Dia nalahelo izy ireo ka samy nanontany Azy tsirairay hoe:

Izaho va izany?

Ary hoy Izy taminy.

Ny anankiray aminareo roa ambin’ny folo lahy
izay miara-mandray amiko amin’ny tanany ao an-dovia.
Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy;
nefa mila loza ho an’izay hamadika Azy.
Tsara ho an’izany lehilahy izany ny tsy teraka.

Ary raha mbola nihinana izy,
dia nandray mofo i Jesoa ka nony efa notsofiny rano sy novakîny
dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe:

Raiso, fa Vatako ity.

Raha efa izany,
dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra,
dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra.
Ary nolazainy aminy hoe:

Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro.
Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho
mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao,
any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Nony efa nanao hira fiderana izy ireo,
dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva,
ary hoy i Jesoa taminy:

Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina;
fa efa voasoratra hoe:
Hokapohina ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry;
fa rehefa tafatsangana indray Aho, dia hialoha anareo any Galilea.

Dia hoy i Piera taminy:

Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra,
izaho tsy mba ho tafintohina na oviana na oviana.

Ary hoy i Jesoa taminy;

Lazaiko marina aminao fa anio alina ihany,
raha mbola tsy haneno fanindroany akory ny akoho,
dia handà Ahy intelo ianao.

Fa vao mainka niteny mafimafy kokoa izy nanao hoe:

Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.

Ary nilaza toy izany koa izy rehetra.
Ary tonga tany amin’ny saha atao hoe Getsemany izy ireo,
dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.

Ary nentiny hiaraka aminy i Piera sy i Jakôba ary i Joany,
ary nihoron-koditra sy ory indrindra Izy.
Ary hoy Izy taminy :

Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy;
mijanòna eto ianareo, ary miareta tory.

Dia nandroso kely Izy, ka niankohoka tamin’ny tany,
ary nivavaka mba ho afaka amin’izany ora izany, raha azo atao, nanao hoe:

Abà, Raiko,
azonao atao ny zavatra rehetra,
ka aoka tsy hikasika Ahy ity kapoaka ity;
kanefa aoka tsy ny sitra-poko no ho tanteraka,
fa ny Anao.

Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka nahita azy natory,
ary nilaza tamin’i Piera hoe:

Ry Simôna, matory va ianao?
Tsy nahari-tory ora iray akory va ianao?
Miambena ianareo, ary mivavaha mba tsy ho latsaka amin’ny fakàm-panahy.
Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.

Dia lasa indray Izy nivavaka,
ka ilay teny teo ihany no nataony.
Nony niverina indray Izy,
dia nahita azy natory fa efa nilondolondo ny masony,
ka tsy hitan’izy ireo izay havaly Azy.
Ary niverina fanintelony Izy, ka nanao taminy hoe:

Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra.
— Aoka izay; tonga ny fotoana:
indro hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.
Mitsangàna ianareo, andeha isika:
indro efa akaiky ilay hamadika Ahy.

Niaraka tamin’izay, raha mbola niteny Izy,
dia tamy i Jodasy Iskariôta isan’izy roa ambin’ny folo lahy
mbamin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy,
nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
Izy ireo dia efa nomen’ilay mpamadika Azy famantarana toy izao:

Izay horohako no Izy,
ka sambory, ary ento tsy amim-pisalasalana.

Vantany vao tonga izy dia nanatona an’i Jesoa ka nanao hoe:

Arahaba, Raby.

Dia nanoroka Azy izy.
Ary nosamborin’ireo Izy, dia nohazoniny.
Fa ny anankiray amin’izay teo aminy nanatsoaka sabatra,
dia namely ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona,
ka nahafaka ny sofiny an’ila.
Ary niteny i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe:

Mova tsy ny hisambotra jiolahy no fiavinareo
nitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy!
Teo aminareo isan’andro Aho, nampianatra teo amin’ny Tempoly,
kanefa tsy nosamborinareo,
fa izany no ahatanterahan’ny Soratra Masina.

