♦ Miatrika ny fanadinam-panjakàna faharoa amin'ity taona ity na ny BEPC nanomboka androany ny mpianatra taona faha-9, maherin'ny 290.000 ny mpiadina amin'izany manerana an'i Madagasikara... ♦ Mifarana androany voalohan'ny volana jolay ny fe-potoana fiasan'ireo solombavambahoaka miisa 151 voafidy ny taona 2019... ♦ Tsy hiantraika mivantana amin'ny toe-karena sy sôsialy eto Madagasikara ny fahazoantsika famatsiam-bola roa sosona, avy amin'ny tahirim-bola iraisam-pirenena hoy ny mpahay toe-karena Jonah Andrianantoanina... ♦ Hihato manomboka rahampitso 02 jolay avokoa ny fihaonana samihafa fanaon'ny Papa François noho ny fe-potoana fialantsasatra ho azy, izay haharitra iray volana...

♦ Vonona amin'ny fanatsarana ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara ny fitondram-panjakana Malagasy, fepetra maro no efa napetraka momba izany... ♦ Omena tombondahiny amin'ny famatsiam-bola ao amin'ny Banky BNI ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fampivoarana ny maha olona sy ny fiarovana ny tontolo iainana... ♦ Hitsangana tsy ho ela eny amin'ny antenimieram-pirenena ny vondrona parlemantera tsy miankina, izay hijoro ho hery afovoany... ♦ Olona 11 indray no namoy ny ainy ny alin'ny sabotsy hifoha omaly alahady vokatry ny daroka baomba nataon'ny tafika Rosiana an'i Ukraine tany Zapporijja sy Donesk... ♦ Olona 5 no maty, ka ny 3 tany Frantsa ary 2 tany Suisse vokatry ny andro ratsy ora-mikija...

♦ Tsy an'asa avokoa ny 68,50% ny tanora Malagasy latsaky ny 24 taona, tanora 500.000 isan-taona anefa no mahavita fianarana tokony hiditra amin'ny tontolon'ny asa... ♦ Ramilison Nomenjanahary : Fandresena ho an'ny vahoakan'i Faratsiho ny vikam-pifidianana ôfisialy navoakan'ny HCC, mitaky sy miandry ny asa ho ataon'ny solombavambahoaka voavao amin'izay ny vahoaka... ♦ Mahazo vahana ao amin'ny renivohitry ny distrika Betafo ny trangana famonoantena feo amin'ny tanora ka ny lehilahy no maro an'isa amin'ireo manao izany... ♦ Any Etats Unis : Nivoaka sempotra tamin'ilay ady hevitra nifanaovany tamin'ny Kandidan'ny Antoko repoblikanina Donald Trump ny filoha Joe Biden...

Alahady faha-13 mandavantaona - B : Ny hahavelona antsika no irin'Andriamanitra ; Aleloia, Aleloia, Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. Aleloia. Ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao.Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan’ny velona. Ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’ireo havanareo mahantra. Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra no ho fahambonianareo koa amin’ny fahasoavam-piantrana. I Jesoa Kristy no Tompon’ny aina, na amin’ny ara-nofo na amin’ny ara-panahy, koa mangataha aminy mba hovelominy lalandava amin’ny Ainy isika...

♦ Radio Don Bosco : Mamita ny hiraka nampanaovin'Andriamanitra sy ny fikambanana Saleziana ary natao ho an'ny Malagasy rehetra hoy ireo nandaha-teny nandritra ny fankalazana ny faha-28 taonany ny 27 jona 2024 teo... ♦ Mitaky ny famoahana an'Andriamatoa Mahavita Sylvestre any amponja noho izy lany solombavambahoaka ôfisialy araka ny didiny HCC ny fikambanana BAAM sy ny Grand Sud-Est... ♦ Nanao hetsika fitakiana ny hampiodinana ny Base Toliara ireo mpanohana ny tetik'asa nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona 2024 lasa teo... ♦ Olona iray no namoy ny ainy 09 hafa naratra vokatry ny fianjeran'ny cabine iray nitondra olona amin'ireny fitanterana an-tariby na téléphérique ireny tany Medellin any Colombie...

♦ 27 jona 1996 - 27 jona 2024 : Mankalaza ny faha-28 taona nijoroany amin'ity anio ity ny Radio Don Bosco, hanohy ny ezaka amin'ny fanatonana bebe kokoa ny mpihaino ho an'ny 28 taona ho avy ny onjam-peo hoy ny Tale mpitantana... ♦ Anio amin'ny 10ora maraina no hamoaka ny vokatra ôfisialy tamin'ny fifidianana solombavambahoaka izay notanterahina ny 29 mey lasa teo ny fitsarana Avo momba ny Lalam-Panorenana ; naherin'ny 1.300 ireo fitoriana voarain'ity rafi-pitsarana ity momba izany... ♦ Hamelona ny afon'ny fitiavan-tanindrazana ny fankalazana ny faha-64 taona nahazoana ny fahaleovan-tena ka hiray fo, hiray hina ny Malagasy ary hiaraka hampandroso ny firenena hoy ny Filoha Rajoelina Andry...