Dia nandao Azy ny mpianany rehetra fa lasa nandositra.
Ary nisy tovolahy anankiray nanaraka Azy,
lamba fotsiny no teny ankodiny, nosamborin’ireo koa;
dia nariany ny lambany, ka lasa nandositra niboridana izy.
Ary i Jesoa nentin’izy ireo ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona
izay nivorian’ny lohandohan’ny mpisorona rehetra
sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
I Piera kosa nanaraka Azy teny lavidavitra teny,
hatrany an-tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona,
dia niara-nipetraka tamin’ny mpanompo teo anilan’ny afo, sy namindro.
Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpisaina rehetra
dia nitady izay hiampangana an’i Jesoa hamonoany Azy,
nefa tsy nahita;
fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.
Nony inona dia nisy nitsangana niampanga Azy nanao hoe:

Renay Izy nanao hoe:
Horavàko ity Tempoly nataon-tanana ity,
dia hanangana hafa tsy nataon-tanana indray Aho amin’ny hateloana.

Fa tsy nifanaraka ny fiampangany na dia tamin’izany aza.
Dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra ny lehiben’ny mpisorona nanao hoe:

Ianao va no Kristy Zanak’Ilay Isaorana?

Ka novalian’i Jesoa hoe:

Izaho no Izy!
Ary ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’Ilay Mahefa ny zavatra rehetra,
sy avy eo ambonin’ny rahon’ny lanitra.

Dia norovitin’ny Lehiben’ny Mpisorona ny fitafiany,
ka hoy izy hoe:

Inona indray no ilàntsika vavolombelona?
Efa renareo teo ny nitenenany ratsy an’Andriamanitra,
ka ahoana no hevitrareo?

Dia nataon’izy rehetra fa mendrika ho faty Izy,
ka ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny Tavany,
sy namely totohondry Azy ary nanao hoe:

Vinanio.

Ny mpanompo avy no namely tehamaina Azy.
Ary raha mbola teo ambany amin’ny tokotany i Piera,
dia nankeo aminy ny anankiray amin’ny ankizy vavin’ny lehiben’ny mpisorona.
Nony nahita an’i Piera namindro izy,
dia nijery azy, ka nanao taminy hoe:

Ianao koa naman’i Jesoa Nazareanina.

Fa novaliany hoe:

Tsy fantatro, ary tsy azoko akory izay lazainao.

Dia nivoaka nankany alatrano izy ary naneno ny akoho.
Fa nahita azy indray ilay ankizy vavy,
ka nilaza tamin’izay teo hoe:

Naman’ireny koa io lehilahy io.

Fa nandà indray izy.
Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo tamin’i Piera:

Naman’ireny tokoa ianao, fa Galileanina koa.

Tamin’izay sady niozona izy no nianiana hoe:

Tsy fantatro akory izany Lehilahy antsoinareo izany.

Niaraka tamin’izay dia naneno fanindroany ny akoho.
Ary tsaroan’i Piera ilay teny nolazain’i Jesoa taminy hoe:
tsy mbola haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao;
ka dia nitomany izy.

Raha vao maraina ny andro,
ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra,
ka namatotra an’i Jesoa,
dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty.
Ary i Pilaty nanontany Azy hoe:

Ianao va no Mpanjakan’ny Jody?

Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe:

Voalazanao.

Ary maro ny zavatra niampangan’ny lohandohan’ny mpisorona Azy,
ka nanontany Azy indray i Pilaty nanao hoe:

Tsy mamaly akory va Ianao?
He izato hamaroan’ny zavatra iampangany Anao!

Fa tsy namaly intsony i Jesoa na dia kely aza, ka gaga i Pilaty.
Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin’ny vahoaka;
ka nisy kosa lehilahy iray atao hoe Barabasy niara-nifatotra tamin’ny mpikomy namany,
satria nahafaty olona tamin’ny fikomiana.
Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka azy mba hanao araka izay fanaony aminy;
fa namaly i Pilaty nanao hoe:

Tianareo va raha ny mpanjakan’ny Jody no alefako ho anareo?

Satria fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona Azy taminy.
Kanjo ny mpisorona namoky ny vahoaka fa aleo i Barabasy no halefany ho azy.
Ka hoy indray i Pilaty taminy:

Inona àry no tianareo hataoko amin’ilay antsoinareo hoe mpanjakan’ny Jody?

Dia niantso indray izy ireo nanao hoe:

Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

Ary hoy i Pilaty taminy:

Fa inona àry no ratsy nataony?

Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe:

Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

Ary noho i Pilaty te hahazo sitraka amin’ny vahoaka,
dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy,
ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.
Dia nentin’ny miaramila i Jesoa ho ao amin’ny tokotany,
izany hoe ao amin’ny fitsarana, sady novoriany ny miaramila namany.
Nony efa nampitafiany kapaoty jaky izy,
dia nosatrohany fehiloha tsilo, izay norandraniny, ny lohany;
ary dia niarahaba Azy izy nanao hoe:

Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.

Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora Azy izy,
ary nandohalika nitsaoka Azy.
Nony efa nolalaoviny toy izany Izy,
dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy,
ka natafiny Azy indray ny fitafiany,
vao nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.
Ary nisy lehilahy Sireneanina atao hoe i Simôna, rain’i Aleksandra sy i Rofosy,
nandalo avy any an-tsaha,
dia noteren’izy ireo hilanja ny Hazofijaliany,
ary Izy dia nentiny tao amin’ny tany atao hoe Gôlgôtà
izay adika hoe tanin’ny karan-doha.
Dia nomeny divay miharo mira Izy hosotroiny, fa tsy nety nisotro.
Nony voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nozarainy ny akanjony,
ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy.
Ary tamin’ny ora fahatelo no namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.
Ny filazana ny anton’ny namonoana Azy dia voasoratra hoe:
MPANJAKAN’NY JODY.
Ary nisy mpangalatra roa lahy niara-nofantsihany taminy tamin’ny hazofijaliana:
ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany;
ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe:
“Natao isan’ny ratsy fanahy Izy”.
Ary izay nandalo dia sady nanevateva Azy no nanakifikifi-doha nanao hoe:

Hià! ry ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra
sy manangana azy indray amin’ny hateloana ity!
Vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy, ka mialà amin’ny Hazofijaliana!

Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna,
dia naneso Azy toy izany koa, fa izao no resany eo:

Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena.
Aoka i Kristy Mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny Hazofijaliana amin’izao,
mba ho hitantsika ka hinoantsika.

Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy.
Nony tamin’ny enina, dia rakotra haizina ny tany rehetra hatramin’ny sivy;
ary tamin’ny sivy, dia niantso mafy i Jesoa nanao hoe:

Eloy, Eloy, lamà sabaktany?

Izany hoe:

Ry Andriamanitra ô! ry Andriamanitra ô!
nahoana no dia nilaozanao Aho?

Nony nandre izany ny sasany tamin’izay teo, dia nanao hoe:

Indro miantso an’i Elia Izy.

Dia nihazakazaka ny anankiray tamin’izy ireo,
novontosany vinaingitra ny spônjy sy notohizany volotara,
dia natolony Azy hotsentsafiny, ka hoy izy:

Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka Azy i Elia!

Fa niantso mafy i Jesoa, dia niala aina.

(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)

Ary rovitra nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany
ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly.
Ilay kapiteny nitsangana teo antandrifin’i Jesoa,
nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany izy, dia nanao hoe:

Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.

Ary nisy vehivavy nijery teny lavidavitra teny koa;
anisan’ireny i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Jakôba sy i Jôsefa,
ary koa i Salômé, izay nanaraka Azy sy nanompo Azy fony Izy tany Galilea.
Fanampin’ireo koa nisy vehivavy maro izay niara-niakatra taminy tany Jerosalema.
Ary nony hariva ny andro, satria andro Fiomanana, izany hoe andro mialoha ny sabata,
dia tonga i Jôsefa avy any Arimatia,
loholona malaza izay nanantena ny Fanjakan’Andriamanitra koa.
Sahy nanatona an’i Pilaty izy, nangataka ny Vatan’i Jesoa.
Gaga i Pilaty noho Izy maty sahady,
ka nampaka ilay kapiteny sy nanontany azy na efa maty ela Izy na tsia.
Nony reny ny filazan’ilay kapiteny, dia nomeny an’i Jôsefa ny faty.
Dia nividy lamba i Jôsefa,
ka nony efa nampidina ny maty dia namono lamba Azy,
sy nandevina Azy tamin’ny fasana nolavahana tamin’ny vato,
ary nanakodia ny vato tamin’ny varavaram-pasana.
Ary nojeren’i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Jôsefa tsara izay nametrahany Azy.

Evanjely

Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.

Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.

Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.