♦ 27 jona 1996 - 27 jona 2024 : Mankalaza ny faha-28 taona nijoroany amin'ity anio ity ny Radio Don Bosco, hanohy ny ezaka amin'ny fanatonana bebe kokoa ny mpihaino ho an'ny 28 taona ho avy ny onjam-peo hoy ny Tale mpitantana... ♦ Anio amin'ny 10ora maraina no hamoaka ny vokatra ôfisialy tamin'ny fifidianana solombavambahoaka izay notanterahina ny 29 mey lasa teo ny fitsarana Avo momba ny Lalam-Panorenana ; naherin'ny 1.300 ireo fitoriana voarain'ity rafi-pitsarana ity momba izany... ♦ Hamelona ny afon'ny fitiavan-tanindrazana ny fankalazana ny faha-64 taona nahazoana ny fahaleovan-tena ka hiray fo, hiray hina ny Malagasy ary hiaraka hampandroso ny firenena hoy ny Filoha Rajoelina Andry...

♦ Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana mandritra ny Matso eny Mahamasina rahampitso. Hiavaka ihany koa ny Afomanga eny Anosy anio hariva, amin'ny alalan'ny "Seho Drone" haharitra 20 minitra... ♦ Mafampana ny any Vangaindrano amin'izao fotoana mialoha ny fetim-pirenena izao. Hihetsika ny Ampanjaka Antefasy any an-toerana ho an'ny lanonana ôfisialy hanamarihana ny fetin'ny fahaleovan-tena rahampitso 26 jona 2024... ♦ Ny alakamisy 27 jona izao no hamoaka amin'ny fomba ôfisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka ny HCC. Hitodika eny Ambohidahy indray ny mason'ny rehetra aorian'ny fetim-pirenena... ♦ Nahafatesana olona sy naharatràna 37 hafa ny fifanosehana tany Rwanda, famoriam-bahoaka nataon'ny filoha Paul Kagamé...

♦ Mpitandro ny filaminana hatrany amin'ny 4.000 isa no handray anjara amin'ny Matso eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina rahampitso 26 jona ; ho hentitra ny fitandroana ny filaminana... ♦ Tsy hihemotra amin'ilay hetsika hataony manoloana ny kianjan'i Mahamasina rahampitso ny fikambanan'ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM. Nanamafy ny hisian'io fihetsiketsehana io ny mpitarika, omaly... ♦ Tokony hakarina ny fahefa-mividin'ny vahoaka Malagasy noho ny fampiharana ny "vérité de prix" hoy ny mpahay toe-karena, Jonah Andrianantoanina. Nambarany fa hiteraka fidàngan'ny vidim-piainana goavam-be eto amin'ny firenena ny firosoana amin'izany...

♦ Tsy hihemotra amin'ilay hetsika hataony manoloana ny kianjan'i Mahamasina amin'ny 26 jona, ny fikambanan'ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM. Nanamafy ny hisian'io fihetsiketsehana io ny mpitarika androany... ♦ Lasa resabe ny fiakaran'ny vidin-tsolika atsy ho atsy, noho ny firosoana amin'ny “vérité de prix”. Hiteraka fidangan'ny vidim-piainana goavam-be eto amin'ny firenena izany, hoy ny mpahay toe-karena, Jonah Andrianantoanina... ♦ Nitombo 31 mianadahy ireo “inspecteurs industriels” eto amintsika, hanampy ireo 20 efa amperin'asa...

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Amôsy Mpaminany (Amôsy 9, 11-15)

Hampodiko indray ny babo amin’ny vahoakako; ary hamboleko eo amin’ny taniny izy.

Izao no lazain’ny Tompo:
Amin’izany andro izany, ny tranobongon’i Davida efa nianjera hatsangako indray,
ny banga hotampenako, ny rava hamboariko;
ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;
mba hananan’izy ireo izay sisa amin’i Edôma,
mbamin’ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako,
— teny marin’ny Tompo —
izay nanao izany zavatra izany.
Indro avy ny andro,
— teny marin’ny Tompo —,
ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja;
ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy ;
hitete avy amin’ny tendrombohitra ny divay vaovao,
ary ny havoana rehetra hitsonika.
Hampodiko indray ny babo amin’i Israely vahoakako;
ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray;
ny voaloboka hamboleny hisotroany ny divay avy aminy;
hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.
Hamboleko eo amin’ny taniny izy,
ka tsy hongotako intsony hiala amin’ny tany, izay efa nomeko azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9. 11-12. 13-14

Ny Tompo miteny fiadanana amin’ny olony.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa Izy tsy hiteny fiadanana
ho an’ny olony, ho an’ny mpivavaka aminy,
ho an’ireo mampitodika ny fo aminy?

Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana:
mitrebona an-tany ny fahamarinana,
mitranga avy eny an-danitra ny rariny.

Ny Tompo manome orana amim-peo avo,
ka ny tanintsika manome ny vokany.
Ny rariny mizotra eo anoloany;
ny fiadanana, eo amin’ny soritry ny diany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)

Moa mahazo misaona va ny olona raha mbola eo ny mpampakatra?

Tamin’izany andro izany,
nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe:

“Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika,
fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra
raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy.
Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao,
fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra.
Ary ny barìka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao;
fa raha izany, dia ho vaky ny barìka, ka ny divay raraka, ary ny barìka simba;
fa ny barìka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao,
dia samy maharitra izy roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...