Mk. 15, 1-39

Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Masindahy Marka

Raha vao maraina ny andro,
ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra,
ka namatotra an’i Jesoa,
dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty.
Ary i Pilaty nanontany Azy hoe:

Ianao va no Mpanjakan’ny Jody?

Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe:

Voalazanao.

Ary maro ny zavatra niampangan’ny lohandohan’ny mpisorona Azy,
ka nanontany Azy indray i Pilaty nanao hoe:

Tsy mamaly akory va Ianao?
He izato hamaroan’ny zavatra iampangany Anao!

Fa tsy namaly intsony i Jesoa na dia kely aza, ka gaga i Pilaty.
Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin’ny vahoaka;
ka nisy kosa lehilahy iray atao hoe Barabasy niara-nifatotra tamin’ny mpikomy namany,
satria nahafaty olona tamin’ny fikomiana.
Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka azy mba hanao araka izay fanaony aminy;
fa namaly i Pilaty nanao hoe:

Tianareo va raha ny mpanjakan’ny Jody no alefako ho anareo?

Satria fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona Azy taminy.
Kanjo ny mpisorona namoky ny vahoaka fa aleo i Barabasy no halefany ho azy.
Ka hoy indray i Pilaty taminy:

Inona àry no tianareo hataoko amin’ilay antsoinareo hoe mpanjakan’ny Jody?

Dia niantso indray izy ireo nanao hoe:

Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

Ary hoy i Pilaty taminy:

Fa inona àry no ratsy nataony?

Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe:

Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

Ary noho i Pilaty te hahazo sitraka amin’ny vahoaka,
dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy,
ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.
Dia nentin’ny miaramila i Jesoa ho ao amin’ny tokotany,
izany hoe ao amin’ny fitsarana, sady novoriany ny miaramila namany.
Nony efa nampitafiany kapaoty jaky izy,
dia nosatrohany fehiloha tsilo, izay norandraniny, ny lohany;
ary dia niarahaba Azy izy nanao hoe:

Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.

Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora Azy izy,
ary nandohalika nitsaoka Azy.
Nony efa nolalaoviny toy izany Izy,
dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy,
ka natafiny Azy indray ny fitafiany,
vao nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.
Ary nisy lehilahy Sireneanina atao hoe i Simôna, rain’i Aleksandra sy i Rofosy,
nandalo avy any an-tsaha,
dia noteren’izy ireo hilanja ny Hazofijaliany,
ary Izy dia nentiny tao amin’ny tany atao hoe Gôlgôtà
izay adika hoe tanin’ny karan-doha.
Dia nomeny divay miharo mira Izy hosotroiny, fa tsy nety nisotro.
Nony voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nozarainy ny akanjony,
ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy.
Ary tamin’ny ora fahatelo no namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.
Ny filazana ny anton’ny namonoana Azy dia voasoratra hoe:
MPANJAKAN’NY JODY.
Ary nisy mpangalatra roa lahy niara-nofantsihany taminy tamin’ny hazofijaliana:
ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany;
ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe:
“Natao isan’ny ratsy fanahy Izy”.
Ary izay nandalo dia sady nanevateva Azy no nanakifikifi-doha nanao hoe:

Hià! ry ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra
sy manangana azy indray amin’ny hateloana ity!
Vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy, ka mialà amin’ny Hazofijaliana!

Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna,
dia naneso Azy toy izany koa, fa izao no resany eo:

Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena.
Aoka i Kristy Mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny Hazofijaliana amin’izao,
mba ho hitantsika ka hinoantsika.

Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy.
Nony tamin’ny enina, dia rakotra haizina ny tany rehetra hatramin’ny sivy;
ary tamin’ny sivy, dia niantso mafy i Jesoa nanao hoe:

Eloy, Eloy, lamà sabaktany?

Izany hoe:

Ry Andriamanitra ô! ry Andriamanitra ô!
nahoana no dia nilaozanao Aho?

Nony nandre izany ny sasany tamin’izay teo, dia nanao hoe:

Indro miantso an’i Elia Izy.

Dia nihazakazaka ny anankiray tamin’izy ireo,
novontosany vinaingitra ny spônjy sy notohizany volotara,
dia natolony Azy hotsentsafiny, ka hoy izy:

Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka Azy i Elia!

Fa niantso mafy i Jesoa, dia niala aina.

(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)

Ary rovitra nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany
ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly.
Ilay kapiteny nitsangana teo antandrifin’i Jesoa,
nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany izy, dia nanao hoe:

Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.

 

♦ Voaheloka higadra 2 taona an-tranomaizina indray Andriamatoa Lôla Rasoamaharo, tompon'i La Gazette de la Grand Île. Nivoaka ny zoma teo ny didy momba izany noho ny voalaza fa fikasàny handositra ny fonja... ♦ Ahiana hihena be ny isan'ireo vehivavy hirotsaka ho fidiana solombavambahoaka. Mbola iharan'ny herisetra pôlitika ny vehivavy eto Madagasikara hoy ireo fikambanana misehatra amin'ny fandraisan'andraikitry ny vehivavy... ♦ Mety ho 10% ny fiakaran'ny karaman'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina amin'ity taona ity. Tsy nety nanao sonia ny fifanarahana momba izany tamin'ny vondron'ny mpampiasa ny Fisemare, anisan'ireo mpikamban'ny CTM...

♦ Namoizana ain'olona miisa dimy (5) sy naharatran'olona miisa folo (10) farafahakeliny, ireo tranganà lozam-pifamoivoizana ny faran'ny herinandro lasa teo, nisy ny loza an-dalamby, an-tanety ary an-dranomamy... ♦ Hiady ho amin'ny fananana fiahiana ara-tsôsialy sy ara-pahasalamana ho an'ny mpiasa tena  ny Sendika FISEMARE, manomboka izao, nanao hetsika mifandraika amin' izany ity sendika ity tamin'ny sabotsy lasa teo... ♦ Vehivavy sy zatovovavy 170, niharan'ny herisetra no hahazo tombontsoa mivantana aminà tetik'asa iarahana amin'ny fondation Aga Khan, tetik'asa roa lehibe no hotanterahina izay natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy lasa teo...

♦ Azo atao tsara ny manala an-daharana ireo kandidà solombavambahoaka mandika lalàna hoy ny filohan'ny HCC Florent Rakotoarisoa... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana solombavambahoaka ny kôlektifa an'ny Malagasy saingy tsy hisy ny fifaninana eo amin'ny samy mpanohitra... ♦ Efa tara ny tsikera nentin'ny mpiara-miombon'antoka manoloana ny fahapotehan'ny lalam-pirenena hoy ny mpanao pôlitka Razanakoto Norbert... ♦ Mifanindran-dalana amin'ny fifidianana filoham-pirenena ao Rosia ny ady. Biraom-pifidianana miisa roa no niharan'ny fanaffihan'i Ukraine...

Alahady fahadimy amin'ny karemy : Te hihavana amintsika Andriamanitra ; raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran'ny mpanompoko. Miantefa amintsika Kristiana ankehitriny ny fanirian'Andriamanitra, te ho Andriamanitsika Andriamanitra. Mila mandini-tena isika ka mametraka fanontaniana hoe : efa mifanaraka amin'ny antson'Andriamanitra ve ny atao rehetra, ekeko ve ny fitantanan'i Kristy, mitombo ve ny fifandraisako amin'Andriamanitra?. Ny famonjena dia tsy natao ho an'ny Jody irery fa ho an'ny firenena rehetra. Ny fitiavana sy ny fanoloratena dia mety hitondra fijaliana sy fahafatesana, izay mitia na tiavina dia mahatsapa sambatra sy faly, izany no maha voambary nafafy antsika, maty vao velona...

♦ Nitroatra ka nanaparitaka fako eran'ny lalana omaly ireo mpiasan'ny SMA noho ny tsy fandraisan'izy ireo karama. Nanomboka teny Ankadindramamy, Ampasampito, Avaradoha, Bel'Air hatreny Behoririka ny hetsika... ♦ Efa misy ny vola hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka hoy ny Filohan'ny CENI Dama Arsène Andrianarisedo. Tontosa omaly ny sehatra ifampizaram-baovao sy ifanakalozana... ♦ Mitaky ny hamoahana ny didim-panjakàna fampiharana ny lalàna miantoka ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa eto Madagasikara ireo fikambanana misehatra amin'izany... ♦ Tsy eken'ny ONU ny fanatanterahana fifidianana filoham-pirenena, any amin'ny faritany bodoin'ny Rosia...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...